I Madagasikarako

I Madagasikarako đŸ‡Č🇬 DĂ©couvrez Madagascar en ligne đŸ‡Č🇬
🌐 i-madagasikarako.com 🌐
(5)

IREO KARAZANA ANARANA FIANTSOANA NY VADYNy atao hoe Fanambadiana teo amin'ny malagasy dia ny fitambaran'ny lahy sy ny va...
19/11/2024

IREO KARAZANA ANARANA FIANTSOANA NY VADY

Ny atao hoe Fanambadiana teo amin'ny malagasy dia ny fitambaran'ny lahy sy ny vavy, ary ny lehilahy dia afaka manambady vehivavy maro.

Nisy karazany maro ny niantsoana ny vady teo amin'ny Ntaolo ary ireto avy izany. Araky ny fanazavana tao amin'ny Rakibolana (Andrianiko ny teniko)

Ny Vady be: Izay vehivavy voalohany indrindra tamin'ireo vadin'ny lehilahy iray izay manambady maro.

Ny Vady kely: Entina ilazana ny vady farany amin'ireo vehivavy maro vadin'ny lehilahy iray.

Ny Vady Masay: Dia izay vehivavy eo anelanelan'izy roa vavy (Vady be sy Vady kely).

Ny Vady afaka: Izany hoe tsy mahazo mampiakatra azy ny lehilahy iray raha tsy manaraka ny fepetra izay takiany, afaka manana ny fepetra takiany ihany koa ny vehivavy teo amin'ny resaka fanambadiana taloha.

Ny Vady Fofo: Entina iantsoana ilay tovovavy kasaina hampakarina ho vady

Ny Vady amboarina: Entina iantsoana ny zanak'olom-pihavana (zanaky ny mpirahalahy na mpianadahy fa ny zanaky ny mpirahavavy dia tsy mahazo mifanambady fa raha mifanambady izy ireo dia antsoina hoe Vady Fady ka tsy maintsy alana faditra) nampivadiana, izany hoe natao lova tsy mifindra.

Ny Vady an'efitra na vady an-tsiraka: Ireo vehivavy misolo ny toeran'ny tena vady raha mandeha any anindrana ny lehilahy.

Ny Vady an-tery: Olona noterena hanambady tsy amin'ny sitrapony.

Ny Vady ahantona: Entina iantsoana ny vady mbola tsy vita fisarahana ara-dalĂ na fa noroahina fotsiny.

Ny Vady enti-mila: Amin'ny maha enti-mila azy izany dia olona iaraha-mipetraka sy hanaovana ny filĂ na mandra-paitĂ na izay tena ho andefimandry.

Ny Vady loloha: Raha nanambady ilay vehivavy ka maty ilay vadiny nefa mbola manana rahalahy, dia afaka mampiakatra azy ilay rahalahiny raha mifanaraka ny roa tonta.

Mankasitraka Tompoko !
Ampio izay tsy ampyđŸ™â€ïž

💚Abonneo ny Pejy❀

Teo amin'ny Malagasy (fiaraha-monina nentim-paharazana)ny atao hoe Fanambadiana dia ny fitambaran'ny lahy sy ny vavy, ary ny lehilahy dia afaka manambady vehivavy maro.

NY ZAZAKAMBANAFady amin’ny fitaizana zaza kambana ny foko Antambahoaka ary efa nisy hatramin’ny ela io fady io.Ara-tanta...
11/11/2024

NY ZAZAKAMBANA

Fady amin’ny fitaizana zaza kambana ny foko Antambahoaka ary efa nisy hatramin’ny ela io fady io.
Ara-tantara dia vonoina na ariana any anaty ala ny zaza kambana ary sy mahazo mandingana ny Tranobe ireo ray aman-dreny mitaiza zazakambana, tsy mahazo mandray anjara amin'ireo fombafomba atao eo anivon'ny fiaraha-monina ihany koa.

Ny niandohan'ny ozona moa dia tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Antambahoaka voalohany teo amin’ny vavan’ny Sakaleona, avaratr’i Mananjary, tonga hisafidy ny vadiny tamin’ireo vehivavy tao amin’ny faritra.

Bevohoka kambana ny vadiny taty aoriana ary maty teo am-piterahana. Toy izay ihany koa no nahazo ny vadiny ny faharoa, avy eo ny vadiny fahatelo.

Voakatr'izany dia nianiana ny lehiben’ny foko mba tsy hiteraka na hitaiza kambana mihitsy ny taranany.

Mbola maro amin'izy ireo ankehitriny no mitazona sy manaraka io fomba io, misy kosa anefa ireo ray aman-dreny nanohitra izany ary aleon'izy ireo voaroaka tsy ho eo anivon'ny fiaraha-monina ka mifindra monina.

Misy ireo mbola mino fa raha mbola minia mitaiza zaza kambana dia ho faty izay olona mamiratra indrindra ao amin'ny fianakaviana.

