Luc le poeta kely

Luc le poeta kely Tononkalo no mba namako
Izarako ny hafaliko sy ny fahoriko
Contact: 0345673713

....Teo foana izy.....Teo foana kay izy  teo foana izy nanoro sy nampianatraTsy nitsahatra na aza fotsy rora nananatra  ...
16/05/2024

....Teo foana izy.....

Teo foana kay izy
teo foana izy nanoro sy nampianatra
Tsy nitsahatra na aza fotsy rora nananatra
teo foana izy nanoro ahy tamin'ny lalana marina
Raha sendra lavo aho dia izy no nampiarina
Teo foana izy na dia indraindray aza aho maditra
Dia nomporofoiny fa ny fitiavany ahy tsy ho ritra
Rehefa indraindray aho mitady ho kivy
Teo foana izy nampitraka sy nampahery ahy
Izy irery no fitarainako rehefa malahelo aho
Izy no namafa ny ranomasoko rehefa iny ka sendra tomany
Izy, tena izy irery ihany,Izy irery no nahavita an'izany
Rehefa iny aho rerakin'ny asa
Dia izy no manambitamby sy manafosafo
Teo foana izy, eny tena teo foana izy mba ho ahy
Hoy izy tamiko hoe: Aza manana ahiahy ry zanako
Fa izaho eto foana ho anao
Tsy ho adiniko ireny vitanao ireny
ka avelao aho mba hiteny
Hoe: Tiako ianao ry neny💖

Ho an'i Neny

Arao ny pejy
LLuc le poeta kelylLuc le poeta kelypLuc le poeta kelykLuc le poeta kelysvp

Ialana tsiny amin'ny tsipelina diso

.....NGOMA ANAO.....Rehefa tsy eo anilanao ry tiana Dia mahatsiaro manginaMahatsiaro lasa man'ireryMitady ho very jeryTs...
08/05/2024

.....NGOMA ANAO.....

Rehefa tsy eo anilanao ry tiana
Dia mahatsiaro mangina
Mahatsiaro lasa man'irery
Mitady ho very jery

Tsy aiko ianao any raha mba toa ahy
Hoe manana ahiahy
sao omenao ny hafa ilay toerana
Satria ny fitiavako anao tsy aiko ferana

Raha ny fitiavako anao tsisy fetra
Satria ianao no mpanjakan'ny foko
Ka izay mombanao rehetra
Dia ho tehiriziko ato am- poko

Lasa namako indray izao
Ny taratasy sy ny penina
Fa mba mahareta kely ianao
Fa izaho tsy maintsy mbola hiverina

Arao ny pejy svp😻
LLuc le poeta kelylLuc le poeta kelypLuc le poeta kelykLuc le poeta kely
Ialana tsiny amin'ny tsipelina diso

......IANAO IRERY.....Marina fa misy ny adiadyFa tsy natao handrava ilay voadyIlay voadin- tsika roa Hoe fitia ho lamban...
04/05/2024

......IANAO IRERY.....

Marina fa misy ny adiady
Fa tsy natao handrava ilay voady
Ilay voadin- tsika roa
Hoe fitia ho lamban'akoho
Satria efa ianao irery
Ianao ilay anjara tsy ho very
Mbola ianao irery no topo toerana
Satria ny fitiavako anao tsy aiko ferana
Ka aza manana ahiahy akory
Fa ny ankoatranao efa tsy ilaiko intsony
Dia mba aok'izay ilay fahasarotam-piaro
Fa efa ianao no safidiko tao anatin'ny maro
Dia mba mahareta kely fa vao mikatsaka ny soa
Hanomanako ny ho avintsika roa
Mbola ho avy ny andro ampiakarako anao eo amin'ny alitara
Dia tsy ho ampijaliko fa ataoko tsara karakara
Satria hiaraka amiko hanorina fianam-baovao
Dia ho mamy foana ny fiarahantsika sy ianao
Ka vonona aho ny anao voady
Fa ho ataoko fato maty ilay tady
Ny vehivavy amanam-pitrisa
Fa ny maha solo anao tsy misy

Luc le poeta kely
Arao ny pejy svp

Ialana tsiny amin'ny tsipelina diso
Misaotra indrindra

28/04/2024

Arao ny pejy Luc le poeta kely
Raha toa ka liana amin'ny resaka tononkalo ianao

Tononkalo no mba namako
Izarako ny hafaliko sy ny fahoriko
Contact: 0345673713

....MIANGAVY....Nafeniko tao anaty tsikyIlay alahelo tao anatiko taoRehefa iny aho ka mihaino mozikaDia mahatsiaro anaoE...
25/04/2024

....MIANGAVY....

