Radio AINA Fm 92.2 Mhz Mananjary

Radio AINA Fm 92.2 Mhz Mananjary Radion'ny Diosezin'i Mananjary

ALAHADY 26 JANOARY 2025⛪ Zanam-piangonana Ambalamainty 🇻🇦 Distrikan'i Antsenavolo ✅Nanantateraka famangiana pastoraly te...
26/01/2025

ALAHADY 26 JANOARY 2025

⛪ Zanam-piangonana Ambalamainty

🇻🇦 Distrikan'i Antsenavolo

✅Nanantateraka famangiana pastoraly teto amin'ny zanam-piangonana Ambalamainty ny Evekantsika Monsenera José Alfredo Androany Alahady 26 Janoary 2025. Ambalamainty izay tafiditra ao anatin'ny distrikan'i Antsenavolo eo amin'ny lafiny finoana Katolika.

RADIO AINA 20 TAONAEfa tonga ny tee-shirt radio Aina 20 taona.Prix:25000ar Misy S , L ,M ,XL , XXLLoko: Tokana myToerana...
21/01/2025

RADIO AINA 20 TAONA

Efa tonga ny tee-shirt radio Aina 20 taona.

Prix:25000ar

Misy S , L ,M ,XL , XXL

Loko: Tokana my

Toerana :RADIO AINA -LIBRAIRIE CATHOLIQUE Antanambazaha

Contact :034 21 833 63

Mandraisa anjara ho fanohanana ny radiotsika.

ANKIZY MISIONERA DIOSEZY MANANJARY Nitohy tamin'ny fiarahana misakafo sy kilalao maro samihafa ary Radio crochet ny fand...
12/01/2025

ANKIZY MISIONERA DIOSEZY MANANJARY

Nitohy tamin'ny fiarahana misakafo sy kilalao maro samihafa ary Radio crochet ny fandaharam-potoana nandritran'ny fankalazana ny fety ny ankizy misionera.

FETY TAOM-BAOVAO 2025 ANKIZY MISIONERA DIOSEZY MANANJARY :   - Nomarihina androany Alahady 12 Janoary ankalazana ny bate...
12/01/2025

FETY TAOM-BAOVAO 2025 ANKIZY MISIONERA DIOSEZY MANANJARY :
- Nomarihina androany Alahady 12 Janoary ankalazana ny batemin'ny Tompo ny fety ankizy misionera Mananjary. Sorona Masina notarihin'i Eveka Mgr José Alfredo tao @ fiangonana Victoire Rasoamanarivo. Manentana ny ankizy rehetra hazoto hivavaka sy hianatra ary hanao ny tsara mandrakariva ny Eveka mba ho mpivahinin'ny fanantenana tokoa indrindra fa amin'izao fankalazana ny taon-jaobily izao.

Fanaovana veloma an'i   ,mpiara-miasa teto amin'ny Diosezy.✅Faly aho hoy izy ny amin'ny fiverenako, amin'ny maha tanin-d...
08/01/2025

Fanaovana veloma an'i ,mpiara-miasa teto amin'ny Diosezy.
✅Faly aho hoy izy ny amin'ny fiverenako, amin'ny maha tanin-drazako an'i France ; saingy tsy foiko koa i Mananjary 🙂
✅Mbola hiverina aho hamangy amin'ny fotoana manaraka.
✅Nisaotra sy nankasitraka azy tamin'ny alalan'ny Eveka moa ireo mpiara-miasa rehetra.

Fivoriana voalohany ho an'ireo Pretra sy Reliziozy miasa ato amin'ny Diosezy Mananjary ho amin'ny taona 2025 ity , nanom...
08/01/2025

