06/02/2024
FANAMBOARANA YAOURT avy @ Vovon-dronono
----------------------
🔴 Ny Zavatra ilaina :
🔹Rano 1 litra
🔹Vovon-dronono 10 sotro feno tsara na 200g.
🔹Siramamy 5 sotro na 100g
🔹Yaourt (larony) pot kely 1 dia ampy
NB: Yaourt maison ihany no atao larony fa ny Yaourt vita amin'ny oronasa, ireny tsy mety.
🔴 Fanatanterahana azy:
Afangaro ny rano + vovon-dronono + siramamy
Apangotrahana
haroharoina tsy an-kijanona satria mora mipetaka sy may ao ambany ny ronono vita avy amin'ny vovon-dronono.
Rehefa mangotraka dia esorina avy eo amin'ny afo, dia ajoboka ao anaty cuvette misy rano mangatsiaka ny vilany misy an'ilay ronono mafana.
Haroharoina mandra-pangatsiaka azy
Ny antony izy apantsiahana fa tsy avela hangatsiaka ho azy : Mba tsy hisaraka hitsikafona eny ambony ny taviny fa hifangaro tsara ao anatiny ronono. -> Manome effet hoatrany double crème izany.
Rehefa mangatsiatsiaka ilay ronono (tsy mangatsiaka loatra nefa tsy mafana loatra ihany koa fa tahaka ny température ny ankizy voany tazo... hihi) dia arotsaka ny larony.
tandremo, raha ohatra ka mafana loatra ny ronono dia lasa mitera-drano ny yaourt nao. Raha ohatra ka mangatsiaka loatra ny ronono dia sarotra mandry ny ronono.
Rehefa narotrsaka ny larony ka nafangaro tsara dia zara-zaraina ao anaty pot, dia alahatra anaty carton na glacière dia fenoina sy fonosina lamba matevina be dia be. Dia avela ao amin'ny toerana mafanafana.
Adiny 2 sy sasany any amin'ny tany mafana
Adiny 3 ka hatramin'ny adiny 4 any amin'ny tany mangatsiaka izay dia vita. Dia alefa ao amin'ny vata fapangatsiahana.
✍Mba asivo commentaire kely na dia teboka fotsiny aza.
✍️ MahatsMahatsara Avenir