Hary Ranaivosolo

Hary Ranaivosolo une blogueuse qui partage sa passion pour la cuisine, mode, beauté, culture , voyage,...

12/01/2025

Salama eee🤗
Mbola tena ao anatin’ny fifampiarahabana tratry ny taona isika izao na dia efa misasaka sahady aza ny volana Janoary
Ndao indray àry anao an’ity biscuit ity e
Zavatra ilaina
Pâte sucrée
🌾Lafarinina 250g
🍭Siramamy 100g
🍥Levure chimique 1 sotrokely
🌯Sira 1 Tsongo
🥚Atody 1
🧈Dibera 125g
🍥Poudre cannelle na extrait de vanille

Glaçage royal
🍭Sucre glace 125g (efa notatavanina)
🥚Tapotsin’atody 1
🍋Ranona tapaka voasary makirana
🍥Colorant mena sy maitso na amin’izay tianao

33 isa no biscuit vita tamin’io fatra io
Izay endriny tinaoa atao amin’ilay biscuit. Raha tsy manana emporte pièce dia vera ihany koa dia efa mety
Afaka mifanampy manao azy ity koa ny ankizy fa tian-dry zareo be io mandokondoko io na dia somary mifondafonda aza😁
Izay indray àry aloha fa mirary herinandro vaovao soa ho antsika rehetra e
Sova tsarà daholo😘




Asa aloha ianao fa ny ahy dia tsenaiko am-pitsikitsikiana ity taona vaovao 2025 ity. Arahabaina nahatratra izao taona va...
01/01/2025

Asa aloha ianao fa ny ahy dia tsenaiko am-pitsikitsikiana ity taona vaovao 2025 ity.
Arahabaina nahatratra izao taona vaovao 2025 izao.
Mirary taona zina, heniky ny fahasalamana, fahombiazana, fahasambarana ho antsika rehetra.
Ho taona feno fifaliana e
Isaorako ianareo 11K abonnés ko manaraka hatrany ny pejy, ireo superfans mahafatrapo😍Mankasitraka tokoa satria indraindray aho sahirana dia tsy eto foana.
Araka ny efa hain’ny maro mantsy dia miasa anaty serasera izahay mivady, agence de communication Signe Visuel nosokafanay efa ho 15 lasa izay.
Manao ny serasera rehetra izahay an: spot publicitaire, documentaire, maka sary évènements rehetra koa toy mariage, fiancailles, baptême sns. Ho an’ireo liana amin’izany dia afaka mandefa MP na miantso avy hatrany.
034 81 947 83

Fehiny, tanteraho amin’ity taona vaovao ity izay nofinofinao tsy tratra tamin’ny heritaona.

Ny vidéos tsika ato amin’ny pejy mitohy hatrany fa aza matahotra. Hiezaka hanome loky matsiro sy mora atao toy ny mahazatra i Hary

Izay indray aloha fa Soava tsarà😘

30/12/2024

Salama daholo🤗
Efa tena manimanitra taom-baovao ny andro an
Ndao indray anao quiche lorraine atao entrée ho an’ny taom-baovao àry

Zavatra ilaina ho ana moule 33cm (raha kelikely ny moule nao dia ataovy atsasak’io fatra io fotsiny)
Pâte brisée
Lafarinina 500g
Dibera 250g
Atody 2
Sira kely

Fangarony
Tongolo oignon 3
Poirreau 3 na 4
Poitrine fumée 100g
Jambon200g
Fromage cheddar 200g
Atody 3
Crème liquide 250g
Ronono 250g
Sira sy dipoavatra

Izay fromage matsiro rehetra dia mety daholo
Arakaraka ny lafaoro ihany koa ny fahamasahany fa eo amin’ny 30minitra eo
Izay indray aloha fa manaova fetin’ny faran’ny taona finaritra daholo.
Dia samy ho tratry ny taona 2025 indray isika rehetra
Soava tsarà😘


24/12/2024

Salama indray🤗
Mialatsiny fa somary taraiky ity vidéo ity fa jiro koa tapaka lava.
Bûche et ganache mangue , ganache au chocolat blanc no arosoko anao amin’ity noely 2024 ity.
Niezahako hiova kely amin’ny mahazatra. Inoako fa hahafa-po anao😊
Zavatra ilaina
Pate à biscuit
🥚Atody 6 lehibe
🌾Lafarinina 100g
🍫Cacao50g
🍭Siramamy 130g

Ganache au chocolat blanc
🥛Crème liquide 250g
🍥Chocolat blanc 250g
🥭Manga 1
🍥Gelatine feuille 1 sy tapany
🥛Crème montée 500g (zaraina 2 io ho an’ilay ganache mangue sy fanache au chocolat blanc)

Mirary fetin’ny krismasy feno fifaliana sy fifankatiavana ho antsika rehetra.
Soava tsarà 😘


