Zany ve ?

Zany ve ? Torohevitra sy tranga ary zava-misy na fomba fiteny tetsy sy teroa

Hita tany hoany ka dia zaraina ho anao sao dia mahasoa. Azo atao laoka na fangarondaoka soa amantsara ny babon'akondro.a...
09/05/2019

Hita tany hoany ka dia zaraina ho anao sao dia mahasoa. Azo atao laoka na fangarondaoka soa amantsara ny babon'akondro.andramo anie e
Tena tsara .. Mirary soa anao e
Aza adino ny mizara fa mety hanavotra namana hafa

14/01/2019

Ho an'ireo tia mangataka vola ato @ FB

Ireto atolotra anao ireto IREO TOETRA 5 TENA TADIAVIN'NY LEHILAHY AMIN'NY VEHIVAVYLehilahy 1100 no nametrahan’ny matihan...
20/08/2018

Ireto atolotra anao ireto
IREO TOETRA 5 TENA TADIAVIN'NY LEHILAHY AMIN'NY VEHIVAVY

Lehilahy 1100 no nametrahan’ny matihanina iray mpanome torohevitra ireo mpifankatia ny fanontaniana hoe :
“inona no tena andrasanao sy manintona anao any amin’ny vehivavy ?”. Teboka 5 lehibe no nivoitra tamin’ity fanadihadiana ity, rehefa naravona avokoa ireo valim-panontaniana. Ireto izany no tena tadiavin’ny lehilahy sy mahatonga azy ireo ho voasinton’ny vehivavy iray manokana. Nalahatra manomboka amin’ny teboka kely indrindra mankany amin’ny manan-danja indrindra izy ireto

5° Vehivavy liana aminy

Mila vehivavy liana aminy ny lehilahy. Mazàna mantsy izy ireo dia mihevitra fa manao ezaka be, rehefa te hambabo vehivavy iray, ka tiany raha mba mifanahantsahana amin’izay ezaka ataony izay ihany koa ny azony avy any amin’ny vehivavy. Tiany raha mba manontany azy momba ny tontolo androny, ny zava-bitany… ilay vehivavy.

4° Vehivavy mahavita tena

Ankasitrahan’ny lehilahy indrindra ny vehivavy mahay mitantana ny fiainany manokana, ka tsy miankina be amin’olon-kafa. Tsy vehivavy manan-katao akory no tian-kambara eto, fa vehivavy manana ny nofinofiny sy ny tanjony manokana, ary miezaka manao izay hanatrarana izany, na dia tsy ho tratrany avokoa aza izy ireo. Tsy mora mantsy ny mambabo ny vehivavy manana ny maha-izy azy tahaka izany ary izay fahasarotana izay indrindra anefa no tena tadiavin’ny lehilahy.

3° Vehivavy mahakoloko ny tenany

Manintona ny lehilahy kokoa ny vehivavy mahay mikarakara ny vatany sy ny endriny ivelany, raha mihoatra amin’ireo tsy dia mivaky loha loatra.

2° Vehivavy mankafy fiainana

Ny vehivavy tsy mpitaraina, mitsiky lava, manana fijery miabo no manintona ny lehilahy, ka na misedra olana aza dia misedra izany am-pitoniana… Ny vehivavy tahaka izany no ambara fa mankafy fiainana. Vehivavy matoky ny tenany sy manana ny soatoaviny ihany koa no mahavita izany. Ireo rehetra ireo indrindra no tadiavin’ny lehilahy.

1° Vehivavy malemy paika sy tsara fanahy

Na dia mahavita tena sy matoky tena aza anefa no karazana vehivavy manintona ny lehilahy dia manan-danja be amin’izy ireo ny fananany toetra tsy misetrasetra fa malemy paika sady tsara fanahy. Ahoana no hanehoany izany ? Amin’ny alalan’ny fanomezana toerana miavaka ho an’ilay lehilahy ao anatin’ny fiainany efa voarindra.



Hary

ETSY ANGE E !Efa maro ihany izay nahita vokatra tsara izay ka andramo ary ity ho anao izay manana olana Mampihemotra "He...
12/06/2018

ETSY ANGE E !
Efa maro ihany izay nahita vokatra tsara izay ka andramo ary ity ho anao izay manana olana
Mampihemotra "Hemorïde" ary manala fanaintainana

Ao anatin'n fotoana fohy 1 na 2 andro monja

Fomba fampiasa azy tsotra : atao any ampaosy

Tsy fantatra mazava moa izay fomba fiasany sy ny fanazavana izany fa dia maro ny olona nanao izany ary sitrany.