Mankasitraka Tompoko !
Ampio izay tsy ampy 🙏

đŸ“·Sary indrana🙏

✅Abonneo ny Pejy✅

La naissance de jumeaux pour les Antambahoaka de Mananjary est considĂ©rĂ©e par eux comme de mauvais augure. La tribu Antambahoaka a un tabou sur l'Ă©levage des jumeaux, ce tabou existe depuis leurs ancĂȘtres.

AMBALAVELONANy Ambalavelona dia karazana ody nentin-drazana natao hiarovana ny biby fiompy. Nantsoina hoe « vala velona ...
30/10/2024

AMBALAVELONA

Ny Ambalavelona dia karazana ody nentin-drazana natao hiarovana ny biby fiompy. Nantsoina hoe « vala velona » izy io, izay midika fa napetraka tao anaty vala iray ny biby fiompy mba tsy hahafahany mivoaka. Raha sendra mivoaka anefa ireo biby ireo dia lasa masiaka ary ny tompony ihany no afaka mampitony sy mamerina azy ireo.

📜Araka ny mpitsabo nentin-drazana dia aretina azo avy amin'ny ody ratsy na fanafody mahery ny Ambalavelona, ary mety hanimba vondron'olona maro indray miaraka. Raha tsy tsaboina ara-dalàna, dia mety hiafara amin'ny fahafatesan' ilay marary mihitsy. Ny Dadarabe sy Mpimasy ihany no afaka manasitrana azy.

📜Araka ny fanazavana ara-tsiantifika, ny Ambalavelona dia soritr’aretina mipoitra vokatry ny olana ara-tsaina na alahelo be loatra ka lasa misy fiantraikany amin’ny vatana, ny saina, ary mety amin’ny fanahin’ny olona mihitsy. Ho an’ny dokotera manokana dia ny tsy fahampian'ny kalsioma sy ny aretin-tsaina no mahatonga ny olona ho toy ny adala.

📜Ho an'ny Kristianina, ny Ambalavelona dia heverina ho asan'ny demonia, izany hoe fanahy ratsy mibaiko olona iray ka mampisafotofoto azy, ka ny vavaka sy ny fametrahan-tanana no hany fanafody mety hanasitranana azy, sy ny exorcisme.

Na samy hafa aza ireo fanazavana telo ireo, dia saika mitovy ny fisehoan'ny Ambalavelona : tahaka ny fahitana zavatra tsy misy na fikorontanan-tsaina sns.

Mankasitraka Tompoko ❀
Ampio izay tsy ampy🙏
✅Abonneo ny Pejy✅

C'est l'une des pires maladies et elle est toujours populaire Ă  Madagascar, notamment dans la rĂ©gion d'Ambatondrazaka. Les victimes les plus frĂ©quentes d’Ambalavelona sont les jeunes femmes de 10 Ă  17 ans. Il existe cependant trois explications Ă  l’origine de cette maladie.

Ara-tantara dia efa ho arivo ny isan'ireo jiolahin-tsambo nialokaloka tao Sainte-Marie ary anisan'izany ireo piraty nala...
29/10/2024

Ara-tantara dia efa ho arivo ny isan'ireo jiolahin-tsambo nialokaloka tao Sainte-Marie ary anisan'izany ireo piraty nalaza toa an'i Thomas White, Thomas tew sy ireo jiolahin-tsambo maro.

Ny toerana rahateo moa sady lalam-barotra amin'ny ranomasim-be Indianina sy ny ranomasina Mena ka anisan'ny nahasarika ireo jiolahy honina sy hipetraka tao, tany amin'ny taonjato faha 17 sy 18 tany izy ireo no nanjakazaka tao.

Maro tamin'ireo jiolahin-tsambo ireo no nanapa-kevitra ny hilevina tao amin'ny nosy, noho izany indrindra no nanaovana ny fasany teo amin'ny sisin'ny havoana manatrika ny ilany atsimon'ny helodranon'Ambodifototra.

Ny faritry ny fasana dia misy lĂ lana miditra ao amin'i Ăźle aux Forbans, izay nosy nampiasain'ireo piraty ho tobiny sy nitsikilovana ireo sambo hanafika tamin'izany. Misy ny mitantara fa ny harena izay avy noroban'izy ireo dia naleviny eny amin'ny toerana manodidina talohan'ny nahafatesany.

Maro ireo jiolahin-tsambo maoderina no tonga teny an-toerana taty aoriana ary niezaka nikaroka ireo harena miafina ireo.

✅Abonneo ny Pejy✅

Le "CimetiĂšre des pirates", site historique et trĂšs frĂ©quentĂ© Ă  Sainte-Marie, tĂ©moigne de l'Ă©poque oĂč les pirates rĂ©gnaient en maĂźtres aux 17e et 18e siĂšcles.

