Ounj Takalo kolontsaina / Kulturaustausch

Ounj Takalo kolontsaina / Kulturaustausch Cultural Exchange Germany - Madagascar -
Learning - Travel - Food - Love - Fun

Hallo, Manahoana e,be dia be indray ny kolontsaina tiako ho zaraina aminareo fa andao atomboka amin'ity thème iray mety ...
13/04/2025

Hallo, Manahoana e,
be dia be indray ny kolontsaina tiako ho zaraina aminareo fa andao atomboka amin'ity thème iray mety mampalahelo ity aloha fa ity izao isany nanahirana ahy mihitsy.

Andao indray hiresaka ny fahasamihafan'ny kolontsaina aty sy any eo anivon'ny resaka fahafatesana sy fandevenana, izay tena henoko matetika izay.
Na efa firy taona taty ary aho dia mbola misy zavatra mahagaga ahy foana e.

Ny kolontsainan'ny Malagasy moa efa diso fantatsika loatra hoe rehefa misy maty dia misy fiandrasam-paty, misy ny famangiana ny tompon-manjo sy ny hoe valopy misy fao-dranomaso sy ny fiareta-tory ary ny fandevenana any amin'ny fasan-drazana.

Ny kolontsainan'ny allemand indray dia vao fantatra hoe maty ny olona iray, dia mampilaza ny fianakaviana ny hopitaly ohatra dia avy eo ireo fianakaviana ireo no mitady sy misafidy ny olona hikarakara ny fandevenana na [entreprise de] pompes funèbres.

Hoy isika angamba hoe tsy maintsy maka an'izay angaha?
=> ENY tsy maintsy fa tsy mitovy ny antsika ny azy hoe ny fianakaviana ihany no mikarakara ny rehetra.

Iza no mandoa ny karaman' io sy ny vola lany rehetra avy eo?
=> Ny fianakaviana akaiky indrindra an'ilay olona maty, olona 1 na 2 no tena mety hoe responsable voalohany indrindra toy ny vady, Ray aman-dreny na mpiray tampo na zanaka ara-panjakan'ilay olona maty dia ireo mandray an-tanana ny factures sy ny organisations rehetra miaraka amin' izy ireo.

Na ihany koa ilay olona maty efa nanomana assurance ho an'izay zava-mitranga izay, satria teny vola be ###x€ any ny lany.

=> Aty tsy misy ny fiareta-tory, tsy misy ny famangiana fao-be fa mandefa poste "carte de condoléances" ny olona alavitra na raha akaiky ilay fianakaviana ianao no mipetraka dia manome ilay carte ihany koa rehefa tafahoana amin'ny fianakaviany ianao dia afaka asiana vola kely ao anatiny.

=>Tsy misy fasan-drazana fa na "manofa" fasana any amin'ny cimétières na dorana avy eo.

=> Ao aorinan'ny fandevenana mety misy fiaraha-misakafon'ny fianakaviana akaiky fahatsiarovana.

Ouff, nisy olona mpiara-miasa akaiky anay izahay namoy olona akaiky azy dia nanomana carte koa izahay, dia aty tsy misy hoe iza ny zokiolona mba hitondra teny fa izay akaiky azy indrindra no mitondra teny fampiononana, dia izaho no tratra farany. Enjana.

Izay aloha ny amin'iny fa samy manana ny fombany ny olona e!
Tsy misy ratsy sy tsara fa samy manana ny azy fotsiny.



Schönes Wochenende :)Ataovy tsara be ny weekend e :)Efa tsara be ohatran'izao ny andro aty amin'izao " der Frühling" na ...
12/04/2025

Schönes Wochenende :)
Ataovy tsara be ny weekend e :)
Efa tsara be ohatran'izao ny andro aty amin'izao " der Frühling" na printemps koa ny hafantarantsika azy.

Ela ela tsy hita fa sahirana kely e!
Merci ho an'ireo mahatsiaro foana sy manontany foana fa hoe anga tsy notohizana intsony ilay fizarana kanefa nanampy be.
Tsy nieritreretiko hoe tena betsaka ianareo no liana, mankasitraka o!

