Efapolo Taona - Journal d'une femme de 40 ans

Efapolo Taona - Journal d'une femme de 40 ans Takelaka fitantarana fiainana ity. Sady lava resaka be aho.

24/04/2024

✅Resaho ny zaza fa aza ampitahorina✅
(Resaka lava be ity)
Défi goavana indrindra ao anaty tokantrano ny mitaiza zaza satria adidinao io mandrapa-lehibeny. Izaho manokana mino hoe hanadinan'Andriamanitra ahy ireo any am-parany any. Eto amintsika anefa tsy mbola misy fampianarana ny olombelona ho ray amandreny mahay mitaiza fa ny fiaraha-monina no atao fitaratra eny.
👉👉Tsy misora-tena ho mahay mitaiza aho, loin de là. Raha misy ny tsy mahay dia isany aho ary manongo-tena isan'andro hoe "andray ty izaho". Androany anefa te hizara traik'efa sendra nety dia ny firesahana amin'ny zaza dieny mbola kely izy. Tsy tia maheno zaza mikonainaina amin'ny tsy misy antony aho, efa hatrizay io. Ka vao mikonainaina ny zanako taloha dia anotaniako hoe "maninona ianao?" Tsy mbola nahay niteny akory izy dia efa nanotaniako an'izay dia izaho no mitady izay mahazo azy, sao mafana, sao maloto ny couche, sao noana, sao te hatory, sns.
👉👉Rehefa nahay niteny vao maika azoko ny aiko satria mamaly izay antony izy, dia iny no resahana sy hitadiavana solution. Nazavaiko mihitsy hoe "tsy mitomany amin'ny tsy misy antony fa rehefa misy tsy metimety dia miteny amin'i Dada sy Neny" Nazavaiko hoe raha marary fa nianjera ohatra, dia légitime ilay mitomany fa sady tenenina ihany hoe rehefa afaka ny marary dia mangina 🫣 Toy izay koa raha malahelo. Mahazo mitomany soa aman-tsara mihitsy fa rehefa maivamaivana ny fo dia mangina. Nanana culpabilité ihany aho satria tsy avela mba hikonainaina par caprice ilay zaza, nefa moa tena tsy vitako hatrizay ilay maheno zaza mikonainaina par caprice io. Noho izany, tsy nikonainaina sy nitomany lava reny amin'ny zavatra tsy fantatra ny zanako tamin'ny mbola kely. Misy tombony io an:
✅Izy tsy reraka mitomany.
✅Izaho tsy leo be.
✅Samy faly ny rehetra.
🫣Tsy izany fa mahita jeune maman aho manodidina anay eto, ampitahoriny an'izao rehetra izao ny zanany rehefa mitomany nefa io zaza io mitomany matetika ary misy fotoana efa ho adiny iray ilay zaza mikikiaka sy mikonaina ao. Tsy hitany intsony angamba izay anaovana azy dia teneniny hoe "Iny ary i maman'i anona fa hihinana anao.", "Iny ary dadan'i anona hibedy anao." Indray mandeha aho tena taitra fa niteny hoe "mahafatifaty ki ndry, mampite hanaikitra mihitsy" Vao nitodika aho dia hoy izy tamin'ilay zanany hoe "Kakeriny hono ndry" :o Efa fantatro fa rehefa hitomany izao ilay zaza dia ho lazainy ho avy hanaikitra azy eo aho :'( Ny vadiko koa tena tia zazakely. Tia azy daholo ny zazakely manodidina anay eto saingy io zaza iray io matahotra fadiran'ovana satria ampitahorin'ilay mamany foana. Tsy manome tsiny ny reniny aho. Au contraire, miaraory aminy aho satria tsy mora ilay mitaiza. Miala tsiny be foana izy fa mitabataba mitomany foana hono ny zanany dia miezaka mamaly azy hoe izay efa niteraka mahafantatra sy mi comprendre fa tsy mora io. Tsy hainy aza moa dia ilay mampitahotra angamba no isany vahaolana hitany fa mety.
👉Tsy sahy hiteny azy mivantana aho aloha hatreto fa hoantsika izay mamaky, solution possible koa io miresaka io. Tsy hoe io irery no mety na hoe io no tena mety fa isany vahaolana azo trandrahana io e.
❤Mirary antsika ahataiza tsara sy ahatafita ny zana-tsika ho tonga olom-banona❤

