Mahasoa Magazine

Mahasoa Magazine Ny soa fianatra

Efa namaky ve ianao? Eh,  sao mba anisan'ireo olona te hahomby ianao?  Eh,  sao mba anisan'ireo olona tena liana amin'ny...
22/04/2024

Efa namaky ve ianao?

Eh, sao mba anisan'ireo olona te hahomby ianao?
Eh, sao mba anisan'ireo olona tena liana amin'ny fandraharahana ianao?

Raha hanontaniana ianao hoe iza ny mpandraharaha nahomby mba fantatrao ny tantarany? Satria ny tantaran'izy ireny dia misy tsiambaratelo sy lesona tsara azo ampiharina eo amin'ny Fandraharahana

Androany ary, raha mbola tsy namaky ianao dia vakio ny Mahasoa Magazine mirakitra ny tantaran'i Mr Ratsimba sy ny tsiambaratelony, miaraka amin'ireo torohevitra maro be raha te hahomby aingana amin'ny fandraharahana ianao.

Ny mpandraharaha dia olona tsy mitsahatra mianatra zavatra vaovao, manaraka tantaran'olona nahomby ary indrindra mianatra ireo stratégie sy torohevitra mampahomby.

Mihazakazá ary fa ity ny arrivage farany amin'ity Magazine Mr Ratsimba Mianatra Mahomby ity.

Midira Mp haingana ary na miantso avy hatrany ny 038 99 605 11.

Mandefa any amin'ny faritra

⛔ TANDREMO HO ANAREO LEHILAHY ⛔Raha manao ireto Zavatra ireto ny vehivavy miaraka aminao Dia tsara tapahina aingana ny f...
20/04/2024

⛔ TANDREMO HO ANAREO LEHILAHY ⛔

Raha manao ireto Zavatra ireto ny vehivavy miaraka aminao Dia tsara tapahina aingana ny fifandraisana fa zava-doza ho anao.

❌ Vehivavy, manambitamby anao ary tsy mety tezitra mihitsy rehefa manam-bola ianao

❌ Vehivavy, tsy MBA miresaka Tanjona fa isaky ny miresaka dia kiraro, poketra, soirées, bar, manal'azy sns...

❌ Vehivavy, tsy MBA miantso raha tsy angata-bola na Mila fanampiana aminao.

❌ Vehivavy, manamaivana ny fisianao ary tsy mitsahatra mampitaha anao sy ny ex-ny.

❌ Vehivavy, hitanao miaraka amin'ny Lehilahy samihafa ary rehefa manotany ianao hoe iza iny Dia avy hatrany izy Dia mitomany.

❌ Vehivavy, variana loatra amin'ny Tik tok ary manao ny fomba rehetra ahazohana likes amin'ny Facebook sy Instagram na hivarotany ny tenany aza.

❌ Vehivavy, mifantoka loatra amin'ny endrika hivelany ka tsy mieritreritra ny hoavy rahampitso.

❌ Vehivavy, mahavita manozona sy manopa anao rehefa misy fifandirana kely eo aminareo.

Aza mandany fotoana miaraka amin'izay Vehivavy izay rahalahy fa pozina ho anao amin'ny ho avy io ary ho vidianao lafo rehefa kelikely.

Mahasoa Magazine

Tena sarobidy loatra ny fotoanaRaha very vola ianao androany, mbola afaka soloina iny. Raha very ny moto na fiara, mbola...
19/04/2024

Tena sarobidy loatra ny fotoana

Raha very vola ianao androany, mbola afaka soloina iny. Raha very ny moto na fiara, mbola afaka soloina iny. Raha mandao anao ny olo-tianao, mbola afaka mitady hafa ianao hanoloana azy. Fa raha very fotoana ianao androany na 30 minitra fotsiny aza, tsy afaka ho soloinao intsony iny mandrakizay.

Tena sarobidy loatra io fotoana io ka tsy tokony ho laniana amin'ny zavatra tsy hitondra soa ho anao. Hararaoty ny fotoana hanananao io mba hitondra fivoarana eo amin'ny fiainanao sy ny ankohonanao. Ny fotoana efa laninao tamin'ny zavatra tsy misy dikany tamin'ny lasa tsy ho afaka recuperenao intsony, ny fotoana mbola hanananao amin'ny ho avy tsy voafaritrao mazava satria tsy misy mahalala ny hiseo afaka adin'ny iray ary tsy misy manana antoka ho amin'izay hiseo androany. Misy olona miresaka aminao maraina fa ny hariva ianao mahita ny "faire-part-ny", misy olona mifampiantso aminao fa afaka adin'ny iray ianao mahita story hoe RIP, izany rehetra izany manaporofo fa tsy misy mahalala ny afaka adin'ny iray isika rehetra ka araraoty ny fotoana mbola hanananao izao ankehitriny izao.

Tsy misy afaka mampitombo na manena ny fotoana ka tanterao ny nofinao sy ny projet anao androany fa aza mangataka andro lava, aza variana mitaingi-tamboho, aza laniana amin'ny zavatra tsy mahasoa ny fotoananao fa ny androany 19 Avril 2024 tsy hiverina intsony mandrakizay. Ka inona ary ny zavatra ataonao mba hanamarika ity andro anio ity. Tsara sa ratsy ???

Mahasoa Magazine

STOP!!!...aoka izay ny mandany fotoana sy manary vola rehefa hanangana orinasa.Betsaka ny olona manangana orinasa nefa v...
18/04/2024

STOP!!!...aoka izay ny mandany fotoana sy manary vola rehefa hanangana orinasa.

