Afaka

Afaka Sehatra hifampizaran’i Haingo, Tija ary ireo vahininy ny momba ny fifandraisana sy ny fifindramonina.

Sehatra hifampizaran’i Haingo sy Tija ary ireo vahiny voaasa handalinana am-pahalalahana ny momban’ny fifindramonina, ny vehivavy, ny fiarahamonina, ny fifandraisana sy izay rehetra mahakasika izany. Afaka, pronounced /uhfawkuh/, is a Malagasy word which means ”CAN” and/or ”FREE”. In this podcast, your hosts Haingo and Tija are aiming to talk openly about their journey as women, moms, and immigrants as well as their hope to build community through their lived experience.

04/12/2023

Episode 29: Fanabeazana sy Fiahiana ny Ankizy sy ny Tanora

Miresaka sy mizara manodidina ny tontolon'ny fanabeazana sy fiahiana ny ankizy sy ny tanora i Henintsoa Daniel ao amin'ny Hay Kanto izay matihanina amin'io sehatra io.

Our guest Henintsoa Daniel with Hay Kanto who is a Child and Youth Care Worker shares his experience around the special education field.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Drafi-piainanay" by Tija (2014) based on Raozigasy's poem (France).

#

Mahaliana anao ve ny hihaino sy hahalala bebe kokoa ny tontolon'ny fanabeazana sy fiahina ny ankizy sy ny tanora? Hiresa...
27/11/2023

Mahaliana anao ve ny hihaino sy hahalala bebe kokoa ny tontolon'ny fanabeazana sy fiahina ny ankizy sy ny tanora?

Hiresaka sy hizara manodidina izany ny vahinintsika Henintsoa Daniel ao amin'ny Hay Kanto izay matihanina amin'izany amin'ny zara faha-29n'ny podcast Afaka. Hivoaka izao Alatsinainy faha-4 ny volana Desambra izao. Aza miala!

Our next guest Henintsoa Daniel with Hay Kanto who is a Child and Youth Care Worker will share his experience around the special education field in this 29th episode, out on December 4. Stay tuned!

20/11/2023

Mitohy hatrany ny fanarahana nofy ho lasa anton'asa mahasoa sady mahafinaritra. Miresaka sy manazava ny atao hoe asa na fiainana "digital nomad" ny vahinintsika Adrienne Irma Rabemanantsoa - AIR eto amin'ity zara faha-28 ny Afaka ity. Tsidiho ihany koa ny pejiny AIR's Digital Nomad Academy fa any no hizarany misimisy sy hanampiana olona izay maniry hanao izany asa/fiainana izany.

Our guest Adrienne Irma Rabemanantsoa is sharing about her digital nomad lifestyle in this Episode 28 and how she came about choosing and doing that. Her page AIR's Digital Nomad Academy is available for those are interested in learning more about that.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

Tianao ve ny hahalala bebe kokoa ny momba ny atao hoe "digital nomad" sy ny mety ho endriky ny fiainana rehefa miroso am...
13/11/2023

Tianao ve ny hahalala bebe kokoa ny momba ny atao hoe "digital nomad" sy ny mety ho endriky ny fiainana rehefa miroso amin'izany?

Hitondra fanazavana misimisy momba izany ny vahininay, Adrienne, manomboka ny 20 Novambra izao.

Our next guest, Adrienne Irma Rabemanantsoa - AIR , will talk about the digital nomad lifestyle in our Episode 28.

It will be available on our platforms starting November 20.

06/11/2023

🇲🇬 Azo atao tsara ny mampiaraka sy mampirindra ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Ary koa ny mamadika ny mahafinaritra ho asa fototra na vadin'asa. Henoy ange ity zara nataon'i Nantenaina Mazava ity izay mizara ny dingana nolalovany nahatonga azy ho mpilalao basikety matihanina sy ny fianarana aty ivelany izay samy nofinofiny tanteraka.

🇺🇸 Everything is possible when you set your heart to it. This episode with Nantenaina Mazava, a professional basketball player, is sharing about his endeavors and how he came to the U.S. to fulfill both of his dreams.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.


Azo atao tsara ny mampiaraka sy mampirindra zavatra mahasoa sy mahafinaritra. Ary koa ny mamadika ny mahafinaritra ho as...
30/10/2023

Azo atao tsara ny mampiaraka sy mampirindra zavatra mahasoa sy mahafinaritra. Ary koa ny mamadika ny mahafinaritra ho asa na koa fanampin'asa. Hizara mikasika izany ny vahinintsika manaraka, Nantenaina Mazava , izay hivoaka amin'ny faha-6 ny volana Novambra izao. Aza miala!

Everything is possible when you set your heart to it. Our next guest Nantenaina Mazava will share around that on our next episode, out on November 6th. Stay tuned!