Izy mamatsy ahy isan'androManasitrana raha mararyIzy tsy mandao ahy mihitsy, miaraka amiko foana❤❤
23/04/2024

Izy mamatsy ahy isan'andro
Manasitrana raha marary
Izy tsy mandao ahy mihitsy, miaraka amiko foana❤❤

23/04/2024

Lasa kely ny saiko, maninona ny olona matoky tena no ezahan'ny fiaraha-monina haratsiana?
✅Ohatra, misy olona iray miteny hoe "izaho angaha ratsy?" (izany hoe tsara ny fahitàny ny tenany) dia avy ny vahoaka miteny hoe "izao ve ianao dia tsy ratsy?", "jereo ty lavak'orona", "olona mainty be io", sns 🤷 Aty ambadika anefa mampianatra be hoe "ilaina ny fatokisan-tena", "Mba matokisa valera" sns. Nefa ny olona matoky tena pepoina. Manahirana be isika.
Soava ny talata ;)

19/04/2024

Manakory ny zoma mahafinaritra ao e? Ny anay, ato an-trano foana no manao vendredi magnifique raha tsy hoe misy tsy mahafaka tampoka. Ezahina miova kely noho ny mahazatra ny goûter dia asiana jus dia mijery izay programa mety amin'ny rehetra eo amin'ny télé. Lasa rituel ilay izy. Misy fotoana ny ankizy miresaka hoe rehefa lehibe isika ho any amin'i Dada sy Neny hanao vendredi (lasa vendredi moa no fiantso an'ilay izy) Notenenina ilay vavy hoe asa izao ny vadindry raha hanaiky an'izany. Fa ahoana hoy izy. Ka ny vavy manaraka ny lahy. "Tsy hanambady aho raha manahirana be ohatran'izany ilay manambady" Sady ontsa ny tena no tapa-tsinay mihaino azy. Bon vendredi les amis.

19/04/2024

Raha hampiana-tena dia ahoana no ahaizana teny anglisy aingana ry havana? Mahazo rehefa mihaino. "Mahay" rehefa miteny irery😂Fa rehefa en situation ohatrany mahonena kely🤦

Arahaba tratry ny zoma e. Tatasika kely du vendredi e:✅Tsy izay tsy mbola hitanao sy tsy fantatrao akory dia tsy misy. T...
19/04/2024

Arahaba tratry ny zoma e. Tatasika kely du vendredi e:
✅Tsy izay tsy mbola hitanao sy tsy fantatrao akory dia tsy misy. Tsy argument ilay hoe "aiza koa no hisy an'izany. tsy mbola nahita an'izany aho". Eh oui, rehefa tsy mbola tompon'ny zavatra rehetra ianao sady tsy mbola ambonin'ny zavatra rehetra dia mila manaiky fa tsy fantatrao aby ny raha jiaby eto amin'ity izao tontolo izao ity🤷‍♀️
✅Rehefa samy tsy nanatri-maso dia samy tsy mahafantatra ny zavatra tena niseho. Na ny olona samy teo aza indraindray mbola tsy mitovy ny versions ka ianao aty ambadiky ny téléphone ve no hiseho hahalala nohon'ny hafa eo. Tsisy lty a, tsisy 😂
✅Matoa ny olona mizara ny mavesatra aminy dia tsy zakany izy izay fa tsy hoe maivana nohon'ny entinao ny entin'ny sasany dia atao hoe "izay izany ve ki no makarary fo? Mbola aiza ny izao sy izao" Aza manao vain-drahalahy tsy marary fa manàna fo hantra. Na io entinao io aza ho maivana kokoa raha manana fo mangoraka sy hantra ianao fa tsy manana fo vato ka lasa mahay vava sy ratsy toetra erak'izao publication an'olona rehetra izao. Resaka sérieux anie izany e!
Izay fa viloma :*
P.S: Am-pitiavana be 😁

