Mistery

Mistery Ity pejy ity dia sehatra iray fiaraha-miasan'ny mpanoratra sombin-tantara maromaro.
(2)

Natao indrindra hizaràna ireo Mistery hita amin'ny trangam-piaraha-monina, tantara tena nisy ary boky malagasy.

Mba atoroy fobafomba mapanan-karena any hono ity sipanareo ity. 🥲
27/01/2025

Mba atoroy fobafomba mapanan-karena any hono ity sipanareo ity. 🥲

F E P E T R A 🔞 I Lanto no anarako, fianakaviana maro anaka no nisy ahy, ary zanak'olona sahirana izahay. 7 mianadahy no...
25/01/2025

F E P E T R A 🔞

I Lanto no anarako, fianakaviana maro anaka no nisy ahy, ary zanak'olona sahirana izahay. 7 mianadahy no zanak'i dada sy neny ka izay mahay mitsakaraka na feno taona dia voatery mitady vola. Maro karazana ihany ny asa efa nataoko noho izany, nanomboka tamin’izaho 17 taona. Efa avy mpiasa an-trano, mpitaiza zaza, "serveuse", sy ny sisa fa tamin’ny faha 19 taonako aho no nanana olon-tiana volohany izay nanova ny fiainako. Lahy antitra izy io, teo amin’ny 54 taona teo, manambola be izy ary tena tia mankafy fiainana.

NB : Tsy azo adika raha tsy nahazoana alàlana.

Rahariva e 😂Mbola tsy azo ilay kaonty ho an'izay manontany vaovao 😌
25/01/2025

Rahariva e 😂
Mbola tsy azo ilay kaonty ho an'izay manontany vaovao 😌

Hafatra maika ‼️Hilazana ireo ekipan'ny pejy rehetra fa tsy afaka mifampiresaka amin'ilay kaonty mahazatra iny isika fa ...
24/01/2025

Hafatra maika ‼️

Hilazana ireo ekipan'ny pejy rehetra fa tsy afaka mifampiresaka amin'ilay kaonty mahazatra iny isika fa nisy ni-pirate tamin'ny maraina ilay izy ka mbola tsy tafaverina hatreto.

Ho antsika mpanaraka, ialàna tsiny ny mety ho fanelingelenana sy izay mety fikorontanana vokatr'izany satria dia ilay kaonty mitondra ny pejy (contrôle total) io nisy nigafy io.

Andalam-pikarohana ny vahaolana izahay amin'izao fotoana.

Mistery

Ohatran'ny tsy mino aho, tsy haiko 🥲
22/01/2025

Ohatran'ny tsy mino aho, tsy haiko 🥲

Teny Ambohimanga rova aho androany, niveri-maina fa lany Mistery ny taniko 😔 voahota fady ny ankamaroan'ny tanintsika ka...
21/01/2025

Teny Ambohimanga rova aho androany, niveri-maina fa lany Mistery ny taniko 😔 voahota fady ny ankamaroan'ny tanintsika ka very ny hasiny... sa ve diso izany lazaiko izany ? Indrisy.

F A N A N OHitantara mistery mahakasika ny Fanano aho, niseho tamin’ny taona 2014. Karazam-bibilava manan-kasina izay sa...
18/01/2025

F A N A N O

Hitantara mistery mahakasika ny Fanano aho, niseho tamin’ny taona 2014. Karazam-bibilava manan-kasina izay saika nahafaty namana iray tamin’izany fotoana izany. Tao Fianarantsoa no nitrangan’ity toe-javatra ity. Tsy hotononiko ny anaran’olona, fa ho an’ireo namako nanatri-maso tamin’izany fotoana izany, mino aho fa mety mbola mahatadidy tsara ity tantara ity ianareo.

NB : Tsy azo adika raha tsy nahazoana alàlana.

18/01/2025

Hitantara mistery mahakasika ny Fanano aho, niseho tamin’ny taona 2014. Karazam-bibilava manan-kasina izay saika nahafaty namana iray tamin’izany fotoana izany. Rahariva ny fotoantsika 👋

16/01/2025

Mistery #3
Salama tompoko, mba atao anonyme, azafady.

Saika hanontany hevitr’olona aho momba ity tantaraiko ity. Tsy lavabe akory, fa mba te-hangataka torohevitra aho hoe ahoana no tokony hataoko amin’ilay mpanampiko ato. Mpanampy vavy izy, kilasy mandry, avy any amin’ny faritra. Vao 1 volana sy tapany izay izy no niasa tato amiko.

