Erys Raz

Erys Raz Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Erys Raz, News & Media Website, Ankatso, Antananarivo.

18/08/2023

Mbolatsara e

09/08/2023
09/08/2023
🟥MOPERA NISY NITORY FA NANOLANA TENY ATSIMONDRANOMompera iray torian’olona noho ny fanararaotana ara-nofoPretra katolika...
18/10/2022

🟥MOPERA NISY NITORY FA NANOLANA TENY ATSIMONDRANO

Mompera iray torian’olona noho ny fanararaotana ara-nofo

Pretra katolika iray, amina paroasy eny Atsimondrano eny, no voasaringotra amin’ny raharaham-pitsaràna, noho ny fanararaotana ara-nofo.

Zazavavy iray, 17 taona, no mitaraina fa nanamparan’i mompera ny filàny misesisesy tanatin’ny 2 taona maninjitra. Nametraka fitoriana eny amin’ny polisy izy, ny alakamisy lasa teo. Efa vita ny famotorana.

Ankehitriny, mamporisika sy miangavy fatratra ary manakana azy ny fiangonana sy tomponandraikitra sasany any an-tsekoly mba hisintona ny fitoriany. Izy kosa efa tapa-kevitra ary miandry ny fiakaran’ny raharaha eo anivon’ny fampanoavana.

Efa nilaozan’ny rainy io ankizy vavy io. Izy sy ny reniny no miara-mipetraka. Mpamboly ny reniny ary mpanatitra vokatra any amin-dry mompera.

Tamin’izany indrindra no nakàn’i mompera ny laharan’ilay zazavavy. Nanomboka nondangolango. “Ataovy toy ny rain-dry zah”, etsetra etsetra. Natoky sy tafiditra ilay zavavy.

Misy fotoana amin’izay, tratra hariva, tara fodiana ka asain’i mompera matory any aminy. Lasa natetika izany, ka voalaza fa nanararaotra ny ara-nofo niverimberina i mompera, tao anatin’izay 2 taona izay.

Niampy ny fampatokiana, toy ny hoe : “hiala mompera za dia halaiko vady ndry”, sy ny sisa. Voalaza anefa fa, maro ny vehivavy iarahany, hatramina masera.

Tsy voatery ho anaty herisetra vao antsoina ho fanolanana ny fandikan-dalàna fa, ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona, dia midika avy hatrany ho fanolanana.

đź“ť Skispass Atm

Address

Ankatso
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Erys Raz posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Erys Raz:

Videos

Share