Tsy manery Izy fa manome safidy antsika. "Raha azo atao", "Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona re...
18/04/2024

Tsy manery Izy fa manome safidy antsika. "Raha azo atao", "Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra"

Hainy ny mandamina ny fiainantsika. Angadiny io. Mandrapahafotsy ny volotsika tsy hiala eo Izy. Rehefa matoky Azy dia ma...
17/04/2024

Hainy ny mandamina ny fiainantsika. Angadiny io. Mandrapahafotsy ny volotsika tsy hiala eo Izy. Rehefa matoky Azy dia matoky anjambany be fotsiny izao, na amin'ny hafalin'ny maraina mibaliaka na amin'ny hirifirin'ny alin'ny ririnina.

17/04/2024

'Ndao indray hifampitantara ny bêtise natao taloha ;) Taloha, olona iray izay ihany no nanana téléphone teo an-tananànay. Niasa tany an-dafy ny vadiny dia izy izany mba tafatafa e. Io numéro io no omena ny havana ka raha misy urgence dia ao no miantso dia mandefa ankizy miantso anay ilay voisin. Nony nahazo portable voalohany izahay sy ry zandrinay dia antsoinay ilay numéro dia jerenay eo an-davarangana misy miazakazaka mi-décroche, dia tapahana ilay appel. Ditran'izay zaza izao🤦

Tiako ity dia zaraiko aminao :) Soratra lava be fa mba vakio fa mahasoa. https://www.facebook.com/photo/?fbid=4941211996...
17/04/2024

Tiako ity dia zaraiko aminao :) Soratra lava be fa mba vakio fa mahasoa. https://www.facebook.com/photo/?fbid=494121199608067&set=a.104800045206853

📌 Raha tsy ampy torimaso dia mora noana

📌Rehefa misy zavatra mampiasa saina dia te hitsakotsako foana ny vava na tsy noana aza, mety hoe misy mahafaly dia te hisakafo, misy mahatezitra be dia any amin'ny sakafo no manala fo, misy mampalahelo be dia misakafo hanariana dia

📌Raha ambony be ny tahan'ny mamy hoetin'ny sakafo hoanina voalohany anatin'ny tontolo andro dia efa mihomana fa ho noana lava mandritrin'ny tontolo andro, ary raha mbola sakafo ambony ny tahan'ny mamy ao aminy no hamaliana ilay hanohanana dia ho noana foana ihany avy eo

📌Rehefa mipetrapetrapoana tsy misy atao ka misy sakafo eo dia mihinana ho azy

Finaritra e :-)

Ampahany 4 fotsiny ireo nolazaiko ireo, antony mahatonga anao lasa te hisakafo.

Fa ny manampahaizana :
Tsy handinika ny fomba fiasan'ny metabolisme'nao
Tsy hikajy ny antony mahatonga anao lasa te hihinana foana
Fa vao tazany mba misakafo ianao nefa efa matavy dia tokana ny antony:
🙄Tendakanina

Za
🙅Tsy mananjo hitsara
🙅Tsy manana fahefana hitsikera
🙅Tsy mahalala anao akory
🙅Tsy niaina izay mety niainanao nahatonga anao ho eo amin'io toerana io anio

Misy olona rehefa mifampiresaka dia hoe, ahhh dia tena matanjatsaina iny olona iny
valiny, iny izany mihintsy....

Izany mihintsy ahoana eh!!!!
Mba nandalina ve ianao hoe tanjaka avy aiza?
Heripo avy aiza?
Inona ilay niaretana?

Ahoana no nahatafavoaka azy ? na hoe inona ny tolona mbola hatrehiny?

Indrisy variana mifampitsara sy mifampitsikera isika au lieu de miezaka mamantatra, mandalina, mizara, mifanampy.