Betsaka ny olona manangana orinasa nefa vao maika nikoroso fahana ny fiainany, misy olona manangana orinasa nefa tsy misy fivoharana ao anatin'ny 5 taona fa ny omaly ihany ny androany, misy nanangana orinasa fa lasa bokan'ny trosa avy eo.

Satria inona ny antony? Heverinao fa rehefa manam-bola dia mahatsangana orinasa. Raha Mbola ireto Zavatra ireto ny mahamaika anao voalohany rehefa hanangana orinasa Dia ho very vola sy ho lany fotoana eo fotsiny ianao: ohatrinona ny fond ahafahana manangana io orinasa io? Firy ny mpiasa ilaiko? aiza ny mahita trano atao Birao? Ohatrinona ny tombony ho azoko.

Ilainao ireo fa tsy ireo ny étape voalohany tokony ataonao rehefa hanangana orinasa ianao. Farito mazava ny mission an'ny orinasa hatsanganao, tena mamaha ny olan'ny mpanjifa ve ny fisian'ny orinasa anao? Mitondra inona ho an'ny olona io orinasa io? Rehefa voavaly io fanotaniana io Dia afaka miroso amin'ny fananganana orinasa amin'izay ianao. Tsy Mila vola ny mamaly io fanotaniana io.

Tsy mijanona eo anefa, Mila paikady, Mila toe-tsaina, Mila fikirizana, Mila mianatra ianao. Ary ny tena lehibe indrindra nefa matetika hamaivanin'ny olona dia mila mifandray sy mifanerasera amin'ny olona efa nahatsangana orinasa ianao. Izy ireny efa nandalo échec Dia afaka manoro anao, afaka mizara ny la clé nahafahany nanangana ny orinasany. Afaka milaza sy manaporofo aminao fa tsy vola ny ilaina voalohany rehefa hanangana orinasa.

Izay indrindra ny antom-pisian'ity Mahasoa Magazine ity. Ho hitanao ato fa afaka manangana orinasa ianao na tsy misy fond aza, omena anao ato ny fanalahidy ahafahana manana orinasa maro MBA tsy ho very fotoana sy vola intsony ianao manomboka izao.

Mandefasa ary MP
na miantso ny 038 99 605 11 raha tsy hitanao hoe inona ny atao voalohany raha te hanangana orinasa fa ho zaraina ho anao ato ny fanalahidy rehetra

Prix : 28 000Ar
Manao livraison partouts à Madagascar izahay.

Tantara feno hanatra...Teo amin'ny tanàna kely iray, nisy lehilahy mpanakarena be ary nisy mpivarotra m**o sy mpivaro-ke...
18/04/2024

Tantara feno hanatra...

Teo amin'ny tanàna kely iray, nisy lehilahy mpanakarena be ary nisy mpivarotra m**o sy mpivaro-kena.

Isan'andro, manomboka alatsinainy hatramin'ny alahady dia mizara m**o sy hena ho an'ireo mpiray tanàna ilay mpiravo-kena sy mpivarotra m**o. Mialohan'ny hisokafan'ny tsenan'ny zareo dia tsy hadinony mihitsy ny mizara ho an'ireo mpiara-belona eo an-tanàna.

Ilay mpanakarem-be kosa tsy mba manao n'ininona fa mijery fotsiny. Indray andro narary ilay olona mpanankarena ka tsy nisy olona mba tonga namangy azy na iray aza na dia nahafantatra aza fa marary izy. Nihombo hatrany ny aretin'ilay mpanankarena ka nihafara tamin'ny fahafatesany.

Nandritra ny fotoana nandevenana ilay mpanakarena dia tsy nisy olona teo an-tanàna mba tonga nanotrona fa hoe tsy mba nanampy azy ireo ity rangahy ity tamin'ny fahavelony. Ny fianakavian'ilay mpanankarena ihany no nanao ny fikarakarana rehetra.

2 andro taorian'ny fandevenana anefa gaga ny mpiray tanàna fa tsy nizara hena sy m**o intsony ilay mpivaro-kena sy ilay mpivarotra m**o. Rehefa nandeha ny erinandro satria efa zatra nandray foana ny mpiray tanàna dia tsy naharitra intsony ka nanotany hoe fa maninona ianareo tsy manomé m**o sy hena ho anay intsony?

Namaly ireo mpivarotra hoe: tsy afaka manomé intsony izahay satria tsy eo intsony ilay rangahy mpanankarena be iny. Izy no mividy ireny hena sy m**o zarainay isan'andro ireny fa izahay mizara fotsiny. Gaga sy talanjona ny mpiray tanàna sady nanénina mafy noho ny fitsarana hivelany.

Morale de l'histoire: Aza mitsara olona hivelany fa ny olona tia manampy tsy mba mi-werawera fa manao asa amin'ny fo ary tsy mila tambiny. Tiava ny olona rehetra, ampio ny olona rehetra fa tsy fantatrao ny mitranga rahampitso.

Mahasoa Magazine

TSY IANAO IRERY NO TE HO TAFITA- Tsy ianao irery no te ho lasa mpanankarena- Tsy ianao irery no te ho lasa alavitra  sy ...
17/04/2024

TSY IANAO IRERY NO TE HO TAFITA

- Tsy ianao irery no te ho lasa mpanankarena
- Tsy ianao irery no te ho lasa alavitra sy hahavita fianarana
- Tsy ianao irery no te ho any an-dafy
- Tsy ianao irery no te halaza
- Tsy ianao irery no te ho lasa PDG orinasa
- Tsy ianao irery no te ho lasa député
- Tsy ianao irery no te hanana asa be karama
- Tsy ianao irery no te hanao vacance
- Tsy ianao irery no te hanana fiara na moto...