Toerana ahitana: Mahajanga, mety hahita ihany ao amin'ny "pavillon" analakely na "petite vitesse"

Afaka ohaninao ny mahabibo satria dia sakafo anisany tsara ihany koa izy io.

Tsirony mitovitovy amin'ny voanjo.
Zavatra tsotra nefa mahomby
koa dia mirary anao hahazo fahasalamana izahay e

Publié par Mikea Tsimba
Dans : AdyGasy

*ZanyVE

NY VAHONA_________________________________Ny 98 isan-jato ny vahona dia rano, ahitana ireto vitamina manaraka ireto izy:...
02/06/2018

NY VAHONA
_________________________________

Ny 98 isan-jato ny vahona dia rano, ahitana ireto vitamina manaraka ireto izy:
-vitamine A,tsara sy manamafy ny taolana ary ny maso
-Vitamine c,manala poizina sy manome hery sy tanjaka
-vitamine d,manamafy ny kalsioma ary tena be otrik'aina tokoa ity vahona ity.
tsara ho an'ny olona manana olana amin'ny fandevon-kanina sy rehefa mety ho aretin'ny tsinay ihany koa, ary manala rivotra ao anaty
-manala sy manampy amin'ny rari-tsaina
- manadio sy mamono ny poizina ary manavao ny sela ao anatintsika tsy miasa ireny.
- tsara hoanin'ny olona voan'ny homamiadana,misoroka sy manampy ireo olona izay misy io aretina homamiadana io.
Fomba hihinanana sy hikarakarana izany vahona izany.
vahona maintso tsara ,mety daholo na lahy na vavy,sasana tsara ka toy izao ny fanaovana azy.Maka vahona,sasana madio tsara,ary tetehina dia mixena,tsy misy very fa hatramin'ny hodiny,atao ao anaty tavoahangy vera ny fitehirizana azy.
- Manatsara ny hoditra, manasitrana ny May, fery, Mony. Manatsara Volo. Ary tena maro tokoa ny aretina sitrany any anaty any :
hoditra manokana: hosorana toy ireny manosotra krema ireny rehefa avy mandro,mahafaka mony,fery,may,ary mamelombelona ny hoditra mba ho tanora lalandava sy mampamirapiratra ary manala tratrakaotra sy tasy.
volo:alaina iny ditiny iny dia hosorana amin'ny hodi-doha,amin'ny foto-bolo(manala angadrano,vakivaky ary manalefaka ary afaka atao solona gel ihany koa.
Aretina anaty na inona inona na, na tsy marary aza ,ary manome hery: Totoy miaraka amin'ny hodiny ny vahona, ka raha mahazo 1 vera+tantely 1 vera +whisky 1/4 Vera. Atambatra ireo amin'ny tavoahangy vera. Afaka 5 andro. Misotro 1 sotro vao maraina.
Maka amin'ilay ranona vahona efa avy mixena iny koa dia maka 1 sotro lehibe dia atao ao anaty yaourt na ranomboakazo na rano 1 vera, indray mandeha isan'andro ihany no hihinanana azy.
Ny tsara homarihina dia tsy afaka mihinana azy ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy ary ireo olona izay mihinan-panafody.
DIA MIRARY SOA ANTSIKA HATRANY
NY RADIO TANA fb
__________

Miarahaba antsika rehetra ity atolotra anao ity dia fanomanana mahomby amin'nyfanadiovana rà sy ny tsinay sy ny vavony a...
23/05/2018

Miarahaba antsika rehetra
ity atolotra anao ity dia fanomanana mahomby amin'ny
fanadiovana rà sy ny tsinay sy ny vavony ary ny havokavoka,
izany hoe ny any anaty rehetra any dia sitrany avokoa.
Toy izao ny fatra ilaina:
-Tamotamo vovony (curcuma en poudre) 1 sotro fihinanana
-Citron 1/2 lehibe na 1 kelikely (tetehina tsy esorina ny hodiny fa ny voany ihany)
-Rano matimaty 1 vera
-Tantel 1 sotro fihinanana
Afangaro ireo dia sotroina vao mifoha tsy mihinana inona na inona iny no tena mety,in-telo isankerinandro ianao no mihinana azy ary mandritra ny 1 volana ny fitsaboana.
Marihana fa ny fatra iray dia ohanina indray mihinana , izany hoe omaninao eo noho eo dia lanianao anio ihany, mety ihany koa raha toa ka omaninao ny alina dia ny ampitso ianao no misotro azy
dia mirary soa anao ary e !

