TV Presse Mada

TV Presse Mada TVPresse Madagascar, le journal de proximité

01/02/2025

Député Lanto RAKOTOMANGA: Tsy misy antony hafa intsony tsy tokony handrosoan-tsika. Aleo isika mifanome tanana handresena ny fahantrana. Aoka tsy ho atao ny endrika tsy hitondra fampandrosoana.

Mikasika ny fandotoana ny filohan'ny Antenimierandoholona kosa indray, ilaina ny tsikera ho an'ny olona vonona ny handroso sy miasa.

01/02/2025

TMH Boriboritany faharoa: Tsy nanadino ny Reny Rtoa Lanto RAKOTOMANGA sady Solombavambahoaka ao amin'io Boriboritany io amin'izao taona vaovao izao.

Nitondra fanomezana sy gisa ho solom-bodiakoho ireto fianakaviam-ben'ny TMH, ireto ka ny filohany, Atoa RAJOELISON Evariste sy ireo solotenany no nanatanteraka izany omaly teny amin'ny 67ha.

Fotoanan'ny famafazana ny taona 2024 lasa teo fa ho fotoam-pijinjana kosa ity taona 2025 ity hoy ny Solombavambahoaka raha namaly izany. Tsy tokony hisy ho diso anjara isika hoy hatrany ny tenany.

30/01/2025

Fandaharana "Harena Sarobidy ny Fahasalamana"
Dr. Fidy BARINIAINA/Clinique Fidy Ambatomainty.

Ny mahakasika ny areti-tenda no ho entina amintsika ato anatin'ny fandaharana.
Manasa anao hanaraka izany hatramin'ny farany.

28/01/2025

EMISSION SPECIALE TV Presse Mada.
Groupe JCR/VANIALA
- Fambolen-kazo teny Vontovorona - Fifampiarahabana nahatratra ny taona 2025 teo anivon'ny mpiasa.

PDG Groupe JCR, Dr Jean Claude RATSIMIVONY.
. Hametraka ny ambasadaoron'ny VANIALA 200 manerana an'i Madagasikara amin'ity taona ity.
. Hivelatra any amin'ny kaontinanta Afrikana, hametraka rantsa-mangaikan'ny VANIALA.
. Hisy fandaharan'asa vaovao ho fanatsarana sy ho fampiroboroboana ny tontolon'ny fitsaboana amin'ny alalan'ny P.90.

Manasa antsika rehetra hanaraka ny fizotran'ny asa natao rehetra.
Mpanao Gazety: Mamitiana R.

24/01/2025

VMTM : Miandrandra fanatsarana ho an’ny mpitondra koriaran-droa, Moto, izahay amin’izao maha-ben’ny tanàna vaovao an’i Harilala RAMANANTSOA izao. Hisy ny fanomezan-dalana manokana hanavahana tanteraka ireo tena misehatra eo amin’io asa io. Manaiky ny fandaminana izay ho apetrany izahay, hoy hatrany ity filohan'ny Vovonana Mpitatitra Taxi Moto VMTM ity androany.

24/01/2025

FSM : Hitondra fahadiovana, filaminana, ary fampandrosoana ny ben’ny Tanàna vaovao. Tsy ho gisitra eran’izao tontolo izao isika fa hanampy azy ny mpitondra. Ho an’ireo izay malahelo ny tsy naha-lany azy kosa dia aoka tsy hitondra korontana.

24/01/2025

Député RAKOTOARISOA Johnny: Tokony hijoro ho aro fanina ho an’ny Ben’ny tanàna Harilala RAMANANTSOA ny mpanohitra izay hiara-hiasa aminy.
Ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo, manjaka ny hala-botry amin’izao fotoana izao raha ny nambarany androany.

24/01/2025

BEBOTSY Laurice : Aza alefa any amin’ny fanakorontanana ny vahoaka. Omeo soso-kevitra ho fanatsarana ny tanàna ny Ben’ny Tanàna vaovao, Harilala RAMANANTSOA izay napetraka tamin’ny fomba ofisialy androany. Hitondra fitoniana ho an’ny fitondrana ny fiarahany miasa amin’ny Ben’ny Tanàna.

23/01/2025

ONG 2AH: Hanohana amin'ny famatsiana ara-bary ny fitondram-panjakana Malagasy.

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny maitso ahitra isika amin'izao fotoana izao. Misedra fahasahirana ny vahoaka ka izany indrindra no antony hisian'ny tolo-tanana ho an'ny fitondram-panjakana hoy ny filohan'ity ONG 2AH (Andry Antoky ny Ho avy) ity. Vary homen'izy ireo maimai-poana izany mba ho fitondrana ny anjara biriky ho an'ny mpiray tanindrazana.

Isan'ny ho raisin'izy ireo an-tanana ihany koa ny hanolo tanteraka ireo poton'ny jirama miisa 40, izay efa lo sy mianjera ka mety hitera-doza ho an'ny mponina, eny amin'ny manodidina ny fokontany Ivoara Kaominina Masindray.

Feno 20 taona amin'izao fotoana izao ny fikambanana ka ny fizarana ireo entana andavanandro ho an'ireo zokiolona sy mpiray finoana teny amin'ny kaominina Masindray no nanokafana izany ny herinandro lasa teo.

Mamitiana.

