Lucas Mendrikiniainä

Lucas Mendrikiniainä Mpanoratra
Mpitoriteny
Mpanao Tantara
🇲🇬🇲🇫🇹🇷🇮🇩🇮🇹🇲🇺

Malala hifarana zao ny taona dia aoka mba bolina amzay no dakana a🤣❤️Tratrin'farany taona daholo 🙏♥️♥️
31/12/2024

Malala hifarana zao ny taona dia aoka mba bolina amzay no dakana a🤣❤️
Tratrin'farany taona daholo 🙏♥️♥️

JESOSY ❤️ ILAY ANARANA TSY MBOLA NANDISO FANANTENANA AHY T@'NY FOTOANA REHETRA NIANTSOKO AZY ARY MBOLA HAMALY AHY FOANA ...
23/12/2024

JESOSY ❤️ ILAY ANARANA TSY MBOLA NANDISO FANANTENANA AHY T@'NY FOTOANA REHETRA NIANTSOKO AZY ARY MBOLA HAMALY AHY FOANA REHEFA HIANTSO AZY AHO 😭🙏

20/12/2024

Manasa anao hizara ity Hafatra ity 🙏🙏🙏

• Raha tsapanao fa malahelo matetika ianao, • Mavasabesatra ny any anaty , • Mila hitomany ary indraindray na dia tsy hi...
19/12/2024

• Raha tsapanao fa malahelo matetika ianao,
• Mavasabesatra ny any anaty ,
• Mila hitomany ary indraindray na dia tsy hitanao misy antony manokana be sy mazava tsara ary ( satria koa efa be loatra no nitranga teo aloha)
• Indraindray ianao te hizara sy te hiresaka amin'olona nefa tsapanao fa na ho aborakao ary ny any anatinao rehetra any mety tsy ho azon'ilay olona akory.
💌 ATOROKO HEVITRA IANAO ary AZOKO ANTOKA FA VAHAOLANA HO ANAO 🙏
Mety angamba tsy dia fanaonao loatra fa :
• hidio ny tranonao
• Mandefasa feon-kira malefaka
• dia manomboha miantso an'i Jesosy🙏
Aza asina protocole be fa antsoy fotsiny izy dia mitenena arak'izay haben'ny ao am-ponao
• hasao IZY hiditra ao @ izay mamparary anao indrindra, hasao IZY hiditra ao @'izay tianao hilamina , Invité -o mihitsy IZY haka toerana misimisy @'ny fiainanao 🙏

Dia hanomboka hatsapa fiadanana ianao 🙏
Fitsaharana 🙏
Hanomboka hi- charge anao @'ny Fitiavany IZY ❤️
Ary hanomboka hamerina ny Joie de vivre anao 🙏

Ny hafatro ho anao ve?
Tena marina fa LEHIBE , AMBONY INDRINDRA, MASINA loatra Andriamanitra,
Fa tsarovy fa DADANAO koa IZY ❤️
Mihevitra anao IZY, ary tsy mba hanamaivana an'izay mety hiantsonao ny anarany 🙏

Aza mangataka harena, na vola be, na voninahitra fa mangataha Fahendrena sy toe-panahy araka an'Andriamanitra tahakan'ny...
11/12/2024

Aza mangataka harena, na vola be, na voninahitra fa mangataha Fahendrena sy toe-panahy araka an'Andriamanitra tahakan'ny Solomona dia hanana Fahasambarana ianao ♥️😘🙏🙏🙏🙏
tahin'Jesosy manokana ianao ♥️
Bonne journée 😘😘

''TIAKO IZY DIA IZAY...'' Tsy hilako dokadoka na teny avy aminao ioFa izy no efa tiako... Tsy hilako fosafosa na tsaho i...
05/12/2024

''TIAKO IZY DIA IZAY...''

Tsy hilako dokadoka na teny avy aminao io
Fa izy no efa tiako...
Tsy hilako fosafosa na tsaho iray vaovao io
Fa izy no niriko...

Tsy hilako tsikotsiko mandatsa ny amin'ny lasany io
Fa izy no efa mamiko...
Tsy hilako risoriso mampitaha azy amin'ny sasany io
Fa izy no mety amiko...

