MBS Diego-Suarez

MBS Diego-Suarez Ny vaovao misy sy marina eto an-toerana sy avy any ivelany.

27/03/2024

Daraina ho any Ambilobe.

🎥: Marino Rajaonina

🚨 BAOLINA KITRA => HISY INDRAY NY CARTON BLEU 👉Miala 10 minitra eny ambony kianja ny mpilalao mahazo izany. 🟦+🟨=🟥 Karatr...
08/02/2024

🚨 BAOLINA KITRA

=> HISY INDRAY NY CARTON BLEU

👉Miala 10 minitra eny ambony kianja ny mpilalao mahazo izany.

🟦+🟨=🟥 Karatra manga + Karatra mavo= karatra mena

🟦+🟦=🟥 Fahazoana karatra manga 2 dia Karatra mena avy hatrany

Hatao andrana mandritra ny fiadiana ny amboara FA Cup atsy Angleterre avy hatrany ity fepetra vaovao ity

Source: Ladepeche.fr

▪️Sehatry ny KantoNodimandry i Andry Balafomanga,  artista nihanoka tanteraka tanatin'ny gadona Rock and Roll. Sady namp...
08/02/2024

▪️Sehatry ny Kanto

Nodimandry i Andry Balafomanga, artista nihanoka tanteraka tanatin'ny gadona Rock and Roll.

Sady nampianatra nandihy no nanafàna lanonana no mpamorona.

Ny taona 80-90 no tena nampisongadina ny talentany izy sy ny tarika Balafomanga💥🔆🎸🎼

Jonobotry, ataovy be gny vola , inona no jerijerena .... Isan'ireo nampalaza azy.

Ny ekipa eto amin’ny MBS Diego-Suarez dia mirary fiononana Feno ho an’ny fianakaviany.

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 08 Febroary 20241️⃣   Ny Maraina : - Hanorana ny vao maraina any Atsinanana, Vatovavy, Fitov...
08/02/2024

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 08 Febroary 2024

1️⃣ Ny Maraina :

- Hanorana ny vao maraina any Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, ny morontsirak'i Sofia sy Boeny ary ny manodidina an'i Taolagnaro.

- Handrahona mety harahina orana tandrifindrahona mahalana any Menabe, Vakinankaratra, Amoron'i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe.

- Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any amin'ny faritra hafa.

2️⃣ Ny Tolakandro :

- Handrahona mitsitokotoko any Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy.

- Hanorana tandrifindrahona malefaka any Boeny, Melaky, Bongolava ary Betsiboka.

- Hanoram-baratra ny faritra sisa.

3️⃣ Ny Maripana:

Antananarivo 19 / 28 Antsirabe 15 / 29 Fianarantsoa 18 / 30 Morondava 23 / 32 Mananjary 23 / 30 Farafangana 24 / 31 Nosy-Be 24 / 31 Toamasina 24 / 30 Mahajanga 24 / 33 Taolagnaro 23 / 32 Sainte-Marie 24 / 30 Toliara 23 / 33 Antsiranana 24 / 31 Antalaha 24 / 32 Maintirano 25 / 32 Maevatanana 25 / 33 Ambositra 18 / 29 Ranohira 22 / 30.

💡Météo Madagascar

▪️Digue Antananarivo ‼️𝗟𝗲𝗵𝗶𝗹𝗮𝗵𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝗻𝗶𝘀𝘆 nanondraka asidra teny amin’ny 𝗗𝗶𝗴𝘂𝗲 𝗮𝗸𝗮𝗶𝗸𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗸𝗼. Raha izy nandeha tsy nan...
07/02/2024

▪️Digue Antananarivo

‼️𝗟𝗲𝗵𝗶𝗹𝗮𝗵𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝗻𝗶𝘀𝘆 nanondraka asidra teny amin’ny 𝗗𝗶𝗴𝘂𝗲 𝗮𝗸𝗮𝗶𝗸𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗸𝗼.

Raha izy nandeha tsy nanam-po iny no nisy olona 2 nandeha moto no avy hatrany dia nanondraka asidra ny tenany.

May vokatr’izany ny vatany ary ny masony ilany tonga dia fotsy teo no ho eo.

Samia mitandrina sy mailo hatrany.

