ANOSIBE
Trangana fanendahana teny Anosibe tamin'ny maraina teo. Mitandrema isika mpandeha "BUS", toa olona mpanampy ny mpamily ihany no manampy ireo mpanendaka.
Nindramina ny horonantsary.
Miandrarivo - Ambanidia
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin'ny samy kodiaran-droa teo Ambanidia - Miandrarivo tokony tamin'ny 11 ora teo. Naratra mafy ilay mpitondra moto iray ary efa nentina eny amin'ny Hopitaly. Mitandrema ry zareo mpitondra scooter fa mitera-doza ho anao sy ho an'ny hafa ny tsy fifandeferana sy tsy fitandremana.
Raha ny fahitanao ny horonantsary iza no diso? Tokony azo sorohina ny loza ?
"COMBAT" MASINA FIANGONANA JESOSY KOMONJY
Tamin'ny faran'ny herinandro teo raikitra indray ny ady masina miaraka amin'ny fiteny tsy fantatra sy ireo tenin'anjely isan-karazany ao amin'ny fiangonana Jesosy mamonjy. Niseho avokoa ny talenta anaty hay ady sy fahaizana mitoraka...
PEM - PLAN DE L'ÉMERGENCE DE MADAGASCAR
Antso avo no atao ho an'ireo Malagasy tsy vaky volo maneran-tany. Raha manana hevitra tsara sy azo zaraina isika, na eto Madagasikara na any dilambato, entina hanatsara sy hampandrosoana an'i Madagasikara dia manasa antsika handray anjara amin'ny fanehoana izany hevitra tsara izany. Arosoy ary hiaraha midinika izay tolo-kevitrao. Araka ny fampitàna avy amin'ny ramatoa Lova Hasinirina Ranoromaro mpitondra tenin'ny Filoham-pirenena sy Talen'ny Serasera sy ny Fifandraisana amin'ny Daholobe eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika.
Amin'ny 28, 29 sy 30 Oktobra 2022 fotoana hanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Plan de l’Emergence de Madagascar, izay hatao eny amin’ny CCI Ivato. Hisy FORUM DE LA DIASPORA. Ho hatrehan'ireo sehatra rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ho asaina, ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola.
𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗝𝗔𝗛𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔
Mamiratra eto Afrika i Madagasikara ankehitriny amin’ny taranja judo sy fibatàna fonjamby noho ny fikirizina, fifehezan-tena fa indrindra ny firaisankina nasehon’ireto tanora Malagasy ireto.
Reharehantsika Malagasy izy ireo koa niarahaba azy ireo ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina.
"Ny fanatanjahantena dia entintsika hampiakatra avo sy hanamarika ny hambompom-pirenena"
ANTSAM-PIDERANA HO AN'NY FIRENENA
Amin'ny Alahady 19 Jona 2022 izao manomboka amin'ny 02 ora tolakandro no fotoana ao amin'ny kianja BAREA Mahamasina. Hisy antsam-piderana goavana hiarahana amina mpanakanto miangaly hira fiderana Malagasy sy vahiny. Vavaka ho an'ny firenena. Misokatra amin'ny 10 ora maraina ny vavahady ary tsy misy vidim-pidirana.
MBAPPE DE MANAKARA
Manan-talenta ny tanoran'i Manakara. Nasehon'ity namana iray ity fa tena mitovy amin'i Mbappé izy ary hainy ny fihetsiketsehan'i Mbappé rehefa mamono baolina. Hainy koa ny fomba fitondran'i Mbappé baolina fa tamin'ity indray mitoraka ity dia ny fihetsika no nanehoany izany.
Video: Kopi Kole 2K22 Ofisialy
Tafatafa niarahana tamin'i Big Mj. Lalao kely antsoina hoe "Action ou Vérité".
Izany ary misy "vérité" iray an'i Big Mj eh.
(Horonantsary nindramina: After Kolo-tv)