Mofonaina DIEM.

Mofonaina DIEM. Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, ami

25/07/2023

MOFONAINA Alarobia 26 Jolay 2023

Lio 6, 12-16

12Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina.

13Nony maraina, nantsoiny ny mpianany ka nifidianany 12 lahy izay nomeny anarana hoe apostoly:

14dia i Simona, izay nomeny anarana koa hoe Petera, sy i Andrea rahalahiny; i Jakoba sy i Johany, i Filipo, i Bartolomeo,

15i Matio, i Toma, i Jakoba zanak'i Halfeo, i Simona atao hoe Zelota,

16i Jodasy zanak'i Jakoba, ary i Jodasy Iskariota ilay tonga mpamadika.

"FIFIDIANANA."

Mifidy.
20/07/2023

Mifidy.

MOFONAINA 21 Jolay 2023

HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO.

Marka 13,14-20

14Ho hitanareo eo amin'izay tsy tokony hisy azy ilay fanimbazimbana mahatsiravina. (Aoka hahazo tsara izay mamaky).

15Koa amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra; izay any an-tampon-trano aoka tsy hidina ary aoka tsy hiditra haka zavatra ao an-tranony;

16izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

17Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany.

18Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina no hahatongavan'izany.

19Fa ho andro fijaliana izany, dia fijaliana tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny niandohan'ny zavaboaary, ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.

20Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo ny Tompo, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ireo olom-boafidiny, dia nohafohezin'ny Tompo ireo andro ireo.

21Ary amin'izany, raha misy olona milaza aminareo hoe: Indro aty ny Mesia na hoe Indro ary Izy, dia aza mino.

22Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin'Andriamanitra aza raha azony natao.

23Koa mitandrema, fa efa voalazako mialoha taminareo ny zavatra rehetra.

" Mifidy."

MOFONAINA 21 Jolay 2023HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO.Marka 13,14-2014Ho hitanareo eo amin'izay tsy tokony hisy azy ilay ...
20/07/2023

MOFONAINA 21 Jolay 2023

HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO.

Marka 13,14-20

14Ho hitanareo eo amin'izay tsy tokony hisy azy ilay fanimbazimbana mahatsiravina. (Aoka hahazo tsara izay mamaky).

15Koa amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra; izay any an-tampon-trano aoka tsy hidina ary aoka tsy hiditra haka zavatra ao an-tranony;

16izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

17Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany.

18Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina no hahatongavan'izany.

19Fa ho andro fijaliana izany, dia fijaliana tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny niandohan'ny zavaboaary, ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.

20Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo ny Tompo, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ireo olom-boafidiny, dia nohafohezin'ny Tompo ireo andro ireo.

21Ary amin'izany, raha misy olona milaza aminareo hoe: Indro aty ny Mesia na hoe Indro ary Izy, dia aza mino.

22Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin'Andriamanitra aza raha azony natao.

23Koa mitandrema, fa efa voalazako mialoha taminareo ny zavatra rehetra.

" Mifidy."

Mitantana.
20/06/2023

Mitantana.

MOFONAINA Alarobia 21 2023

Asa 28, 1-10
1Voavonjy teo ary izahay vao nahalala fa hay i Malta no iantsoana ilay nosy.

2Be ny soa nataon'ny tompontany anay: noraisiny tsara izahay rehetra, ka namelomany afo nidonaka be hamindroanay, satria nilatsaka ny ranonorana ary namirifiry ny hatsiaka.

3Nahatsimpon-kitay iray trotroana i Paoly ary natohony teo amin'ny afo; kanjo nisy menarana nivoaka tampoka avy ao, azon'ny hafanana, ka niantsampy niraikitra tamin'ny tanany.

4Nony hitan'ny tompontany kosa ny bibilava niraviravy teny amin'ny tanan'i Paoly, dia nifampiresaka ry zareo hoe: Tena mpamono olona raha io lehilahy io; anarany foana no voavonjy tamin'ny ranomasina izy, saingy tsy navelan'ny fitsaran'Andriamanitra ho velona.

5Fa nakifik'i Paoly tao amin'ny afo ilay biby, ary ny tenan'i Paoly dia tsy naninona tsy naninona.