©Andria Mamy Tantely

🇫🇷 Nous sommes heureux de vous annoncer que 𝐇𝐚𝐛𝐢𝐛𝐨 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩, à travers sa filiale 𝐇𝐚𝐛𝐢𝐛𝐨 𝐁𝐞𝐯𝐞𝐫𝐚𝐠𝐞𝐬 est désigné comme l’embo...
07/02/2024

🇫🇷 Nous sommes heureux de vous annoncer que 𝐇𝐚𝐛𝐢𝐛𝐨 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩, à travers sa filiale 𝐇𝐚𝐛𝐢𝐛𝐨 𝐁𝐞𝐯𝐞𝐫𝐚𝐠𝐞𝐬 est désigné comme l’embouteilleur exclusif de 𝐂𝐨𝐜𝐚-𝐂𝐨𝐥𝐚 à Madagascar.
--
🇲🇬 Faly izahay mampahafantatra fa ny vondrona Habibo, amin'ny alàlan'ny Habibo Beverages, dia voatendry ho mpamokatra ofisialy ireo zava-pisotro 𝐂𝐨𝐜𝐚-𝐂𝐨𝐥𝐚 eto Madagasikara.

𝐇𝐚𝐛𝐢𝐛𝐨 𝐁𝐞𝐯𝐞𝐫𝐚𝐠𝐞𝐬 dia mandray an-tanana ny famokarana, nanomboka ny 1 febroary, fitsinjaràna ary fivarotana ireo vokatra manaraka ireto : Coca-Cola, Fanta ary Sprite amin'ny endrika PET 350 ml sy 1.5 L.

Amin'ny fampiarahana ny fahaiza-manaony eo amin'ny tsena malagasy sy ny fomba fanaon’ny rafitra 𝐂𝐨𝐜𝐚-𝐂𝐨𝐥𝐚, 𝐇𝐚𝐛𝐢𝐛𝐨 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩 dia vonona hatrany ny hanolotra ny tsara indrindra ho an'ny mpanjifany amin'ny alàlan'ny paikady mifantoka amin'ny tsena sy ny fanatanterahana ireo tetikasa amin'ny sehatra nasionaly.

Ity fiaraha-miasa ity manamafy hatrany ny fahavononanay hamorona asa ho an’ny malagasy sy hampandroso ny lafiny toe-karena sy sosialy ho an’ny vondrom-piarahamonina tsirairay eto Madagasikara.

Source: Habibo Group

📌07 Février 2009 - 07 Février 2024 " 15 Taona sahady Izay no lasa.."• Resin-tsika Malagasy tokoa ve ny Didy jadona…?• Ef...
07/02/2024

📌07 Février 2009 - 07 Février 2024

" 15 Taona sahady Izay no lasa.."

• Resin-tsika Malagasy tokoa ve ny Didy jadona…?

• Efa Manaja lalam-Panorenana ve ny mpitondrantsika

• Nanao ahoana ny Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy fanehoan-kevitra ?

• Azon tsika Malagasy ve ilay Fahafahana sa mbola mikatsaka izany isika 15 Taona aty aorina ?

• Mbola eo daholo ve ireo mpitolona sa Efa ela no tsy fantatr’ireo Mpanao Politika intsony ?

• Inona ny Zavatra Hitanao nivaingana sy azo tsapai Tanana tao anatin Izay 15taona Izay ?

• Nahay naka lesona tamin iny Krizy 2009 iny ve ny fitondrana nifandimby taty aorina ?

• Efa niova ve ny Fanaovana Politika Eto Madagasikara sa vao Maika miharatsy ?

•Mbola afaka manantena ho avy mamiratra ve ny Malagasy ?

Ataovy ao anaty komantera ny Zavatra Hitanao niova na niverina tao anatin Izay 15 taona izay..

Fernand Cello
Sary fanehoana

Raharaha Romy Voos Andrianarisoa.▪️Kolikoly avo lenta, fampiasana fahefana isitrahana tombotsoa manokana no nataon’ity t...
07/02/2024

Raharaha Romy Voos Andrianarisoa.

▪️Kolikoly avo lenta, fampiasana fahefana isitrahana tombotsoa manokana no nataon’ity talen’ny kabinetra ny fiadidiana ny repoblika teo aloha ity raha ny navoakan’ny gazety REUTERS omaly Talata faha 6 febroary taorian’ny fotoam-pitsarana ity farany.

