17/01/2024
https://www.facebook.com/100083417013923/posts/359532666837298/?mibextid=rS40aB7S9Ucbxw6v
Zaza mirahavavy niharan’ny fanolanana : manaitra ny fanjakana ny havan’izy ireo fa very an-javony ny tohin’ny raharaha
Famintinana :
Zazavavy kely 2, mpirahavavy iray tampo, no niharan’ny fanolanana miverimberina tamin’iny 2023 iny, tao Amontana Fianarantsoa. Ilay zokiny (10 taona) no tena nanamparan’ny lehilahy 2 izany. Nataon’izy ireo aloha sy aoriana. Ilay zandriny kosa, nolalaovin’izy ireo ny fivaviany. Efa nisaraka ny ray sy renin’izy roavavy. Ny rain’izy ireo no miantoka azy ireo. Izy nanasa ny akanjon’izy mirahavavy no nahita rà tamin’ny atin’akanjo. Teo no nanomboka ny fanontaniana azy mirahavavy. Zareo moa noferan’ireo nanao ny herisetra tsy hiteniteny izay nanjo azy ireo. Ny 9 desambra teo no natao ny famotorana. Hatreto, mitaraina ny fianakaviana fa voarirarira.
Toy izao ny fitarainan’ny havan’izy mirahavavy :
Mampalahelo ny zava-misy eto Fianarantsoa. Manasa ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny mba hijery ity tranga ity.
Fanolanana zazavavy kely 10 taona tao Amontana Fianarantsoa.
Nanao kilasy mandry tao @ Maîtressen'izy ireo izy roa vavy kely ho fanarahamaso kokoa ny fianaran'izy ireo. Nanao fifanarahana izy sy ny dadany tamin'izany satria koa hono tsy niteraka ilay Maitresse.
Naolan'ny sipany Maîtresse sy ny zanakan'anadihin’ny Maitresse ilay zazavavy kely (zokiny). Simba tanteraka avy ao @ fivaviana. Aloha sy afara nataon'zareo avokoa, hoy izy mitantara.
Naka certificat médical dia milaza ny fahasimbana tamin’ny voalohany. Nasaina naverina indray dia hoe virijiny. Efa nisy kolikoly tao.
Tsy niditra na de violon ireo olona ireo fa dia mbola any mandehandeha any. Miandry parquet hono. Malahelo ny fianakaviana manana ny simba na ny amin’ny mety ho fahasalaman’ny zaza.
President de la République Andry Rajoelina, Monsieur le Gouverneur, madame le Maire, manasa anareo mba hijery ity tranga ity fa mahonena.
© Copyright - Skispass Atm (rewriting) - de Bruno Bn