Februar in Deutschland vs in MadagaskarFebroary aty Allemagne vs any Madagasikara Manao ahoana ny andro any aminareo any...
22/02/2025

Februar in Deutschland vs in Madagaskar
Febroary aty Allemagne vs any Madagasikara

Manao ahoana ny andro any aminareo any?
Efa mafana ve izao any 🇩🇪?
Sarotra be ity fanontaniana ity :( satria sady mafana no mangatsiaka ny andro aty amin'izao. Indraindray misy la neige dia indraindray avy ny orana.
Tamin' ny herinandro teo izao dia dia sady Manga no lanitra no mangatsiaka be -1°C, sady faly nahita masoandro indray no nangovitra fa everiko fa mba efa mafanafana, kay loza.

Tsaroako tsara ny volana Febroary toy izao tany MDG 🇲🇬, isaky ny ho avy ny anniversaire dia tsy maintsy misy cyclone, tsy maintsy sahirana foana ny ao an-trano satria Febroary e! Tondra- drano satria avy foana ny orana, kotsa mihitsy vao mivoaka any ivelany, voamaina no feno tao an-trano 😀.
Fa fombam-piainana izany, fandalovana sy nianarana lesona lehibe ilaina amin'ny fiainana.
Lainga2 fa maninona marina ary no tsy maintsy tondra-drano foana Antananarivo rehefa fotoana ohatran'izao? 🤔🫣

🇩🇪🇩🇪🇩🇪
Februar war und ist immer noch ein besonderer Monat für mich.
Jetzt lebe in DE und wenn meine Familie mich über das Wetter hier fragt, dann kann ich oft diese Frage schwer beantworten, ohne gleich jammern zu wollen.
Neulich hatten wir einen blauen Himmel und die Sonne 🌞 war wieder da und es hat mich sehr an Sommer dran erinnert, aber die Temperatur lag leider bei -1°C.

Wie ist jetzt das Wetter in Madagaskar 🇲🇬,?
Ich erinnere mich auch besonders an diesen Monat, als ich noch dort gewohnt habe.
Es war eine schwierige Zeit im Allgemein, da es immer Zyklon (tropischer Wirbelsturm) gab.
Viele selbständige Familien kämpfen ums Überleben und wir waren eine davon. Zu Hause gab es viele Hülsenfrüchte/ verschiedenen Bohnen und viel Reis vorrätig, damit wir den Monat überstehen konnten.
Ich kenne Februar nur so, mein Monat, mein Geburtstag. 😀

Andao indray ary hianatra teny vaovao!Allez on va apprendre des nouveaux vocabulaires en allemand!Verbes DE = FRsprechen...
21/02/2025

Andao indray ary hianatra teny vaovao!
Allez on va apprendre des nouveaux vocabulaires en allemand!

Verbes DE = FR
sprechen = parler / communiquer
bekommen = recevoir
benutzen = utiliser
essen = manger
machen = faire quelque chose
verstehen = comprendre
schicken = envoyer
begmachen = enlever
brauchen = avoir besoin de / nécessiter
vergessen = oublier

Wo? (midika hoe AIZA?)Wohin? (midika hoe HO AIZA?)Rehefa WO dia mila mampiasa DATIVOhatra: Wo bist du? => Ich bin in der...
20/02/2025

Wo? (midika hoe AIZA?)
Wohin? (midika hoe HO AIZA?)

Rehefa WO dia mila mampiasa DATIV
Ohatra: Wo bist du? => Ich bin in der Schule.

Rehefa WOHIN dia mila mampiasa AKKUSATIV
Ohatra: Wohin gehst du? => Ich gehe in die Schule.

Misy foana anefa ny Exceptions an!
Misy préposition toy ny ZU (zu der, zu dem) tsy maintsy DATIV foana ny ao aorinany.
Ohatra:
Wo bist du? => Ich bin bei dem (beim) Arzt. [Dativ]
Wohin gehst du? => Ich gehe zu dem (zum) Arzt [Dativ]

Nominativ, Akkusativ, Dativ und GenitivTsy maintsy ianarana tsianjery raha vao manomboka mianatra allemand.(sary nindram...
20/02/2025

Nominativ, Akkusativ, Dativ und Genitiv
Tsy maintsy ianarana tsianjery raha vao manomboka mianatra allemand.

(sary nindramina)

Was machst du in deiner Freizeit?Inona kay ny ataonao rehefa ilay tsy miasa na mianatra iny?Ity thème iray ity koa dia t...
09/02/2025

Was machst du in deiner Freizeit?
Inona kay ny ataonao rehefa ilay tsy miasa na mianatra iny?

Ity thème iray ity koa dia tena mahatalanjona ahy foana satria ny allemand dia manana ny hobby-ny avy na olon-dehibe na ankizy, ohatra hoe sport io, na resaka musique na resaka mankafy nature na resaka arts, resaka boky, Workshop samihafa, tena be dia be ny karazany aty ary tena handaniam-bola mihitsy ilay hoe hobby aty amin'ny firenena mandroso.