23/10/2023

Daniel Roimemy Rkt , mpanoratra tononkalo, no vahininay ary mizara amintsika ny asa sorany sy ny fampiasany izany amin'ny maha-mpianatra ivelan'i Madagasikara azy ihany koa.

Our guest, Daniel Roimemy RKT, a poet and a Malagasy international student, is sharing his poems and his life as he is studying abroad.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Banga" by Tija (2014) based on Raozigasy's poem (France).
"Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

16/10/2023

🇲🇬 Inona no ifandraisan'ny fifindramonina sy tononkalo? Afaka henoinao eto miaraka amin’ny vahininay, Daniel Roimemy Rkt, manomboka ny 23 Oktobra.

🇺🇸 Can poetry and immigration go together? Our guest, Daniel Roimemy RKT, will walk us through that in our next episode, available starting October 23 on here and on our other platforms.

Tononkalo: "Olombelona ny tena", Daniel Roimemy RKT
Mozika: "Mahaliana", Ny Andriamananjara

Nahazo ito hafatra ito koa izahay. Mampiahiahy ny hamaroan'ny tsipelina diso aminy. Toy izany koa ny anarany sy ilay man...
14/10/2023

Nahazo ito hafatra ito koa izahay.

Mampiahiahy ny hamaroan'ny tsipelina diso aminy. Toy izany koa ny anarany sy ilay mangamanga eo akaikin'ny sariny.

Amin'izay koa vao resaka voalohany tonga dia "fampitandremana farany" hono (last warning).

Aza kitihana ilay rohy ampiarahany amin'ilay hafatra raha maharay hafatra toy izao ianao.

Samia mailo hatrany eo ampampiasana itony tambazotra serasera itony!

09/10/2023

Episode 25: Ireo fitsipika apetraky ny fiarahamonina 2

🇲🇬 Mizara ireo fitsipika sy fepetra takian'ny fiarahamonina na fianakaviana aminy izay toa zary lasa sakana na geja tsy hahafahany maneho manokana ny tena maha-izy azy i Tahiry amin'ity zara faha-25-n'ny Afaka ity.

Ity rohy manaraka ity no andininy voalohany noresahanay ireo fitsipika apetraky ny fiarahamonina: https://fb.watch/n87nK96NAR/?mibextid=Nif5oz

🇺🇸 Our guest, Tahiry, is sharing how familial expectations and social construct might be affecting her ability to find her authentic self in this 25th episode of Afaka.

Another episode we talked about this very topic can be found here:
https://fb.watch/n87nK96NAR/?mibextid=Nif5oz

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

Inona ireo fitsipika sy fepetra takian'ny fiarahamonina na fianakaviana aminao izay toa zary lasa sakana na geja tsy afa...
02/10/2023

Inona ireo fitsipika sy fepetra takian'ny fiarahamonina na fianakaviana aminao izay toa zary lasa sakana na geja tsy afahanao maneho manokana ny tena maha-izy anao? Mahakasika izany no ho resahanay miaraka amin'ny vahininay Tahiry amin'ny faha-9 ny volana Oktôbra ho avy izao.

What are some boundaries and limits that you have had hard time setting, due to social and familial expectations, that are affecting your ability to be your authentic self? Our next episode, out on October 9, will be around this topic with our guest Tahiry.


Andeha hiara-hankalaza aminay ny andro iraisam-pirenena ho an'ny "podcast" androany 30 Septambra! Inona no "podcast" hen...
30/09/2023

Andeha hiara-hankalaza aminay ny andro iraisam-pirenena ho an'ny "podcast" androany 30 Septambra!

Inona no "podcast" henoinareo matetika?

Inona no fizarana teto amin'ny Afaka podcast tianareo indrindra?

Sady manararaotra maneho ny fankasitrahana antsika mpanaraka sy mpihaino fa manome lanja sy manondrotra hatrany ny "podcast" malagasy ny fanohananareo anay!

27/09/2023

Mankasitraka anareo mpanaraka sy mpihaino anay rehetra.

25/09/2023

Episode 24: Fahasamihafana ara-pinoana

🇲🇬 Mizara ny niainany manoloana ny fahasamihafana ara-pinoana ny vahinintsika, Atmika, amin'ity zara faha-24-n'ny Afaka podcast ity.

Manan-talenta amin'ny zavatra maro i Atmika ary ity rohy manaraka ity dia mampiseho ny sasany amin'ny zavatra ataony: Aimpirenena

🇺🇸 Our next guest, Atmika, is sharing her experience on religious discrimination in this 24th episode of Afaka.

Atmika is a multi-talented individual and one of her activities can be found

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.


🇲🇬 Ianao ve efa efa nahatsiaro voahilikilika noho ny finoanao satria tsy mitovy ny an'ny hafa? Raha eny, ohatra ny ahoan...
18/09/2023

🇲🇬 Ianao ve efa efa nahatsiaro voahilikilika noho ny finoanao satria tsy mitovy ny an'ny hafa? Raha eny, ohatra ny ahoana no fisehony?