(...)
Fa iny no mahalala ny ratrako ato anaty,
Iny no mahita ny kilemako rehetra...
Iny na haratsiana, ny fitiavany ahy dia ampy
Iny ny ahy tsotsotra, tsy manana ny lenta
(Fa mitia tsy misy fetra...)

Tsy ahoaka izay filazanao na nisy firy sipany
Fa iny ny ahy no tiako sady tokana ato am-poko
Tsy ahoaka izay filazanao na nisy firy ditrany
Fa iny na tsy mendrika vao mainka koa tsy foiko
(Ary fantatro ny hinoako...)

Tsy hilako anao handoka io fa tsapako ny lanjany,
Ny fiainanao jerena fa ny anay aleo ho anay...
Tsy hilako anao hifosa io fa haiko ny fitiavany,
Na lazainao be kilema: ''TIAKO IZY DIA IZAY...''

Tsy mila anao hitsara na koa handrarandrara
Fa...
Voasoratra ho anjara, ny tanjonay izao ALITARA. ❤️🤞

NALA
221123
8:24

''INY VADIKO INY...''Ray o!Iny vadiko iny mba hiangaro kely androanyTantano sy tsimbino n'aiza n'aiza tany ombanyHarovy ...
02/12/2024

''INY VADIKO INY...''

Ray o!
Iny vadiko iny mba hiangaro kely androany
Tantano sy tsimbino n'aiza n'aiza tany ombany
Harovy lalan-dava amin'ny sedra mampanahy
Dia...
Tolory fahendrena amin'izay fakam-panahy...

Ray o!
Iny tokako iny mba hiangaro kely anio
Ianao no hanolotsaina ka hanome ny fo madio
Ataovy tsapany any fa any an-trano izay ilay vadiny
Mandohalika mangina mba hanamaivana ireo adiny...

Ray ô!
Iny vadiko iny mba omeo izay mety ilainy
Ianao no hialoha lalana amin-javatra kasainy
Raha sendra tratra hariva, raha mety re tantano
Dia vatana salama no hiverina ato an-trano...

Ray o!
Tsy sanatria mandidy re fa fotsiny miangavy
Izahay mantsy hangina fa ianao kosa no hiady
Mba fihantana kely no handoalihako eto androany:
''iny vadiko iny mba tahio hatrany hatrany...''

(Fa tiako loatra izy iny...) 🥺❤️

NALA

27/11/2024

Mahaiza misafidy fa tsy manery Andriamanitra🙏🙏♥️♥️

ERREUR NY RAY AMAN-DRENY SASANY 🛑 ☘️Rehefa "anniversaire" dia mahavita manapoaka boatin-drakitra na mitrosa mihintsy aza...
26/11/2024

ERREUR NY RAY AMAN-DRENY SASANY 🛑

☘️Rehefa "anniversaire" dia mahavita manapoaka boatin-drakitra na mitrosa mihintsy aza nohon'ny zanany...

☘️Satria za tsy mba nanana an'izao sy izao dia mba vidiko ity ho an'ny zanako...

☘️Satria za nandalo "epreuves" be dia be dia tsy hampandaloviko izany ny zanako...

👉"Au contraire" tokony hiady mafy izy raha te hihoatra ny "position" misy anao...

👉Hoy koa ny sasany hoe: ny zanako dia tsy maintsy manao dokotera...

☘️Fa maninona kay ny zana-trondro no terenao hiala ao anaty rano...???

➡️Avelao izy hianatra hilomano...

☘️Fa maninona ny voromahery no terenao handeha tongotra...???

➡️Avelao izy hianatra hanidina...

👉Tadidio fa tsy misy zaza zatra toloram-potsiny ka tafita izany...

👉Tsy misy zaza "gâté" be ka nahomby izany...

☘️Ny "petit" rehetra tompoko dia nandalo sedra sy fitsapana vao tonga "Grand"...

☘️Ny voromahery rehefa mampianatra ny zanany dia hampandaloviny "epreuves" maromaro mandra-pahatonga ny zanany hahay hanidina irery...

🔴''TIANAO HIHOATRA ANAO VE NY ZANAKAO''

🍒Am-pianaro izy, tohano izy rehefa mianatra mamindra...

🍒Am-paherezo izy hianatra hahaleo-tena ary am-piofano izy hianatra hitady vola...

🍒Omeo fintana izy tompoko fa aza zarina omena trondro...