Ny olona rehetra eto ambonin'ny tany dia maniry ireo rehetra ireo nefa tsy ny olona rehetra ny mahazo ireo rehetra ireo.
Inona ary ny antony? ireto misy valiny vitsivitsy.

1) Tsy tia mianatra ny olona rehetra.
Mieritreritra ny ankamaroan'ny olona fa vita any an-dakilasy ny fianarana ka tsy ilaina intsony ny manatrika formation,
mividy boky, mianatra zavatra vaovao.

2) Tsy tia manofy zavatra lehibe
Na tsy vidiam-bola aza ny manofy dia misy olona tsy mino hoe afaka mavita zavatra lehibe ary afaka ho tafita satria
mahita ny zavatra iainany androany izy ka mino fa tsy possible mbola hiova ny fiainany

3) Matahotra manao dingana
Ny tahotra dia zavatra tsy misy ary tsy hitan'ny maso fa foronon'ny saina fotsiny. ny ankamaroan'ny olona nefa mbola voafatotry
ny tahotra avokoa

4) Kamo mietsika
Maro ny olona mihevitra fa sanjila ny fiainana ka tsy hanao n'ininona izy fa miandry ny fahombiazana handodona ao ambaravarany fotsiny

5) Tsy sahy miova amin'ny mahazatra
Na fahazarana efa hita hoe tsy mitondra any amin'ny fahombiazana dia tsy sahy miala eo satria hoe io ny mahazatra.

Raha te ho amin'ny fahombiazana kosa dia mianara zavatra mihoatran'ny olona rehetra, mifohaza alohan'ny olona rehetra,
aza manofy fotsiny fa mitsangana dia tanterao ny nofinao, aza mitsaoka ady, samy mandalo fahantrana avokoa fa izay matanjaka ihany no tafavoaka. Izay ampy information ihany no mahita ny lalana hivohana amin'izao fiainana izao.

Tsy ny olona rehetra izao ny mamaky ny Mahasoa Magazine fa izay te hahazo fahalalana vaovao ampivoarana ny fiainana, ampandehanana ny business. Izay te hivoatra sy hiala amin'ny fahazarana tsy nitondra soa hatramin'izay. Olona efa mahomby eo amin'ny "domaine" misy azy no mamboraka ny secret-ny ato anatin'ity boky ity ka tsy natokana ho an'olona te hijanona ao anatin'ny fahabadoana ity Magazine vaovao ity. Ny concurent anao izao efa nividy ary nahazo information vaovao ampivoharany ny business-ny ianao mbola variana misalasala. Ny olona manao investissement fa te hiala amin'ny fahantrana fa ianao mbola misalasala dia ny fiainanao androany ihany ny fiainanao rampitso.

Afaka miditra mp na miantso ny 038 99 605 11 ireo maniry hianatra zavatra vaovao.

Prix 28 000 Ar

manao livraison izahay n'aiza n'aiza eto Madagasikara.

Rehefa ny olona iray ny manomboka manao investissement amin'ny tenany : mianatra Zavatra vaovao, mamonjy formation, mama...
16/04/2024

Rehefa ny olona iray ny manomboka manao investissement amin'ny tenany : mianatra Zavatra vaovao, mamonjy formation, mamaky Boky...Dia efa misokatra ho azy ny varavaran'ny fahombiazana.

i Mr Charles Mamitsara izao anisany nanjifa ny Mahasoa Magazine Tanora mpandraharaha Mahomby, nahazo fampianarana sy torohevitra maro be izy ary mijoro vavolombelona.

Mankasitraka indrindra tompoko ary Mirary soa ho anao ho Tonga amin'izay irianao

Torohevitra avy amin'ny Mr Ratsimba Mianatra Mahomby Ho an'ireo tanora sy manam-pikasana hisehatra amin'ny Fandraharahan...
15/04/2024

Torohevitra avy amin'ny Mr Ratsimba Mianatra Mahomby Ho an'ireo tanora sy manam-pikasana hisehatra amin'ny Fandraharahana.
1) Aza mihonona amin'ny fanampiana ara-bola homen'ny ray aman-dreny:
Tsy miandry ho tolorana fona fa ilaina ny mahavita zavatra avy amin'ny tenanao manokana

2) Miatomboka tsikelikely ny Fandraharahana:
Tsy toy ny Zavatra hianarana rehetra ny Fandraharahana. Hianatra an'izao sy izao aloha aho vao hanomboka handraharaha fa tena Mila manomboka tsikelikely.

3) Mila mampiasa izay zava-misy eo am-pelatanana: tsy voatery ho hanananao eo am-panombohana avokoa ny Zavatra rehetra. Mahaiza manararoatra izay zava-misy eo aminao.

Ho an'ny mpitantana orinasa
1) Mila mianatra Leadership : Zavatra hianarana ny fahaizana mitarika ary tena ilain'ny tontolon'ny asa Fandraharahana io

2) Mila mianatra mametraka rafitra: Mazàna ny mpitantana orinasa tsy mahatoky ireo mpiasa ao aminy.

3) Mila mianatra mampiasa olona: Tena ilaina ny fahaizana mitsinjara andraikitra, ary tsy tokony sarotiny ianao manome asa olona.