Nafeniko tao anaty tsiky
Ilay alahelo tao anatiko tao
Rehefa iny aho ka mihaino mozika
Dia mahatsiaro anao

Eny e! Efa fantatrao
Fa fotsiny tsy tsapanao
Fa toa ataonao kilalao
Kanefa ny foko tena babonao

Babonao tanteraka
Mantsy raha ny tiako
Ianao no ho tolorako ilay peratra
Izay no mba faniriko

Ianao milaza fa manan- tompo
Dia lazainao fa fitia fitserana
Kanefa ilay fitia ato am- poko
Dia tena tsy aiko ferana

Tena miangavy aminao aho
Raiso ny tanako raha azo atao
Dia ny amintsika roa
Tsy atao lamban'akoha
Fa ataotsika fatomaty
Hatrany paradisa fa tsy hoe mandramaty

Luc le poeta kely
Arao ny pejy
Mankasitraka tompoko

Ialana tsiny amin'ny tsipelina diso

.....Fitiavana mamy......Iriko ho toy izao foana Ny fifankatiavan- tsika roaFitia tsy vasokin'ny taonaFa mba ho lamban'a...
22/04/2024

.....Fitiavana mamy......

Iriko ho toy izao foana
Ny fifankatiavan- tsika roa
Fitia tsy vasokin'ny taona
Fa mba ho lamban'akoho

Izaho hivadika aminao izany sanatria
Satria taminao ry malala
No nahaizako nitia
Ka izay no mahatonga ahy lasa adala

Ilay masonao baribary
Maha babo fanahy
Ilay saokanao boribory
Maha te hanaikitra ahy

Izany ka tena hoe mamy
Ilay fitiavan- tsika
Ary miha mitombo hatrany
Fa tsy mba mety ho ritra

Tiako ianao izay no maha laza azy
Ka sanatria raha ho vazivazy
Ianao no ataoko mariazy
Mba ho vady andefomandry

Faniriso Tanyah

Ialana tsiny amin'ny tsipelina diso tompoko
Afaka mandefa hafatra miafina izay hangataka na hampanoratra tononkalo

Arao ny pejy
Luc le poeta kely
Misaotra tompoko

Raha mbola eto antanyTsisy mahasolo anao izanyEny, na ho tsiky na ho tomanyFa tiaka ianao irery ihanArao ny pejy svp    ...
21/04/2024

Raha mbola eto antany
Tsisy mahasolo anao izany
Eny, na ho tsiky na ho tomany
Fa tiaka ianao irery ihan

Arao ny pejy svp

Mankasitraka tompoko

This version of Facebook uses less data and works in all network conditions.

SAO HO TARA LOATRAEfa ho erinandro izay Erinandro izy no tsy nahita torySatria ny sainy misavorivoryErinandro izy no tsy...
18/04/2024

