Hazavana Maneran-tany

Hazavana Maneran-tany MIDIRA @ GROUPE HAZAVANA MANERAN-TANY FA AO NO TENA MISY TSIAMBARATELO👇👇👇
https://facebook.com/groups/163337222365989/

Betsaka no mihevitra hoe tsy misy azo atao eto fa dia miandry ny rariny sy ny sitrapon'Andriamanitra fotsiny sisa.Mbola ...
02/01/2025

Betsaka no mihevitra hoe tsy misy azo atao eto fa dia miandry ny rariny sy ny sitrapon'Andriamanitra fotsiny sisa.
Mbola tsy fantatrareo fona ve hoe: "tout est Vibration"??
Tena misy ny azo atao ka, na hanaovana rituel isan'andro atao fanadramana tahaka ny arme nucléaire ary azo atao tsara izany, sady tsisy olana no tsisy bedy.
Tsy misy na iza na iza manakana eto na afaka hisakana ary tsisy mibaiko.
Tsy misy mafy be izany eto.
Énergie 3D ve hasakana énergie an'olona 5D??
Ohatra tahaka izao sary izao fotsiny. Idina anaty cube de Lumière ilay fanahy ratsy dia fatorana ny tanany sy ny tongony dia arina any anaty trou Noir izy. Very any @ lavaka tsy hita noanoana any izy sy fanahiny.

Raha io image créé io fotsiny no travaillena anaovana concentration ary averimberina isan'andro na 24/24h aza na 7j/7, tsy misy hazaka izany énergie raha olona 50 monja na 100 monja aza no manao an'io. Raha 1000 moa dia tsy aiko intsony.
Azo atao daholo ny zavatra rehetra na anio dia anio aza.
Portail Organique izany télé guidé, azo commandena à distance tahaka ny ataon'ny Archontes io.
Raha izany no tena ilaina dia azo atao.
Tonga any fona isika na hoe ela na ho aingana fa hoe aleo hilamina dia misesy. Tsy misy tsy azo atao ininona izany eto fa diso hevitra be izay mieritreritra izany hoe tsy havita ininona ireo.
Ary very tanteraka mihitsy!! Avelao hihevitra.
Miteny AHO izay.

02/01/2025

2025: Taonan'ny Fahazavana, Firaisankina, Fahasahiana, Fandraisana andraikitra.

Ho an’ity taona vaovao ity, dia mirary aho, hilatsaka sy hirotsaka aminao avokoa ny fitahian’ny Lanitra rehetra. Enga an...
01/01/2025

Ho an’ity taona vaovao ity, dia mirary aho, hilatsaka sy hirotsaka aminao avokoa ny fitahian’ny Lanitra rehetra. Enga anie ny vatanao ho salama tsara, ho matanjaka ary ho feno hery; ny fonao hilomano ao anaty ranomasim-pifaliana madio sy fahafaham-po ara-panahy; ary ny sainao hazava tsara; hanazava ny fiainanao manontolo amin’ny hazavana marina; ny fanahinao ho mpitondra ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny fanahinao ho afaka tanteraka amin’ny fatorana sy ny fonja rehetra nateraky ny olombelona.

Mirary aho mba ho tafaray amin’ny ambaratongam-pahazavana lehibe amin’ny hery ara-panahy ianao, ka mpiara-miasa aminy amin’ny fananganana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
Mirary aho ny hahavitanao handresy ireo sakana rehetra mitsangana amin’ny lalanao ianao, mba hifalian’ny fanahinao sy hiderana ny Mpahary.

31/12/2024

BONNE ANNÉE 2025✨
TAONA FANDRESENA HO AN'NY HAZAVANA ITY🎉

31/12/2024

IZAHO NO MPANDRESY
IZAHONAHARY MASINA
00:01

31/12/2024

Rehefa tonga ny @ 00:00 dia redony ny hoe:
IZAHO NO MPANDRESY
MAHERY NY HAZAVANA
MANDRESY NY HAZAVANA
IRAY IHANY ISIKA REHETRA

Fitiavana sy Hazavana ✨ 💖Tsy mitsahatra mikatsaka ny tsara sy mizotra amin’ny hazavana aho. Na dia eo aza ny sedra sy ny...
31/12/2024

Fitiavana sy Hazavana ✨ 💖

Tsy mitsahatra mikatsaka ny tsara sy mizotra amin’ny hazavana aho. Na dia eo aza ny sedra sy ny fanamby atrehiko, matoky aho fa ny lalana mankany amin’ny fahamarinana sy ny marina no tena manazava ny fiainana. Ny hazavana dia tsy mitondra afa-tsy ny fahamarinana sy ny fandresena, ary mahafinaritra ny vokatra azo rehefa manaraka izany lalana izany.

