Pejy Farany

Pejy Farany Mihazakazaka makany amin'ny faharavana ity tontolo ity na ho aiza ianao na ho aiza..

😉
15/02/2022

😉

AZA variana miondrika any fa ,mba mitraka Kely
Tsy safidinao ny miaina kanefa ianao voatery
Voatery hianao hijery ,hijery an'ireo fery
Fery tsy nanolatra nefa nanakopery
Amin'ny ankapobeny ...
Antsoitsika hoe lasa ireny
Fa 'zao :
-aza miondrika amin'ireny fa MBA mitraka kely

AZA   variana miondrika any fa ,mba mitraka Kely Tsy safidinao ny miaina kanefa ianao voateryVoatery hianao hijery ,hije...
05/02/2020

AZA variana miondrika any fa ,mba mitraka Kely
Tsy safidinao ny miaina kanefa ianao voatery
Voatery hianao hijery ,hijery an'ireo fery
Fery tsy nanolatra nefa nanakopery
Amin'ny ankapobeny ...
Antsoitsika hoe lasa ireny
Fa 'zao :
-aza miondrika amin'ireny fa MBA mitraka kely

*Rankizy izao no ora FARANYAry tahaka ny renareo fa ho avy ny antikristy,,Sady maro ny antikristy efa tonga sahady ;Koa ...
27/10/2019

*Rankizy izao no ora FARANY
Ary tahaka ny renareo fa ho avy ny antikristy,,
Sady maro ny antikristy efa tonga sahady ;
Koa izao no ahafantaratsika fa izao no ORA FARANY "1jaona 3:18

IZAY REHETRA NATOMBOKA DIA TSY MAINTSY MISY FIAFARANY .
Tsy fantatsika mazava ny andro na ny ora fa ny zavatra azo antoka dia misy farany io fijaliana mahazo antsika io.
Io tebiteby io,io adintsaina io,,
Ny fanaintainana rehetra ,ny fanahiana ,,
Dia ho faranan'ilay mpahary sy mpamorona izay mikendry ny mifanohitra amin'izany ...,
*Eny io fiainana nampidramina anao io dia hifarana,
Tsy maintsy ho faranana ny tantaran'ity tany izay efa mirimorimo makany amin'ny faharatsiana ity.
Mirongatra ny filandratsy.
Tsy voafehy intsony ny fisainana tia manitatatra ka nohararaotin'i satana .
VAHINY SY MPIVAHINY ANEFA IO VATANAO METY VOVOKA IO ..
Vatana tia rendrarendra sy filana ..,
"Fa ny fanahy no maha olona *eny INDRISY fa na io fifaliana Kely mandalo hiainanao io aza dia hifarana tsy ho ela..

SAINO NY FARANY FA MIANKINA MINAO NY FARANY...NA NY FARANY MANODIDINA NY FIAINANAO MANOKANA ...
NA NY FIAFARANAO MANOLOANA NY FARAN'ITY TONTOLO ITY ...
Fantaro fa misy mpamonjy anefa azonao antonina vonona hanova ny zotra hiafaranao ho lavitry ny ratsy dia i *JESOSY
*Indro efa mitsangana eo ambaravarana aho ka mandondona,raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko "Apokalipsy 3:20

Tandremo fa:

*fahaverazana no hiafarany ,NY KIBONY NO ANDRIAMANINY ,NY FAHAMENARANY NO VONINAHINY
Fa MISAINA NY AMIN'NY TANY IZY "
Filipiana 3:19
Pejy farany N°001

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pejy Farany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category


Other Publishers in Antananarivo

Show All