Tsy misy maharatsy azy mihitsy,
Tena ilaina ny Hobby, ilaina ny maka aina, ilaina ny manokana fotoana ho an'ny vatantsika.

Izaho tamin'ny voalohany taty tena tsy hitako loatra ilay hobby-ko satria tsy maharaka an'izany ny vola taloha, hoy koa moa ny ohabolana malagasy hoe "ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra" dia tena mitsitsy be mihitsy fa ny hianatra aloha no masaka tao an- doha.
Tonga taty amin'izay vao mahazo an'ilay fanontaniana hoe "welche Hobbys hast du?" = "inona ny fialam-bolinao?" 😂😂😂

Inona ny Hobby anareo?
Ataovy amin'ny teny allemand izay mahay ny azy, sady mianatra e!

(Sary fanehoana)

05/02/2025

Andao indray ary resahana ny mahasarotra ny Ausbildung aty Allemagne?
Ounj Takalo kolontsaina / Kulturaustausch

Tsy resaka mankany Allemagne irery akory  no zaraina eto fa raha liana mankany Amerika koa ianao dia ity misy Info.Tsy m...
05/02/2025

Tsy resaka mankany Allemagne irery akory no zaraina eto fa raha liana mankany Amerika koa ianao dia ity misy Info.
Tsy manana contact direct aho fa mizara fotsiny

🎓🇺🇸 Te hanohy fianarana any Etazonia ve ianao?
👉 Manasa anao hanatrika ny fizarana torolalana mivantana miaraka amin'ny Lane Community College atao eto Antananarivo, hahafantaranao momba ny fianarana any Etazonia sy ao amin'ny Oniversiten'i Lane.
🎁 Ireo mpianatra rehetra izay hanatrika io fotoana io dia hahazo tapakila fanomezana 50 dolara afahany manjifa ny vokatra ao amin'ny Lane Community College Bookstore
📆 Alahady 9 Febroary amin’ny 2 ora
📍 Radisson Blu Hotel, Antananarivo Waterfront
🆓 Maimaim-poana ity hetsika ity! Ento ny namana ary omano dieny izao ireo fanontaniana tianao hapetraka mandritra io fotoana io.
✍ Mandefasa mailaka an'i Carla Andersen ao amin'ny [email protected] ho famandrian-toerana.
⚠️ 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗘𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔! 𝗛𝗼𝗵𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗶𝗹𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮.
---
🎓🇺🇸 You are invited! Come study in the USA! -- Lane Information Session
👉 Come join Lane Community College team in Antananarivo and learn more about studying in the U.S. and at Lane!
🎁 All students who attend will receive a US$50 Gift Card to Lane Community College Bookstore!
📆 Sunday, February 9 at 14:00
📍 Radisson Blu Hotel, Antananarivo Waterfront.
🆓 This event is free! Please bring your family, friends, and any questions you may have.
✍ To reserve your seat, please write to: Carla Andersen - [email protected]"
⚠️ 𝗦𝗘𝗔𝗧𝗦 𝗔𝗥𝗘 𝗟𝗜𝗠𝗜𝗧𝗘𝗗! 𝗦𝗼 𝘆𝗼𝘂 𝘄𝗶𝗹𝗹 𝗿𝗲𝗰𝗲𝗶𝘃𝗲 𝗰𝗼𝗻𝗳𝗶𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝗺𝗮𝗶𝗹 𝗼𝗻 𝘆𝗼𝘂𝗿 𝗮𝘁𝘁𝗲𝗻𝗱𝗮𝗻𝗰𝗲.

03/02/2025

Andao indray ary hiresaka ny mahasarotra ny FSJ sy ny BFD?

02/02/2025

Andao hiresaka indray ny tena challenge na ny mahasarotra ny Aupair.

01/02/2025

Inona kay ny atao hoe Tandem?
Ahoana ny fandehany?
Mandoa vola ve?
Afaka atao amin'ny toerana rehetra sy izay maha-afaka ara-potoana anao ve?

31/01/2025

Te hianatra teny vahiny na zava-baovao ve ianao? Tsy manam-bola anefa?
Ianao ve mahafantatra ny atao hoe Tandem?