6Nampoizin'ny olona hivonto na hikarapoka ho faty tampoka izy. Niandry ela ihany ry zareo ka nony nahita azy tsy naninon-tsy naninona, dia niova hevitra tanteraka, ka namerimberina hoe: Isan'ireo andriamanitra io!

7Teo akaikin'ilay toerana, dia nisy sahan'ilay natao hoe Pobly, lehiben'io nosy io. Nandray anay tamim-pitiavana tokoa izy ka nampiantrano anay mandritra ny telo andro.

8Nandamaka teo am-pandriana ny rain'i Pobly fa sady voan'ny tazo no nivalan-dra. Nitsidika azy i Paoly, dia nivavaka sy nametra-tanana taminy, ka nahasitrana azy.

9Nony vita izany, dia nanatona koa ny marary sasany teo amin'ny nosy ka sitrana.

10Tsy tambo ny fanomezana natolotry ny tompontany ho anay; ary nony niondrana indray izahay, dia novatsiny izay zavatra ilainay.

"Mitantana."

MOFONAINA Alarobia 21 2023Asa 28, 1-101Voavonjy teo ary izahay vao nahalala fa hay i Malta no iantsoana ilay nosy.2Be ny...

Miharihary.
10/04/2023

Miharihary.

MOFONAINA 11 APRILY 2023

Isaià 52; 7-12

7Endrey tsara tokoa ery an-tendrombohitra ny famindran'ilay mpitondra hafatra , izay manambara fiadanana sy mampita hafatra mahasambatra ary manambara famonjena,ka manao amin'i Tsiona hoe: "Mpanjaka ny Andriamanitrao."

8Injany ny feon'ireo napetrakao ho mpitily! Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana, satria mahita maso ny fiverenan'ny TOMPO ao Tsiona.

9Manaova horakora-pifaliana ka redony ny hiram-pihobiana, ry toerana rava ao Jerosalema, satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO sady efa nanavotra an'i Jerosalema!

10Nahariharin'ny TOMPO teo imason'ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.

11Miala ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, miala, mivoaha avy ao Babilona. Aza mikasika izay maloto , fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!

12Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanana, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr'i Israely no hovodilalanareo.

"Miharihary."

MOFONAINA 11 APRILY 2023Isaià 52; 7-127Endrey tsara tokoa ery an-tendrombohitra ny famindran'ilay mpitondra hafatra , iz...
10/04/2023

MOFONAINA 11 APRILY 2023

Isaià 52; 7-12

7Endrey tsara tokoa ery an-tendrombohitra ny famindran'ilay mpitondra hafatra , izay manambara fiadanana sy mampita hafatra mahasambatra ary manambara famonjena,ka manao amin'i Tsiona hoe: "Mpanjaka ny Andriamanitrao."

8Injany ny feon'ireo napetrakao ho mpitily! Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana, satria mahita maso ny fiverenan'ny TOMPO ao Tsiona.

9Manaova horakora-pifaliana ka redony ny hiram-pihobiana, ry toerana rava ao Jerosalema, satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO sady efa nanavotra an'i Jerosalema!

10Nahariharin'ny TOMPO teo imason'ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.

11Miala ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, miala, mivoaha avy ao Babilona. Aza mikasika izay maloto , fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!

12Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanana, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr'i Israely no hovodilalanareo.

"Miharihary."

Tsara.
29/03/2023

Tsara.

MOFONAINA 30 Martsa 2023

Jakôba 4, 13-17

14Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona.

15Aleo ianareo manao hoe: Raha sitrapon'ny Tompo ka velona aina, dia hataonay izao na izatsy;

16fa izao ianareo dia sahy mirehareha sy mandoka tena; ratsy avokoa ny fireharehana toy izany.

17Koa izay mahalala ny tsara tokony hatao nefa tsy manao, dia manota.

"Tsara

MOFONAINA 30 Martsa 2023Jakôba 4, 13-1714Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana ve...
29/03/2023

MOFONAINA 30 Martsa 2023

Jakôba 4, 13-17

14Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona.

15Aleo ianareo manao hoe: Raha sitrapon'ny Tompo ka velona aina, dia hataonay izao na izatsy;

16fa izao ianareo dia sahy mirehareha sy mandoka tena; ratsy avokoa ny fireharehana toy izany.

17Koa izay mahalala ny tsara tokony hatao nefa tsy manao, dia manota.