Manana fahavononana hanatsara ny tenako isan’andro aho, tsy noho ny hampiaiky ny hafa, fa noho ny hampandroso ny fiainako sy hanatanteraka ny iraka nampiandraiketin’Andriamanitra ahy.
Ny fitiavana no fototry ny asa rehetra ataoko, ary ny hazavana entin’Andriamanitra no mitarika ahy hiroso amin’ny lalana tsara kokoa.

Fantatro fa ny fahatokisan-tena, ny fitiavana marina, ary ny hazavana no hery lehibe indrindra ananako. Tsy avelako ho raraka an-tany ny fanohanana azoko, fa tohizako amin’ny asa tsara rehetra ho fanehoana fankasitrahana sy hampielezana hazavana sy fitiavana amin’ny hafa.

Ho an’ireo rehetra nijoro niaraka tamiko, nandray ahy tamim-pahatsorana, sy nitia ahy tamin’ny fo madio: tsy ho adinoko mandrakizay ny soa nataonareo. Ho anareo, maniry fahasoavana tsy misy fetra aho, ary ny fiainanareo ho voarakotra ny fitahian’Andriamanitra, ny hazavana mamirapiratra, ary ny fitiavana lavorary.

Handroso amin-kery sy amin-toky aho, fa ny hazavan’Andriamanitra miaraka amiko. Tsy mifaninana, tsy manenjika, tsy matahotra ho voasongona. Tsy mampitaha ny fiainako amin’ny hafa, tsy maniry toeran’olona, tsy mamingan’olona. Matoky ny tenako zato isan-jato aho, satria ny hazavana sy ny fitiavana no mitarika ny diako.

Tsy hanimba ny hafa aho vao afaka hisongadina sy ho tafita. Tsy hanaratsy ny hafa aho vao hahatsapa ny olona fa tsara aho. Tsy mila manamarina ny tenako aho vao mino ahy ny olona. Izany no hazavana sy fitiavana enti-mizotra amin’ny fiainako.

Ireo no finoako. Inty aho, mahafantatra tsara hoe iza aho, ary handroso mandrakariva amin’ny lalana tsara kokoa. Misaotra ireo rehetra nanohana ahy hatrizay, indrindra fa ireo nadio fo, tsy nisy fiatsarambelatsihy, tsy nitady tombontsoa manokana. Ny fitiavan’Andriamanitra anie hanjohy ny làlanareo.

Tsy mankatoa fiainana feno fialonana aho. Tsy manaiky fifandrafiana ary tsy miaina ao anatin’ny fifandirana. Ny foko sy ny saiko dia miantehitra amin’ny fihavanana sy ny fitiavana marina. Ny heriko dia avy amin’ny hazavana sy ny fandresena ny tenako, ary avy amin’ny fanatsarana ny tenako isan’andro.

Fantatro fa tsy ny vola, fahefana, na laza no mahasambatra, fa ny fitiavana sy ny toe-tsaina lavorary. Mitady olona tsotra, mahitsy, mahasoa, ary manaparitaka hazavana amin’ny hafa aho, satria izany no mahatonga ny fiainana ho lavorary sy feno fiadanana.

Ho an’ireo mankahala ahy: mampisongadina ahy ianareo, satria ny fanoheranareo ahy dia manosika ahy hanatsara ny tenako hatrany. Ho an’ireo tia sy manohana ahy: tsy haiko ny hamaly ny soa nataonareo, fa matoky aho fa ny lanitra, ny hazavana, ary ny fitiavana no hamaly ny hatsaram-panahinareo.

Ho an’ny tenako: misaotra aho satria tsy mitsahatra manome aina vaovao, fahatokisana, sy finiavana hanohy ny lalana tsara. Tsy misy zavatra tsara tsy misy sorona sy ezaka, ary vonona aho hitondra izany mba hanatrarana ny tanjoko.