NY HASINANy hasina dia anisan'ireo hazo manan-danja eo amin'ny Malagasy. Manana ny heriny mampiavaka azy izy ireny, ary ...
28/10/2024

NY HASINA

Ny hasina dia anisan'ireo hazo manan-danja eo amin'ny Malagasy. Manana ny heriny mampiavaka azy izy ireny, ary eny amin'ny tanĂ n'andriana na amin'ny toerana misy kalanoro sy vazimba na mpimasy, mpanandro no tena nambolena azy. Raha any anaty ala na amorontsiraka dia maniry mijoalajoala ny hasina fa raha eto afovoan-tany dia somary kelikely.

Teo amin'ny Ntaolo dia samy nosokajiana ho hazo manan-kasina na ny amontana sy ny aviavy ary ny hasina fa ny hasina ihany no azo natao hazo fanandratana . Ankehitriny dia mbola maro ny olona no mamboly azy ireny eny amin'ny vavahady satria mitondra fanambinana sy miaro amin'ny ratsy izy ireny.

Tsy mora anefa ny mamboly azy dia maro no tsy maha vanona azy. Raha mahavelona azy ireny dia mitondra fanambinana ny Hasina. Misy lahy sy vavy moa ny hasina.

Ara-tantara dia nafangaro tamin'ny rano nandroan'ny mpanjaka fahiny ny raviny, izay rano alaina eny amin'ny rano tsy dikain'amboa ary ny vehivavy zanak'andriana mbola madio no maka izany.

Mankasitraka Tompoko !
Ampio izay tsy ampy❀

✅Abonneo ny Pejy✅

L'hasina est l'un des arbres les plus importants chez les Malagasy. L'Hasina a une longue tige et ses feuilles sont toutes empilĂ©es sur sa tĂȘte

NY FAMAKIVAVA Amin'ny maha Famakivava azy izay dia mazava ho azy fa zavatra natao ho an'ny vava izy izany. Inona marina ...
25/10/2024

NY FAMAKIVAVA

Amin'ny maha Famakivava azy izay dia mazava ho azy fa zavatra natao ho an'ny vava izy izany.

Inona marina ny tena ampiasaina azy? Ny Famakivava dia nampiasaina toy ny fanafody izay hanampiana ireo zaza mbola tsy miteny sy miraiki-dela na ihany koa ireo olona saro-kenatra. Any amin'ny faritra avaratry ny nosy no tena ahitana azy fa misy ihany koa ireo mpivarotra Raokandro no mivarotra azy.

Tsotra ny fampiasana azy ary tsy mila mandany fotoana fa kikisana sy afangaro amin'ny rano fisotro izy, izay tsy mila hampangotrahana akory.
Maro ihany koa ny mampiasa azy amin'ny vorona toy ny boloky mba hamakiana ny lelany, ireo olona miraiki-dela noho ny tosi-drĂ  ihany koa dia afaka mampiasa azy. Tsy azo atao atao ny mamaky azy roa na manakatona azy fa tsy miasa ny heriny.

Loharano: TAHIRY SY FOMBAN-DRAZANA MALAGASY

✅Abonneo ny Pejy✅

A quoi sert-il exactement ? Famakivava est utilisé comme médicament pour aider les enfants encore sans voix et timides ou les grandes personnes timides.

Maro ireo dingana arahina mandritry ny fikarakarana ny fahafatesan'ny olona iray, ary ny faritra tsirairay dia samy mana...
24/10/2024

Maro ireo dingana arahina mandritry ny fikarakarana ny fahafatesan'ny olona iray, ary ny faritra tsirairay dia samy manana ny fomba fiatrehana izany avokoa.

Rehefa maty ny olona iray dia ny masony no ahirina voalohany (ahirina no fiteny fa tsy akipy rehefa olona maty), avy eo akombona ny vavany (misy ny olona rehefa maty dia tsy maintsy akombona na fatorana ny vavany).

Aorian'izay dia ampandroana ny faty (tsy entina any amin'ny trano fandroana akory, fa maka lamba sy rano dia fafana amin'iny ny vatan'ilay maty), efa misy ny olona manao ny tranovorona sy manadio ny trano hametrahana azy rehefa avy ampandroana.

Rehefa vita ny fampandroana dia ampiakanjoana izy, ezahina atao mifanaraka amin'ny hajejoany tamin'ny mbola velona (raha vehivavy tia lokomena sy tia mihaingo ohatra, dia atao toy izany koa ny vata-mangatsiakany).
Ny fiandrasam-paty ihany koa dia tafiditra ao anatin'izany, io faty io dia tena tian'ny mpamosavy ny milalao azy ary izay no anisan'ny antony tsy maintsy hiandrasana azy.

Rehefa tonga ny fotoana fandevenana dia fonosina ny faty ary mandritry ny famatorana azy, dia ny zokiolona no mamatotra voalohany, ary tsy maintsy atao isankasa ny fatorana (nombre paire) satria iny fahoriana ary ny antony isankasa dia mba ho tapitra hatreo ny ratsy, izany hoe tsy mitohy, avy eo ny faralahy olona no mamarana ny famatorana (ny lehilahy matanjaka sy mafy tĂ nana ka mahavita ilay hoe fato-maty, ary mahery fo, izay no antony mahatonga ny eo tsy maintsy ny lehilahy no mamatotra ny faty).