"Tsara

Ny Teny.
31/01/2023

Ny Teny.

FEBROARY 2023

NY FAHEFAN'NY
TENIN'ANDRIAMANITRA

Alarobia 1 Febroary 2023

Sal 119, 105-112

105Fanilon'ny diako ny teninao sy fanazavana ny lalan-kizorako.

106Hamafisiko ny velirano izay nataoko, dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.

107Mijaly tsy eran'ny aina aho, TOMPO o: mba velomy indray araka ny fampanantenanao.

108Mba raiso ny tonom-bavaka atolotro Anao : TOMPO o, ampianaro ahy ny fitsipikao.

109Hatenda lalandava izao ny aiko, nefa tsy hadinoko ny lalananao.

110Ny olon-dratsy mitady hamandrika ahy, fa izaho tsy mihataka amin'ny fepetranao.

111Ny baikonao no fananako mandrakizay: ireo no fifalifalian'ny foko.

112Aronako hanao ny lalananao ny foko, hatramin'ny antsipiriany ary mandrakizay.

"Ny Teny."

FEBROARY 2023              NY FAHEFAN'NY               TENIN'ANDRIAMANITRAAlarobia  1 Febroary 2023Sal 119, 105-112105Fa...
31/01/2023

FEBROARY 2023

NY FAHEFAN'NY
TENIN'ANDRIAMANITRA

Alarobia 1 Febroary 2023

Sal 119, 105-112

105Fanilon'ny diako ny teninao sy fanazavana ny lalan-kizorako.

106Hamafisiko ny velirano izay nataoko, dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.

107Mijaly tsy eran'ny aina aho, TOMPO o: mba velomy indray araka ny fampanantenanao.

108Mba raiso ny tonom-bavaka atolotro Anao : TOMPO o, ampianaro ahy ny fitsipikao.

109Hatenda lalandava izao ny aiko, nefa tsy hadinoko ny lalananao.

110Ny olon-dratsy mitady hamandrika ahy, fa izaho tsy mihataka amin'ny fepetranao.

111Ny baikonao no fananako mandrakizay: ireo no fifalifalian'ny foko.

112Aronako hanao ny lalananao ny foko, hatramin'ny antsipiriany ary mandrakizay.

"Ny Teny."

"Mandray an-tanana."
07/07/2022

"Mandray an-tanana."

MOFONAINA DIEM

Zoma 08 Jolay 2022

Asa 5, 12-16

12Famantarana sy zava-mahagaga maro no vitan'ny apostoly teo amin'ny vahoaka. Niray fo ny mpino rehetra nivory teo amin'ny lala-mitafon'i Salomona,

13ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana taminy, kanefa nataon'ny vahoaka tsara laza izy ireo.

14Ary vao mainka marobe ny lehilahy amam-behivavy mpino ny Tompo ka nanatevin-daharana an-dry zareo.

15Nentin'ny olona teny amin'ny arabe aza ny marary ka napetrany teo ambony fandriana na tsihy mba hisy hiantefan'ny tandindon'i Petera ahay, raha sendra nandalo izy.

16Nisy vahoaka marobe koa, avy amin'ny tanana manodidina an'i Jerosalema, nirohotra nitondra ny marary sy izay ampahorin'ny fanahy maloto, ary dia sitrana avokoa ireo.

"Mandray an-tanana."

MOFONAINA DIEMZoma 08 Jolay 2022 Asa  5, 12-1612Famantarana sy zava-mahagaga maro no vitan'ny apostoly teo amin'ny vahoa...
07/07/2022

MOFONAINA DIEM

Zoma 08 Jolay 2022

Asa 5, 12-16

12Famantarana sy zava-mahagaga maro no vitan'ny apostoly teo amin'ny vahoaka. Niray fo ny mpino rehetra nivory teo amin'ny lala-mitafon'i Salomona,

13ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana taminy, kanefa nataon'ny vahoaka tsara laza izy ireo.

14Ary vao mainka marobe ny lehilahy amam-behivavy mpino ny Tompo ka nanatevin-daharana an-dry zareo.

15Nentin'ny olona teny amin'ny arabe aza ny marary ka napetrany teo ambony fandriana na tsihy mba hisy hiantefan'ny tandindon'i Petera ahay, raha sendra nandalo izy.

