M. Augustin Andriamananoro

M. Augustin Andriamananoro Honorable Augustin ANDRIAMANANORO, Vice Président de l'Assemblée Nationale

Hoy ny filoha Andry Rajoelina " Samy manana ny iraka masina nanirahana azy ny tsirairay. Fahaizana mihaino ny feon'ny fi...
16/11/2024

Hoy ny filoha Andry Rajoelina " Samy manana ny iraka masina nanirahana azy ny tsirairay.
Fahaizana mihaino ny feon'ny fieritreretan'ny tena izay mifantsika lalina ao am-po no hahalalana hoe inona ny iraka tokony ho tanterahiko ary inona ny andraikitra tokony ho sahaniko.

Fo madio feno fitiavana hatrany no mibaiko ny asa rehetra. Tanterahana anaty finoana feno ny asa. Sahy manapakevitra sy mandray ny andraikitra ilaina rehetra voafaritra ny tanjona. Ary indrindra indrindra, mankasitraka amin'izay vita sy izay mbola kinasa rehetra. Satria ny faniriana amin'ny fo madio dia mipetraka eo ampelantanan'Andriamanitra ka manaraka ny sitrany hatrany. "
Mankasitraka an'i PREM RAWAT amin'ny fizarany ireo soa toavina ireo amin'ny tanora Malagasy.

FAHATSIAROVANA NY FITSAHARAN'NY ADY LEHIBE VOALOHANY MIARAMILA MALAGASY LAVO 17 NOMEM-BONINAHITRA👉 Tsaroana isan-taona n...
12/11/2024

FAHATSIAROVANA NY FITSAHARAN'NY ADY LEHIBE VOALOHANY
MIARAMILA MALAGASY LAVO 17 NOMEM-BONINAHITRA

👉 Tsaroana isan-taona ny datin'ny 11 novambra 1918 nifaranan'ny ady lehibe voalohany tany Eoropa izay nandraisan'ireo miaramila malagasy anjara.ka Tontosa anio alatsinainy 11 novembre 2024 ny fanomezam-boninahitra ireo mahery fo teny amin'ny tsangambato Anjely mainty Anosy . Anisan’ny notsongaina sy notononina ny anaran’ireo Miaramila malagasy lavo teo am-perinasa nandritra ny taona 2024, izay nahatratra 17.
👉Nanatrika ny fotoam-pahatsiarovana ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin Minisitry ny Foloalindahy izay notronin'ireo Tompon'andraikitra ambony anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ny Etamazaoro, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena,ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Atoa Augustin Andriamananoro ,ny Ambasadaoro Frantsay🇲🇫 Arnaud Guillois sy ireo tompon'andraikitry ny Fiarovana Frantsay miasa eto Madagasikara.
👉Nisy ny fanolorana fehezam-boninkazo fahatsiarovana ireo namoy ny ainy ary ny fanolorana mari-boninahitra sy medaly Frantsay🎖️ fankasitrahana noho ny firindran'ny fiaraha miasa ara-tafika eo amin'i Frantsa sy Madagasikara.
👉Raha tsiahivana dia nisy 34 000 ireo Malagasy mpiady nandray anjara tamin'ny ady lehibe voalohany, ary 2500 ny isan’ireo namoy ny ainy nandritra ny ady, araka ny lahatenin’ny Ambasadaoro frantsay nandritra ny lanonana teny Ivandry taorian’ny teny Anosy.

✅️FITOKANANA  NY LAPAN'NY FITSARANA SY NY FONJA HO AN'AVARADRANO.✅Notanterahina androany 15 octobre 2024 tetsy Avaradran...
15/10/2024

✅️FITOKANANA NY LAPAN'NY FITSARANA SY NY FONJA HO AN'AVARADRANO.
✅Notanterahina androany 15 octobre 2024 tetsy Avaradrano ny fitokanana ny Lapan'ny Fitsarana Avaradrano sy ny fonja.
✅Tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny Filohan'ny Repoblika Malagasy notronin'ireo olomanan-kaja maro ka anisan'izany ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Atoa Augustin Andriamananoro .

Tsy misy ny fokontany adino miaraka amin'ny kandida Augustin Andriamananoro laharana faha-4 ao Tana I. Fifaliahana, Fiti...
21/05/2024

Tsy misy ny fokontany adino miaraka amin'ny kandida Augustin Andriamananoro laharana faha-4 ao Tana I. Fifaliahana, Fitiavana ary Firaisankina no nihainana teny La Reunion Kely, Antetezanafovoany I, Ambalavao Isotry, Isoraka Ampatsakana


Nitsidika ny IPF RAKETAMANGA teto Antsirabe izay sady harembakoka no ivon-toerana fampirantiana ny tontolon'ny Mozea iza...
28/01/2024

Nitsidika ny IPF RAKETAMANGA teto Antsirabe izay sady harembakoka no ivon-toerana fampirantiana ny tontolon'ny Mozea izay manasongadina ny fizaka-manana ara-tsaina ( droit de propriété intellectuelle).
natsangana sady tantanan-dRamatoa Raketamanga ny tenako.
Mahaliana tokoa àry ny fampirantiana ataony eto.Sady fampianarana ho an'ny tanora manovo fahalalana no ahitana taratra ny fikajiana ny harembakoka ity toerana manan-danja eto Vakinankaratra ity.
Manana adidy araka izany ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina izay mpiahy ny kanto sy ny harembakoka hanao ny ezaka hiarovana ny zon'ny mpamorona indrindra ny mpanakanto.

🥰 Misaotra anareo rehetra am-pitiavana, t@ fiarahabana sy hafatra nozarainareo, noho ny tsingerin-taona faha 30 ny fanam...
08/01/2024

🥰 Misaotra anareo rehetra am-pitiavana, t@ fiarahabana sy hafatra nozarainareo, noho ny tsingerin-taona faha 30 ny fanambadianay 🎁🌻🙏. Tsy ho voavaly tsirairay Tompoko fa Andriamanitra anie hamaly fitia aminareo, ary dia ho tratry ny 30 🎁 ❤️ manaraka indray.

Nisy resaka mapme be teto😂😂. Soraty ao @ commentaire izay mahafantatra 😜✌️
04/10/2023

Nisy resaka mapme be teto😂😂. Soraty ao @ commentaire izay mahafantatra 😜✌️

TAFATAFA iarahantsika @ Filoha Andry Rajoelina, anio hariva @ 8h00 izay arahinao mivantana @ Pejy Facebook SEM Andry Raj...
01/10/2023

TAFATAFA iarahantsika @ Filoha Andry Rajoelina, anio hariva @ 8h00 izay arahinao mivantana @ Pejy Facebook SEM Andry Rajoelina sy ireo Radio sy Fahita lavitra 📺 tsy miankina manerana ny Nosy☘️. Koa Faly manasa anao hanaraka izany am-pitiavana.
🇲🇬 MADAGASIKARA TSY MAINTSY MANDROSO.

30/11/2022
28/11/2022

Address

Lot CF99 Faliarivo/Royal Park Residence
Ampitatafika
102

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when M. Augustin Andriamananoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to M. Augustin Andriamananoro:

Share


Other Digital creator in Ampitatafika

Show All