Miarahaba antsika rehetra tratriny taona 2024 😊.
Indro misy sary vitsivitsy nanamarika iny taona 2023 iny.
Fitsenana ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi Filohan'ny FJKM teo Vohidiala 🎉
Famataran-dalana ho antsika.
'Zao tsangambato izao, sy Ireo zava-bita.
Ka Dera, laza anie ho anao ry Tompo.
Misaotra e! Misaotra, midera Anao ny foko.
Sources : Page Facebook TV PLUS Madagascar ofisialy
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany 💒
Indro atolotra ho antsika ny hira fanevan'ny Faha 80taonan'ny Fiangonana sy faha 20 taona maha Mpitandrina an'Andriamatoa RANDRIAMAMPIONONA Daniel Mivady ary fitokanana ny Asa fanitarana Fiangonana.
FAMATARAN-DALANA
1- Valopolo taonam-pampihavanana.
Nitory vaovao mahafaly nifanome tanana.
Ny ara-panahy mandroso tsy mihato.
Vavolombelon'izany Zao tsangambato.
Fankalazana tena miavaka.
Tompo ô!
Zao fiarahana mivavaka.
Ref*2: Famataran-dalana ho antsika.
'Zao tsangambato izao, sy ireo zava-bita.
Ka dera, laza anie ho anao ry Tompo.
Misaotra e! Misaotra, midera Anao ny foko.
2- Roapolo taona izay Tompo ô! ny lasa.
Naniraka IANAO hoe: Zao no asa.
Hamerina' reo ondry rehetra ao ambala.
Ka hamonto azy ireo filazan-tsara.
Misaotra Anao Jesoa Mpanjaka.
Fa ravoravo ny fo.
Midera mankalaza.
Ref*2
3- Indro Tompo ô! ireo zava-bita.
'Lay tsangambato ho an'ny Filazan-tsara.
Ho lovain'ireo taranaka miampita.
Ka hipetraka ho Azy ireo ho tantara.
Jereo manokana Tompo 'reo mpiasa.
Sy ireo mpino.
Ary izay mbola kinasa.
Ref*2: Famataran-dalana ho antsika.
Zao FANKALAZANA sy ireo zava-bita.
Ka dera, laza anie ho anao ry Tompo.
Misaotra e! Misaotra, midera Anao ny foko
Arr: STK Akon'Anjomara