19/04/2024
📖 SHEICK SHAMSSOUDINE BOTRALAHY SY OUSTAZAH CHAIMA ISMAËL .
🚪 NANDRAY DIPLAOMA AMBONY
AMIN'NY FAHAIZANA MAMAKY NY BOKY MASINA KOR'ANY i SHEICK SHAMSOUDINE BOTRALAHY SY OUSTAZA CHAIMA ISMAËL TAO Émirat Arabe Unis ny Volana Ramadane 1445 /2024 .
✅ Tsiahivana fa ny volana Ramadan 1444 H / 2023 dia nandray ny diplaoma HIJAZAH tamin'ny famakiana IBN KATHIIR sy IBN A'AMIR i Sheick Shamsoudine Botralahy
📖 Ny Volana Ramadane 1445 dia NANDRAY ny diplaoma HIJAZAH
tamin'ny QUIRAAT HAMZAH izay famakiana hisany tena sarotra indrindra indray i Sheick Shamsoudine Botralahy raha nandray ny diplaoma tamin'ny famakiana ANSWIM TAM TWARIQA CHÀTOUBIYA i Oustaza Chaima Ismaël Ahmad .
⚫ Andrareziny Mpino Islamo amin'ny fahaizana mamaky ny Boky masina Kor'an i🕋Sheikh Shamsoudine Botralahy izay zanak'i soafeno avy Diego-Suarez .
.......TSARA HO FANTATRA .......
📖 Ny fahaizana mamaky mitohy tahakan'ny namakian'ny I Mpaminan’I Allah Salallah ‘anlayhi wa salam ny Kor'any sy ireo mpanaradiany no azahoana ny diplaoma HIJAZAH.
🤲🤲🏻🤲🏻Allah anie hampiakatra hatrany ny voninahitrareo eto an-tany sy any ankoatra.
🗣 Sheikh Chamsoudine Botralahy dia manam-pahaizana be fanetren-tena ary tia mianatra sy mampianatra ny Boky Masina Kor'any.
🤲🏻🤲🏻🤲🏻 Allah anie hiaro sy hamalavala anareo sy ny fahalàlana ao amponareo ..