Aza avela handalo fotsiny ny andro omeNy anao
🙂Izay tsy mahay sobika hono mahay fantram-bary
🙂Zarazaraina samy manana ny azy hono ny fanomezam-pahasoavana

Eh!!! iza na inona ilay tsikerainao isan'andro io?
Mba mangalà 5mn kely amin'ny fotoana nampindramiNy anao aloha dia mba mipetraha eo amin'ny toerany dia mba fantaro izay olany, sao mba misy sombim-panampiana afaka omenao na atoronao azy.

Tsy misy resabola eto fa:
👉écoute
👉 analyse
👉soutien moral
👉partage d'astuce ..

Ny nentiko anio ho anao???? :-)

Matavy ve ianao?
Te hiena?
Ezaho kajiana anie ireo teboka 4 miteraka hanohanana lava ireo ;-)

An!!! Aonaaaaa? Za aza matavy be eh?

Aza tsaraina amin'ny itan'ny masonao aho fa tsy fantatrao ny antony mahangeza ahy, ny mbola hiadivako isan'andro!!!!

Sa mila efa reference aminao vao afaka manoro hevitra sy mifanoana!!!???

😏hummm!!! Lehibe moa ianareo ko!!
Mbô raiso ihany zay zaraiko fa sao mba hahasoa anao, sao variana mitsikera sy mitsara nefa tsy mahalala le fond nihorenan'ity pejy ity sy ny antompisian'i akory ianao.

Soava ny tontolo andronao 🤜🤛

ps: izay mila livraison pizza keto avant 13h dia izao no tena mety hanaovana commande
☎️0340465704

16/04/2024

Isaorana izay vita androany. Tsy asiana qu'est-ce qu'il y a lava be. Raha nisy tsy nety dia harenina rahampitso. Tomorrow koa day. Soava ny alina❤

Ny paingo-datelina na paingo-dantelina (avy amin'ny teny frantsay hoe "épingle à dentelle") dia fitaovana madinika, mate...
16/04/2024

Ny paingo-datelina na paingo-dantelina (avy amin'ny teny frantsay hoe "épingle à dentelle") dia fitaovana madinika, matetika vita amin'ny vy tsy miofo, fampiasan'ny mpanjaitra mba hanambarana ny lamba sy ny dentelle alohan'ny hanjairana azy. Manify sy maranitra ny paingo-datelina mba tsy hanimba ny lamba. Mety mahitsy ny endriny, mety mibilaka ihany koa ary misy lohany fisaka na boribory mba ahamora ny fikirakiràna azy. Ampiasaina amin'ny fanjairana akanjo na atin'akanjo ny paingo-datelina. Ilaina ihany koa amin'ny fanaovana tao-zavatra samy hafa.
3.000ar ny iray boaty kely eny Ambodin'Isotry.
Resaka paingo-datelina ilay raha :)
Izay fa viloma :)

16/04/2024

Ikala Flavia atsy voafelaka baih🫣Izany ary ny tefamaso mandrivorivo hoy Eduarada😂

16/04/2024

Hanoratra liste zavatra tokony vidiana aho dia nisalasala kely teo amin'ny "paingo-datelina"🤔Hoe inona indray ary izao no tena fanoratra an'io sa efa izy io? Nojerijerena tamin'ny Google dia "épingle de couture" no hitako ao sady mifanaraka ny sary SAINGY, lasa tsy mitombona ny saiko hoe avy aiza re Zanahary ilay hoe "datelina"? Dia nahita soratra hoe "épingle de taille" indray nefa tsy paingo-datelina mihitsy ny sary hitako ao🤦‍♀️
Sao everinareo hoe tsy misy hiasàna saina mihitsy ity ramatoa ity? Tena misy, ary maro fa tsy haiko e, AVY AIZA ILAY "DATELINA"????
Resaka paingo-datelina ilay raha :'(

Feno loharanom-pifaliana ny fiainana: ❤Ny vavaka sy asa fanompoana hoan'ny mpino ❤Ny zanaka❤Ny vady❤Ny ray amandreny❤Ny ...
15/04/2024