izy no Jérémie. Tovolahy 17 taona notapahan'olona natao  sorona tany Ambatondrazaka ny filahiany...Ho vahin'ny fandahara...
09/05/2018

izy no Jérémie. Tovolahy 17 taona notapahan'olona natao sorona tany Ambatondrazaka ny filahiany...
Ho vahin'ny fandaharana ambanimaso tsy hita ao amin'ny Aceem Radio FM 103.4 Mhz amin'ny asabotsy 12 mey 2018

Penjy Randrianarisoa III

Sa tsy izany ?...
26/04/2018

Sa tsy izany ?...

Maro ianareo no mangataka torohevitra ao @ mp koa manasa anareo hisava ny pejy na ny album photos fa efa misy article ih...
20/04/2018

Maro ianareo no mangataka torohevitra ao @ mp koa manasa anareo hisava ny pejy na ny album photos fa efa misy article ihany ao momba izany.
Aza hadino ny mizara @ namana sao dia ilainy ilay torohevitra
Mankasitraka o !

RAHA TE HANANA ZANAKA MADITRA IANAO1- Omeo azy avokoa izay rehetra iriny fa ianao no niteraka azy2- Ihomehezo izy rehefa...
18/04/2018

RAHA TE HANANA ZANAKA MADITRA IANAO
1- Omeo azy avokoa izay rehetra iriny fa ianao no niteraka azy
2- Ihomehezo izy rehefa miteny ratsy fa tsy fantany akory izay teneniny
3- Aza iresahana ny lalàn’ny fiaraha-monina na ny fiainana ara-panahy izy sao hatahotra fahafatesana
4- Raha manao zavatra na toetra na fihetsika tsy mety sy tsy mahomby izy dia aza tenenina na ampahafantarina azy ny tsy fetezany.
5- Raha latsaka amin’ny tany ny zavatra eny an-tanany:aza avela hiondrika handray izany izy fa ianao no misahiràna mandray izany. Ataovy avokoa ny zavatra rehetra mety ho vitan’ny zanakao.
6- Avelao ho vakiany avokoa tsy misy avakavaka, ny boky rehetra hamenoany loto sy fako ny sainy.
7- Omeo azy daholo ny vola rehetra ilainy na izay zavatra idongiany sy itomaniany
8- Aza atao fantany ny fahasahiranana ao an-tokatrano
9- Eo imasony mandrakariva ianareo mivady miady sy mifanditra
10- Tanteraho avokoa ny faniriany rehetra sy ny haitraitram-piainany sao dia tsy mba mitovy amin’ny zana-bahoaka izy
11- Arovy mandrakariva izy raha misy miteny na mananatra azy na Ray aman-dreny ,na fianakaviana,na mpiara-monina,na mpampianatra… aoka ho mpiaro mahatoky sady mahafatra-po ny zanakao ianao
12- Raha lasa jiolahim-boto na jiovavy ny zanakao: dia lazao azy fa tsy fidiny ho azy izany fa ny fiaraha-monina no nahatonga izany.

Omano ny fianam-pahoriana ho anao ary antenao fa ho azonao izany

De : > Nar Shu Chan

ireto misy fahazarana vitsivitsy tokony hahitsy eo amin'ny fiinantsika andavanandroFAHAZARANA TOKONY AHITSY 1) Rehefa av...
18/04/2018

ireto misy fahazarana vitsivitsy tokony hahitsy eo amin'ny fiinantsika andavanandro

FAHAZARANA TOKONY AHITSY

1) Rehefa avy misakafo alina alohan'ny atory no miborosy nify fa tsy rehefa vao mifoha maraina.

2) Tokony hadio foana rehefa ao an-trano fa tsy rehefa mivoaka vao manao madio . . . Indrindra izay manambady => ny vadinao no mila ny fahadiovanao ara-batana fa tsy ny olona any ivelany.

3) Ny lakozia dia tokony hadio kokoa noho'ny efitra fandraisam-bahiny.

4) Aleo itan'ny olona hoe tsy miangona rehefa alahady fa mahavita manampy ny hafa sy tsara fanahy. MIVAVAHA MANGINA rehefa ao an-trano.