Fivoriana voalohany ho an'ireo Pretra sy Reliziozy miasa ato amin'ny Diosezy Mananjary ho amin'ny taona 2025 ity , nanomboka ny 7 Janoary sy 8 Janoary ity tetsy amin'ny résidence Ecar Mananjary.
➡️Ankoatran'ny fandinihana ny fandaharam-potoan'ny Diosezy sy ny fandinihana ny fiainana ny taona Masina, namafisina ihany koa ny fanatsarana hatrany ny litorjia ,ny fanatsarana ny fombafomba rehetra mandritran'ny pèlerinage (lalan'ny hazofijaliana +, konfesy,fitsaohana ny Sakramenta Masina,sns...)
➡️Nampiavaka ny fivorian'ny pretra sy Relijiozy tamin'ity indray mitoraka ity koa ny fandalovan'ny solon-tena Nasionaly avy amin'ny Fivondronan'ny Tokantrano Kristianina na FTK, niompana tamin'ny fanazavana ny maha zava-dehibe ny fianakaviana ny famelabelarana izay nataon'izy ireo nandritra ny fivoriana.
➡️ Voresaka koa moa ny fampirisihana ireo Pretra sy Reliziozy lehilahy - vehivavy , vaovao, miasa ato amin'ny Diosezy,hamaky ny boky fitondram-piangonana.
Amin'ny volana Martsa 2025 indray moa ny fivoriana manaraka.

Napetraka nandritran'ny lamesa natao teto amin'ny kianjan'ny Katedraly Fo Masin'i Jesoa FARAFANGANA androany ny Eveka va...
05/01/2025

Napetraka nandritran'ny lamesa natao teto amin'ny kianjan'ny Katedraly Fo Masin'i Jesoa FARAFANGANA androany ny Eveka vaovaon'ny Diosezy FARAFANGANA, Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin ,izay Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Antsinana teo aloha ,mandimby an'ny Mgr Gaetano Di Piero.scj.
Lanonana sy lamesa teo ambany fitarihan'ny solon-tenan'ny Ray Masina François,Mgr Thomas Grysa, notronon'ireo Eveka sy pretra ,reliziozy, ny solontenam-panjakana maro,ary ny Kristianina tsy vaky volo.
Voalaza sy nambara nandritra izao Sorona Masina izao ary fa ny Kardinaly Désiré TSARAHAZANA no administrateur apostolique ao amin'ny Diosezy Fenoarivo Atsinanana.
Ity Eveka vaovaon'ny Diosezy FARAFANGANA ity izay marihina fa Eveka faha enina,mitondra ity Diosezy ity.

Fijoroana vavolombelona ataon'ny Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Eveka vaovaon'ny Diosezy FARAFANGANA amin'izao takariva i...
04/01/2025

Fijoroana vavolombelona ataon'ny Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Eveka vaovaon'ny Diosezy FARAFANGANA amin'izao takariva izao, eto amin'ny kianjan'ny Katedraly Fo Masin'i Jesoa FARAFANGANA, mialohan'ny hametrahana azy amin'ny toerany ho amin'ny rahampitso.

Fandraisana ny Nonce Apostolique, Mgr Thomas Grysa sy ireo Eveka mpiara -dia aminy ,teto amin'ny renivohitrin'ny Diosezy...
04/01/2025

Fandraisana ny Nonce Apostolique, Mgr Thomas Grysa sy ireo Eveka mpiara -dia aminy ,teto amin'ny renivohitrin'ny Diosezy FARAFANGANA.Izay nigadona taty an-toerana tamin'ny 12 ora atoandro teo.

Tamin'ny efatra ora mahery dimy ambin'ny folo minitra tolakandro no nigadona teto amin'ny renivohitrin'ny Diosezy FARAFA...
03/01/2025

Tamin'ny efatra ora mahery dimy ambin'ny folo minitra tolakandro no nigadona teto amin'ny renivohitrin'ny Diosezy FARAFANGANA ny Eveka vaovaon'ity Diosezy ity, Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, notronon'ireo delegasionina niaraka taminy, tamin'ny alalan'ny cortège mitoman-davana.
🇻🇦Nafana ary tamin-kafaliana tanteraka ny fandraisan'ny vahoakan'i FARAFANGANA sy ny manodidina ary ireo fikambanana Masina, mbamin'ireo vondrom-bavaka sy ireo manam-pahefana.
🇻🇦Nihazo ny Katedraly Fo Masin'i Jesoa FARAFANGANA avy hatrany moa izy ireo taorian'ny fitsenana azy.
Ho taterina aminao eto amin'ny pejin'ny RADIO AINA Mananjary hatrany moa ny fandaharam-potoana rehetra.

