303 RADIO

303 RADIO STATION RADIO

RATSIMAHOLISON Mickael.mpanao gazety sady mpanentana nahay nanova toetra sy fomba fanaon'olona maro,sady niatarika ny ta...
04/04/2024

RATSIMAHOLISON Mickael.mpanao gazety sady mpanentana nahay nanova toetra sy fomba fanaon'olona maro,sady niatarika ny tanora amin'ny lalana tokony hizorany.Naneho fihavanana fona teo amn mpiara-belona taminy.Indrisy anefa fa lasa izy.Mandria ampiadanana zokibe toa ray.zahay mbola eto hanohy ny dingana efa noezahinao.Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana

Fampisehoana maimaimpoana,ny alatsinain'ny pasika 2024 ao soavita Ambalavao.mankasitraka an'A/toa député mampifaly ny va...
31/03/2024

Fampisehoana maimaimpoana,ny alatsinain'ny pasika 2024 ao soavita Ambalavao.mankasitraka an'A/toa député mampifaly ny vahoakan'A/vao

Besosoa,tanana iray mampisaraka ny commune ambonivohitry Ambalavao amin'ny commune Iarintsena.ao amin'ny FKT Bemahalanja...
18/03/2024

Besosoa,tanana iray mampisaraka ny commune ambonivohitry Ambalavao amin'ny commune Iarintsena.ao amin'ny FKT Bemahalanja.Nanana olana ity tanana ity eo amin'ny fomba ifandraisany amin'ny renivohitry n FKT misy azy(Bemahalanja)noho ny fisian'ny renirano mampisaraka azy.Nijery akaiky ny fitarainan'izy ireo ny député voafidy teto Ambalavao RAZAFIMAHATRATRA Christian ka nampanatitra lelavola hampanamboarana lakana ahafahan'izy ireo miampita.

Tafapeetraka tamin'ny alalan'ny fifidianana ampahabemaso ny zoma 15 mars 2024 ny mpitondra raharaha soamiray dia tato am...
15/03/2024

Tafapeetraka tamin'ny alalan'ny fifidianana ampahabemaso ny zoma 15 mars 2024 ny mpitondra raharaha soamiray dia tato amin'ny district Ambalavao.
Voafidy ho filoha À/toa Marijaona,filoha lefitra kosa À/toa Fefe.
Samy lany tamin'ny isanjato 100% daholo izy mirahalahy ireo.nofidiana daholo ihiany koa ireo mpiaramiasa aminy.Manantena hatrany ny hitohizan'ny fandriampahalemana efa misy ato anatin'ny district Ambalavao

Andro vitsy taorian'ny namoahanay ilay vaovao farany mikasika ireo olona voarohirohy tamin'ny resaka vaky trano,izay loh...
14/03/2024

Andro vitsy taorian'ny namoahanay ilay vaovao farany mikasika ireo olona voarohirohy tamin'ny resaka vaky trano,izay loharanom-baovao noraisina avy tany amin'ny polisim-pirenena dia mbola nitohy hatrany ny ezaka nataon'izy ireo amin'ny famongorana ny asa ratsy,ka olona iray miaraka amin'ny entana maro halatra indray no voasambotra ny alarobia teo.
Manao antso avo ny commissaire misahana ny polisim-pirenena eto Ambalavao ho an'ireo olona very entana mba hanantona any amin'ny biraon'ny police miaraka amin'ny porofo haka ny fananany.Mbola manentana ihiany koa izy ireo amin'ny fifanomezan-tanana sy ny andrimasom-pokonolona mba hitohizan'ny vokatra tsara toy izao mba handresena ny asa ratsy.

Nahitam-bokatra ny fifanomezan-tanana teo amin'ny fokon'olona sy ny polisim-pirenena ary ny fikambanana soamiray dia rah...
11/03/2024

Nahitam-bokatra ny fifanomezan-tanana teo amin'ny fokon'olona sy ny polisim-pirenena ary ny fikambanana soamiray dia raha ny tatitra navoakan'ny commissaire de police Ambalavao Tsienimparihy Andriamatoa RASAMOELINA Andry raha nitafa tamin'ny mpanao gazety.
Maro tamin'ireo olona voarohirohy amin'ny tranga niseho no efa voasambotra sy natolotra ny fampanoavana nandritra ny telo volana voalohany tamin'ity taona 2024 ity ny sasany tamin'izy ireo moa no efa voaheloka tany amponja nefa rehefa nahavita ny sazy ka tafavoaka dia mbola nanohy indray ny asa ratsiny .An'isanzany ireto olona hita amin'ny sary ireto.Maro tamin'ireo entana halatra no efa tafaverina amn'ny tompony noho ny ezaka nataon'ny eo anivon'ny polisim-pirenena.Manentana hatrany mba hitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ireo tsara sitra-po izay manome loharanom-baovao ny commissaire divisionnaire eto Ambalavao mba hanamafisana hatrany ny fandriampahalemana efa misy.
Izahay police dia ho sarotony sady hanatanteraka ny asanay hoy iany ny tenany mba hilaminan'ny vahoaka sy ho fiarovana ny ainy sy ny fananany.