Matoky aho fa ny fahendrena, ny fitiavana, ary ny hazavan’Andriamanitra no ho entiko handresy sy hivelomana mandrakizay. Ho voavonjy ny foko, ary ho lavorary ny làlako. Ho lasa fitaratra hazavana sy fitiavana aho, ary izany no fanomezako ho an’izao tontolo izao.

31/12/2024

Mifarana ny taona dia tokony Ă©nergie tsara be no entina manomboka fa tsy fiainana 3D no atao nefa manonofy hiditra 5D

VOKATRA ARA-PANAHY AMIN’NY FISOTROANA TOAKANa dia vokarina betsaka aza, ampirisihina hatraiza hatraiza, ara-dalàna ary s...
30/12/2024

VOKATRA ARA-PANAHY AMIN’NY FISOTROANA TOAKA

Na dia vokarina betsaka aza, ampirisihina hatraiza hatraiza, ara-dalàna ary sotroin’ny olona an-tapitrisany eran-tany, maro no tsy mieritreritra na mahatakatra ny voka-dratsy ara-panahy ateraky ny fisotroan-toaka.

Andao hanomboka amin’ny niandohan’ny teny hoe “Alcohol”. Ny teny hoe “Alcohol” dia avy amin’ny teny arabo “al-kuhl”, izay midika hoe “FANAHY MANDRAVA NY VATANA”. Io teny io koa no niandohan’ny teny anglisy hoe “ghoul” (zavaboary mahatsiravina). Ao amin’ny angano tany Afovoany Atsinanana, ny “ghoul” dia heverina ho demonia ratsy fanahy izay mihinana ny vatana olombelona, na ny efa maty tao am-pasana, na ankizy.

Ny teny hoe “ “ Alcool” dia misy ifandraisany, izay midika hoe “ranon'ny fiainana” na “fanahy”. Ny toaka dia heverina ho ranon-javatra voaporitra avy amin’ny alchimie tany Afovoany Atsinanana, karazana siansa niavaka tamin’ny fahiny.

Araka ny voalazan’i Jason Christoff, mpanoratra: “Ao amin’ny alchimie, ny toaka dia ampiasaina hanalana ny fototry ny fanahin’ny zavaboary iray. Izany no mahatonga azy ampiasaina amin’ny fanalana fototra amin’ny menaka manitra sy amin’ny fanadiovana fitaovana ara-pitsaboana. Rehefa misotro toaka ny olona, dia manala ny fototry ny fanahy ao amin’ilay olona izany. Vokatr’izany, ny vatana dia lasa mora voasariky ny fanahy na hery hafa manodidina, izay matetika ambany vibration. (Raha tadidinao, ny toaka sasany dia antsoina hoe spiritueux na “spirits” amin’ny fiteny maro).”
(Jereo ny dictionnaire)

Izany no mahatonga ny olona misotro toaka be dia be matetika ho tsy mahatsiaro tena, ary tsy mahatsiaro akory izay nitranga. Rehefa misotro toaka ny olona, dia mety handao ny vatany ny fanahy tsara ao anatiny, satria tsy mahatanty ny toe-javatra maloto sy manafintohina. Rehefa mandao ny vatana ilay fanahy tsara dia misy fanahy maizina na hery hafa misolo toerana, ary izany no mahatonga ilay olona hanao fihetsika tsy voafehy, feno fijangajangana, herisetra, ary fitiavan-tena tafahoatra.

Ny vatana olombelona dia toy ny fiara ho an’ny fanahy. Raha misy fanahy iray miala, dia mety misy fanahy hafa mandray ny toerana ka mitondra ilay “fiara”. Raha lazaina tsotra, rehefa “maty ny Hazavana” amin’ny fisotroan-toaka tafahoatra na fandotoan-tena hafa, dia matetika misy fanahy hafa mitondra ny vatana.