23/01/2025

Printsy Zama JAONESA (IKONGO): Vono olona mahatsiravina no niseho tany amin'ny distrikan'Ikongo ny Alahady lasa teo. Nambaran'ilay zazalahikely tratra alina fa mpangala-jaza ary niantso vonjeo rehefa nanontanian'ireo roa lahy nifanena taminy fa hoe, ho aiza amin'ity andro alina be ise.

Ilay ramose mpampianatra kosa mbola tsaboina amin'izao fotoana izao.

Miantso ny fitoniana ho an'ny mponina ity Printsy ity, avelao ny fanadihadiana sy ny fitsarana no hanao ny asany.

Hatreto, tsy mbola nisy na olom-boafidy na olom-boatendry nijoro nilaza izao tranga mamohehitra izao tany amin'ny distrikan'Ikongo.

20/01/2025

Emission "Harena Sarobidy ny Fahasalamana".
Vahiny: PDG Groupe JCR (Dr. Jean Claude RATSIMIVONY).

Nampisahotaka olona maro ny tranga tany Chine, fa hoe misy virius hafahafa. Tsy marina anefa izany ary voaporofon'ireo tompon'andrakitra any an-toerana sy ny OMS.

Mamporisika ny olona rehetra hampiakatra ny hery fiarovany ho afa-manohitra izay tranga mety hiseho ny tenany, ary afaka maka fanazavana eny amin'ny ivon-toerana misy ny Groupe JCR.

Manasa anao hanaraka hatramin'ny farany ny fandaharana.
Mpanao Gazety/ Mamitiana R.

20/01/2025

PDS ANTANANARIVO, Géorget ALEXANDRE: Voavaha avokoa ny olana nisy teto an-drenivohitra na dia fotoana fohy monja aza no nitantanako ny kaominina.

Androany folakandro no nanatanteraka valan-dresaka nanao ny tatitra tamin'ny mpanao gazety teny Analakely ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy.

Ny Zoma ho avy izao no hanao ny fifamindram-pahefana amin'ny ben'ny tanàna vaovao, Harilala RAMANANTSOA ity PDS ity.

17/01/2025

VOVONANA G7: Miarahaba ny ben'ny tanàna vaovao, Harilala RAMANANTSOA. Mampitandrina ireo rehetra mikasa ny hanakorontana izy ireo androany.

Efa betsaka ny fotodrafitr'asa vitan'ny filohan'ny Repoblika sy ny famahana ireo olana ara-tsosialy ka tsy tokony ho korontanina intsony.

15/01/2025

Gérard RAMAMIMAMPIONONA: Tokony hifampihaino ny raiaman-dreny sy ny zanaka, io no nambarany mikasika ny antso nataon'ireo mpitondra fivavahana manoloana ny fahantran'ny vahoaka Malagasy.

Ny mpanao politika kosa indray, ny fihavanana no tena zava-dehibe ka mila hampandeferina ny ambom-po mety hiteraka korontana, hoy ity mpanabe ara-piaraha-monina ity.

11/01/2025

Fandaharana "Harena Sarobidy ny Fahasalamana" TV Presse Mada.
Vahiny: Dr. Mamy (Clinique Médico-Chirurgicale de Tanjombato)

Ny tsara ho fantatra mahakasika ny fampiasana Scanner sy ny Echographie ary ny IRM.
Ny olona salama dia afaka manao "Scanner" mba ahafahany mijery izay karazan'aretina vao miseho.
Toy izany ihany koa ny vehivavy mialoha ny hanambady mba hijerena izay mety ho fahateren'ny lalan-jaza alohan'izy bevohoka.

Manasa anao hanaraka hatramin'ny farany ny fandaharana.
Mpanao Gazety: Mamitiana

09/01/2025

ANDRY Vorisoa Tafita Aurélien Pascal : Misy olona nomen’ny filoha andraikitra izay atokisany nefa tsy mahalala akory ny toerana sy ny faritra nametrahana azy, ka lasa tsinay manamaimbo ny atiny.

Misy ny asa tsy hiandrasana ny filoha tokony ho vita nefa tsy ataony, hoy ity lehiben’ny faritra Bongolava teo aloha ity. Ny filoham-pirenena izay nametraka ireo vina hiarahana manatratra ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana no lasa hivesaran’ny asa tsy vitan’izy ireo.

09/01/2025

Mamy RAHARIMANANA (ANTOKO MAEVA) : Toe-draharaham-pirenena, mila vahaolana farany izay haingana isika.

Aza ny fitiavan-tena na fitiavam-boninahitra na fitiavan-tseza sy fitiavan-karena no hanaovana sorona ny vahoaka Malagasy ry mpitondra sy ny mpanohitra.
Tsy misy afa-tsy ny fihaonana an-databatra boribory ihany no lalan-kivoahana amin’izao fahasarinana iainan’ny vahoaka izao, hoy ity filoha nasionalin’ny Antoko MAEVA (Madagasikara Endrika Vanona) ity.

Miarahaba  antsika rehetra izahay eto amin'ny TV PRESSE MADA nahatsipaka iny taona izay nivalona 2024 iny ka tafita soa ...
03/01/2025

Miarahaba antsika rehetra izahay eto amin'ny TV PRESSE MADA nahatsipaka iny taona izay nivalona 2024 iny ka tafita soa amin'ity taona 2025 ity.

Ho andro lava sy taona ela iainana anie no homen'ny Avo antsika dia ho samy salama sy ho ambinina amin'ny zavatra rehetra eto am-pamakivakiana ity taona ity.

Address

MAHAMASINA
Antananarivo
TANA101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TV Presse Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to TV Presse Mada:

Videos

Share

Category