16Nisy vahoaka marobe koa, avy amin'ny tanana manodidina an'i Jerosalema, nirohotra nitondra ny marary sy izay ampahorin'ny fanahy maloto, ary dia sitrana avokoa ireo.

"Mandray an-tanana."

Finoana.
06/07/2022

Finoana.

MOFONAINA
Alakamysy 7 Jolay 2022

Rômanina 5, 1-5

1Noho ny finoana ary dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

2Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;

4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana;

5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

Finoana

MOFONAINA Alakamysy 7 Jolay 2022Rômanina 5, 1-51Noho ny finoana ary dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika s...
06/07/2022

MOFONAINA
Alakamysy 7 Jolay 2022

Rômanina 5, 1-5

1Noho ny finoana ary dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

2Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;

4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana;

5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

Finoana

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlarobia 15 Aprily 2022Jôhany 19, 28-3728Taorian'izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa vita...
14/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alarobia 15 Aprily 2022

Jôhany 19, 28-37

28Taorian'izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.

29Ary nisy bakoly feno vinaingitra teo; ka spaonjy novontosana vinaingitra sy notohizana tamina zaran-defona no natohoky ny miaramila teo am-bavan'i Jesoa.

30Rehefa nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: Vita ny zavatra rehetra! Dia nanondri-doha Izy ka nanolotra ny fanahiny.

31Ary satria fiomanana tamin'izay, dia nangatahin'ny manampahefana jiosy tamin'i Pilato ny hanapahana ny ranjon'ireo voahombo sy hanesorana ny fatiny mba tsy hisy tavela eo amin'ny hazofijaliana ny andro sabata, satria andro lehibe izany sabata izany.

32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray hafa izay nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa.

33Nony nankeo amin'i Jesoa ny miaramila, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony;

34fa nisy miaramila anankiray nandefona ny fon'i Jesoa, ary niaraka tamin'izay dia nisy ra sy rano nivoaka.

35Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa.

36Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany.

37Ary hoy indray koa ny Soratra Masina hoe: Hijery ilay nolefonina izy ireo.

"Tia."

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlarobia 13 Aprily 2022Jôhany 12, 12-1912Ny ampitson'iny, dia ren'ny vahoaka maro izay ...
12/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alarobia 13 Aprily 2022

Jôhany 12, 12-19

12Ny ampitson'iny, dia ren'ny vahoaka maro izay tonga hankalaza ny P***a fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa.

13Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe: Dera anie ho an'Andriamanitra! Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan'i Israely!

14I Jesoa kosa nahita zana-boriky anankiray, ka nitaingina azy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe:

15Aza matahotra, ry mponina ao Tsiona! Indro fa tonga ny Mpanjakanareo mitaingina zana-boriky!

16Izany zavatra izany dia tsy azon'ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa nomen'Andriamanitra voninahitra i Jesoa, vao tsaroan'ny mpianany fa voalazan'ny Soratra Masina ny amin'i Jesoa izany sady nataon'ny olona taminy.

17Vavolombelona manambara an'i Jesoa ny vahoaka izay niaraka taminy fony Izy niantso an'i Lazara hiala tao am-pasana sy nanangana azy ho velona avy any amin'ny maty.

18Izany koa no nitsenan'ny vahoaka azy: efa ren'izy ireo manko ny nanaovan'i Jesoa izany famantarana izany.

19Tamin'izay ny Farisianina dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.

"Maharesy."

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOTalata 12 Aprily 20221 Tesalônisianina 4,13-1813Ry havana, tianay ho fantatrareo ny mar...
11/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Talata 12 Aprily 2022

1 Tesalônisianina 4,13-18

13Ry havana, tianay ho fantatrareo ny marina momba ireo efa nodimandry mba tsy halahelovanareo toy ny olona sasany tsy manana fanantenana.

14Inoantsika fa maty i Jesoa ary efa nitsangana ho velona indray; inoantsika toy izany koa fa hoentin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa ireo olona nodimandry tafaray amin'i Jesoa.

15Koa dia izao no lazainay aminareo araka ny voalazan'ny Tompo taminay: isika velona aina, sisa tavela amin'ny andro hiavian'ny Tompo, dia tsy hialoha an'ireo efa nodimandry tsy akory.