Hurra Wochenende! Magst du eigentlich Avocado?🥑🥑🥑Ich erzähle euch einen Teil meiner Kindheit, die auch mit Avocado zu tu...
31/01/2025

Hurra Wochenende! Magst du eigentlich Avocado?🥑🥑🥑

Ich erzähle euch einen Teil meiner Kindheit, die auch mit Avocado zu tun hat. 😀
Damals hatten wir auf dem Hof unseres Hauses einen riesigen Avocadobaum. Jedes Jahr konnten wir die unreifen Avocado🥑pfücken, sie nach Hause mitgenommen und in einen Sack voller Reis hineingesteckt, damit sie schneller reifen.
Es hat immer funktioniert, nach paar Tage kann man sie normal essen und wir haben sie sehr oft mit Zucker gegessen.
Probier mal, sehr empfehlenswert!

Du brauchst nur reife Avocado und Zucker je nach Geschmack, Guten Appetit!

Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra ho anareo!
Iza koa no tia zavoka 🥑 ampiana siramamy?
Tena nahafinaritra no nihanika zavoka taloha, mitango azy manta, nanotrika azy tanaty gonim-bary ary miandry azy masaka o!
Mahasalama satria betsaka vitamine izy.😀

30/01/2025

Andao indray ary hianatra fomba fanononana teny amin'ny teny allemand!
Famerenana ity fa misy aminareo mbola vao mianatra.

BERLIN, CAPITALE DE L'ALLEMAGNE ❤️🇩🇪"Coucou, ça va? Inona ny vaovao?"Be dia be angamba nareo no mahatsapa tena manoratra...
30/01/2025

BERLIN, CAPITALE DE L'ALLEMAGNE ❤️🇩🇪
"Coucou, ça va? Inona ny vaovao?"
Be dia be angamba nareo no mahatsapa tena manoratra ohatran' izao aty amiko e?

Be dia be ny vaovao:
- Andao hitsidika an- tsary an' ny renivohitry Allemagne, tanàna tena tsara ary mirakitra tantara maro.❤️🇩🇪
- Fifidianana ny ho chancellier na ho chancellière manaraka amin'ny 23 février 2025 izao aty Allemagne
- Mafana ny toe - draharaha politika aty. 🔥
(Tsy hiditra lalina aho)

BERLIN, die HAUPTSTADT VON DEUTSCHLAND ❤️🇩🇪
Lasst und diese schöne Stadt bewundern.
Ich bekomme oft so eine Frage von euch:
"Hallo, wie geht's? Was gibt's Neues?"
Ich will euch ehrlich sagen, dass ich nicht so viel Neuigkeiten habe aber Deutschland hat viel zu sagen:
- 23 Februar ist Bundestagswahl hier, es ist sehr spannend
- Berlin bleibt eine wunderschöne Stadt mit vielen Weltkulturerben

!!! Übrigens diese Seite hat nichts mit Politik zu tun.!!!

Ich wünsche heute einen schönen entspannten Tag! 😊

Page:Ounj Takalo kolontsaina / Kulturaustausch
29/01/2025

Page:
Ounj Takalo kolontsaina / Kulturaustausch

Ianao ve tia voninkazo? Magst du Blumen?In Deutschland unterscheiden sich die Jahreszeiten sehr, in Madagaskar habe ich ...
29/01/2025

Ianao ve tia voninkazo?
Magst du Blumen?
In Deutschland unterscheiden sich die Jahreszeiten sehr, in Madagaskar habe ich leider kaum davon mitgekriegt.
Die Blumen im Frühling sind einfach wunderschön! 🌸🌷🌼

Tsy haiko na Europa iray manontolo fa aty Allemagne aloha no fantako dia misaraka mazava tsara ny saison: printemps, été, automne, hiver.
Izao efa hanomboka printemps na Frühling amin'ny allemand dia misy voninkazo maniry ohatran'izao eny amin'ny zaridaina eny.
Efa hitsimoka koa ny karazana hazo fihinam- boa rehetra.
Lafatra ny hakantony! 🌸🌷🌼

Adresse

Stuttgart

Öffnungszeiten

Montag 09:00 - 17:00

Webseite

Benachrichtigungen

Lassen Sie sich von uns eine E-Mail senden und seien Sie der erste der Neuigkeiten und Aktionen von Ounj Takalo kolontsaina / Kulturaustausch erfährt. Ihre E-Mail-Adresse wird nicht für andere Zwecke verwendet und Sie können sich jederzeit abmelden.

Service Kontaktieren

Nachricht an Ounj Takalo kolontsaina / Kulturaustausch senden:

Teilen

Kategorie