Sombiny amin'ireo torohevitra zarain'i Mr Ratsimba ato amin'ity Magazine ity miampy ny tantarany nivarotra ovy teny 67Ha.

Ahoana ny niainan'i Mr Ratsimba izany? inona ny paikady nampiasainy nahatongavany amin'izao toerany izao? inona ny fahazarana sy toe-tsaina nahatsanganany ny pejy mianatra mahomby sy orinasa maro be ankehitriny?

Raha mahaliana anao izany rehetra izany Dia tongava mividy ny Mahasoa Magazine fa manao livraison izahay partout à Madagascar

Afaka mandefa hafatra miafina na MP
na miantso ny 038 99 605 11
Prix : 28 000Ar

Ny tantaran'i Bako26 taona I Bako,  manambady ary niteraka 2, ary femme de ménage mikarama 200 000 ariary amin'ny toeran...
15/04/2024

Ny tantaran'i Bako

26 taona I Bako, manambady ary niteraka 2, ary femme de ménage mikarama 200 000 ariary amin'ny toerana fanaovana formation ny asany.

Indray andro rehefa naheno ny fampianarana mahakasika ny fandraharahana sy ny famoronana harena izy dia gaga sy talanjona. Tsy nahita tory I Bako nandritra ny erinandro fa nieritreritra hoe mbola ho possible ho tonga amin'izany fananan-karena izany ve aho nefa ny asako mpamafa trano? Tsy naharitra intsony I Bako ka nanantona tao amin'ny biraon'ilay mpampianatra ka hoy izy: henoko tompoko nandritra ny fampianarana nataonao fa mila mitahiry 10% amin'ny vola azo rehetra raha té hanan-karena. Raha ho ahy manokana tena tsy mitombona izany satria ny karamako 200 000Ar nefa aho manofa trano, mandoha écolage ny mpianatra, ny sakafo sy ny maro tsy voatanisa miaraka amin'ny adidy tsy maintsy atao amin'ny ray aman-dreny sy fiaraha-monina. Tena tsy possible hoy I Bako sady nampiany hoe ny karamako ary mbola tsy tonga eto ampelatanako dia efa lany noho ireo trosa maro be miandry ahy isam-bolana ka ahoana no mbola ahafahako manangona amin'izany raha tsy hoe ampiakarinao ny karamako?

Nitsiky kely ilay mpampianatra sady namaly azy tamin'ny fo tony hoe: raha manaiky ianao dia ampianatra anao ny fanalahidin'ny fananan-karena aho androany. Nanaiky tsy tamin'ny sitrapony i Bako na tsy nino loatra aza. Zao ny torohevitra omeko anao hoy ilay mpampianatra, mila manokatra compte any amin'ny banky ianao ary tsy maintsy mandrotsaka 15 000Ar isam-bolana amin'ny karamanao ary mila atao fahazarana io na inona zava-miseo eo amin'ny fiainanao. Tsy maintsy ahenanao na ajanonao ny fisotrohanao café sy fividiananao gouté aty ampiasana, ajanonao manomboka izao ny fividiananao CD film gasy isan-kerinandro sy ny slim jeans ary kiraro vaovao entinao mijery fety rehefa paka na krisimasy fa angony ny volanao. Mila mitsitsy farany izay azo atao ianao fa hialao ny fanaon'ny olona sasany mirobaroba rehefa misy vola eo am-pelatanana. Izay fotsiny no angatahiko aminao hoy ilay mpampianatra dia hifankahita isika afaka eritaona.

Rehefa nande ny henim-bolana dia gaga I Bako fa niova tokoa ny fiainany satria lasa nanana tahiry sy vola mipetraka izy... Ary ny tena nahafaly dia lasa fahazarany ny manangom-bola ka na mbola tsy niala tamin'ny asany aza I Bako dia afaka nanao varotra la soupe sy compose teo an-tanana nanampiany ny fidiram-bolany. 5 taona taty aoriana nitombo ny tsenan'i Bako ka nataony veloma ny fahatrana noho ny fanapaha-kevitra sy ny fikirizana nananany.

Ary ianao? Oviana ianao no handray décision hanova ny fiainanao toa an' I Bako ?

Aza avela andalo fotsiny ny fizarana sy torohevitra atao eto fa ampiaro mba ahita fiovana ianao.

Mahasoa Magazine

Ny Zavatra tsy vidim-bola nefa tena ilaina eo amin'ny fiainana.- Tsy mivaky loha amin'ny mpanenjika sy mpanaratsy fa reo...
14/04/2024

Ny Zavatra tsy vidim-bola nefa tena ilaina eo amin'ny fiainana.

- Tsy mivaky loha amin'ny mpanenjika sy mpanaratsy fa reo hiteny fona na mety ny ataonao na tsy mety.

- Rehefa tsy Tia anao izy tsy afaka ho forcenao fa ataovy izay mahatsara ny fiainanao

- Tsy miasa loha amin'ity problème tsy mety ho tapitra ity

- Manaiky mibaboka rehefa manao fahadisoana

- Mankasitraka rehefa tsy araka ny niheverana azy ny Zavatra miseo eo amin'ny fiainana

- mahasahy manao "TSIA" rehefa hita fa tsy mety.

- Mitia tsy misy fihatsarambelatsia

- Manaiky hahitsy rehefa tsy mahay

- Manaja tena ary manaja ny safidin'ny hafa

- Tsy Tia mimenomenona

- Mahay mankafia fiainana.