Fankalazana ny andron'ny vehivavy 08 mars 2024 teto amin'ny CR Manamisoa district Ambalavao Tsienimparihy
08/03/2024

Fankalazana ny andron'ny vehivavy 08 mars 2024 teto amin'ny CR Manamisoa district Ambalavao Tsienimparihy

02/03/2024
Fitrotroana am-bavaka ny vehivavy 8 mars notanterahana tao amin'ny fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito ta...
02/03/2024

Fitrotroana am-bavaka ny vehivavy 8 mars notanterahana tao amin'ny fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito tao Sahamasy Ambalavao ny 2 mars 2024

24/12/2023
Diboky ny hafaliana ireo ankizy madinika nanatrika ilay fety noely ny radio 303 Ambalavao.Natao alohaloha tokoa iny hets...
23/12/2023

Diboky ny hafaliana ireo ankizy madinika nanatrika ilay fety noely ny radio 303 Ambalavao.Natao alohaloha tokoa iny hetsika iny mba hamalifaliana ireo ankizy mialoha ny andro noely
Ny 23 dec 2023 no notanterahina teto amin'ny Z'Park Ikita Ambalavao.
Isaorana andriamatoa Solombavambahoaka mivady nahafoy ny noenti-manana rehetra tamin'ny ireo vatomamy sy ny kilalalao ho an'ny ankizy.
Ny 303 radio sy ny 303 Rhum eto Ambalavao dia mirary fety noely sy faran'ny taona sambatra ho antsika rehetra

Vokam-mpifidianana vonjimaika teto amin'ny District Ambalavao Tsienimparihy.Nivoaka anio Lahady ...
19/11/2023

Vokam-mpifidianana vonjimaika teto amin'ny District Ambalavao Tsienimparihy.Nivoaka anio Lahady ...

Candidat laharana faha 3 Andry Rajoelina.Ambalavao Tsienimparihy...
02/11/2023

Candidat laharana faha 3 Andry Rajoelina.Ambalavao Tsienimparihy...

Police 14 mianadahy no notolorana Glona teto anivon'ny Commissariat Ambalavao Tsienimparihy ny sabotsy 28 oct 2023.Miara...
28/10/2023

Police 14 mianadahy no notolorana Glona teto anivon'ny Commissariat Ambalavao Tsienimparihy ny sabotsy 28 oct 2023.Miarahaba azy ireo sady mirary soa hahavita ny adidy masina amin'ny Firenena

Fihetsika mendrika ho alaina tahaka raha izao nasehon'i Depute RAZAFIMAHATRATRA Christian sy Mr Rija rahalahiny tamin'ir...
27/10/2023

Fihetsika mendrika ho alaina tahaka raha izao nasehon'i Depute RAZAFIMAHATRATRA Christian sy Mr Rija rahalahiny tamin'ireto tanora tia fanatanjaha-tena tao amin'ny fokontany Anja CR Iarintsena ity.Fotoana fohy taorian nitarainan'izy ireo dia tonga tany an-toerana ny iraka nanatitra maillot sy baolina ho azy ireo.Faly ireto farany satria nahazo fitaovana hampandrosoana ny ekipa.mirary soa

Simenitra 35 lasaka sy vy na fer sy ireo kojakoja oentina hamboarana ny lalana mampitohy ny CR Kirano no tohana nomen'A/...
13/10/2023

Simenitra 35 lasaka sy vy na fer sy ireo kojakoja oentina hamboarana ny lalana mampitohy ny CR Kirano no tohana nomen'A/toa depute RAZAFIMAHATRATRA Christian ho an'ny vahoaka ny Kirano mba ahafahan'izy ireo manohy ny asa fanamboaran-dalana hanenjehana ny fotoana main'andro mba ahafahan'izy ireo mamoaka vokatra sy mifandray akaiky amn renivohitra...faly ny fokonolona nahazo izao fanampiana lehibe zao ka velom-pisaorana...

Nahazo tohana ara-pitaovana tamin'ny solombavambahoaka ny tanora mpilalao baolina kitra avy any amin'ny commune rural Na...
03/10/2023

Nahazo tohana ara-pitaovana tamin'ny solombavambahoaka ny tanora mpilalao baolina kitra avy any amin'ny commune rural Namoly.baolina sy maillots no natolotra tamin'ny alalan'ny solotena avy tamn'i député Christian.mirary soa hahazo fandresena hatrany...

Fitsidihan'ny Ramatoa Minisitry ny fitsarana sy ny filoha lefitry ny antenimieran-doholona sy ny Gouverneur ny faritra m...
16/08/2023

Fitsidihan'ny Ramatoa Minisitry ny fitsarana sy ny filoha lefitry ny antenimieran-doholona sy ny Gouverneur ny faritra matsiatra ambony.Miaraka amin'ireo manam-boninahitra maro.Noraisina avokoa ireo fanontaniana sy hetaheta ary ny fitarainana satria izany no antony nahatongavako aty hoy ramatoa Minisitra dia ny hampahafantatra fa manana ny andraikiny lehibe eto amin'ny firenena ny sampan-draharahan'ny fitsarana ary miezaka manantona ny vahoaka...