22/12/2024

Salama ee🤗
Clafoutis de poires no zaraina aminao indray izao.
Ilay poara gasy mamy tsara no ampiasaina fa efa feno indray izao eny an-tsena sady mora😁
Zavatra ilaina:
Ho ana lapoaly kelikely ity fa raha lehibe ny lapoalinao dia atao in-2 an’io fotsiny ny fatra
🍐Poara 1kg
🧈Dibera 100g (anendasana an’ilay poara)
🌾Lafarinina 100g
🍭Siramamy 80g
🥚Atody 2 lehibe
🥛Creme liquide 15cl
🌯Cannelle
🧂Sira 1 tsongo

Afaka atao clafoutis ihany koa ny paoma na abricot fa poara gasy aloha izao no misy dia izay no ampiasaitsika
Ataovy malefaka be mihitsy ny afo mba ts ho may ilay clafoutis an
Arakaraka ny afo fa eo amin’ny 7 hatramin’ny 10 minitra eo ny ambony, torak’izay koa ny ambadika

Hiezaka anao vidéo bûche de noel ho fanomezana fahafaham-po anao😁
Samia tsara daholo indray àry aloha e😘



Salama alinalina e🤗M**o legioma, goûter mora arao sady vetivety dia vita. Io indray aloha ny masaka atolotra amin’izao f...
13/12/2024

Salama alinalina e🤗
M**o legioma, goûter mora arao sady vetivety dia vita. Io indray aloha ny masaka atolotra amin’izao faran’ny herinandro izao.
M**o anana no tena nangatahanareo fa nosoloiko legioma fotsiny ilay anana eto.

Zavatra ilaina:
🥕Karaoty
🫛Haricot vert (io no nisy tato an-trano fa afaka soloina laisoa voatetika na broccoli voatetika manify)
🌾Lafarinina 150g
🥚Atody lehibe 1
🧂Levure chimique tapaky ny sotrokely
🌯Dipoavatra sy izay épices tianao

Fanaovana azy:

Kikisana lavalava manify ny karaoty sy haricot vert
Nendakendasiko kely ilay legioma satria ny haricot vert somary mafy

Atao avy eo ny pate m**o
Atao anaty recipient ilay lafarinina efa notatavanina, arotsaka atody, sira, épices, levure ary rano 80g dia afangaro.

Tsy tokony atao mitsiranoka be loatra ilay pate an.

Alefa ao ilay legioma avy nendakendasina dia afangaro.

Atsofoka vata fampangatsiahana 15 minitra alohan’ny anendasana azy

Aza atao ngeza loatra rehefa manao azy fa ilay kelikely iny izy no misy mikarepoka tsara.😁
Afaka asinao an’ireny karazana sauce efa nomeko ireny, mayonnaise d’yaourt ohatra, na ketchup izay misy ao aminao e ihinanana azy
Ataovy betsaka fa iray minitra dia lany🤣

Inoako fa afa-po ireo nangataka azy ity
Izay indray aloha fa mirary faran’ny herinandro mahafinaritra
Soava tsarà😘

**olegioma

26/10/2024

Salama daholo🤗
Tsisy tsy mankafy an’izany cake marbré izany kosa angamba ooo😁
Samy manana ny fanaovany azy ny tsirairay fa ity aloha ny anaovako azy miaraka amin’ny teknika kely mba ampiakatra azy tsara

Zavatra ilaina:
🥚Atody 5 na 6 lehibe
🌾Lafarinina 350g
🌾Levure chimique 1 sotrokely feno tsara
🍥Siramamy 180g
🥛Creme liquide 10cl
🧈Menaka na Beurre 130g
🍫Cacao 50g na chocolat natsonika mety ihany koa
🥧Vanille

Rehefa hizara an’ilay pate dia ilay tsotra à la vanille no atao betsaka kokoa an
Izay indray aloha no azo natolotra fa ataovy dia ataovy ao amin’ny commentaire ny zava-bita e

Mialatsiny amin’ilay feoko hafahafa fa mamely koa ny areti tenda eee😁
Manasa anao hatrany hi s’abonne amin’ny pejy
Mirary faran’ny herinandro finaritra daholo
Soava tsarà😘


13/09/2024

Salama ee 🤗 tsara tokoa ilay m**o coco iny fa ity m**o mangahazo coco ity koa matsiro kely. Ny zavatra ilaina: mangahazo 1kg, siramamy 5 sotro, atody 1, lafarinina 4 sotro. Mirary faran’ny herinandro finaritra daholo e😘