▪️Raha tsiahivina dia nitaky vola tsy ara-drariny mitentina 310 000 Euro sy ny fandraisana anjara 5% amin'ny fitrandrahana hotanterahan’ny orinasa Gemfields eto Madagasikara moa izy.

▪️Nandritr’izay fotoam-pitsarana omaly izay natao tao amin'ny Crown Court Southwark, tany Londres ihany koa no nandàvany io kolikoly niampangana azy io (a plaidé non coupable).

Loharano: Reuters
Sary indrana

Haïti: Journée de mobilisation pour demander la démission du Premier ministre Ariel Henry🇭🇹Un mort et plusieurs blessés ...
06/02/2024

Haïti: Journée de mobilisation pour demander la démission du Premier ministre Ariel Henry
🇭🇹

Un mort et plusieurs blessés dans la ville des Cayes, des bâtiments pillés, la majorité des villes du pays bloquées et toutes les activités scolaires et commerciales paralysées, tel est le bilan de la première journée de mobilisation en Haïti à l’approche du 7 février 2024 pour exiger la démission du Premier ministre. Les manifestations vont se poursuivre jusqu’à mercredi.

Source: RFI

Antsiranana: Andian-jatovo miisa 05 nadoboka am-ponja.Andiana tanora (11-21 taona), mitondra ny anarana hoe   #𝗧𝗲𝘅𝗮𝘀 𝘀𝘆 ...
06/02/2024

Antsiranana: Andian-jatovo miisa 05 nadoboka am-ponja.

Andiana tanora (11-21 taona), mitondra ny anarana hoe #𝗧𝗲𝘅𝗮𝘀 𝘀𝘆 #𝗟𝗼𝗻𝗱𝗿𝗲 no nahiditra am-ponja . Ireto andian-jatovo ireto dia mpanao herisetra arahina tora-bato, fanafihana eo Amin’ny samy tanora eo anivon’ny fonkotany Mahatsara sy Tsaramandroso eto Antsiranana.

Voalaza ihany koa fa misy amin’ izy ireo manao sinto-mahery miaraka amin'ny zava-maranitra.

Taorian'ny famotorana nataon'ny Polisy dia naidiritra am-ponja vonjimaika ny 5 amin'ireto zatovolahy misetrasetra ireto.

Loharano: Eugenie R.
Sary indrana

ℹ️ Tsara ho fantatra.
24/01/2024

ℹ️ Tsara ho fantatra.

GABRIEL ATTAL PRAIMINISTRA VAOVAO HANDIMBY AN’I ELISABETH BORN.Nanendry praiministra vaovao ny filoha frantsay EMMANUEL ...
09/01/2024

GABRIEL ATTAL PRAIMINISTRA VAOVAO HANDIMBY AN’I ELISABETH BORN.

Nanendry praiministra vaovao ny filoha frantsay EMMANUEL MACRON rehefa nametra-pialana ny alatsinainy alina teo ny praiministra teo aloha Elisabeth BORN, ka I Gabriel ATTAL, 34 taona, minisitry ny fampianarana teo aloha no voatendry ho amin’izany andraikitra izany.

Ankoatran’ny maha ministry ny fampianarana azy dia Efa solombavam-bahoaka ihany koa ny tenany.

Izy arak’izany ny praiministra tanora indrindra tamin’ity 5e repoblika frantsay ity.


🎄 The MBS Diego-Suarez team wishing you all a Merry Christmas and a Happy New Year.Cheers to a season of celebration and...
22/12/2023

🎄 The MBS Diego-Suarez team wishing you all a Merry Christmas and a Happy New Year.Cheers to a season of celebration and a year ahead filled with accomplishments. 🥂

🎄L'équipe MBS Diego-Suarez vous souhaite un joyeux Noël et bonnes fêtes de fin d'année. Nous vous adressons nos meilleurs vœux pour l'année 2024 ! 🎉

🎄 Ny ekipa rehetra eto amin'ny Mbs Diego Diego suarez dia mirary krismasy sy fety sambatra ho antsika rehetra.Mirary soa sy ny tsara indrindra sahady ho an'ny taona 2024🥳

⏭️ RINA RANDRIMASINORONomelohin’ny fitsarana 2 taona an-tranomaizina sazy mihantonaNivoaka androany 12 desambra 2023 ny ...
12/12/2023

⏭️ RINA RANDRIMASINORO

Nomelohin’ny fitsarana 2 taona an-tranomaizina sazy mihantona

Nivoaka androany 12 desambra 2023 ny didim-pitsarana mikasika an’i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro, Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Roa taona an-tranomaizina sazy mihantona no didy navoakan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy.