MITSARA IVELANY NY ANKAMAROAN'NY OLONA AMIN'IZAO NEFA NY AO ANATY NO TENA ZAVA-DEHIBE . . .

Nalaina tao anaty groupe > Zaraiko aminao

20/03/2018

Teny kely ho azy ary e :)
Aza hadino ny mizara amin'ireo namana

TOROHEVITRA RAHA TE HO NGEZAEfa nisy article nandalo ihany teto fa ity iray ity dia @ fomba hafa tsy dia sarotra tantera...
07/03/2018

TOROHEVITRA RAHA TE HO NGEZA
Efa nisy article nandalo ihany teto fa ity iray ity dia @ fomba hafa tsy dia sarotra tanterahina.
Raha tianao ny ho ngeza dia izao atao :
a)-Aza kizitina,mifarirotra,miketoketoka,malahelo lava...
Matetika manana ireo toetra ireo rehefa mahia.
b)-SAKAFO : Mila mihinana milamina tsara sy mipetraka tsara.
Vao maraina dia misotroa rano matavy asiana tantely,tsara raha vary gasy mena atao sosoa maraina ka andrahoina miaraka amin'ny ovy na patsa mena,na asiana laoka kitoza no hohanina na ronono mandry na totom-boanjo.
d)-Afaka manampy m**o sy dité ihany koa,afaka mihinana amin'ny ora rehetra. Manampy anao hahazo nofo sy hery ary hafanana ny fihinanana voanjo amin'ny ora rehetra.
e)-Tsara ny voankazo ohanina alohan'ny sakafo 3 (maraina,atoand ro,hariva)
f)-Manatona mpitsabo na mpivaro-panafody matihanina,ka mividiana fanafody kankana,misy an'io daholo mantsy ny olon-drehetra satria maloto ny rivotra iainantsika.
g)-Mahitsy tsara rehefa mipetraka na mandeha,aza miondrika na mitambokona,velaro ny tratra,ny soroka,aleteho ny kibo.
h)-aza mitelina na mitazona fahoriana na hatezerana na alahelo. Dikany raha misento dia aza atelinna fa tsofy avoaka amin'ny vava.
i)- Mahaiza miakanjo : manaova akanjo mazava (fotsy,mavo,mavokely...) raha lehilahy dia aza manao lobaka mitsipitsipika mitsangana,aza mampakatra volo,ary tsy asiana volom-bava ny saoka.
>>> Araho ary ireo torohevitra kely ireo raha te ho ngeza ianao,aza manao hoe inona ny hidiran'izany amin'ny te ho ngeza,fa ahitana vokatsoa ireo.
Mirary soa anao

Toetra 10 amantarana ny lehilahy azo itokisanaSarotra dia sarotra ny mamboly fitokisana ho an’olona iray, nefa segaondra...
02/03/2018

Toetra 10 amantarana ny lehilahy azo itokisana
Sarotra dia sarotra ny mamboly fitokisana ho an’olona iray, nefa segaondra iray monja dia efa mety mahavery azy io.

Andry iray mampijoro ny fitiavana anefa ny fifampitokisana, ka tsy hisy fiarahana vanona, raha tsy misy izany. Ahoana ary no hahafantarana fa azo itokisana ny olon-tina, raha vao miandoha ny fiarahana ? Ireto misy marika 10 azo amantarana azy.

1° Tsara laza izy

Tsy renao tantarain’ny olona loatra ny toetra ratsiny. Na ny vehivavy niaraka taminy taloha aza dia tsy manaratsy azy, fa afaka miresaka zavatra tsara momba ny toetrany sy ny fanaony.

2° Mitana ny teny nomeny izy

Vitsy dia vitsy ny lehilahy tena mahavita manatanteraka izay nolazainy. Raha mitana ny teny nomeny izy dia manana toetra tsara tsy fahita firy, ka azo ametrahana fitokisana.

3° Tsy mandainga aminao izy

Raha vao miandoha ny fiarahana dia efa tsapanao fa tsy milaza ny marina izy, dia tsy azo atao ny matoky azy, eny fa na lainga madinika aza no ataony, na lazainy fa lainga masina aza izany.

4° Miaiky ny hadisoany izy

Tsy miziriziry amin’ny heviny izy fa mahay miala tsiny rehefa misy tsy mety ataony. Tsy betsaka ny lehilahy manao izany, noho ny hambom-po diso toerana. Toetra tena mendrika anefa izany.