Feno loharanom-pifaliana ny fiainana:
❤Ny vavaka sy asa fanompoana hoan'ny mpino
❤Ny zanaka
❤Ny vady
❤Ny ray amandreny
❤Ny iray tampo
❤Ny asa fikelezan'aina
❤Ny voyage sy fitsangatsanganana
❤Ny fifampizaràna isan-karazany (ohatra hoe eto amin'ny Efapolo Taona - Journal d'une femme de 40 ans )
❤Ny fanatanjahan-tena sy fikolokoloana vatana
❤Ny sakafo
❤Ny namana
❤Ny lamaody sy fetsenàna
❤Ny hirahira sy dihy
❤Ny passion
❤Ny fanaovana asa soa
❤Etc.
Indraindray misy tsy milamindamina ny loharanom-pifaliana iray dia afaka fenoina amin'ny hafa.
✅Ohatra hoe tsy dia afaka mifankahita amin'ny namana loatra satria samy sahirana, dia afaka any amin'ny lamaody no maka fifaliana kely.
✅Ohatra hoe somary lalovandrahona ny fifankatiavan'ny mpivady, dia tsy hadino fa mbola eo ny zanaka, ny asa, ny hirahira sy dihy sy ny zavatra maro hafa afaka mitondra hafaliana.
✅Ohatra hoe tsy maintsy hajanona ny sakafo fa nahazohazo lanja dia any amin'ny fanatanjahan-tena no makamaka fafiny.
👉Maro be ny vehivavy manana olana ara-tokantrano mitady hamoy fo satria mifantoka 100% ao amin'ny tokantrano ny loharanom-pifaliany. Hany ka vao misy tsy mety ao, dia rodana 100% ilay fifaliana. Dia te hanoro aho hoe, mba ho salama lalandava ny saina, tsy sanatria ho tratran'ny dépression na alahelo lalina loatra, dia isan'ny vahaolana azo dinihina ireo loharanom-pifaliana maro eo amin'ny fiainana. Mirary soa hoan'ny rehetra.

15/04/2024

Taloha neveriko karazana reptile ilay "nambotra" nohirain'i Nanie hoe "bibilava sy nambotra ankizy ny foko"😂Kay "sinambotra" (sambotra misy tsofoka "in")😂Nareo ve efa nandray vilana ohatran'izany?

15/04/2024

Alatsinainy 15 aprily 2024, ity ilay andro tsy hiverina intsony. Ezaho ho lafatra sy tsy hay hadino.

23 décembre 2023 no hanoratako an’ityMitsahatra efa herinandro izao ny asa any an-toerana. Vita tamin’ny sabotsy 16 déce...
14/04/2024

23 décembre 2023 no hanoratako an’ity
Mitsahatra efa herinandro izao ny asa any an-toerana. Vita tamin’ny sabotsy 16 décembre ny lalotra anatiny sy ivelany ary ny béton ambany (any volana any taona mbola ahita vola hanaovana carreaux AMEN) Niara-nisakafo ny rehetra. Tokony napetaka tamin’io ny varavarana ivelany rehetra nefa ilay olona mpanao azy somary ela fiasa (mba tsy hilazàna zavatra betsaka) ka tsy mbola vita hatreto. Amin’ny 29 décembre indray hono dia hita eo e.
✅Notapenana biriky hatreo amin’ny atsasany ny varavarana rehetra. Tsy fanao hono izany fa manjary mikatso eo ny asa ka tsy vita intsony. Tsy mino an’izany izahay. Andriamanitra no manao an’io. Mitohy ny asa raha sitrapony. Mijanona ny asa raha sitrapony.
Manaraka izay, tsy tao anaty programa loatra ny hanao tamboho (fa tao anaty nofinofy kosa anefa) Rehefa nisaina koa moa ny vola dia tsy ao anaty fahefàna ihany koa. Saika hoe holaniana amin’ny finition ny vatsy sisa tavela dia hajanona kely eo aloha. Saingy ilaina tokoa ny tamboho raha natao ny fandinihana ka izay indray no hilofosana manaraka. Efa niady varotra ny mahakasika an’izay ary efa raikitra ny karama. Raha mba fantatr’ilay mpanao azy moa fa tsy mbola am-pelatanana akory ny vola feno hanaovana tamboho 🫣Ankinina amin’ny Tompo e.
Miverina mamaky ireo fizaràna efa natao aho dia tonga saina fa nisy fotoana nandeha aingana be ny asa. Somary nandrevy aza hoe efa installés ao amin’ny janvier. Fomba moa ny manonofy fa tsy possible mihitsy izany.
Deraiko ianao Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Tsara ianao. Tena tsara.