Indray alina, tamin’ny 10 ora sasany alina tany, mbola nijery finday aho tao amin’ny efitra fatoriana no henoko nisy olona mitabataba be, ilay mpanampy matory tao amin’ny efitra ambadika. Nijanona ilay tabataba rehefa nihainhaino teo aho, dia tsy niraika aloha. Nony taty aoriana, niverina nanorakoraka be indray ilay izy dia niditra tao aho, nampirehitra ny jiro, dia hitako izy mbola miorakoraka toy ireny manofy ratsy ireny. Ny masony misokatra mivandravandra, sady feno rora be ny vavany. Natsoiko tamin'ny anarany mba hamohazako azy fa tsy nifoha, dia nokitihiko izay vao taitra. Taitra izy fa nivadika fotsiny, mbola tsy niresaka. Natsoiko indray ny anarany, dia tamin’izay izy vao tena nifoha. Nanonofy ratsy ve ianao ? hoy aho taminy. Dia namaly izy hoe "Ieny", ary niverina natory.

Ny maraina, nanotaniako izy :
— "Fa nanofy inona ho'aho ianao?"
Dia hoy izy hoe :
— Nisy lehilahy niditra teo am-baravaran’ilay efitra, lehilahy tsy fantatro. Nanatona ahy izy, ary hitako fa manana hevi-dratsy. Nampitandremako ilay lehilahy hoe raha mbola manatona ianao, dia hiantso vonjeo aho satria misy olona ao amin’ny efitra ambadika.

Nilaza anefa izy fa ilay lehilahy nanatona ihany, ary toy ny hoe te hamono azy hono. Tamin’izay izy no niantso vonjeo, nanohitra, ary rehefa nofohaziko, hoy izy, no hitany nivoaka ilay lehilahy.

Taty aoriana anefa, henoko izy niantso tamin'ny finday. Nitantara tamin’olona izy hoe niditra tao indray ilay olona alina. Tezitra aho dia nanotany azy :
— Henoko ny resakao tamin’ny finday teo. Fa angaha fantatrao ilay olona nofisinao?
Tamin’izay, notantarainy tamiko ny zava-nitranga. Nilaza izy fa tsy vao voalohany no nisehoan’izao, fa efa niseho tany amin’ny faritra. Efa in-efatra hono izany no nitranga.
— Efa ela tsy nisehoan’izy ireny tamiko, hoy izy, fa tamin’ny farany dia efa nametrahan-tanana mpiandry aho, dia tsy nisy tsony avy eo. Fa izao niverina izao indray.

Lehilahy samihafa foana hono no hitany. Tamin’ny voalohany, nisy lehilahy nanakenda azy, efa saika sempotra izy. Kanefa, hoy izy, ny havany nahita azy tamin’izay fotoana izay, dia gaga satria toa izy ihany hono no manakenda ny tenany sy mamono ny tenany. Toy izany koa hono no nitranga tao an-tranonay. Nisy dian-kaikitra teo amin’ny tanany, ka nilazany hoe nokakerin’ilay lehilahy. Kanefa, izy ihany hono no nanaikitra ny tenany. Efa nisy fotoana koa hono izy nanofy hoe nosemporin’ilay lehilahy tao anaty ranomasina.

Ka izao no fanontaniako :
Inona no mety mahazo azy? Manofy ratsy fotsiny ve izy? Misy devoly ve? Tromba ve? Sa mety ho aretin-tsaina? Hoentiko aiza izy amin’izao?

Mba mila valiny aho satria ilay zanako mantsy matory ao amin’ilay efitra misy azy ao koa. Misaotra tompoko.

O D Y   G A S Y Ity tantara hosoratako ity dia somary lava ka mangataka anareo aho mba anam-paharetana, hotantaraiko ny ...
11/01/2025

O D Y G A S Y

Ity tantara hosoratako ity dia somary lava ka mangataka anareo aho mba anam-paharetana, hotantaraiko ny zavatra niainako sy ny fianakaviako nandritra ny 13 taona teo ho eo. Hitantarako izany hoe filalaovana ody, sompatra ary fialonana ataon'olona izany.

NB : Tsy azo adika raha tsy nahazoana alàlana.