Tsy vidim-bola ireo toetra ireo nefa miteraka fifaliana anaty, fahatokisan-tena, Fitiavana, Filaminana, fifanajana ary indrindra filaminan-tsaina.

Mahasoa Magazine

Te hanana fifandraisana amin'ny olona manam-bola ve ianao? Arao hatramin'ny farany ity ranty ity fa natao ho anao.Fantat...
13/04/2024

Te hanana fifandraisana amin'ny olona manam-bola ve ianao? Arao hatramin'ny farany ity ranty ity fa natao ho anao.

Fantatrao ve inona ny Zavatra tena tsy tian'ny olona mpanankerana? Omena vitsivitsy ianao androany
1) Ny mangata-bola lava isaky ny mifankahita
2) Isaky ny mifankahita Dia manao resaka tsisy dikany mandany ny fotoanany
3) Manontany ny loharanom-bolany( misy mpanakarena tena tsy Tia mizara an'io raha Mbola tsy namany akaiky anao) hatreo aloha...

Tsy haharitra ny fifandraisana raha ireo fona ny ataonao rehefa mahita olona manam-bola. Fa ity ny "secret" raha te hanana fifandraisana maharitra aminy ianao.

Ampio izy amin'ny Zavatra manahirana azy fa izay ny tena tian'ny olona mpanankerana amin'ny ankapobeny.Ohatra: Maloto ny fiarany, teneno izy hoe aleo ampiako ianao hanasa ny fiaranao fa Maloto. Ianao sahirana matetika fa aleo karakaraiko ny zaridaina anao, na afaka ateriko mianatra ny zanakao rehefa tsy afaka ianao.

Izany hoe mitondrà vahaolana ho azy, ampio izy amin'ny asa manahirana azy fa ho hitanao fa lasa ho namany akaiky ianao ary afaka hizarany ny tsiambaratelony.

Na hanao livraison azy ianao ka tsy handraisana karama Dia ataovy fa vetivety Dia hahery ny fifandraisanareo.

Mahasoa Magazine

Inona ny mahatonga anao mbola tsy mety afaka ao anaty fahasahiranana efa aman-taona maro? tsy mety afaka trosa mihitsy m...
13/04/2024

Inona ny mahatonga anao mbola tsy mety afaka ao anaty fahasahiranana efa aman-taona maro? tsy mety afaka trosa mihitsy mandava-taona?

Jereo ireto teboka ireto fa mety amin'ireto ny tena fototry ny olanao. Rehefa fantantrao ny problème dia mora kokoa ny mitady solution aminy.

1) Ny manodidina anao:
Ireo olona manodidina anao ireo ve? mety ny vadinao, ny ray aman-dreninao, ny zoky na zandrinao sa ny fianakavianao rehetra mihitsy vao manam-bola ianao tonga dia mangataka, mindrana. Misy mamorona mihitsy hoe marary sns..Noho ny fahatsoranao dia manome ianao satria hoe fianakaviana.

2) Ny fitondra-tenanao:
Ianao ve ilay tsy mahazaka mihitsy fa raha vao mahazo vola dia mandeha mirevy, mandeha manangona friperie eran-tanana? vao mandray vola dia mandeha Gastro Pizza, Extra Pizza, Tendem. Manao dépense Unitils. Sao mba izay ny antony mahatonga anao tsy afaka anaty fahasahiranana io.

3) Tsy mahay mitantam-bola:
Ianao ilay tsy mahalala ny priorité rehefa misy vola tonga eo am-pelatanana fa avy hatrany ny mividy izay zavatra rehetra hita na mbola tsy tokony ho vidiana aza. Rehefa lany ny vola vao tonga saina avy eo.

4) Tsy mahay manodina na mampitombo vola
Misy olona manana vola mipetraka fa tsy fatany hoe inona ny atao. Hany ka lanilany amin'ny zavatra tsisy dikany ilay vola avy eo. Mbola tsy manana intelligence financière ka tsy mivoatra mihitsy ilay fiainana na manam-bola aza.

5) Ny "croyance" anao momba ny vola:
Mety gaga ianao hoe inona ny hidiran'ny croyance amin'ny fahasahiranana ara-bola. Tena misy tompoko. Rehefa misy vola eo am-pelatanana dia tonga ny aretina, tonga ny problème maro isa-karazany hany ka lasa tsy mahatana vola mihitsy ianao fa izay tonga lany amin'ny fitsaboana.

Mahasoa Magazine

Mataotra ve ianao handray "RISQUE" ?Mataotra maka risque ianao satria tsy ampy information. Marina sa diso? Tsy sahy miv...
12/04/2024

Mataotra ve ianao handray "RISQUE" ?

Mataotra maka risque ianao satria tsy ampy information. Marina sa diso? Tsy sahy mivarotra b***e friperié ianao fa tsy fantantrao hoe aiza ny tena lavaka fangalana entana, tsy hainao hoe handeha ve ilay izy sa tsia. tsy ampy information ianao.

Tsy sahy miditra amin'ny sehatry ny fandraharahana ianao satria tsy ampy information. Mataotra ianao sao tsy mety ny zavatra ho ataonao, mataohatra ianao sao very vola, mataotra hiomezan'ny olona fa hoe lasa nirodana be ny fiainanao. Tadidio fa tsy ampy information ianao izay.