Nisy fahitana ara-panahy niseho tamiko taona maro lasa izay. Tamin’izany dia hitako toy ny mpitazana avy eny ambony ny zava-nitranga tao amin’ny bar iray sy toeram-pilanonana iray aho. Hitako ny zavaboary maro toy ny “ghoul” nanodidina ilay toerana.
Tao anatiny, olona maro no nisotro toaka, nifanerasera, ary nitsinjaka. Hitako fa ireo olona sasany, rehefa nandeha loatra ny fisotroan-toakany, dia nivoaka ny vatany ny fanahiny. Izy ireo dia mbola mifamatotra amin’ny tady iray ihany, fa tsy tao amin’ny vatany intsony. Nandao ilay vatana ny fanahy noho ny fahasahiranana tafahoatra nateraky ny fisotroan-toaka. Raha vao nivoaka ny fanahy dia nisy zavaboary ratsy niditra tamin’ny vatany, ary nampiasain’izy ireo ilay vatana hanaovana asa ratsy: herisetra, fihetsika manala-baraka, fandratrana, fanolana ary zavatra hafa maizina.

Rehefa nandinika ny fiainako aho taty aoriana, dia tsaroako fa nisy fotoana maro mmnahitana fanahy ratsy nanodidina olona mamo loatra. Izaho, noho ny fahaizamahita mazava (clairvoyance) ananako, dia mahita zavaboary na hery izay tsy hitan’ny olona rehetra. Nanana koa ny clairaudience (fahaizana mandre feo avy amin’ny tontolo ara-panahy) sy ny télépathie sy fahatsapana lalina ara-panahy...
Ankehitriny dia mazava amiko ny tantara maromaro izay nihaonako tamin’ireo fanahy tsy tsara fanahy, indrindra rehefa tao anaty fisotroan-toaka tafahoatra ilay olona.

Admi Nistrador Nigrarumovium

30/12/2024

2024 isika nanadio fa 2025 (2+0+2+5)= 9 sady Famaranana dingana no Fanombohana vaovao.
Attaque non Stop amin'izay.

Ny manipulation ataon'ny Arcontes amin'ny mpitondra. Ny Arcontes dia tsy afaka miasa ara-batana eto amin’izao tontolo iz...
30/12/2024

Ny manipulation ataon'ny Arcontes amin'ny mpitondra.

Ny Arcontes dia tsy afaka miasa ara-batana eto amin’izao tontolo izao,(ne peuvent pas agir physiquement dans notre réalité) ka noho izany dia manao manipulation antsika amin’ny fomba ankolaka izy ireo. Hatramin’ny nisian’ny olombelona dia efa nisy ireto zavaboary ireto, izay avy amin’ny lafiny hafa amin’ny fisiana ary mihinana sy manimba ny olombelona.

Manam-pahaizana manokana amin’ny fanodinkodinana ny eritreritra sy ny fihetseham-pon’ny olona tsirairay izy ireo, ary mampiasa izany ho an’ny fianakaviana, firenena, ary sivilizasiona iray manontolo.

Izy ireo no heverina ho tompon’andraikitra amin’ny fifandirana sy ny ady tsy misy fiafarana eo amin’ny olombelona. Izy ireo koa no voalaza fa loharano nipoiran’ny fihetseham-po sy ny asa ratsy rehetra ataon’ny olombelona. Amin’izany fomba izany, dia sakanany ny olombelona tsy hivoatra ara-panahy sy tsy hahalala ny maha izy azy masina, izay ahafahany miala amin’ny fatorana ara-materialy sy ny tahotra. Ireo tahotra sy fatorana ireo no sakana lehibe tsy ahafahan’ny olombelona miala amin’ity tontolo hita maso ity, izay heverina ho fisiana sandoka.

Ny Arcontes dia mihinana sy manararaotra ny angovo avoakan’ny olombelona, indrindra rehefa misy fikorontanan-tsaina ateraky ny fihetseham-po ratsy, toy ny fanaintainana na tahotra. Noho izany, dia tantanany araka izay itiavany azy ny olombelona, tahaka ny biby fiompiny.

Ampifandraisina amin’ireo fikambanana miafina izay mifehy ny tany manontolo ny Arcontes. Araka izany, ny mpitondra ara-politika sy ara-toekarena, izay mpikambana ao anatin’ireny vondrona ireny, dia voalaza fa misy fiantraikan’ny Arcontes mivantana na an-kolaka amin’ny fanapahan-keviny, mba hamoronana ny “Lamina Vaovao Maneran-tany.”