Samy manana ny isa atao amin'ny faty avy ny fianakaviana tsirairay, misy koa ireo tsy mamatotra anefa fa miankina amin'izay nafaran'ilay maty.

Efa misy noresahantsika ihany ny momba ny fandevenana sy ny atao eny an-dĂ lana ; fa rehefa voalevina ny faty , dia misy ny atao hoe fanidy, izay ny faralahy olona ihany no manipy izany any amin'ny varavaram-pasana ary miatrika vahoaka izy fa miamboho ilay varavaram-pasana kosa.

Tohizantsika ao ambany🙏
✅Abonneo ny Pejy✅

Ny Fahafatesana dia fahataperan'ny aina(na olona, na biby,sns...), ary ny Malagasy dia nanaja fatratra sy nikarakara ny olona iray maty

NY FOMBA FANDEVENANA :Miovaova araka ny faritra eto Madagasikara ny fombafombam-pandevenana, saingy voamariky ny fanajan...
22/10/2024

NY FOMBA FANDEVENANA :

Miovaova araka ny faritra eto Madagasikara ny fombafombam-pandevenana, saingy voamariky ny fanajana sy ny finoana lalina izany, indrindra raha toa ka olona mamin'ny fiaraha-monina ilay maty.

Fady teo amin'ny Malagasy ny mandevina andro Talata sy Alakamisy ary tsy maintsy folak'andro no fotoana handevenana ny faty ao anaty fasana. Samy nanana ny heviny avokoa ireo ary najaina sy narahana fatratra.

Rehefa vita fono ny razana dia atao ao anaty vata na tranovorona ary avoaka eny an-tokontany ka ny tongony no avoaka aloha, io no antsoina hoe manainga mavesatra.

Misy ny kabary tsy valiana mandritry ny fotoana natao hisaorana ireo olona tonga nanotrona sy nampahery, ary ny fianakavian'ny maty dia miara-mipetraka ambany ka atao mandingana azy ireo ny faty.

Eny an-dalĂ na dia misy olona miantso ny anaran'ilay maty (miantso avelo), izay midika fa hifindra toerana izy ka tsy tokony hanalokaloka ny velona intsony.
Rehefa tonga eny amin'ny fasana kosa , alohan'ny hanitrihana azy dia misy fitantarana ny fiainany ary rehefa alevina izy dia ny lohany indray no mandeha aloha.

Raha misy fianakaviana te ahita ny toeran'ny havany ao am-pasana dia afaka miditra ao saingy tsy azo idiran'ireo be ranomaso satria tsy mahazo atao ny mitomany ao am-pasana.

Raha kambana ilay maty ka mbola velona ny ilany, dia ampanarahana vatan'akondro izy, raha manam-bady kosa dia asaina manipy vatomaty eny amin'ny fasana ilay ilay vadiny mbola velona sady miteny hoe "EFA IO IZAO NY VADINAO", ary io vato io dia efa noentiny niaraka tamin'ny vato velona iray izay hoentiny miverina mody miaraka aminy.

Faranana amin'ny kabary fisaorana izany rehetra izany.

Tsy azo atao intsony ny miverina amin'ny lĂ lana nitondrana ilay faty fa mandeha lalan-kafa.

🙏Nisy ampaham-panazavana nindramina tao amin'ny education.mg

Mankasitraka Tompoko !

Ohatran'ny ahoana ny fomba fandevenana any amin'ny faritra sasany?

Ampio Izay tsy ampy❀

✅Abonneo ny Pejy✅

Tena zava-dehibe tokoa ny fandevenana ho an'ny Malagasy, ny fanajana sy ny fomban-drazana ary ny dikany lalina. Ny fahafatesana dia ny fisarahana aman'aina izay tsy maintsy lalovana ny olon-drehetra, fa ny fandevenana no tena maneho ny fisarahana tanteraka amin'ny tontolon'ny velona. Izay miteraka a...

Tamin'ny vanim-potoanan'ny faha foko dia tsy nisy izany rafi-piarahamonina izany teo amin'ny Malagasy fa ireo Zokiolona ...
21/10/2024

Tamin'ny vanim-potoanan'ny faha foko dia tsy nisy izany rafi-piarahamonina izany teo amin'ny Malagasy fa ireo Zokiolona kosa no niara-nanapaka sy nitondra ny fiaraha-monina teo amin'ny tanĂ na na foko iray.

Tamin'izany, dia tsy mbola nisy ny hoe andevo sy andriana ary hova fa nitovy sokajy avokoa ny olona rehetra. Ireo Ray aman-dreny efa be taona teo an-toerana no miara-midinika izay tokony ahasoa ny fiaraha-monina sy hampirindra izany, natokisan'ny olona tokoa izy ireo satria feno fahendrena. Noho ny fananan'izy ireo tsindrimandry azo tamin'ireo razambe dia nahafehy ny fiaraha-monina tsara izy ireo ary ny tany dia nandry fahalemana tanteraka, tsy nisy ny rahoraho sy ny resaka saranga.