5°Mahasahy mitantara ny hadalany izy

Raha nisy hadisoana nataony tsy teo imasonao, nefa mety hisy akony aminao, dia sahiny ny mibaboka. Anjaranao ny mamela heloka, fa tsy ny lehilahy rehetra no manao toy izany.

6° Manao ny marina izy

Tsy faingafaingan-tanana izy, tsy tia kinafinafina, tsotra sy mahitsy. Azo lazaina ho lehilahy marina mihitsy izy, na dia tsy tonga lafatra aza fa manana ny kilemany.

7° Mitantara ny rehetra izy

Marina fa tsy maintsy manana ny tsiambaratelo keliny ihany izy, saingy tiany ny mizara aminao ny fiainany manokana, ny asany, ny fianarany, ny momba ny fianakaviany, ny namany…

8° Tsy mbola nandiso fanantenana anao izy

Satria mazava ny momba azy rehetra, satria miezaka ny hanatsara ny fifandraisanareo izy, raha misy lesoka ataony, satria tsy tia kinafinafina izy, dia tsy mbola nisy fotoana nahatsapanao ho diso fanantenana tanteraka sy nanenina nitia azy.

9° Matoky anao izy

Raha mbola tsy nanao ratsy azy ianao dia tokony hatoky anao ihany koa izy. Mazàna mantsy, ny lehilahy tsy matoky ny olon-tiany dia manan-javatra afenina, hany ka matahotra izy sao manafin-javatra koa ianao.

10° Mijery anao anaty maso izy

Amin’ny ankapobeny, ny olona mahasahy mijery anaty maso dia olona azo antoka. Raha mitsoaka ny masonao kosa izy, raha tsy mahajery anao fa midifidify hafahafa, dia tsy azo atao loatra ny mametraka fitokisana aminy.



Fytia .jejoo

28/02/2018

Manala "SUSSON" na "SUÇON"
>> Tongolo gasy √
• Totoina ho lasa pâte dia iny no ahositra @ faritra misy azy.Ho hitanao fa vetivety izany dia miala
NB: Ny atao hoe "SUSSON" dia fiovan'ny lokon'ny hoditra amin'ny faritra iray izay iniana ataon'ny olona iray amin'ny alalan'ny oroka na kaikitra matsiro dia matsiro ... Tsy aretina akory izy io !

NY TONGOLO GASYEto ampiandohana dia marihana fa efa nanao ny admin ary nisy olona hafa ihany koa nampihatra izany dia na...
27/02/2018

NY TONGOLO GASY

Eto ampiandohana dia marihana fa efa nanao ny admin ary nisy olona hafa ihany koa nampihatra izany dia nandaitra ilay izy.efa tsy zoviana amitsika intsony angamba ny atao hoe tongolo gasy e?
Maro ny soa entiny amin'ny fihinana azy fa ireto anankiroa ireto no atolotra anao anio.

*Manampy amin'ny torimaso ny tongolo gasy : efa fampiasan'ny ntaolo malagasy fahiny izy ity ho fandroahana fanahy ratsy ka dia nampiasainy hampahita torimaso. Ny fanaovana azy dia alaina ny tongolo gasy hasiny (singany) iray tsy mivaovy (tsy voasana) dia iny atao ao ambany ondana alohan'ny hatory.
____________

*Mampidina tension ny tongolo gasy : efa fampiasan'ny ntaolo malagasy ihany ny tongolo gasy hanasitranana aretina fahiny. Maro ny aretina sitrany ka anisan'izany ny tension na ny tosi-dra izay miakatra ka hampidinina.Maka ianao tongolo gasy hasiny efatra antonony dia iny no tsakoina ka atelina.amin'ilay izy mihetsika iny dia tonga dia atao ity fanomanana ity fa hahita vokatra tsara ianao.
Misy ihany koa ny fanafody hafa mampidina tension dia tsy inona izany fa ny "felimirongo" efa misy article momba izany ato amin'ny pejy ka manasa anao hisavasava :) :)
Afaka milaza ny soa azo avy amin'ny tongolo gasy ao amin'ny commentaire ihany koa ianao.mba mifanampy e !
.. Mirary soa anao hatrany izahay :)

Hainao ve ny manao an'izany ?? ...
22/02/2018

Hainao ve ny manao an'izany ?? ...

Torohevitra MahombyAry mety hanampy anao ...
19/01/2018

Torohevitra Mahomby
Ary mety hanampy anao ...

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zany ve ? posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Shortcuts

  • Address
  • Alerts
  • Videos
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share