Ireo parasita ireo dia miasa amin’ny alalan’ny fangalarana ny angovo avy amin’ny olombelona. Tsy manana hery ara-piainana manokana ny Arcontes, fa manana fandaharan’asa mazava momba ny fanaraha-maso sy ny fanodinkodinana. Ny lainga sy ny tahotra no fitaovana lehibe ampiasainy, ary ny angovo avy amin’ny fihetseham-po ratsy no sakafony.

Ny rafitra "Matrice" dia natao manokana mba hanangonana ny angovo avy amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny asa mafy, ny ady, ny fanandevozana, ny rafitra ara-toekarena, ary ny fivavahana. Na iza na iza manana fahaizana manao ara-tsaina dia afaka mahatsikaritra azy ireo ao amin’ny saha Aurique an’ireo olona voakasik’izany. Mahasarika ny Arcontes ny Vibration ratsy ateraky ny fihetseham-po. Noho izany, dia matetika miroborobo izy ireo ao amin’ireo toerana misy hatezerana, tahotra, fanaintainana, ary alahelo.

Dikan-teny Frantsay👇👇👇

Les Archontes ne peuvent pas agir physiquement dans notre réalité, c'est pourquoi ils nous manipulent de manière indirecte. Depuis l'apparition de l'humanité, ces êtres provenant d'autres dimensions parasitent les humains. Ils sont experts dans la manipulation des pensées et des émotions des individus, des familles, des peuples, des pays et même des civilisations entières.

Ils seraient responsables du fait que l'humanité crée continuellement des conflits et des guerres. Ils seraient également à l'origine de toutes les émotions et actions négatives et aberrantes de l'humanité. Ainsi, ils empêchent les humains d'évoluer spirituellement, de découvrir leur propre nature divine et de se libérer des attaches matérielles et de la peur, qui représentent les principales limitations les retenant dans ce monde illusoire qu'est la réalité matérielle.

Les Archontes se nourrissent et se délectent des énergies émises par les humains lorsqu'ils se trouvent dans des états altérés de conscience causés par des émotions négatives, comme la douleur ou la terreur. Par conséquent, ces entités nous manipulent à leur convenance, comme si nous étions leur bétail.

On associe les Archontes aux sociétés secrètes qui dominent le monde. De cette manière, les élites politiques et économiques appartiennent à ce type de groupes, qui seraient directement influencés, consciemment ou inconsciemment, par les Archontes, contrôlant ainsi toutes leurs décisions pour créer le Nouvel Ordre Mondial.

Ces parasites agissent pour voler notre Ă©nergie. Les Archontes n'ont pas de force vitale propre et suivent leur propre agenda de contrĂ´le et de manipulation. Ils utilisent la tromperie et la peur, et cette Ă©nergie leur sert de nourriture.

Le système de la Matrice a été créé dans le but de récolter l'énergie humaine des masses, à travers le travail excessif, les guerres, l'esclavage, le système économique et les religions. Toute personne dotée de capacités psychiques peut les détecter dans le champ aurique des personnes affectées. Les Archontes sont attirés par les vibrations négatives émanant des émotions. Pour cette raison, il est fréquent d'être contaminé dans des lieux où règnent la colère, la peur, la douleur et la tristesse.

Nigrarum Ovium
Admi Nistrador Nigrarumovium

Extrait des livres :
Entités du bas astral : Les Archontes

Voici encore quelques nouvelles concernant les diverses opérations de destruction de la Cabale/État Profond... Patriotes...
30/12/2024

Voici encore quelques nouvelles concernant les diverses opérations de destruction de la Cabale/État Profond... Patriotes, la tempête est sur nous ! L'Alliance de la Terre mène des actions qui mettront bientôt les corrompus à genoux. Imaginez un monde libéré des griffes des gouvernants de l'ombre, un monde où vérité et justice prévalent. Les bases militaires sont désormais les épicentres de la liberté, prêtes à déchaîner la libération comme jamais auparavant. Les arrestations massives imminentes seront un spectacle de justice, révélant les cœurs sombres de ceux qui ont régné depuis l'ombre. Des noms que vous connaissez, des visages que vous reconnaissez, mis en lumière et traduits en justice sans aucun refuge possible. Restez vigilants, car l'activation de GESARA ne rétablira pas seulement la stabilité financière, mais marquera également la purification de notre société. Le silence des médias ne peut durer ; la vérité explosera, et lorsque cela arrivera, le monde changera de manière irréversible. Soyez forts, car la nouvelle ère de liberté globale est à portée de main !