Ny tena anjara toerana notanan'izy ireo ihany koa dia ny mandravina ireo disadisa nisy, na teo amin'ny fiaraha-monina na teo amin'ny fianakaviana. Izy ireo no mitarika ny fivoriana ihany ary mamatsy sy mitahiry ireo fitaovana fampiasa amin'ny famokarana.

Tamin'izany fotoana dia mbola tsy nisy ny fananan'olon-tokana fa mbola niraisana avokoa.

Talohan'ny nisian'ny rafi-pitondrana faha mpanjaka dia nahay niray hina sy nilamina ny olona satria tsy mbola nisy ny saranga izay tena nanimba ny toe-tsain'ny olona.

Lasa nisy ny ambony sy ambany ary nisy ny mahantra sy ny manan-karena, ary indrindra nisy ny fahasamihafana ka nampisara-bazana ny tsirairay.

Mankasitraka Tompoko !
Ampio izay tsy ampy❀

✅Abonneo ny Pejy✅

Tamin'ny vanim-potoanan'ny faha foko dia tsy nisy izany rafi-piaraha-monina izany teo amin'ny Malagasy fa ireo Zokiolona kosa no niara-nanapaka sy nitondra ny fiaraha-monina teo an-tanĂ na na foko iray. Tamin'izany, dia tsy mbola nisy ny hoe andevo sy andriana ary hova fa nitovy sokajy avokoa ny olo...

NY FERAOMBYNy Feraomby dia kolontsaina tanterahina isaky ny 2 taona ao Anororo, faritra Alaotra Mangoro, kolontsaina iza...
19/10/2024

NY FERAOMBY

Ny Feraomby dia kolontsaina tanterahina isaky ny 2 taona ao Anororo, faritra Alaotra Mangoro, kolontsaina izay mampiavaka iny faritra iny.

Ny atao mandritry io dia manavao ireo fefy manodidina ny toerana masina izay nanafenan'ny mpanjaka Andrianampanjaka NDRIANA ny longy (sagaie) talohan'ny nahafatesany ary nanafarany ny taranany mba hikaroka azy io.

Ny Volana Asarabe (volana Novambra), no hanatanterahana azy, azo avy amin'ny fikambanan-teny roa samy hafa ny hoe Feraomby: fiaro izay midika hoe fiarovana, fiadiana sy ny hoe aomby izay midika hoe omby.

Izy ity dia fomban-drazana entina ahatsiarovana sy fanajana ny mpanjaka efa niamboho, no fe-potoana natokana ho fanamasinana ny Doany. Amin'io fotoana io ihany koa no hisian'ny fifandraisana avy amin'ny fanahin'ny mpanjaka izay hampitany ireo hafatra ho an'ny taranany ao Anororo.

Eo avaratry ny vohitra moa no misy ny doany izay hanantanterahana ny fankalazana ary misy fady tsy maintsy arahina alohan'ny hidirana ao. Tsy azo atao ny manao akanjo mainty, ny mihinan-kisoa, ny manao kapa sy ny akanjo hafa ankoatry ny sikina sy akanjo tsy misokatra, lava tĂ nana fa ahitan-doza ny fandikana izany. Mba hitazomana ny tso-drano sy ny filatasahan'ny orana dia tsy maintsy tanterahina ny hafatry ny mpanjaka ary ny lanonana dia azo atrehan'ny olona rehetra fa ny fady no tsy maintsy arahina.

Misy ihany koa ny fanaovana sorona ka ny sorona atao amin'izany dia tsy maintsy omby, efa misy ireo karazana omby voatokana ho amin'izany. Raha araky ny tantara moa dia voadidina zetra ny toerana nanafenan'ny mpanjaka ilay longy ary taty aoriana vao nisy ny fihenan'ilay rano ka lasa niinana teo ireo omby ary tamin'izay no naitan'izy ireo ilay longy ary nahatonga azy namefy sy nanome lanja ilay toerana indray.

Nofefena ilay toerana mba tsy hisy iditra sy hanitsaka intsony indrindra ny omby. Izay no tena nahatonga azy nantsoina hoe fiaro aomby.

Loharano: Teko aika Alaotra-Mangoro

Mankasitraka Tompoko 🙏

Le Feraomby est une culture pratiquée tous les 2 ans à Anororo, région d'Alaotra Mangoro, une culture unique à cette région

NOSY LONJONy Nosy Lonjo dia nosy be vato, any amin'ny helo-dranon'Antsiranana, izay niforona avy amin'ny fipoahana volka...
18/10/2024

NOSY LONJO

Ny Nosy Lonjo dia nosy be vato, any amin'ny helo-dranon'Antsiranana, izay niforona avy amin'ny fipoahana volkano efa ela. Antsoina amin'ny teny vahiny ihany koa hoe "le pain de sucre".