Nosamborin'ny Zandary teo Ambohijatovo moa izy 02 Oktobra 2023, raha iny teo am-pipetrapetrahana iny. Notazomina natao andrimaso nandritra ny 11 andro tao amin'ny Brigade criminelle Fiadanana izay vao natolotra Fampanoavana 13 oktobra 2023.

Sary indrana

Arahabaina ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana🇲🇬fa natratra ny faha-74 taonany nahaterahany androany 12 Desambra 2023....
12/12/2023

Arahabaina ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana🇲🇬fa natratra ny faha-74 taonany nahaterahany androany 12 Desambra 2023. Ka izahay ekipany MBS Diego-Suarez Dia mirary soa hoazy sy ny fianakaviany. Marihina moa fa izy no kandida laharana faha-5 nandritra ny fifidianana farany teo😘.

MBS Diego-Suarez Sakanan'ireo mpitandrony filaminana maro ireo olona handefa annonce, dédicace, publicité ato @ MBS Dieg...
03/12/2023

MBS Diego-Suarez

Sakanan'ireo mpitandrony filaminana maro ireo olona handefa annonce, dédicace, publicité ato @ MBS Diego-Suarez, voabahana tanteraka ny vavahady fidirana ao @ MBS

[𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗞𝗔𝗡𝗗𝗜𝗗𝗔 - 𝟯𝟬 𝗡𝗢𝗩𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟯]✅Voaporofo fa mitombona ary azo raisina ny fangatahana nataon'ny olom-pirenena re...
30/11/2023

[𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗞𝗔𝗡𝗗𝗜𝗗𝗔 - 𝟯𝟬 𝗡𝗢𝗩𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟯]

✅Voaporofo fa mitombona ary azo raisina ny fangatahana nataon'ny olom-pirenena rehetra sy ny vondron'ny Kandida noho ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna rehetra hita, tsy azo raisina ary tsy mitombona kosa ny didy izay ho avoakan'ny HCC.

✅Misokatra ary miantso ny hery velona rehetra ny Vondron'ny Kandida hitsangana sy handray ny andraikitra tandrify azy.

✅Mijoroa ry mpiasam-panjakana satria ianareo no tena fanjakana fa tsy ireo manome baiko anareo hikarakara sarintsarim-pifidianana.

✅Ho an'ny Mpitandro ny filaminana, aoka izay ny fanapoahana grenades, ilay hiranareo hoe "Feon'anjomara" no tianay ho re manomboka izao satria ianareo no tandroka aron'ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena.

𝙈𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖, 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙞𝙣𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙙𝙧𝙚𝙨𝙮 𝙞𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙖𝙧𝙮 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙞𝙣𝙩𝙨𝙮 𝙛𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙝𝙖𝙡𝙚𝙤-𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙞 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 🇲🇬

Loharano: Hajo A.
Sary indrana

21/11/2023

KORAGNAN'NY MPANAKANTO
Fandaharagna harahintsika eto @ Radio MBS Diego-Suarez 95.4 FM tsy ho ela.
Fandaharagna izay hanasagna ireo Artista(Tononkalo, Jijy, Hira, sns) ka maniry te hivahiny sy hiresadresaka eto @ fandaharagna "KORAGNAN'NY MPANAKANTO" eto @ Radio Mbs Diego 95.4 FM.
Na mpanankato mbola vao misondrotra ianao na efa malaza, dia aza misalasala miantso na mandefa message @ numero 032 82 258 34 fa vonona handray anareo izahay.
Indrindra fa atsika Mpanakanto avy eto Diego Suarez fa vonona ny hiara-hiasa izahay eto @ Radio MBS 95.4 Diego.

Contact: 032 82 258 34

🔴Collectif des candidats : Mitohy ny tolona ary hanerana an’i Madagasikara Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben-toeran...
20/11/2023

🔴Collectif des candidats : Mitohy ny tolona ary hanerana an’i Madagasikara

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben-toeran'ny HVM Andraharo ny Collectif des candidats io tolakandro alatsinainy 20 novambra 2023 io.