13/04/2024

Fa inona izany ilay "lolana"? Ny ranony aloha efa fantam-pantatra ihany (ilay ranon-dolana io) fa ny lolana no mbola mampanotany tena🤔

Idée de playlist des tanora zokiny indray ary e ;)🎵These arms - All 4 One (tafiditra lalina izy ity tato ho ato izay :p ...
13/04/2024

Idée de playlist des tanora zokiny indray ary e ;)
🎵These arms - All 4 One (tafiditra lalina izy ity tato ho ato izay :p )
🎵Carry me - Chris de Burgh
🎵Love is all around - Wet Wet Wet
🎵I swear - All 4 One
🎵Please forgive me - Bryan Adams
🎵Stay another day - East 17
🎵Everything I do - Bryan Adams
🎵Come away with me - Nora Jones
🎵That's the way it is - Céline Dion
🎵Stuck on you - Lionel Richie (coup de cœur androany satria efa eeela tsy heno dia mitondra laaaaaavitra be)
🎵Always be my baby - Mariah Carey
🎵More than words - Extreme
👉👉Iza ary io amin'ny sary io ô?👈👈

Manova zavatra maro ilay touche terracotta kely e? Tsy hoe lasa page de déco akory eto fa variana nijerijery an'ireo ind...
13/04/2024

Manova zavatra maro ilay touche terracotta kely e? Tsy hoe lasa page de déco akory eto fa variana nijerijery an'ireo indray androany e :)

Tsara be ny fotsy sy mainty fa tena tiako koa ny trano misy loko marevaka. Nisy fiteny izay hoe sahia manonofy hanatsarà...
13/04/2024

Tsara be ny fotsy sy mainty fa tena tiako koa ny trano misy loko marevaka. Nisy fiteny izay hoe sahia manonofy hanatsaràna ny ho avinao dia ireto ary misy nofy be mandrivorivo e ;) Iza amin'ireo no tianao? Soava ny faran'ny herinandro ry namako.

12/04/2024

Bonne nuit les amis! Faranana anaty fandriana mafana ny herinandro sa any amin'ny vendredi joli mihitsy izao ianareo? Raha any tokoa nefa manam-potoana hamakiana an'ity dia 'nde mody fa tsy milay izy izany😂
Zavatra tsy misy hidirany fa tantaraiko aminareo ihany. Tany amin'ny 2002 tany nifandefa taratasy izahay sy ny vadiko (mbola mpisipa tamin'izany) dia niteny taminy aho hoe lazaiko zavatra ianao amin'ny 04/04/2004. Tonga ilay daty dia nanotany izy hoe inona amin'izay ilay izy? Loza fa tsy tadidiko akory hoe inona ilay saika ho lazaiko azy😂😂Dia vao nahatsiaro an'izay izahay tamin'ny 04/04/2024😬Hoe 20 taona aty aoriana, tsy tadidy foana🤣
Izay fa veloma e. Vao 21:56 izao an, handeha hamonjy fandriana ny havanareo :p
Bon weekend les amis :*

Misy toetra iray izay afaka hatsaraina ka tiako hanentanana antsika hendry sy manan-tsaina. Tsy haiko moa izay tena anar...
12/04/2024