SAO HO TARA LOATRA

Efa ho erinandro izay
Erinandro izy no tsy nahita tory
Satria ny sainy misavorivory
Erinandro izy no tsy nahinam-bary
Fa manotany foana hoe:
Tena vitanao tokoa ve no nanary
Ary mbola tsy mino ny sainy atramin'izao
Ireny zavatra niarahanareo ireny izany dia toy ny hoe: "Kilalao"
Tsisy tohiny intsony fa sary indray mipika ihany
Atao anatra ho an'ny taranaka rehefa any aoriana any
Ny zavatra lazainy isan'andro lava izao
Hoe: Miangavy miverena re!!raha mba azo atao
Izay no anatonako anao
Tena maharary ny fony ao
Andao jerena ihany dieny mbola velon'aina izy
Sao rehefa tara loatra vao hidradradra enao hitomany sy hikiaka enao hilaza hoe:
Tahak'izay ihany
Ao mo mba miverena e!! aza mbola mandeha
Mijanona mo e!! Mbola tiako anie ianao e!!
Saingy indrisy mantsy fa efa tara
Satria efa matory izy ary tsy hifoha intsony
Hamela anao malalaka tsisy hanelingelina intsony
Ary hiova ny tontolony manomboka eo
Hanampy isa ireo kitana eny ambony
Ary tsy ho hitan'ny masonao intsony
Amin'izay fotoana izay aho vao hilaza ny hafany ilay nolazainy tamiko hoe:
Rehefa ka ho lasan- ko razana aho
Dia raha tonga mamangy na miary tory ilay tiako
Dia mba hilazao izy fa mbola tiko
Raha mba tia azy ihany koa hono enao
Dia mba ventsoy ilay hiran'i speidee tsy mila hafa
Ary ilay Rootsikalo tsy tandrify
Ary raha sendra ka misy alaelo ao aminy dia asaivo mipetraka eo andohako eo izy fa hilaza aminy aho hoe:
Mbola tiko ary tsy hanadino azy aho
Izay dia mangina fa aza tomany
Veloma vetivety fa mbola hiaona any amparadisa isika indray andro any💘💔😞

LucLuc le poeta kely Luc le poeta kelyeLuc le poeta kelylLuc le poeta kelyao ny pejy
Misaotra indrindra tompoko💜

Lahatra fa tsy ankasoRehefa tonga ilay andro irayTsy maintsy andehanako any amin'ny mandrakizayDia eo no hafataran'ny ol...
10/04/2024

Lahatra fa tsy ankaso

Rehefa tonga ilay andro iray
Tsy maintsy andehanako any amin'ny mandrakizay
Dia eo no hafataran'ny olona ny fisiko
Eo izy vao vonona anome ny zavatra tiko
Eo ko vao fantany hoe
Zah anie ka nanao ny tsara
Fa saingy indrisy mantsy
Indrisy mantsy fa efa tara
Satria mantsy izaho efa matory
Efa matory tsy hifoaha intsony
Vatolampy no mba solon- kodoro andriko
Dia ny rangolahy no any mba solom- baravarako
Dia ianareo isalotra akanjo mainty sy fotsy avokoa
Satria hono misaona
Saingy izaho tsy ho afaka vangiana intsony
Raha tsy hoe angamba efa aman- taona
Ny any mba hafatro farany dia ny hoe:
Ny fonareo ataovy Tony
Dia mba hatsaharo ny ranomaso
Fa izaho anampy isa ireo kintana ery ambony
Satria izay no atao hoe

Lahatra fa tsy ankaso

Luc le poeta kely
Arao ny pejy
Misaotra tompoko

08/04/2024

Tononkalo sy poeta an'arivony. Mpanoratra malagasy vao misondrotra na nanana ny lazany. Tehirizo ato koa ny tononkalonao na ny tononkalo tianao.

Maka sary kely izaho sy zandry vavy ee
31/03/2024

Maka sary kely izaho sy zandry vavy ee

Zandry a!! Zandry aa!!  Vetivety anie ialahy ee!!Makà mihintsy aloha toerana eeFa resaka ataoko @ ialahyFotsiny hafatra ...
19/03/2024

Zandry a!!

Zandry aa!!
Vetivety anie ialahy ee!!
Makà mihintsy aloha toerana ee
Fa resaka ataoko @ ialahy
Fotsiny hafatra kely
Mahay mandroso lesy ny taona
Noho izany efa tsy zazakely
Ka fadio ny manaonao foana
Sy ny mampalaelo an'i neny
Ialahy efa adolan-tsento
Efa manomboka manana olotiana
Ka fadio ny mampijaly azy
Fa ialahy manana anabavy
Omeo fitiavana izy
Aza ampijaliana
Fa nareo samy tsy ampy taona
Ka fadio ny manaonao foana
Fa sao ho vokatra
Tsy @ fotoanany ny paoma
Zay lesy ry zandry aa!!!
Ndehana vonjeo izy fa efa sasa miandry

Luc
Tout Le Monde

Address

Betsiaka
Ambilobe

Telephone

+261345673713

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Luc le poeta kely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Luc le poeta kely:

Share