Fitsenana an'ny Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin,  Eveka vaovaon'ny Diosezin'i FARAFANGANA.🇻🇦Nigadona tao Mizilo , Distrika ...
03/01/2025

Fitsenana an'ny Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Eveka vaovaon'ny Diosezin'i FARAFANGANA.
🇻🇦Nigadona tao Mizilo , Distrika Ambila , vavahady hidirana ho any amin'ny Diosezy FARAFANGANA, tamin'ny 10h30 teo Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin Eveka vaovaon'ny Diosezin'i FARAFANGANA sy ireo delegasionina niaraka taminy.
🇻🇦Niara-nigadona tamin'io ihany koa ireo delegasionina avy taty Mananjary notarihin'ny Evekantsika Mgr José Alfredo.
🇻🇦Nitsidika ny Fiangonana tao Mizilo izy ireo,ary taorian'izay nihazo ny paroasin'ny Mb Terezin'i Jesoa zazakely Mangarivotra-Manakara.
Hanohy ny dia hankany amin'ny renivohitry ny Diosezy FARAFANGANA kosa ireto delegasionina maro ireto anio tolakandro.

KATEDRALY MANANJARY :Fotoam-pivavahana namaranana ny taona 2024 notarihin'i Eveka Mgr José Alfredo. Isaorana an'Andriama...
31/12/2024

KATEDRALY MANANJARY :
Fotoam-pivavahana namaranana ny taona 2024 notarihin'i Eveka Mgr José Alfredo. Isaorana an'Andriamanitra ny ezaka sy ny zava-tsoa rehetra azo nandritra ity taona 2024 tato @ Diosezy Mananjary. Ary mila miroso hatrany isika fa tsy mihemotra indrindra fa amin'izao famakivakiana ny taona Masina 2025 izao, hoy ny ampahany tamin'ny hafatry ny Evekantsika . Mirary ny soa hoantsika Kristianina rehetra hoan'ny taona vaovao 2025 hoy ny Eveka Mgr José Alfredo.

Notohizana tamin'ny ANTSAM-PIDERANA izay nohafanain'ireo CHORALES avy  amin'ny Paroasy eto Mananjary , ny tolakandron'ny...
30/12/2024

Notohizana tamin'ny ANTSAM-PIDERANA izay nohafanain'ireo CHORALES avy amin'ny Paroasy eto Mananjary , ny tolakandron'ny Alahady 29 desambra teo ny FANOKAFANA ny "𝐓𝐚𝐨𝐧-𝐉𝐨𝐛𝐢𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐯𝐚𝐡𝐢𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚".
Antsam-piderana izay notontosaina tao amin'ny Cathédrale Md AUGUSTIN Mananjary.

KATEDRALY MANANJARY :  - Nosokafana ny Alahady 29 décembre 2024 ity ny taon-jaobily, taona Masina 2025 iombonana amin'ny...
29/12/2024

KATEDRALY MANANJARY :
- Nosokafana ny Alahady 29 décembre 2024 ity ny taon-jaobily, taona Masina 2025 iombonana amin'ny fiangonana Katolika maneran-tany. Fotoana izay mitaky ezaka , vavaka, fibebahana, fanaovan-tsoa ary fandraisana andraikitra avy @ tsirairay ho fampanjakana ny fiadanana mba ho tena mpivahinin'ny fanantenana tokoa isika Kristianina rehetra hoy ny Eveka Mgr José Alfredo izay nitarika ny Sorona Masina.
- Napetraka tamin'ny fomba ofisialy androany koa ny curé vaovao eto Katedraly Paroasy St Augustin Mananjary Mompera VELOMARO Célestin . Natolotr'i Vikera Jeneraly Mompera Laraison RAMOSANDRIANARIVO azy ny fanalahidin'ny fiangonana taorian'ny fanavaozan-toky nataony teo anatrehan'ny Eveka. Nisaotra ny Eveka sy ny Vikera Jeneraly ary miantso fiarahamiasa hatrany amin'ny rehetra ny curé vaovao ho fiarahan-dia amin'ny fampandrosoana ny fiangonana.