👉Tadidio fa ny olona nahomby rehetra dia voatohana na ara-bola na ara-moraly avy amin'ny Ray aman-dReniny...

☘️Ataovy azo antoka hoe: "SOURCE'' ny MOTIVATION ny zanakao ianao...

☘️Am-pianaro izy handeha irery, am-pianaro izy hahaleo tena...

➡️Encourageo izy amin'izay dingana rehetra vitany fa aza dia arahana lôtra ny sitrapony...

👉Tohano araka izay tratranao izy fa tsy hoe hifaninana amin'ny ataony hafa na hifaninana amin'ny zanaky ny hafa...

➡️Tohano ara-moraly na tohano am-bavaka raha tsy manana moyen...

↪️Fadio ny mam-panantena volana sy kintana, ary aza am-panantenaina lova ny zaza fa manimba azy...

Malala Navabadiko hozy ny hiran'Ceasar , satria enao toa tsara , ❤️Tiko tena tiko , hatrany ambony abany dia aleo  alain...
23/11/2024

Malala
Navabadiko hozy ny hiran'Ceasar , satria enao toa tsara , ❤️
Tiko tena tiko , hatrany ambony abany dia aleo alaina mamy😋
Botabotakely mampiherika ny maro sy mampitolagaga fa toa mahasaropiaro, ny mobanao rehetra 🤗
Nanjary lasa mandina ilay molotro nitsetra 🤤
Noho ilay orokao💋
Dia tiako ra haharitra ny eo anilanao , 🙈..
Lucas Mendrikiniainä

21/11/2024

Tantara Kely
Abonnez vous 🙏🙏

TantaraReny ianao reny taloha? Nangarika sady nandroraMinia tsy mahafantatra akory na aza efa mila hifandona!Reny ianao ...
17/11/2024

Tantara

Reny ianao reny taloha? Nangarika sady nandrora
Minia tsy mahafantatra akory na aza efa mila hifandona!
Reny ianao reny taloha? Tsy namaly raha sendra arabaina
Minia manambany ahy tanteraka raha sendra mba najahajaina.
Saingy... nivadika izao ny tantara
Dia hoe fa maninona tsara a?
F'izaho tsy miavona zany e, izaho koa tsy hangarika anao
Arabaiko matetika foana ary hitsikiako sahala amin'izao.
F'angaha moa dia hanana foana e?
Manantena tsy ho tratran'ny aloka a?
Ny ahy ho'aho resahako foana
No sady hiverenako tampoka e!
Hitsikiako sahalan'izao
Na inona zavatra misy? Arabaiko matetika ianao e!

Lucas Mendrikiniainä

09/11/2024

Ra te ho sambatra ianao dia miaraha mandeha miaraka main'Andriamanitra 🙏♥️

Saranga Nihezaka nanoratra fa toa tsy nisy varany;Nataonao maivan-danja sy toa tsy nizy saranyny zavatra rehetra , dia n...
09/11/2024

Saranga
Nihezaka nanoratra fa toa tsy nisy varany;
Nataonao maivan-danja sy toa tsy nizy sarany
ny zavatra rehetra , dia nilofika ny farany;
Izaho mba nanantena ilay hoe mandrakizay
izay naverinao matetika , toa tsy nisy fitaka
ny teninao rehetra mbamin'ny fihetsika ;
Mantsy toa samy hafa ny fidoboky ny fo
Nenao toa miovava , safidin'dray sy reny
noho nameno tao an'doha ;
Ilay hoe zay zanaky ny tsy afaka , dia tsy mendrika ho tiavina , satria tsy tonga lafatra Tsy manana ny lenta noho sady tsy mianjaika,
malotolo kely tsy mba hoe mangirana
Resaka saranga io ka sode hanahirana ;
Eny ee , mafy fa ekena
Dia aza manamarin-tena fa misaotra dia efa ampy;
rehefa hoe tsy anjara dia mazaka sy matanty , izay safidinao ;
F'izao no diso lalana niantsampy taminao ,
Ka mirary soa ho anao

Lucas Mendrikiniainä

02/11/2024

Matio 28:19
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
fans

31/10/2024

Saropiaro ♥️
Lucas Mendrikiniainä

Address

67
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lucas Mendrikiniainä posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share