16Hisy baiko hatao antso avo omban'ny feon'arkanjely sy ny feon-trompetran'Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin'i Kristy no hitsangana ho velona voalohany;

17avy eo, dia hakarina hiaraka amin'ireo ho eny amin'ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka; ary dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakizay isika.

18Koa izany teny izany ary no aoka hifampiononanareo.

"Mpandresy."

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlatsinainy 11 Aprily 2022Mar 5, 35-4335Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga...
11/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alatsinainy 11 Aprily 2022

Mar 5, 35-43

35Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy tany an-tranon'ity lehiben'ny sinagoga ka nanao tamin'i Jairo hoe: Efa maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

36Fa tsy nahoan'i Jesoa izany teny izany, ka hoy Izy tamin'ilay lehiben'ny sinagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!

37Dia tsy nisy olona navelan'i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Johany rahalahin'i Jakoba.

38Nankao an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga izy efa-mianaka, ary hitan'i Jesoa ireto olona misomaritaka sy mitomany ary mikiakiaka.

39Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin'ireo olona tao nanao hoe: Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory!

40Dia nihomehezan'ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin'ny toerana nisy ny zaza.

41Dia noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza ka hoy Izy taminy: Talita komy! (Izany hoe: Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!)

42Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy, ka nandehandeha, fa efa feno 12 taona. Ary dia talanjona aoka izany ny olona teo;

43fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.

"Mamelona."

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlahady10 Aprily 2022.Rômanina 8, 31-3931Koa inona ary no mbola holazaintsika eo anoloa...
09/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alahady10 Aprily 2022.

Rômanina 8, 31-39

31Koa inona ary no mbola holazaintsika eo anoloan'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

32Izy Ilay tsy nandala ny tena Zanany, ka nanolotra Azy ho famonjena antsika rehetra, moa ve Izy tsy hanome antsika maimaimpoana ny zavatra rehetra miaraka amin'ny Zanany koa?

33Iza no hiampanga ireo olom-boafidin'Andriamanitra? Tsy misy, satria Andriamanitra no efa nanaiky azy ireo ho marina!

34Iza no afa-manameloka? Tsy misy, satria i Kristy Jesoa efa maty sady efa nitsangana velona rahateo koa, ary mitoetra eo ankavanan'Andriamanitra ka mivavaka ho antsika!

35Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana ve, sa fihafiana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fahantrana, sa loza, sa fahafatesana?

36Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Noho ny aminao no anatrehanay fahafatesana tontolo andro; toy ny ondry hovonoina ny fihevitry ny olona anay!

37Amin'izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin'ny alalan'Ilay efa tia antsika.

38Satria matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy,

39na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

"Fitiavana."

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOSabotsy 09 Aprily 2022.Lio 7, 11-1711Taorian'izany i Jesoa dia nankany amin'ny tanana a...
08/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Sabotsy 09 Aprily 2022.

Lio 7, 11-17

11Taorian'izany i Jesoa dia nankany amin'ny tanana atao hoe Naina ary notronin'ireo mpianany sy vahoaka maro.

12Rehefa tonga teo akaikin'ny vavahadin'ny tanana Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanana no niaraka taminy.

13Vao nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aoka izay ny ranomasonao, ramatoa!

14Dia nanatona Izy ary nanendry ny tranovorona, ka nijanona ny mpilanja. Ary hoy i Jesoa hoe: Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mifohaza!

15Dia indro ny maty fa niarina sy nanomboka niteny ary natolotr'i Jesoa an-dreniny.

16Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa najoron'Andriamanitra eto anivontsika! Ary koa hoe: Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!

17Dia niely eran'i Jodea manontolo mbamin'ny faritany manodidina rehetra ny lazan'i Jesoa.

"Mamelona."

ANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOZoma 08 Aprily 2022.Apôkalipsỳ 1, 17-2017Vao nahita ny Zanak'olona aho, dia lavo niankoh...
07/04/2022

ANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Zoma 08 Aprily 2022.

Apôkalipsỳ 1, 17-20

17Vao nahita ny Zanak'olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,

18dia ilay Velona; efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manam-pahefana amin'ny fahafatesana sy amin'ny Toeran'ny maty.

19Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay ankehitriny, na izay mbola ho avy any aoriana.

20Izao no hevi-miafina fonosin'ny kintana fito hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeranjiro volamena fito: ny kintana fito dia ny anjelin'ny Fiangonana fito; ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.