Misalasala ianao amboraka ny fitiavanao amin'ny olona, tsy sahy mandray risque ianao satria tsy ampy information mahakasika iny olona iny. Sao laviny ny fitiavanao, sao hahazo valinteny ianao hoe hanadahiko ny fandraisako anao dia mataotra ianao

Rehefa tsy ampy information ianao dia tsy sahy mandray risque. Noho izany dia mialohan'ny hiseharana amin'ny zavatra iray dia ataovy ampy tsara ny information fa moramora kokoa aminao ny mandray risque rehefa fantatrao ny zavatra miandry anao aoriana ao.

Mahasoa Magazine.

✅MOTIVATION HO ANAO✅Tsy voatery hitady olona ianao i-motivé anao isan'andro. Ataovy ampy ho motivation anao io fiainanao...
11/04/2024

✅MOTIVATION HO ANAO✅

Tsy voatery hitady olona ianao i-motivé anao isan'andro. Ataovy ampy ho motivation anao io fiainanao izao io.

- Ianao ilay hirakiraky fotsiny ny tena ilaina anao rehefa misy fivorim-pianakaviana iny, tsy mba misy mpanotany ny hevitrao, hijanona toy izany foana ve ianao fa tsy mba hiezaka?

- Ianao mbola tsy mahita asa izao ka ataon'ny olona tsy misy dikany , ataovy ampy ho motivation ho anao fa tsy ho toy izao foana ny fiainanao rampitso.

- Io zanakao io. Mba manana an'iza hianteherana mo izy? ataovy motivation ho anao fa noho izy ny antony hialanao maraina sy hodianao hariva

- Ireo ray aman-dreninao, nanao ny fomba rehetra mba hahatafita anao na dia sahirana sy mahantra aza. Tsy mba efa motivation anao ve mba hamaly babena azy ireo?

- Io ankohonanao io, raha tsy hiezaka ianao fa hiraviravy tanana fotsiny. Iza no andrasanao hamelona azy ireo? tsy efa motivation ho anao ve izany?

- Ireo zoky sy zandrinao sahirana ireo. Ianao no hianteheran'izy ireo fatratra ka raha tsy hanao ianao dia iza no hanavotra azy ireo?

- Io olo-tianao miandrandra fiainana kanto miaraka aminao io. tsy efa ampy ho motivation ho anao ve ny mba hanao izao hahasambatra azy?

Noho izany, aza miandry motivation avy any amin'ny olona fa raha ireo manodidina anao ireo ny ataonao ao am-po dia efa motivation ngeza be ho anao. Raha tsy hiezaka ianao dia iza no antenain'ireo olona ireo hanavotra azy?

MARINA SA DISO? anjaranao ny mamaly ao amin'ny commentaires
09/04/2024

MARINA SA DISO?
anjaranao ny mamaly ao amin'ny commentaires

Raha mbola miasa amin'olona ianao na miasa amin'ny orinasa dia tsarovy ireto:Betsaka ny olona miazakazaka mitady asa fa ...
09/04/2024

Raha mbola miasa amin'olona ianao na miasa amin'ny orinasa dia
tsarovy ireto:

Betsaka ny olona miazakazaka mitady asa fa hoe tsy manana asa na tsy manana fidiram-bola. Ireto anefa ny zavatra tsy hanananao fahefana rehefa miasa amin'ny orinasa ianao.

- Tsy izay mahafaly anao ny ataonao fa izay mahafaly ny mpampiasa anao
- Na marary aza ianao ka mangataka hody rehefa tsy manaiky ny mpampiasa anao dia tsy afaka mody ianao mitsabo tena.
- Tsy ianao ny mamaritra ny karamanao izay tianao fa ny mpampiasa anao.
- Tsy afaka mamaritra ny ora fidirana sy ora firavana ianao
- Rehefa miteny ny Patron hoe miasa na andro fety aza dia tsy manan-tsafidy ianao.
- Na manana projet tsara aza ianao ka tsy mifanaraka amin'ny Patron anao dia tsy afaka tanterahinao ilay izy.

Ary ny tena lehibe indrindra dia ny mpampiasa anao no mitombo harena amin'ny ezaka be ataonao isan'andro.

Mahasoa Magazine

FANTARO REHEFA MATORY Fantatrao ve fa rehefa matory ianao dia mametraka ny tananao amin'ny faritry ny vatana izay mila f...
08/04/2024

FANTARO REHEFA MATORY

Fantatrao ve fa rehefa matory ianao dia mametraka ny tananao amin'ny faritry ny vatana izay mila fanasitranana?

1. Ambony lohanao: mitady fifandraisana lehibe sy bebe kokoa ara-panahy ianao.
2. Eo amin'ny tratra: fahatsapana fa mbola mila fanasitranana ianao (tsy en forme)
3. Eo amin'ny faritry ny vavony: fahatezerana sy fihetseham-po tezitra.
4. Eo anelanelan'ny tongotra: tahotra, fahatsapana fahabangana.
5. Eo amin'ny taova ara-pananahana na eo akaikiny: olana ara-nofo sy tsy fahampiana fifampiresahana.
6. Ao ambanin'ny ondanao: fihetseham-po miafina tsy fantatra mazava na misy tanjontsika manjavozavo
7. Mamihina ny tena: tsy ampy fitiavana na fanampiana avy amin'ny olon-tiana.
8. Soroka: harerahana, tsy fahampian'ny angovo.
9. Tanana anelanelan'ny lohanao sy ny ondana: misy fahatoniana ao aminao.

Raha tsy apetrakao amin'ny vatanao ny tananao mandritra ny torimasonao dia midika izany fa salama tsara ianao. Mandry ny eritreritrao.