Tao Tsaramandroso Antsenavolo androany Sabotsy 28 décembre no namaranan'ny Evekantsika Mgr José Alfredo ny famangiana pa...
28/12/2024

Tao Tsaramandroso Antsenavolo androany Sabotsy 28 décembre no namaranan'ny Evekantsika Mgr José Alfredo ny famangiana pastoraly hoan'ny taona 2024 ity. Taorian'ny Sorona masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny fandriampahalemana sy ny fiadanana maneran-tany dia nisy ny raozery sy vavaka fanokanan-tena @ Masina Maria ny fiainan'ny Diosezy Mananjary notarihin'ny Eveka Mgr José Alfredo niarahana tamin'ireo Kristianina ao Tsaramandroso Antsenavolo.

Nitohy tao amin'ny fiangonana Andonabe distrikan'Antsenavolo ny famangiana pastoraly nataon'ny Eveka Mgr José Alfredo ny...
27/12/2024

Nitohy tao amin'ny fiangonana Andonabe distrikan'Antsenavolo ny famangiana pastoraly nataon'ny Eveka Mgr José Alfredo ny zoma 27 décembre 2024 ity, ho fiaraha-miombavaka sy mizara hafaliana amin'izao fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao. Fotoana izay nankaherezan'ny Eveka an'ireo Kristianina ao Andonabe mba hahery fo, hanamafy hatrany ny finoana sy ny fivavahana indrindra fa amin'izao fidirana amin'ny taona Masina 2025 izao.

KIANJAVATO DIOSEZY MANANJARY :  Nankalazaina androany alakamisy 26 décembre 2024 ny fetin'i Masindahy Etienne mpiaro ny ...
26/12/2024

KIANJAVATO DIOSEZY MANANJARY :
Nankalazaina androany alakamisy 26 décembre 2024 ny fetin'i Masindahy Etienne mpiaro ny fiangonana KIANJAVATO. Téo koa ny fametrahana ny Curé vaovao mompera Sedra miasa ao an-toerana. Miisa 59 ireo tanora nandray ny Sakramentan'ny fankaherezana nandritra izany. Sorona masina notarihin'ny Eveka Mgr José Alfredo . Anisany mahery fo nahafohy tena ho maritiry tamin'ny fitoriana ny vaovao mahafaly i Masindahy Etienne ka modely fakantahaka indrindra fa amin'izao firosoantsika amin'ny taona Masina 2025 izao hoy ny Eveka tamin'ireo Kristianina ao Kianjavato .

TALATA 24 DESAMBRA 2024SASAKALIN'NY NOELYFIANGONANA  KATEDRALY ✅Teto amin'ny Fiangonana Katedraly Paroasy St Augustin ny...
24/12/2024

TALATA 24 DESAMBRA 2024

SASAKALIN'NY NOELY

FIANGONANA KATEDRALY

✅Teto amin'ny Fiangonana Katedraly Paroasy St Augustin ny Evekantsika Monsenera José Alfredo no nankalaza ny sasakalin'ny Noely androany.

✅Namafisin'ny Eveka fa ny famonjena dia jiro manazava ny fiainatsika Kristianina koa mazotoa mivavaka indrindra amin'izao fetin'ny Noely izao ary nofaranany tamin'ny teny firariantsoa ho an'ireo Kristianina rehetra.Io no Isany ampahany tamin'ny hafatra netiny nandritran'ny fampianarany.

✅Any amin'ny fiadidiana Anosiparihy Distrikan'i Antsenavolo kosa no hankalazany ny fetin'ny Noely rahampitso, ary hitohy ao Tanambao Besakay .

✅Ny Ekipan'ny RADIO AINA Mananjary dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra.

Address

Ampasimandrorona BP 58
Mananjary
317

Opening Hours

Monday 06:00 - 21:00
Tuesday 06:00 - 21:00
Wednesday 06:00 - 21:00
Thursday 06:00 - 21:00
Friday 06:00 - 21:00
Saturday 06:00 - 21:00
Sunday 06:00 - 21:00

Telephone

+261340364629

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio AINA Fm 92.2 Mhz Mananjary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category