Anisan'ny toerana manan-danja amin'ireo foko Antakarana izy io satria raha araky ny fantatra dia toerana masina ho azy ireo ny nosy Lonjo, izay sady toerana ivavahan'izy ireo no hanaovany ny fombafomba fanao izay antsoina hoe Fijoroana.

Amin'ny maha toerana mana-kasina azy dia tsy azo hidirana ao fa vitsy ihany ny olona mahazo alalana hiditra ao, na dia saika fantatra eran-tany aza ny fisiany. Raha ny tena marina dia samy manana ny anarana fiantsoany azy avokoa ny vahiny, na miteny frantsay na miteny anglisy fa ny fiantsoan'ny Malagasy azy dia Andovobazaha.

Raha jerena ny dikan'ny teny hoe Lonjo dia manana heviny roa, raha amin'ny teny vahiny dia mitovy amin'ny hoe "cĂŽne", noho ny endriny, fa raha amin'ny teny malagasy kosa ny dikany hoe Lonjo na Lonjo be dia midika hoe "ny razamben'ny fianakaviana iray".

Raha araky ny tantara dia toerana natao handevenana ireo razana natao hoe Anjoaty, izay taranak'ireo islamista avy any amin'ny morontsirak'i Afrika. Izy ireo dia mpahay ody mahay tamin'izany, sady manam-pahaizana momba ny faminaniana, fanalana fanahy ratsy ary koa afaka nanozona satria dia masim-bava. Misy hifandraisany amin'ny tantara nisy teo amin'ny Antakarana sy ny Merina (ady nifanaovana).

Maro ireo mistery fonosin'ity nosy kely ity, ary amin'ny maha toerana tsy azo idirana azy dia vao maika manamafy ny mety fisian'ny mistery ao aminy, ankoatran'ireo zava-maniry sy biby tsy dia fahita firy ao aminy, toy ny baobab antsoina hoe Andasonia Suarezensis sy honko ary ny biby toy ny "fanihy" na ramanavy izay antsoina hoe "chauve-souris roussette".

Ny foko Antakarana dia anisan'ny foko iray eto Madagasikara izay mbola mandalina sy mitana ny fomban-drazany.

Mankasitraka Tompoko !
✅AbonnĂ©o ny Pejy✅

Nosy Lonjo est un ßlot rocheux situé dans la baie d'Antsiranana, formé il y a trÚs longtemps par une éruption volcanique.

NY MOHARAAnisan'ny zavatra masina ny Mohara teo amin'ny mpanaraka ny fivavahana malagasy, indrindra ho an'ny olona avy a...
17/10/2024

NY MOHARA
Anisan'ny zavatra masina ny Mohara teo amin'ny mpanaraka ny fivavahana malagasy, indrindra ho an'ny olona avy any amin'ny faritra Andrefana sy Atsimo-Andrefan'i Madagasikara iny. Ny ombiasy no mpanamboatra azy ary noho ny fisian'ny hery sy hasina ao amin'ny dia afaka miaro ny tompony izy.

Efa nolovaina tamin'ireo razambe ny fampiasana azy io. Akora voajanahary isan-karazany no natambatra ho Mohara ary nanana anjara toerana lehibe teo amin'ny fiaraha-monina malagasy, ary ny Mohara dia tafiditra tao anatin'ireo nantsoina hoe Sampy (tsy asan'ny maizina akory fa ilay nentina nanasoa ny mpiara-belona nandritry ny taona maro nifanesy).

Tamin’ny andron-dRanavalona II (1868-1883) dia niova tanteraka ny toe-javatra momba ny fampiasana ireo Sampy sy ireo zavatra nentin-drazana toy ny Mohara. Nivadika ho Kristiana i Ranavalona II, izay nitarika fiovana lalina teo amin’ny finoana sy ny fanao ara-pivavahana teto Madagasikara. Indrindra indrindra, nandidy ny fandravana ny Sampy izy, sy ny fandrarana ny fampiasana azy ireo amin'ny fomba ofisialy.

Nohararaotin'ireo vahiny izany ka nolazain'izy ireo fa fanompoan-tsampy ny finoan'ireo razambe teo aloha sy ny sasany amin'ireo kolontsaina malagasy. Izay niafara tamin'ny fandoroana sy fandravana ireo zavatra ireo izany ary nanomboka nandray ny fivavahana vaovao nentin'ireo vahiny ny Malagasy, indrindra ireo teto afovoan-tany izay teo ambany fifehezan-dRanavalona.

Mankasitraka Tompoko !
Ampio izay tsy ampy !

✅AbonnĂ©o ny pejy✅

Le Mohara, chez les Ntaolo Malagasy, était avant tout un objet sacré ayant une fonction de protection et de bénédiction.