Fantatrao amin'izay izy izao !

Crédit: Abd Bruno (Malagasy Mifampitaiza)

Mahasoa Magazine

Zazavavy kely iray manana fahazaran-dratsy milalao téléphone isan'andro, tsy mahazo aina raha tsy mikitika téléphone man...
07/04/2024

Zazavavy kely iray manana fahazaran-dratsy milalao téléphone isan'andro, tsy mahazo aina raha tsy mikitika téléphone mandritra ny ora maro.

Noho izany dia nandray fanapaha-kevitra ny reniny ka nosorana maquillage mainty be n'y masony rehefa izy natory ny Alina iny. Rehefa nifoha izy ny maraina ka nijery fitaratra dia taitra sady nikikiaka mafy ary nitomany.

Rehefa nazavaina tamin'ilay zazavavy kely hoe vokatry ny filalaovana téléphone ny antony nahatonga izao dia resy lahatra izy nanomboka teo fa tsy hikitika na hilalao téléphone intsony.

Stratégie azo ampiharinao tsara ity raha te hanala ny zanakao amin'ny fahazaran-dratsy milalao téléphone.

Raha mahita hafa ianao dia zarao ao amin'ny commentaires fa tena betsaka ny Ray aman-dreny mila izay torohevitra izay.

Mahasoa Magazine.

TSY VOLA NO TENA ILAIN'NY VEHIVAVY FA FITIAVANAAraka ny fikarohan'ny manam-pahaizana, 93% ny vehivavy dia tsy tia vola l...
06/04/2024

TSY VOLA NO TENA ILAIN'NY VEHIVAVY FA FITIAVANA

Araka ny fikarohan'ny manam-pahaizana, 93% ny vehivavy dia tsy tia vola loatra fa ilay fitiavana homena azy no teny zava-dehibe aminy. Diso ny filazana fa tia vola ny vehivavy ankehitriny, tsy miaraka amin'ny olona tsy manam-bola, sns...

Ny tena marina anefa dia ireto ny zavatra tena tian'ny vehivavy ary andrasana fatratra amin'ny olona miaraka aminy:

- Raha milongilongy sy mila vaniny aminao izy dia tsy vola no tadiaviny fa tambitamby avy aminao
- Raha mandinika anao maharitra ny vehivavy dia aza valiana kitakita sy hatezerana fa tsy hangatam-bola izy akory fa te hanoroko anao ary te ho sakambininao mafy
- Raha manotany anao izy hoe "tsara ve izao poziko izao ? ". Na tsy mahafinaritra anao loatra aza ny poziny dia valio tsotra fotsiny hoe mafatifaty kely njy na hoe kanto loatra ianao.
- Raha mitomany izy dia aza jerena fotsiny fa tsy vola no ilainy fa ianao mampahery azy ary miara-mizaka ny halahelony.
- Raha mataotra izy, tsy vola no tadiaviny aminao fa ataovy tsapany hoe "en securité" izy rehefa eo ianao.

Ataovy tsapan'ny vehivavy miaraka aminao fa tena "IMPORTANT" be aminao izy, ataovy priorité izy, andefaso message Bonjour, bonne après midi, bonne nuit dia ho hitanao amin'izay fa tsy vola ny tena ilain'ny vehivavy fa FITIAVANA.

Mahasoa Magazine.

SECRET HAHOMBIAZANA AMIN'NY FANDRAHARAHANATe hisehatra amin'ny fandraharahana ve ianao fa mataotra:- Ho very vola ? very...
04/04/2024

SECRET HAHOMBIAZANA AMIN'NY FANDRAHARAHANA

Te hisehatra amin'ny fandraharahana ve ianao fa mataotra:
- Ho very vola ? very fotoana?
- Sahirana mitady "idée" ho atao?
- Tsy fantatrao hoe aiza ny hanombohana azy?
- Tsy fantatrao ireo "erreur" fanaon'ny mpandraharaha?

Te hahafantatra ny tsiambaratelo nahombiazan'i Mr Ratsimba Mianatra Mahomby tamin'ny fandraharahany ve ianao io? ahoana ny tena tantaran'ity mpandraharaha goavana eto Madagasikara ity? inona ny "stratégie" nampiasainy nahatongavany amin'izao toerany izao? Inona ny "secret" nahatonga azy ho lasa mpandraharaha malaza na dia efa nivarotra ovy teny amoron-dalana aza taloha?

Raha mahaliana anao ireo, raha maniry handray torohevitra avy amin'ny Mr Ratsimba ianao dia natao ho anao ity Mahasoa Magazine ity.

Tadidio fa mety torohevitra 1 ato anatin'ity boky ity no hitondra fiovana be eo amin'ny fandraharahana ataonao.

Midira MP avy hatrany na miantso ny 038 99 605 11 fa vitsy sisa ny magazine ato aminay ary amin'ity erinandro ity ihany no disponible.

manao livraison partout à Madagascar.

Mahasoa Magazine.

03/04/2024

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Soavinety Vive Nugniance, Patrick Tsiaronjanahary, Nëõ Hd, Ellinah Sahondratiana

Indray andro hono...Talohan'ny nahafatesan'ny Rainy, dia nanafatra ny zanany izy ka hoy izy : " ity famataran'ora ity di...
03/04/2024

Indray andro hono...