Nandritra izany no nanamafisan'izy ireo fa mitohy ny tolona, araka ny efa notakian'ireo tao anatin’ny roa volana izay, miampy ny tsy fanekena izay voka-pifidianana eo.

Nambara ihany koa fa hiitatra manerana an'i Madagasikara ny tolom-bahoaka, ka nanentanan'ny Collectif des candidats ny tsirairay handray andraikitra araka izay tandrify azy avy.

Niseho voalohany nandritra ity fanambarana ity ny kandida Andry Raobelina, taorian'ny niverenany an-tanindrazana ny 16 novambra 2023, rehefa avy niatrika fandidiana sy nitsabo tena tatsy amin’ny nosy Maorisy, noho ny ratra mafy teo amin’ny faritry ny maso nahazo azy, niantefan'ny baomba lakrimôzena nandritra ny fidinana an-dalambe voalohany notarihin'ny Collectif des candidats ny 02 oktobra 2023.

(Sary nindramina)

gasypatriote

✝ Nodimandry ny mpanakanto Ninie Donia.Izahay eto amin'ny MBS Diego-Suarez dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakavia...
19/11/2023

✝ Nodimandry ny mpanakanto Ninie Donia.
Izahay eto amin'ny MBS Diego-Suarez dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.

🇲🇬 Vokapifidianana vonjimaika𝑍𝑜𝑚𝑎 17 𝑛𝑜𝑣𝑎𝑚𝑏𝑟𝑎 2023 - 9 ora sy sasany marainaVokatra azo avy amin'ny biraom-pifidianana m...
17/11/2023

🇲🇬 Vokapifidianana vonjimaika
𝑍𝑜𝑚𝑎 17 𝑛𝑜𝑣𝑎𝑚𝑏𝑟𝑎 2023 - 9 ora sy sasany maraina

Vokatra azo avy amin'ny biraom-pifidianana miisa 𝟭 𝟳𝟮𝟮 amin'ny 𝟮𝟳 𝟯𝟳𝟱. Izany hoe ny 𝟲,𝟮𝟵% no naharaisana vokatra.

Taham-pahavitrihan'ny mpifidy : 𝟯𝟵,𝟱𝟲
Mpifidy nisoratra anarana : 𝟵𝟯𝟮 𝟲𝟭𝟲
Mpifidy nandatsa-bato : 𝟯𝟲𝟴 𝟵𝟳𝟱
Vato manankery : 𝟯𝟯𝟯 𝟲𝟳𝟵
Vato fotsy : 𝟮𝟭 𝟰𝟴𝟭
Vato maty : 𝟭𝟯 𝟴𝟭𝟱

Marihina fa ny antontanisa zaraina hatreto dia vonjimaika, antsoina hoe fironam-bokatra na "tendances des résultats", azo avy amin'ny alalan'ireo PV na fitanana an-tsoratra an-tsary, avy any amin'ny biraom-pifidianana.

Source : CENI Madagascar


🔴 FANAMBARANA AVY AMIN’NY CC10
16/11/2023

🔴 FANAMBARANA AVY AMIN’NY CC10


16/11/2023

🔴 Ambalavola - Antsiranana

Misy biirao fandatsaham-bato miisa efatra (4) : 198 amin’ireo olona 657 voasoratra anarana no Tonga nandatsa-bato, izany hoe 30,13 % eo izany. Azo lazaina fa ambany dia ambany ny taha-pahavitrihan’ny olona..


FIFIDIANANA - OBSERVATEUR SAFIDY12 ora antoandro : 22,6% ny tahampandraisana anjara tamin'ity fifidianana filoham-pirene...
16/11/2023

FIFIDIANANA - OBSERVATEUR SAFIDY

12 ora antoandro : 22,6% ny tahampandraisana anjara tamin'ity fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ity, raha 44% izany tamin'ny taona 2018, araka ny tatitrin'ny SAFIDY, Sampana Anarahamaso ny Fifidianana Ivon'ny Demokrasia Ifarimbonana.