Le Chevalier de la TempĂŞte

29/12/2024

Manao méditation Fanadiovana an'i Madagasikara isika rehefa aveo @ 9 Ora alina.
Afo Voloparasy, Feu Violet🔥

29/12/2024

Mora manipulena ny Gasy.
Rehefa tsy ny saina no lalaovin'izy ireo dia ny fihetseham-po mba hampidinana Vibration.

Ny fifohana rivotra no tena fomba lehibe indrindra handraisana angovo (inspiration) sy ny famoahana azy (expiration). Io...
29/12/2024

Ny fifohana rivotra no tena fomba lehibe indrindra handraisana angovo (inspiration) sy ny famoahana azy (expiration). Io no endrika ifandraisan'ny sahan'ny angovontsika sy ny habakabaka.

Ity fifanakalozana ity no miantoka fa afaka mandray ny angovo mahavelona (prana) isika. Amin'ny alalan'ny fifohana dia raisintsika ny tsara, ny angovo mahavelona, ary amin'ny famoahana kosa no avoakantsika izay tsy ilaintsika intsony. Isika dia mamahana ny sela ao amin'ny vatantsika amin'ny angovo mahavelona avo lenta izay endriky ny oxygène.
Io no rohy fototra mampifandray ny vatana sy ny saina.

28/12/2024

Iza avy ianareo no maheno ilay mi-vibre kely eo atampon'ny loha (Chakras Couronne) na ilay mangorintsina kely iny matetika!?

RAFITRA FOKONOLONA : JENERALY RATSIMANDRAVANy Rafitra Fokonolona natsangan'i Richard Ratsimandrava tamin'ny fotoan'ny Re...
28/12/2024

RAFITRA FOKONOLONA : JENERALY RATSIMANDRAVA

Ny Rafitra Fokonolona natsangan'i Richard Ratsimandrava tamin'ny fotoan'ny Repoblika II (1972-1975) dia natao hananganana rafitra ifotony miorina amin'ny soatoavin'ny Malagasy teo amin'ny fomba fitantanana sy fiaraha-monina.
Ireto misy ampahany amin'izany:

1. Ny Fototry ny Rafitra: Fokonolona

Fokonolona: Ny fokonolona no ivon'ny rafitra, izay midika fa ny vondrom-piarahamonina eny amin'ny fokontany tsirairay no manana andraikitra lehibe amin'ny fitantanana ny raharaham-piarahamonina. Ny fototry ny rafitra dia ny hoe:

Ny olon-drehetra dia miara-mitantana: Ny vahoaka tsirairay dia manana anjara amin'ny fandinihana sy fanapahana hevitra.

Ny fihavanana sy ny fiaraha-miasa no ifotoran'ny fitantanana.

2. Ny Andraikitra sy ny Asa ao amin'ny Fokonolona

Fitantanana ny harena sy ny loharano: Ny Fokonolona no tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny harena ao amin'ny faritra misy azy (toy ny tany, rano, hazo, sns).

Fitsarana ifotony: Ny olan'ny fokonolona dia voavaha amin'ny fifampidinihana eo an-toerana.
Ny Fokonolona no manao fitsarana, mifototra amin'ny soatoavina sy ny lalĂ n'ny firaisankina.

Fanamafisana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana: Ny fokonolona ihany koa no miantoka ny fandriampahalemana eo amin'ny faritra misy azy amin'ny alalan'ny fiaraha-mientana sy ny fifampifehezana.

3. Ny Firafitry ny Fokonolona

Ny olona rehetra ao amin'ny fokonolona dia mandray anjara amin'ny fivoriana sy ny fanapahan-kevitra.

Misy filoham-pokonolona sy vaomiera voafidy, izay tompon'andraikitra amin'ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra noraisina.

4. Ny Soatoavina Entin'ny Rafitra

Fihavanana: Fanajana sy fifanomezan-tanana eo amin'ny samy olona.