Navaozina tamin'ny fandalovan'A/toa RAZAFIMAHATRATRA Christian depute voafidy teto Ambalavao tany Quatre Bornes commune ...
30/06/2023

Navaozina tamin'ny fandalovan'A/toa RAZAFIMAHATRATRA Christian depute voafidy teto Ambalavao tany Quatre Bornes commune iray tsy d lavitra ny renivohitra Maurice ny fiarahamiasa eo amn'ity commune ity sy Ambalavao.efa hatramin'ny taona 1970 no efa nifandray ho mpirahavava ireo commune 2 ireo na dia firenena samy hafa sy mifanalavitra aza.Maro ny dinika ho fampandrosoana noararaotina tamin'izao fihaonana izao mba hampifameno ny traikefan'ireo tanora tia tanindrazana ka hijery akaiky ny fomba hampivoarana ny tany misy azy.Noararaotin'A/toa solombavambahoaka ihiany koa ny fanatevenana fiaraha-miasa eo amn sehatra ny tanora sy ny fanatanjahan-tena,ka hipaka ho an'ny rehetra.Vita ny sonia,manomboka eto dia miandrandra fahombiazana ny district Ambalavao

22/06/2023

Da7 - ILO

Mety ve sa tsa meteee ?
22/06/2023

Mety ve sa tsa meteee ?

ela ny ela ka tanteraka iany ilay nofinofy isaky ny mandalo eto ho any Sendrisoa iny...Lasa nisy tsena iany eto Alakamis...
20/06/2023

ela ny ela ka tanteraka iany ilay nofinofy isaky ny mandalo eto ho any Sendrisoa iny...Lasa nisy tsena iany eto Alakamisy Felimaha CR Ambohimandroso,district Ambalavao.Lehibe izao fitiavana sy fitsinjovana ny ambanivohitra izao hoy ireo mponina any an-toerana ka isaorana ny fitondram-panjakana,isaorana ny solombavambahoaka RAZAFIMAHATRATRA Christian tsy nanao fitondra-mitongila ny Commune rehetra ato anatin'ny district fa manampy hatrany amin'ny fampandrosoana...bevata zao ary hita maso ka mirary soa.

Notokanana ny alakamisy 15 jona 2023 ity ny Lycee Andrainjato commune Andrainjato district Ambalavao.Betsaka ny fandania...
15/06/2023

Notokanana ny alakamisy 15 jona 2023 ity ny Lycee Andrainjato commune Andrainjato district Ambalavao.Betsaka ny fandaniana satria maro ireo manampahefana nasaina hanotrona ny fotoana ka nanolotra Omby iray lehibe sy lela-vola 1 tapitrisa ariary A/toa solombavambahoaka RAZAFIMAHATRATRA Christian...

Tsy ho ela dia ho afa-pahasahiranana ny mponina mampiasa ity tetezana Agnato commune Anjoma ity noho ny ezaka nataon'ny ...
13/06/2023

Tsy ho ela dia ho afa-pahasahiranana ny mponina mampiasa ity tetezana Agnato commune Anjoma ity noho ny ezaka nataon'ny fitondram-panjakana satria nanolo-tena ny hamboatra azy ny solom-bavambahoaka RAZAFIMAHATRATRA Christian.Efa mandeha tsara ny asa ,ary nitsidika tany ifotony ny solo-tena nijery ny fizotran'ny fanaboara ka afa-po satria antenaina fa tsy ho ela dia ho afaka ifamoivoizan'ny fiara amizay ity lalana ity...

Ny ekipa rehetra ato amin'ny onjam-peo 303 radio eto Ambalavao dia mirary faran'ny herin'andro sambatra ho anao
10/06/2023

Ny ekipa rehetra ato amin'ny onjam-peo 303 radio eto Ambalavao dia mirary faran'ny herin'andro sambatra ho anao

efa manomboka ny asa fanamboaran-dalana mampitohy ny renivohitry ny commune Kirano district Ambalavao ,io lalana io no m...
08/06/2023

efa manomboka ny asa fanamboaran-dalana mampitohy ny renivohitry ny commune Kirano district Ambalavao ,io lalana io no mampifandray ity commune ity sy Mahaditra district Vohibato.efa 5 herinandro no nanombohan'ny asa ka ny fokon'olona no manao.azy isaky ny alakamisy.Manampy azy ireo ny solombavambahoaka RAZAFIMAHATRATRA Christian.ny tao-trano hono tsy vitan'ny irery.sambatra izay mifanampy...

Address

Mafinaritra
Ambalavao
303

Telephone

+261331530333

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 303 RADIO posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to 303 RADIO:

Videos

Share

Category


Other Radio Stations in Ambalavao

Show All