06/09/2024

Salama daholo😊
Mbola naka aina kely avy any amin’ny fialantsasatra no mbola nampiditra mpianatra dia zao vao afaka 😁
Ito àry ny vidéo an’ilay m**o coco e
Zavatra ilaina:
🌾Lafarinina 750g
🍯Siramamy 125g amin’ilay antonona tsy dia mamy be io fa azonao ampiana an
🧂Levure chimique 1càc
🥚Atody 1
🥥Coco 1 lehibe efa voakiky (eny amin’ilay mpivarotra mikiky amin’ny ambozy mividy an’ilay coco dia mba tsy sahirana e😁)
🥥Ranon’ilay coco 30cl (raha tsy ampy dia ampio rano tsotra)
Afaka asinao essence coco raha tinao hisy fofona coco
Ny texture an’io pâte io tsy boledaka be fa azo raisina sy volavolaina tsara
Ataovy kelikely ilay m**o coco mba ho masaka tsara ny ao anatiny , tsy atao matevina izany e
Mirary faran’ny herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra
Soava tsarà daholo😘

25/08/2024

Sotroina foana aloha ny ranona coco na maloka na manerika aza ny andro😁 Soava Alahady daholo 😘

Salama e🤗Iza daholo ilay mpànkafy an’itony m**o coco sy m**o mangahazo itony? Zahay aloha izany aty foulpointe dia manar...
24/08/2024

Salama e🤗
Iza daholo ilay mpànkafy an’itony m**o coco sy m**o mangahazo itony?
Zahay aloha izany aty foulpointe dia manarapo Isan’andro , tsy mety leo.
Iza amin’ireo no tena tianareo.
Ho ahy aloha dia ilay m**o coco tena omeko ♥️
Mirary faran’ny herinandro soa ho antsika rehetra e😘

Salama daholo🤗Efa mamaraparana ny fialantsasatra isika io dia aleo araraotina e.Ho an’izay aty Atsinanana rehetra aloha ...
23/08/2024

Salama daholo🤗
Efa mamaraparana ny fialantsasatra isika io dia aleo araraotina e.
Ho an’izay aty Atsinanana rehetra aloha dia afapo tanteraka fa tsara be ny andro.
Manararaotra miarahaba an’ ireo zandry afaka Bacc rehetra. Mandehàna amin’izay maka rivotra, tsy voatery eny amin’ny ranomasîna foana fa na any ambanivohitra koa aza e. Sa ahoana?
Bonne vacances jiaby ozy io madama io🤣🤣
Soava tsarà e😘

11/08/2024

Salama alinalina🤗
Averiko mitokana eto ilay fanamboarana mayonnaise d’yaourt fa misy tsy mahita.

Zavatra ilaina:
🥛Yaourt nature matsatso 1 boaty
🥃Menaka 150g
🍋1/2 Voasary makirana lehibe na ilay voasary antonony 1 (tsy atao be dia be fa manjary tsy matevina ilay mayonnaise fa lasa mitsiranoka be)
🍯Tantely 1 càc
🍼Moutarde 1 càc
🧄Tongolo gasy
🧂Sira sy dipoavatra
Inoako fa mahazo fahafahampo daholo ireo rehetra nangataka azy ity
Amin’ny laha sauce azy dia azo ihinanana beignet, frite sns izy. Sady maivana kely.
Mbola azo asiana hanitra izay tinao io ohatra hoe kotomila na persil na basilic
Tahirizina anaty vata fampangatsiahana 5 andro fara fahaela.
Soava mandry daholo😘

10/08/2024

Salama🖐️
Manasa anao hanaraka hatrany ny pejy e
Ataovy jaime ny pejy
Asao ny namana hi s’abonne fa betsaka ny fifampizarana ato
Soava tsarà😘

02/08/2024

Salama daholo🤗
Faran’ny herinandro sahady. Mba ataovy an’ity chicken burger ity indray ny ody ambavafo an’ny ankizy e😁 eny e na ny lehibe koa aza moa tena mankafy azy ity
Zavatra ilaina:
🥯M**o burger
🍗Nofon’akoho
🍋Voasary makirana 3 lehibe
🫙Menaka 50g
🧄Tongolo gasy hasiny 4 lehibe
🥚Atody 1 anaovana panure ; 1 anaovana mayonnaise
🥛Sauce d’yaourt
🌾Lafarinina 150g
🥬Laisoa voatetika, afaka soloina salady raha tsy mahazaka
🍅Voatabia
🧅Tongolo oignon lehibe
🧀Fromage Cheddar io fa rehefa matsiro dia mety
🧂Sira sy dipoavatra
Ny fanaovana azy:
Ilay m**o toaster amin’ny lafaoro( ambony ihany arehitra) na atao amin’ny lapoaly
Rehefa avy notetehina ny nofon’akoho dia alona amin’ny ranona voasary makirana, tongolo gasy, menaka, sira dipoavatra avy mopotehina tamlin’ny plongeur (afaka asiana sakay raha tiana). Alona mandritra ny 3 ora
Rehefa avy eo esorina anaty lovia ireo akoho nilona.
Tsy ariana ilay ranona voasary makirana nandomana akoho fa apiarahana amina atody 1 dia mixer na apiasaina amin’ny panure.
Avy eo atao pané amin’izay izany hoe mandalo lafarinina avy eo atody.
Tena naveriko indroa nandalo lafarinina sy atody tokoa ilay akoho mba ho pané tsara, mahazo an’ilay mikarepoka tsara iny😋
Ny laisoa asiana mayonnaise dia afangaro; mayonnaise d’yaourt no napiasaiko teo.
Atao amin’izay ny dressage: osorana mayonnaise ny m**o, apetraka ny laisoa, akoho, voatabia, tongolo, laisoa, fromage rapé ary faranana amin’ny m**o efa nosorana mayonnaises