"Mpandresy."

ANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlakamisy 07 Aprily 2022.Levitîka 18, 1-51Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO2mba hamepet...
06/04/2022

ANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alakamisy 07 Aprily 2022.

Levitîka 18, 1-5

1Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO

2mba hamepetra ny Israelita hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo!

3Aza manao araka ny fanaon'i Ejipta izay tany nonenanareo; aza manao araka ny fanaon'i Kanahana izay tany efa hampidirako anareo; ary aza manaraka ny lalanan'ireny firenena ireny ianareo.

4Ny fitsipiko no tanteraho, ary ny lalanako no imasoy harahina. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

5Tandremo ny lalana amam-pitsipiko; fa izay manatanteraka izany, dia ho velona amin'izany. Izaho no TOMPO.

"Fitsipika."

ANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlarobia 06 Aprily 2022Mat 20, 17-1917Tamin'i Jesoa niakatra ho any Jerosalema dia nalai...
05/04/2022

ANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alarobia 06 Aprily 2022

Mat 20, 17-19

17Tamin'i Jesoa niakatra ho any Jerosalema dia nalainy nitokana ny mpianatra 12 lahy ka teny am-pandehanana no nilazany hoe:

18Indro miakatra ho any Jerosalema isika. Ary ny Zanak'olona dia hatolotra an'ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalana ka hohelohiny ho faty;

19ry zareo kosa hanolotra Azy amin'ny hafa firenena mba hoesoiny sy hokapohiny ary hohomboany amin'ny hazofijaliana. Kanefa hitsangana velona Izy amin'ny andro fahatelo.

"Mandrakizay."

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOTalata 05 Aprily 2022Efe 2, 1-71Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanar...
04/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Talata 05 Aprily 2022

Efe 2, 1-7

1Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.

2Niaina araka ny fomban'izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin'ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin'ireo olona tsy manaiky an'Andriamanitra.

3Izahay rehetra koa dia anisan'ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filandratsin'ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin'ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra tahaka ny hafa koa izahay.

4Kanefa lehibe tokoa ny famindrampon'Andriamanitra, satria fatratra ny fitiavana asehony amintsika;

5ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin'i Kristy. Fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo!

6Fa noho isika efa tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia niara-natsangan'Andriamanitra ho velona isika sy niara-napetrany any an-danitra.

7Nataony izany mba hanehoany amin'ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin'i Kristy Jesoa.

Fahasoavana.

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlatsinainy 04 Aprily 20222 Kôrintianina 4, 7-187Izahay mitondra izany raki-tsoa izany ...
03/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alatsinainy 04 Aprily 2022

2 Kôrintianina 4, 7-18

7Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an'Andriamanitra fa tsy anay.

8Ifandaharam-pahoriana izahay, nefa tsy voapotsitra; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;

9enjehin'olona, nefa tsy ilaozan'Andriamanitra; azera, nefa tsy maty.

10Entinay mandrakariva ao amin'ny tenanay koa fa velona i Jesoa;

11satria, eo amin'ny fiainanay, dia ny fahafatesana no mananontanona anay lalandava noho ny amin'i Jesoa mba haseho ao amin'ny tenanay mety maty koa fa velona i Jesoa,

12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo.

13Hoy ny Soratra Masina: Nino aho, ka izany no nitenenako. Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay.

14Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny.

15Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran'ny fahasoavana mba hitomboan'ny vavaka fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra.

16Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan'andro kosa ny maha olona ao anaty:

17satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay,

18raha tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita. Ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

"Mandrakizay."

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAlahady 03 Aprily 2022Jônà 2, 1-111Nandefa trondro lehibe hitelina an'i Jona ny TOMPO. ...
02/04/2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Alahady 03 Aprily 2022

Jônà 2, 1-11

1Nandefa trondro lehibe hitelina an'i Jona ny TOMPO. Koa nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon'ilay trondro i Jona.

2Tao izy no nanandratra izao vavaka izao tamin'ny TOMPO Andriamaniny

3ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO o, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin'ny toeran'ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao.

4Natsipinao tao amin'ny lalina aho, dia tao an-kibon'ny ranomasina. Nanafotra ahy ny riaka; natosakao tamiko avokoa ny alon-dranonao aman'onjanao.