VAZIMBANy Vazimba raha ara-tantara dia ireo mponina voalohany teto afovoan'i Madagasikara, olona tia fihavanana ary tsy ...
16/10/2024

VAZIMBA
Ny Vazimba raha ara-tantara dia ireo mponina voalohany teto afovoan'i Madagasikara, olona tia fihavanana ary tsy tia ady ka izay no nahatonga azy ireo vaky nandositra rehefa tonga ireo mpanjaka avy amin'ny taranaka Maley sy Arabo. Rehefa nitsoaka moa izy ireo dia nisy ireo niaina tany amoron-tsiraka nantsoina hoe Vazimba an-drano, nisy kosa ireo taty afovoan-tany saingy tany anaty lava-bato sy teny an-tanety.

Na dia teo aza ny fitsitokotokoan'izy ireo dia samy nivavaka tamin'ny Zanahary izy ireo ary samy nandalina ny fihavanana ka tamin'ny andro faha Vazimba dia nilamina sy tsy nisy ady teto Madagasikara. Mino ny hasin'ny Razana ihany koa izy ireo, sady nampiasa ody saingy nampiasainy tamin'ny tsara izany.Nanana toe-batana mitovy amin’ny olon-drehetra ny tompon-tany, ny sasany fohy, ny sasany lava ary tsy voatery ho mainty avokoa ny volony.

Araka ny fomban-drazana dia samy avy amin’ny vazimba i Rafohy sy Rapeto, saingy samy manana ny maha izy azy. Ao koa anefa ny milaza fa ny Vazimba dia olona fohy sady mainty fiodirana no tsy dia manana vola tsotra. Fa rehefa nifanambady tamin'ireo taranaka Maley sy Arabo ary Afrikana izy ireo vao niteraka olona misy toe-batana.

Ireo vazimba nonina an-tanety dia tsy mba nampiasa hadivory toy ny fanjakana rehetra taty aoriana fa ny vato no nataon'izy ireo ho manda aron'ny tanĂ nany, Izy ireo moa dia tena tia mampiasa vato raha teo. Nanana ny heriny manokana sy ny hasiny izy ireo ka saro-pady ny manitsakitsaka ny fasana ilevenany sy ireo toerana izay mety misy ny fanahin'izy ireo. Ary matetika dia misy ny olona miolan-tenda raha ninia nanao izany zavatra fady izany.

Rehefa misy maty amin'izy ireo dia alevina ao anaty hazo mifanarona toy ny lakana na eny ambony vato, fa raha atao amin'ny fasana dia tsy maintsy eny an-tapon'ny havoana.

Mankasitraka Tompoko !
Tantarao izay fantatrao , ampio izay tsy ampy Tompoko❀

✅AbonnĂ©o ny Pejy✅

Historiquement, les peuples Vazimba (autochtones) ont été les premiers habitants du centre de Madagascar, des gens qui aiment la paix et n'aiment pas la guerre, c'est pourquoi ils ont fui à l'arrivée des rois malais et arabes.

NY FAMATOTeo amin'ny Ntaolo Malagasy dia maro ireo ody natao hiaro ka anisan'izany ny Famato. Maro ireo sehatra azo arov...
15/10/2024

NY FAMATO

Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia maro ireo ody natao hiaro ka anisan'izany ny Famato. Maro ireo sehatra azo arovana amin'izany toy ny tokantrano, ny fidiram-bola na teo amin'ny fiarovana ny vohitra iray.

Raha hanorina trano ny Ntaolo dia nampiasa Famato mba hiarovana ny tokantrano sy ny fianankaviana amin'ny ratsy izay mety ataon'ny mpisompatra (dahalo, mpamosavy sy mpamorika), mba hiarovana ny fianankaviana tsy hisara-bazana ary hitondra soa sy fanambinana ao an-tokantrano. Rehefa misy an'io ny tokantrano dia tsy tia miditra loatra ao ny mpamosavy.

Natao hiarovana ny fidiram-bola ihany koa ny Famato, mba ahangona sy hahatsangan-javatra fa tsy ho lanilany foana izay vola miditra.

Ao ihany koa ny Famatom-bohitra, izay natao hiarovana ny vohitra mba tsy ahatafidiran'ny fahavalo, ary mba hisian'ny filaminana eo an-tanĂ na.

Ao ihany koa ny Famato atao amin'ny biby fiompy sy ny fambolena ka tsy misy afaka anao hasomparana izany mihitsy. Ireo Famato voalaza ireo dia samy manana ny akora nampiasana avy sy ny toerana hametrahana azy (Mila manantona mpanandro raha te hampiasa azy)

Mbola maro ireo Malagasy ankehitriny no mampiasa azy indrindra ireo any ambanivohitra sy any amin'ny faritra izay mbola mino ny hery sy ny fiarovana entiny, indrindra ireo izay mbola mandala ny fomban-drazana sy manaraka izany.

Nitondra soa teo amin'ireo Malagasy fahiny ny fampiasana ny Famato ary nilamina tokoa ny Fiarahamonina tamin'izany.