Izay indray aloha fa mirary faran’ny herinandro finaritra daholo
Soava tsarà🥰


Salama harivariva e🤗Ito indray no nataonay ody ambavafo kely hariva teo. Dia aleo zaraina eto sa ahoana?☺️ Croquette de ...
21/07/2024

Salama harivariva e🤗
Ito indray no nataonay ody ambavafo kely hariva teo. Dia aleo zaraina eto sa ahoana?☺️
Croquette de thon
Ny zavatra ilaina:
🐟Thon 250g
🌾Lafarinina 100g
🧂Levure chimique 1 càc
🥚Atody lehibe 2
🍋Ranona voasary makirana
🌿Kotomila
🧄Tongolo gasy
🧂Sira, dipoavatra

Tsisy zavatra sarotra fa thon no mibahana.
1- ho ahy aloha dia thon manta no nampiasaiko; aleoko misahirana kely maka nofony, matsiro kokoa. Fa raha tsy te isahirana dia afaka mampiasa thon amin’ny vy fotsy.
Andrahoina ilay thon (10 minitra raha ela indrindra), asiana sira kely ny rano andrahoina azy
2- rehefa masaka ny trondro dia alaina ny nofony, jereo tsara sao misy taolana tavela
3- atao anaty bol avokoa ireo ingredients voalaza dia afangaro
Somary miraikitra ny texture an’ilay pate an
4- maka plaque dia asina papier sulfurisé dia alaina amin’ny sotro ilay pate, atokotoko kely amboniny.
Atsofoka lafaoro 180degré, 15 minitra
Raha misy te anao azy beignet ohatran’ilay mr mon mari dia afaka endasina tsara koa😁
Fa arak’io sary hitanareo io dia tsy mitovy mihitsy ny endriny. Mikarepoka kokoa, sady matsiro kokoa ilay amin’ny lafaoro. Fa ilay nendasina mivoaka ohatran’ny beignet.
Fa samy manana ny tiany moa 😃
Hoano mafana dia asio an’izay sauce tinao. Ny anay aloha dia mayonnaise d’yaourt no ninananay azy.
1 minitra dia ripaka🤣
Mirary herinandro vaovao finaritra e
Mirary fahombiazana ho an’ireo mpanala bacc rehetra koa😊
Soava tsarà😘


12/07/2024

Salama daholo🤗
Andao indray anamboatra madeleine e
Zavatra ilaina:
🥚Atody lehibe 3
🍚Siramamy 60 g
🌾Lafarinina 120
🥛Ronono 60g
🥃Menaka 80g
🌯Levure chimique 1càc
🍋Zeste voasary makirana (hanome hanitra )
Raha tianao hisy karazany dia asio chocolat; atsonika ny chocolat ary apandalovina ao ilay madeleine efa masaka dia averina anaty moule ka ilay nisy chocolat no atao mitohaka amin’ny moule ary atsofoka vata fampangatsiahana mba hivaingana ohatran’ny amin’ny sary.
Tsy sarotra ny madeleine fa aza adinoina ilay pause dia ho hitanao fa hisy bosse tsara ny madeleine nao
Zay indray aloha fa soava mandry daholo😘

05/07/2024

Salama daholo🤗
Ity angamba no tsindrin-tsakafo tsotra indrindra sy vetivety ny fanamboarana azy. Tsisy 30 minitra akory☺️
Raha mpankafy chocolat toa ahy koa vao miha mety be😁
Mousse au chocolat
Azonao atao ho amin’ny alahady soa aman- tsara. Sa ahoana😍
Dia izao, aza andrasana mangatsiaka ilay fangaro crème sy chocolat fa amin’izy matimaty iny mihitsy no arotsaka ilay tamenaka atody dia afangaro aingana mba tsy ho masaka ilay izy.
Izay indray aloha fa mirary faran’ny herinandro soa ho antsika rehetra 😘


Address

Antananarivo
101

Telephone

+261327177690

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hary Ranaivosolo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Hary Ranaivosolo:

Videos

Share