Fampiraisana: Fanorenana fiaraha-monina miorina amin'ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana.

Fahamarinana: Fanajana ny rariny sy ny hitsiny amin'ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra.

5. Fampiharana sy Ny Tanjona

Ny rafitra Fokonolona dia natao hanamafisana ny fahefan'ny vahoaka sy hialana amin'ny rafitra avy any ambony manery avy amin'ny fahefam-panjakana foibe.

Ny tanjona lehibe dia ny hampandrosoana ny vondrom-piarahamonina eny ifotony amin'ny alalan'ny fitantanana tena izy sy ny fampandrosoana maharitra mifototra amin'ny soatoavin'ny Malagasy.

6. Ny Fomba Fijery Vaovao: Demokrasia Ifotony

Ny rafitra Fokonolona dia natsangana hanome lanja ny demokrasia mivantana, izay manome sehatra ho an'ny vahoaka tsirairay avy hanapa-kevitra. Tsy ilay demokrasia mifototra amin'ny safidy amin'ny fifidianana tsotra, fa fiaraha-mitantana mivantana sy fanapahan-kevitra iarahan'ny rehetra.

Niezaka ny hampihena ny elanelana eo amin'ny fahefana foibe sy ny vahoaka eny ifotony i Ratsimandrava tamin'ny alalan'ity rafitra ity.

7. Ny Fitantanana Ara-Toekarena

Ny Fokonolona no tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny toekarena ifotony, izay tafiditra ao anatin'izany ny:

Fanomezana asa: Fokontany tsirairay no miara-misalahy amin'ny famoronana asa ho an'ny mponina ao aminy.

Fitsinjarana harena: Miantoka ny fitsinjarana mitovy sy ny fanohanana ireo marefo ny fokonolona.

Fanajariana tany: Ny fambolena sy ny fiompiana dia fehezin'ny fifanarahana eo amin'ny fokonolona.

8. Ny LalĂ na sy Ny Fitsarana Ifotony

Ny fitsarana ao amin'ny fokonolona dia mifototra amin'ny soatoavina Malagasy, toy ny fifampiresahana sy ny fihavanana, fa tsy mijanona amin'ny lalĂ na an-tsoratra.

Ny olana sy ny fifandirana dia vahaolana amin’ny alalan’ny fifanarahana, izay mifantoka amin’ny famerenana ny fihavanana, fa tsy ny fametrahana sazy mavesatra.

9. Fanabeazana sy Fampiroboroboana ny Kolontsaina

Ny Fokonolona dia mitana andraikitra lehibe amin’ny fanabeazana sy fampianarana miorina amin’ny soatoavina Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny:

Fampianarana momba ny tantara sy ny kolontsaina Malagasy.

Fanohanana ny fomba amam-panao sy ny fomban-drazana.

Famerenana ny teny Malagasy ho ivon’ny fampianarana.

10. Ny Hery Ao Ambadiky ny Rafitra Fokonolona

Ny rafitra dia miorina amin’ny hery telo lehibe:

1. Fihavanana: Firaisankina sy fiaraha-miasa.

2. Firaisankina: Tsy misy misaraka, fa mifanohana.

3. Fitsinjovana ny tombontsoan’ny besinimaro: Atao izay hahasoa ny rehetra fa tsy ny olom-bitsy.

11. Ny Olana Nanjo Ny Rafitra

Na dia nampanantena fampandrosoana miorina amin’ny Malagasy aza ny rafitra, dia nisy ny sakana:

Tsy fahampian’ny fahalalan’ny vahoaka momba ny rafitra.

Fanoheran’ireo tombony azo avy amin’ny fahefana foibe.

Ny fanonganana an’i Ratsimandrava, izay nanapaka ny fahafahana nanohy ny fanatanterahana feno ny rafitra.

12. Ny Fiantraikany sy Ny Tanjona Voatazona

Na dia tsy voapetraka tanteraka aza ny rafitra, dia mbola mitoetra ho ohatra tsara ho an'ny fitantanana ifotony, miorina amin'ny fahendrena Malagasy.

Mbola misy hatrany ny fanomezam-boninahitra ny soatoavin'ny fokonolona amin'ny fananganana rafitra eo amin'ny fiarahamonina ankehitriny.

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hazavana Maneran-tany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share