5Dia hoy aho anakampo hoe: Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao, Tompo o, kanefa mbola manatrika ny tempolinao masina ihany.

6Efa mby hatendako ny rano; nanafotra ahy ny ranomasina, ary ny ahidrano nisaringotra amin'ny lohako.

7Tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra no nahatafalatsaka ahy, ka nihidy tamiko mandrakizay ny vavahadin'ny sehatry ny maty. Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro o, nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.

8Raha iny efa ho faty iny aho, dia nahatsiaro Anao, TOMPO o, ary ny vavaka nataoko taminao dia tonga tao an-tempolinao masina.

9Fa izay mivavaka amin'ny andriamani-tsiizy dia aoka hiala amin'ireny sampy ifikirany ireny.

10Fa izaho kosa amin-kira fiderana no hanolorako sorona aminao, ary hanefako ny voady izay nataoko. Anao, TOMPO o, ny famonjena!

11Ary notenenin'ny TOMPO ilay trondro mba hamoaka an'i Jona, dia naloany ho eny amin'ny tany maina izy.

"Mandresy."

APRILY 2022MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOSabotsy 02 Aprily 2022Joba 19, 25-29  25Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy...
01/04/2022

APRILY 2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Sabotsy 02 Aprily 2022

Joba 19, 25-29

25Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy; ka hitsangana farany eo amin'ny tany Izy.

26Rehefa mihintsana izao hoditro izao ka ho afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra.

27Eny, izaho mihitsy no hijery Azy, ka ny masoko no hahita fa tsy ny hafa. Efa sasa-miandry izany ny foko ato anaty.

28Hoy ianareo hoe: "Ahoana no fanenjika azy, hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?"

29Koa matahora ny sabatra ianareo, fa ho valian-tsabatra ny di-dohanareo; ary ho fantatrareo fa misy fitsarana.

"Mpanavotra."

APRILY 2022MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPOAsa 2, 22-3122Ry vahoaka israelita, henoy izao teniko izao: I Jesoa avy any ...
31/03/2022

APRILY 2022

MANDRESY NY FAHAFATESANA NY TOMPO

Asa 2, 22-31

22Ry vahoaka israelita, henoy izao teniko izao: I Jesoa avy any Nazareta dia Lehilahy nankatoavin'Andriamanitra teo imasonareo, satria tamin'ny alalany no nanaovan'Andriamanitra asa mahagaga sy zava-mahatalanjona ary famantarana teo anivonareo, araka izay efa fantatrareo.

23Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin'ny fikasan'Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana tamin'ny alalan'ny ratsy fanahy;

24nefa natsangan'Andriamanitra ho velona sy nafahany tamin'ny fatoran'ny fahafatesana, fa sanatria raha hahatana Azy ny fahafatesana!

25Hoy manko i Davida ny aminy: 'Nahita ny Tompo mandrakariva teo anatrehako aho; noho Izy eo ankavanako dia tsy hangozohozo aho.

26Izany no nahaheni-kafaliana ny foko ary nahaheni-karavoana ny teniko. Eny, na ity nofoko ity aza dia hitoetra amim-panantenana,

27satria tsy hafoinao ho any amin'ny toeran'ny maty aho ary tsy havelanao ho tratry ny fahalovana Ilay voatokana ho Anao.

28Natoronao ahy ny lalana mitondra any amin'ny fiainana, hofenoinao hafaliana aho satria manatrika ahy Ianao.'

29Ry havako, azoko lazaina mazava tsara ny amin'i Davida razambetsika: efa maty izy ary nalevina sady mbola eto amintsika mandraka androany ny fasany.

30Mpaminany izy ary nahalala fa Andriamanitra dia nianiana taminy nampanantena fa hisy anankiray amin'ny taranany hitsangana ho mpanjaka handimby azy.

31Efa tsinjon'i Davida mialoha izay hitranga ka ilay Mesia hitsangana ho velona no voalazany amin'ny hoe: 'Tsy nafoy ho any amin'ny toeran'ny maty Izy ary ny nofony tsy tratry ny fahalovana!'

"Mandresy."

Address

Analamahitsy
Antananarivo

Telephone

+261346666777

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mofonaina DIEM. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mofonaina DIEM.:

Share

Category

Other Magazines in Antananarivo

Show All