10/01/2025

O D Y G A S Y

Mbola betsaka ny faritra mampiasa azy eto Madagasikara, ao ny mitsabo sy manampy fa mbola betsaka koa ireo mampiasa azy entina amorika olona. Rahampitso amin'ny ora mahazatra ny fotoanantsika 👋

‼️M P A M O S A V Y‼️Mangataka fiaraha-mientana amintsika mpanaraka rehetra fa dia misy sahy migoka ny atsembohan'ny ten...
09/01/2025

‼️M P A M O S A V Y‼️

Mangataka fiaraha-mientana amintsika mpanaraka rehetra fa dia misy sahy migoka ny atsembohan'ny tenanay ato. Tsy tahotra, tsy henatra fa dia alainy ny sary, ny tantara ny endriky ny pejy manontolo ahazoany mpanaraka. Tsy haiko koa na entiny hisolokiana koa aza satria dia laharan'ny pejy sy adiresy malaiky ny pejy no apetrany ao.

Mampalahelo ihany hoe heritsain'ny tena no viravirain'olona tahak'izao, tsy misy fampilazana, tsy misy fangatahana fa bodongerona tsotr'izao.

Raha hitanao ito ry mpamosavy dia esory ireo zavatra ataonao ireo mba tsy hitaran'ny fifanenjehana eto.

150K ✨Mankasitraka foana ❤
06/01/2025

150K ✨Mankasitraka foana ❤

R O R AIzy ity dia tantara nianako tamin’ny taona 2012 izay mbola tsy afaka an-tsaiko mandrak’ankehitriny. 18 taona aho ...
04/01/2025

R O R A

Izy ity dia tantara nianako tamin’ny taona 2012 izay mbola tsy afaka an-tsaiko mandrak’ankehitriny. 18 taona aho tamin’izany fotoana izany ary kilasy famaranana. Olona anisan'ny manana ny maha-izy azy ireo Ray aman-dreniko ka azoko daholo izay nangatahiko noho izany, izaho rahateo no faravavin'izy mivady.

NB : Tsy azo adika raha tsy nahazoana alàlana.

03/01/2025

⛔️⛔️AZA ANORATANA NY COMMENTAIRE NA EFA VITA AZA NY TANTARA, LASA SAHIRANA IREO MAMAKY ATY AORIANA NO SADY MAMPIKOROTANA NY FILAHARAN'NY TANTARA. AO AMIN'NY RÉPONDRE FOANA MIANTSO OLONA HAMAKY NA HANEHO HEVITRA. BLOQUÉ(E) IZAY MBOLA MANDIKA IZANY.MISAOTRA INDRINDRA‼️

R O R A : tantara rahampitso amin'ny ora mahazatra, fadio dia fadio ny mandrora olona sao ampidi-doza. 👋

✨ TRATRY NY TAONA 2025  ✨Enga anie ity 2025 ity hitondra fiadanana, fahombiazana, fahasoavana ary zava-tsoa tsy takatry ...
01/01/2025

✨ TRATRY NY TAONA 2025 ✨

Enga anie ity 2025 ity hitondra fiadanana, fahombiazana, fahasoavana ary zava-tsoa tsy takatry ny saina amin’ny fiainanao. Ny zavatra tsara indrindra dia manomboka amin’ny nofinofy, faniriana sy finoana. Ka aza milavo lefona fa tohizo ny ezaka efa natomboka, aza mijanona manonofy ary araho finoana fa tsy maintsy tratra ny tanjona, izay atao an-tsaina !

Koa dia arahabaina àry nahatratra ny taona vaovao, mirary ny soa sy ny tsara indrindra ary mirosoa mankany amin’ny ho avy mamiratra !

Mistery

2 0 3Nanomboka tamin’ny taon-dasa no narary ny zokiko vavy ka niditra hopitaly foana izy, nitety karazan'hopitaly izahay...
28/12/2024

2 0 3

Nanomboka tamin’ny taon-dasa no narary ny zokiko vavy ka niditra hopitaly foana izy, nitety karazan'hopitaly izahay noho izany. Efa nihatsara ihany ny fahasalamany tamin’ny voalohan’ity taona ity saingy niverina narary indray, iray volana lasa izay, ka dia voatery nahiditra hopitaly tany an-drenivohitra. Tany indrindra no nitrangan’ity tantara ity, tsy nampino ahy aloha fa izany hoe zava-nisy niainana ka hozaraiko aminareo.

NB : Tsy azo adika raha tsy nahazoana alàlana.

27/12/2024

Maneho fialan-tsiny aminareo mbola tsy naharaka ilay tantara fa tsy maintsy nofafana izy iny noho ny antony manokana. Mety mbola hiverina eto ihany angamba rehefa milamina ny toe-draharaha.

2 0 3, tantara arahinareo rahampitso amin'ny ora mahazatra. Mahatoky ny fahendrenareo tavela satria efa nodiovina ny pejy. Izay vao afaka ny foko 😌 👋

Address

Antananarivo

Telephone

+261381020010

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mistery posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mistery:

Videos

Share