Matetika dia lazaina fa fanompoan-tsampy foana ny fampiasana ody gasy, marina fa misy mampiasa amin'ny ratsy izany fa tsy voatery ny ody rehetra izay nolovaina tamin'ireo Ntaolo rehetra akory dia lazaina fa fanompoan-tsampy sy asan'ny maizina daholo.

Mankasitraka Tompoko ❀
Ahoana ny Hevitrao?
Ampio izay tsy Ampy TompokođŸ„°

đŸ“·Sary fanehoana

✅AbonnĂ©o ny Pejy✅

Parmi les anciens, il y avait de nombreux charmes utilisés pour protéger, dont le Famato. Il existe de nombreux domaines à protéger contre cela comme le logement, les revenus et aussi en matiÚre de protection d'un village.

FADY NY MIVAROTRA FANANANA RAHA NY NENTINDRAZANA NO DINIHINAAHOANA NY HEVITRAO ? ✅Manasa anao hanaraka ny Pejy✅
14/10/2024

FADY NY MIVAROTRA FANANANA RAHA NY NENTINDRAZANA NO DINIHINA

AHOANA NY HEVITRAO ?


✅Manasa anao hanaraka ny Pejy✅

Voalohany, raha vao mifanambady ny olona roa dia antsoina hoe "mitokan-trano", izany hoe tokony manana trano izany aloha izy vao vita ny fombany fanambadiana.

FAHALEOVANTENA HOENy Fahaleovantena dia tsy natao mihitsyHoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy.Fa Fahaleovantena tsy ma...
10/10/2024

FAHALEOVANTENA HOE

Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy
Hoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy.
Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana
Hampigoka mamy ny isam-baravarana

Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miato
Iandrandrana vola avy any Dilambato
Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka
Tsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy
Ny tenin’ny vahiny hasolo teny gasy
Fa Fahaleovantena derain’ilay mitazana
Hanandratra ambony ilay fitenindrazana

Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javona,
Ka iambonian-tena rakofana avonavona.
Fa fanetrena tena hitovy amin’ny hafa
Miaraka misaina, miaraka mitafa

Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokan’
Ny fiheveran-tena ho mahavita tokana
Fa hevitry ny maro mitapatapak’ahitra
Ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahana
Ny hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana
Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratana
Hanaja ny an’ny tena ho any avara-patana

Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehaka
Na horaka mandainga mba hampidehadehaka
Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena
Fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena

Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako,
Fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako
Fa Fahaleovantena ahitana toky
Ka ny maroanisa no sambatra sy voky.

Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katrana
Hividianana olona ho sandam-pisandratana
Fa Fahaleovantena mitana fahamarinana
Hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana

Ny Fahaleovantena : tsy laza vadi-bainga
Am-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga
Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranony
Tsy misy laingalainga na mila ranondranony

Izany ka izany no Fahaleovantena
Niadian’ny razantsika sy namonoany tena,
Nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany,
Namoizany ny hareny, namoizany ny rany

Anefa raha tsy izany no Fahaleovantena
Iainantsika etoana, fa toa fitiavan-tena
Sahia ka mijoroa hiady ho an’ny marina
Mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.

RADO

Fantatrao ve ny atao hoe Tranofitomiandalana?Ny tranofitomiandalana na Fitomiandalana dia ireo Tranomasina fito, ahitana...
03/10/2024

Fantatrao ve ny atao hoe Tranofitomiandalana?

Ny tranofitomiandalana na Fitomiandalana dia ireo Tranomasina fito, ahitana fasana fito izay hilevenan'ireo mpanjaka fito tamin'ireo mpanjaka folo nifandimby teto Imerina, izay nanomboka tamin'Andrinjaka ka hatramin'Andrianampoinimerina.

Ny Fitomiandalana dia nilahatra teo antsinanan'ny lapan'i Manjakamiadana, izay manao toy izao ny filaharany avy any an-kavia mankany an-kavanana: Andrianjaka, Andriantsitakatrandriana, Andriantsimitoviaminandriandehibe, Andriamasinavalona, Andrianjakanavalomandimby, Andrianampoinimerina et Andrianavalonibehisatra.

Noho ny taty aoriana moa dia nafindran'ny Frantsay teo avaratry ny Tranovola izay ahitana ny mausole misy ny sisa tavela tamin'ireo mpanjaka nanomboka tamin'i Radama I. Ny Tranofitomiandalana ihany koa dia nametrahana vato masina izay tsy afaka kasihana, na dia azo atao ary ny manavao ny fasana fa tsy mikitika ny razana ao aminy, na manakambana azy ireo ho toerana iray.

I Madagasikarako

Mankasitraka Tompoko ❀
Ampio izay Tsy ampy đŸ™â€ïž
🟣Abonneo ny Pejy🟣

Les Tranofimitomiandalana (sept maisons alignĂ©es) sont les sept sanctuaires, dont sept tombeaux oĂč sont enterrĂ©s les sept rois successifs d'Imerina, d'Andrinjaka Ă  Andrianampoinimerina.

Address

Andoharanofotsy
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when I Madagasikarako posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to I Madagasikarako:

Share