30/11/2023
♈️Bélier : 21 mars - 20 avril : Aza hikafiriana vola mivoaka ny zavatra tianao ho atao indrindra eo amin’ny sehatry ny asa dia ho hitanao fa hamokatra.
♉️Taureau : 21 avril - 21 mai: Tazonm ary fikiro ny nofinofinao , mety io fa ataovy ny ezaka hahatratraranao izany.
♊️Gémeaux : 22 mai - 21 juin : Aleo tsy miditra trosa mihitsy aloha anio raha mbola azo atao.
♋️Cancer : 22 juin - 22 juillet : Raha toa ianao ka vao avy nisaraka tamin’ny olon-tinao dia aza ketraka ; ataovy ao an-dohanao fa izay no nety sy tokony nataonao hanova ny ho avinao.
♌️Lion: 23 juillet - 22 août : HIzotra tsara ny tontolo andro, hahazo valiny ianao amin’ilay ezaka efa nataonao hatrizay.
♍️Vierge: 23 août - 22 septembre: Tsara ny manana ny maha izy azy , fa jereo ihany ny fomba firesakao amin’ny olona fa mety handratra azy izany.
♎️Balance: 23 septembre - 22 octobre: Ianao ihany no tompon-teny farany amin’ny fiainanao sy zavatra tianao atao, henoy ny fonao sy ny sainao hoe inona ilay tena ilaina ary ataovy.
♏️Scorpion : 23 octobre - 22 novembre: Aza atao ambanin-javatra ireo olona tia anao ireo.
♐️Sagittaire : 23 novembre - 21 décembre: Jereo kely ny fandanianao ny eo am-pelatanana fa lasa ataonao tsirambina izany.
♑️ Capricorne : 22 décembre - 20 janvier : Hiaona aminà olona hitondra soa ho anao ianao, aza variana fa sao dia hilaozan’ny omby miahaka eo.
♒️Verseau : 21 janvier - 19 février : Aza dia diso tia mitsaratsara loatra fa ny tenanao aloha jerena vao manitsy ny hafa ianao.
♓️Poissons : 20 février - 20 mars : Mila manaiky ihany indraindray ny zavatra tsy nety natao, aza be doika loatra ianareo poisson.