Talohan'ny nahafatesan'ny Rainy, dia nanafatra ny zanany izy ka hoy izy : " ity famataran'ora ity dia lova avy amn raibe anao, efa naharitra 120 taona izy ity fa alohan'ny hanomezako anao azy dia mandehana makany amin'ny bijouterie dia hanontanio azy hoe ohatrinona ny hividianany ity "montre".

Rehefa avy nandeha tany ilay zanany dia hoy izy " dada ah!! 200 $ hono no hividianany an'ito ry dada fa Ntaolo be hono ilay izy"

Hoy ilay Rainy : "Eny ary fa mandehana indray hoe makany amn'irony "Preteur" irony dia teneno ahy ny valiny". Nohon'ny tonga ilay zanany : "dada ah!! 10$ hono no hividianany an'ito fa efa simba sy ratsy be ilay izy"

Namaly indray ilay Rainy : " eny ary!! Mandehana indray hoe makany amin'irony "Musée" irony dia teneno ahy ny valiny". Nohon'ny tonga ilay zanany "dada ah!! 75000$ hono ny hividianany an'ito fa akora faran'izay tsara sy sarobidy indrindra eto an-tany ilay izy. tsy dia fahita firy intsony hono izy ity ary ho atao anisan'ny vakoka sarobidy indrindra ao amin'ny musée hono izy ity raha omen-tsika azy"

Hoy ilay Rainy : " tiko ho fantatrao fotsiny ry anaka fa raha any amin'ny toerana mendrika anao ianao dia hanome lanja sy fanajana anao ny olona rehetra, raha toa ka tsy any amin'ny toerana mendrika anao kosa ianao dia miovà toerana fa manana ny lanja anao ianao any amin'ny hafa miaraha amin'ny olona manome lanja sy izay mahita ny tsara ao aminao.

Manan-kery amin'ny resaka Fitiavana, asa, finamanana, sns...

Manana ny lanjanao ianao

Mahasoa Magazine

Ovay amin'izay ny environement-nao !!!Matoa isika manaraka page mizara zavatra mahasoa tahaka izao dia te hivoatra, te h...
30/03/2024

Ovay amin'izay ny environement-nao !!!

Matoa isika manaraka page mizara zavatra mahasoa tahaka izao dia te hivoatra, te hiala amin'ny fahantrana, te hiova sy hiaina fiainana vaovao araka ilay nofinofisina. Tsy marina ve izany?

Ka androany ary, te hizara aminao izahay fa mila miova environement ianao raha te hivoatra amin'io fiainanao izao io. Mety io toerana hipetrahanao io ny blocage tsy ahafahanao mandroso, satria teny ratsy, fifamaliana, ozona, ady an-trano sns...ny henonao sy iainanao isan'andro eo amin'io toerana io. Mialà eo fa tsy hahomby eo ianao. Mety hiteny ianao hoe any no mba takatra ny hofantrano nefa rehefa tapa-kevitra hiova ary tsy hanaiky hipetraka any ianao dia afaka any foana.

Mety io namana hifaneraseranao isan'andro io no tsy hampivoatra anao. Tsy mahatakatra izany fahombiazana izany izy ka manambany ny nofinao, himehezany ny tanjonao, lazainy fa adala ianao rehefa miresaka fahombiazana. Mialà aingana tao.

Mety io fiaraha-monina misy anao io ny sakana tsy mampandroso anao. Rehefa mba mividy zavatra vaovao ianao dia ataony resaka eo an-tanana. Lasa menatra ianao ka tsy sahy mividy intsony, raha sendra mividy dia amin'ny alina be vao entina miditra ao an-trano.

Raha ohatran'izay fona ny fiainanao dia tadidio fa tsy hivoatra mihitsy ianao mandrakizay ka ovay ny environement misy anao mba ahafahanao miaina tsara ka mora aminao ny mandroso.

Dinio kely ny environement misy anao? mampahazo aina anao tsara ve? ahafahanao mandroso ve?

Mahasoa Magazine.

Mahaizà mi-saisir "opportunité"Tsy misy mahalala ny hiseo rampitso fa hararaoty ny "opportunité" mandalo eo aminao andro...
22/03/2024

Mahaizà mi-saisir "opportunité"

Tsy misy mahalala ny hiseo rampitso fa hararaoty ny "opportunité" mandalo eo aminao androany.

Ianao indraindray variana sy mitady zavatra alavitra be nefa matetika eo ambany masonao eo ihany ilay "opportunité" ngeza be ho anao. Mety io namanao io angé izany e...mety io mpiara-miasa aminao androany io angé izany e...mety io olona mpividy entana eo aminao io angé izany e...mety io patron anao io angé izany e...

Mety torohevitra kely avy aminy no ampitsimbadika ny fiainanao rampitso, mety ny fihaonanao aminio olona hitanao androany io no hanova zavatra ngeza be eo amin'ny fiainanao ka aza variana ianao fa sokafy ny maso, sokafy ny sofina, mahaiza mi-saisir "opportunité"

Mety tsy ho hitanao intsony io olona io na io projet mandalo eo imasonao androany io, amin'izay fotoana izay ianao vao hahatsapa ny lanjany ka mba tsy hanenenanao amin'ny ho avy dia mahazà mi-saisir "opportunité"

Mentionnéo eto ilay olona nahitanao "opportunité" iny ahita ity ranty ity dia misaora azy tamin'ny zava-bitany taminao.

Mahasoa Magazine

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261389960511

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mahasoa Magazine posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mahasoa Magazine:

Videos

Share

Category


Other Magazines in Antananarivo

Show All