Misy toetra iray izay afaka hatsaraina ka tiako hanentanana antsika hendry sy manan-tsaina. Tsy haiko moa izay tena anarany ka antsoiko hoe "syndrome du atodio aty ny caméra" Rehefa misy olona mangataka fanampiana, dia misy foana ireo manodina ny resaka mba ho izy no henoina fa tsy ilay olona mila vonjy. Ohatra efa raisiko foana ilay vehivavy avy niteraka ka mitady vahaolana fa lasa be kibo. Dia avy any ilay mararin'ny "atodio aty ny caméra" miteny hoe "izaho anefa efa niteraka 3 fa tsy mba nisy kibo izany" 😡😠Amiko areti-tsaina io. Naricissisme miaro égocentrisme ary mitapoka manque d'empathie. Tsy mahay mamaly fanontaniana (satria tsy concernée) kanefa te ho jeren'ny caméra dia izay no vokany.
👉Aleo tsy manao an'izany fa mandatsa ireo izay tena manana olana (sady mampite hilako🫢)
👉Rehefa tsy mahita havaly dia mangina no tena fahendrena.
Hevitro izay, avereno amiko raha tsy mety aminao ;)

12/04/2024

❤These arms - All 4 One❤
Misaotra an'i Fara Ranja namerina tato an-tsaiko an'ity hira ity fa nostalgie mamikely efa andro vitsy izay. Izao efa mahazohazo teny anglisy izao vao maika matsiro be ilay hiran'ny hatanorana❤

11/04/2024

Nifoha tamin'ny 04:30 anikeo dia niatrika ny tontolo andro tapany voalohany. Nafana izany ka nafana ry havana. Injato kely nironjona teny ambony taxibe nody satria tsy ampy torimaso. Tonga tato an-trano tamin'ny 17:30. Izao kosa, 20:30 hiatrika ny tontolo andro tapany faharoa🤦‍♀️Mitady ho kivy fa tsy mahazo kivy. Rehefa mbola mila mandoa hofa-trano sy mila misakafo sy mandoa écolage dia tsy mahazo kivy. Au boulot!
❤️Misaotra sy mankalaza ny Tompo aho fa omeny asa ary asa afaka ataoko ato an-trano amin'ny ora izay mety amiko. Misaotra azy noho ny hery sy tanjaka. Misaotra azy noho ny fandaminany tsy mba diso fa maty paika sy mahatretrika❤️

Aïd moubarak hoan'ny mpino silamo nahatanteraka ny ramadan. Olona manaja sy tia ny fahasamihafàna aho ka izaho indray no...
10/04/2024

Aïd moubarak hoan'ny mpino silamo nahatanteraka ny ramadan. Olona manaja sy tia ny fahasamihafàna aho ka izaho indray no faly nahita mpino silamo nanao fiakanjo ahafantarana azy teny an-dalana androany ❤
Tandremo fa tsy sabotsy androany fa alarobia an ;) Mandeha miasa daholo rahampitso. Izaho ry namako mitady hiverina hisotro kafe a. Nefa efa 14 taona nijanona. Fa tena mpakafy kafe kosa anefa. Nisotro izay kafe hita tany an-dalana tany androany dia efa miteny an-tsaina hoe "hafa ihany ny kafe an'i Roger"😂😂😂Izany ve tsy efa hiverina hisotro isan'andro ry reto? Mpivarotra kafe ety akaikinay izany Roger izany ;) Io aloha misy sary nindramina tao amin'ny Malagasy ve ianao Ohatran'io mihitsy ilay nosotroiko tany fa ny ahy makasaoka no niaraka taminy ;)

09/04/2024
08/04/2024

Inona ny hira tinareo nefa mampitomany anareo koa? Sa izaho no efa hitapy 😂😂 Carry me an'i Chris de Burgh, sady tiako ery no mampatsiahy ahy loatra ny période nahalasana an'i Dada. Sady te hihira no te hitomany :/

Andro vaovao. Fahasoavana vaovao. Hery sy tanjaka vaovao. Sanjila vaovao. Ho soa ny zavatra rehetra. Ho tanteraka ny fik...
08/04/2024

Andro vaovao.
Fahasoavana vaovao.
Hery sy tanjaka vaovao.
Sanjila vaovao.
Ho soa ny zavatra rehetra.
Ho tanteraka ny fikasana mahasoa.
Hivaha ny olana manahirana.
Soava ny herinandronao.

Address

Arivonimamo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Efapolo Taona - Journal d'une femme de 40 ans posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Digital creator in Arivonimamo

Show All