-Analamanga : 15,3%
-Itasy 11,2%
-Bongolava 13%
-Vakinankaratra 15,2%

Ireto avy ireo faritra nahitana taha ambony.
-Androy 42,5%
-Fitovinany 32,7%

Nitombo isa ireo trangan'ny mpifidy tsy nanana taratasy fanamarinana kanefa afaka nandatsabato. Nisy koa ireo nanana kara-pifidianana kanefa tsy tao anatin'ny lisi-pifidianana, ary nisy ny trangana fanakatonana vétivety ireo birao fandatsahambato vétivety.
Loharano: Lejité
Sary indrana.


13/11/2023

🔴 Nahazo fiantsoana ho any Londre ny amin'ny 30 novambra ho avy izao, ny kandidà Andry Rajoelina, mikasika ilay raharaha kolikoly avo lenta nahavoasaringotra an'i Romy Voos Andrianarisoa hoy i Paraina Auguste


🔴 FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENAAverina indray ve izany ny hosoka tamin’ny 2018 ?13 novambra 2018. Karapanondro manodidina...
13/11/2023

🔴 FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA
Averina indray ve izany ny hosoka tamin’ny 2018 ?

13 novambra 2018. Karapanondro manodidina ny 100 no hita nisy nanary teny ambany tetezan’i Tanjombato, rehefa nojerena dia an’olona mipetraka any Antsirabe, Mahamasina, Tanjombato, Andoharanofotsy, Itaosy izy ireo. Olona iray no tazana nanary azy ireo raha ny filazan’ny olona teny an-toerana.

HALATRA AMIN’NY ALALAN’NY « DOUBLON »
Ny fiandohan’ny volana martsa 2020 no nanambaran’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI ny fisiana « doublon » ana karapanondro izany hoe karapanondro mitovy laharana miisa 1 162 512, sy doublon na anarana miverina in-droa, miisa 110 629 tao anaty lisi-pifidianana.Ny zava-doza amin’izany dia mety misy olona 1 izany afaka nifidy in-droa, na fanabontsinana tsotra izao ny lisitry ny mpifidy ka nampidirana mpifidy mersenera. Ny 12 martsa 2020 nambara fa hoe nametra-pialana i Thierry Rakotonarivo, tsy hita popoka ary tsy nipoitra intsony hatramin’izao 2023 izao ity administratera sivily sady filoha lefitry CENI teo aloha ity.

FOKONTANY MATOATOA
Maro dia maro ny fitarainana momba ny fisiana fokontany matoatoa, sy famoronana biraom-pifidianana mampiahiahy indrindra fa any amin’inyfaritra atsimon’ny nosy ity tamin’ity taona 2023 ity. Ny fandrafetana ny lisi-pifidianana dia tena feno tandrevaka sy kitoatoa ary ahiahy tsy hihavanana.Olona velona soamantsara, tsy nifindra trano, kanefa dia tsy hita ao anaty listra. Olona efa maty, hita ao anaty lisitra.Olona efa tao anaty lisitra, nisy ny fanitsiana hoe natao, nanjavona tampoa indray tao anatin’ny lisi-pifidianana ny anarany. Santionana tsy fetezana ireo. Fa misy ihany koa ny hoe mizara fanampiana dia mila mitondra karapanondro, ary manasonia avy eo ; dia arahana fanontaniana hoe efa anaty lisi-pifidianana ve, efa nahazo kara-pifidianana ve ianareo.

ALEO MISOROKA TOA IZAY MITSABO
Izany trangan-javatra sampontsampona sy mampiahiahy izany no anton’ny tolona tarihin’ny vondron’ny kandida sy nanentanana ny vahoaka masi-mandidy satria tsapa, hoy izy ireo fa tsy milamina ny tokontany hiatrehana io fifidianana io, ary raha fifidianana amboletra no atao eto dia hiteraka krizy saro-bahana izany, koa aleo misoroka toa izay mitsabo. Ahemory aloha ny datim-pifidianana dia andao hametraka fototra mafy sy azo antoka tsara, ahatongavana any amin’ny fifidianana madio, mangaraharaha, milamina ary maharesy lahatra ny rehetra.
(TAHIRIN-TSARY)

Loharano: Tia Tanindrazana

Address

Rue Colbert
Antsiranana
201

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MBS Diego-Suarez posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to MBS Diego-Suarez:

Videos

Share

Category

Nearby media companies



You may also like