Hamelabelatra io ny vahintsika manaraka manomboka ny 25 Septambra izao eto amin'ny Afaka.

🇺🇸 Have you ever been discriminated because of your religion? If yes, can you tell us more?
Our next guest at Afaka will share their experience on religious discrimination.

It will be available on here, YouTube, and Listennotes starting September 25. Please stay tuned!

11/09/2023

Episode 23: Ny fahasalaman'ny saina sy ny fianarana aty ivelany

Miresadresaka sy mizara ny traikefany tamin'ny nianarany taty ivelany sy ny fahasalaman'ny saina ny vahininay, Tinah, amin'ity zara faha-23n'ny Afaka ity.

Our guest, Tinah, is sharing about her experience as an international student and mental health in this 23rd episode of Afaka.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Persimmon Tree" by Tija (Album Blue, 2010).

Raha te hanaraka ny asa ataon'i Tinah dia afaka mitsidika ny Ikala STEM sy (X).

Manohy fianarana ivelan'i Gasikara ve ianao? Toa ny ahoana no niatrehanao izany?Ny fahasalaman'ny saina sy ny fianarana ...
04/09/2023

Manohy fianarana ivelan'i Gasikara ve ianao? Toa ny ahoana no niatrehanao izany?
Ny fahasalaman'ny saina sy ny fianarana aty ivelany no horesahanay mirahavavy miaraka amin'ny vahininay, Tinah, amin'ny faha-11 ny volana Septembra ho avy izao.

Are you an international student in the higher education? What helped you complete your studies?
Our next episode will be around mental health and studying abroad with our guest, Tinah. It will be out this September 11th, 2023.

28/08/2023

Episode 22: "Tafa an!"
🇲🇬 "Efa tafa mihitsy an!"
"Fa inona moa ilay hoe tafa e!?"
Niverina niresadresaka tamin'i Vero (Malagasy NoMads) izahay mirahavavy manodidina io lohahevitra io. Araho anie e.

Ireto ambany ireto ireo rohy afahanao mihaino zara hafa niarahanay niaraka tamin'i Vero teo aloha/other episodes we did with Vero:
https://fb.watch/mncTaIg_57/?mibextid=Nif5oz
https://fb.watch/mnc-pUerUH/?mibextid=Nif5oz

🇺🇸 How do you measure a person's success? What is success? Our guest Vero is back with us and discussing this topic with us.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

🇲🇬 "Tafa an!" "Fa inona ilay tafa e!?"Araho ny resadresaka nifanaovanay tamin'i Vero. Afaka henoinao manomboka ny 28 Aog...
21/08/2023

🇲🇬 "Tafa an!"
"Fa inona ilay tafa e!?"
Araho ny resadresaka nifanaovanay tamin'i Vero. Afaka henoinao manomboka ny 28 Aogositra ho avy izao.

🇺🇸 How do you measure a person's success? Stay tuned, our guest, Vero, is going to discuss this very topic on August 28 here and on our other platforms.

📷Olya Adamovich

14/08/2023

Episode 21: Sakafo malagasy aty ivelany

🇲🇬 Miresadresaka fohifohy momba ireo sakafo malagasy izay hitanay sy afaka hohaninay ankoatran'ny vary aty ivelan'i Gasikara izahay mirahavavy amin'ity zara faha-21n'ny Afaka ity.

Rehefa miresaka sakafo malagasy ka tsy mahita ilay nahazatra dia manimanina eny sisa no azo atao: https://fb.watch/mgxMQ0g1mk/?mibextid=Nif5oz

🇺🇸 Your hosts are sharing briefly about any Malagasy food (besides rice) that they can still access to while overseas during this 21st episode.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

🇲🇬 Malagasy NoMads ary mipetraka ivelan'i Gasikara ve ianao? Ankoatran'ny vary, inona ireo sakafo n.mahazatra anao tany ...
07/08/2023

🇲🇬 Malagasy NoMads ary mipetraka ivelan'i Gasikara ve ianao? Ankoatran'ny vary, inona ireo sakafo n.mahazatra anao tany izay mbola hitanao sy afaka hohaninao eto amin'ny toerana misy anao izao?

Hiresadresaka fohifohy momban'izany indrindra izahay mirahavavy amin'ny Alatsinainy faha-14 ny volana Aogositra ho avy izao. Zara faha-21n'ny Afaka izy ity. Aza miala!

🇺🇸 Are you Malagasy NoMads living overseas? Besides rice, what food did you typically eat while there that you have hard time finding where you are at now?

Your hosts will be sharing briefly about their experience around Malagasy diet overseas this Monday Aug. 14 in our 21st episode. Stay tuned!

📷Salym Fayad

31/07/2023

Episode 20: Ny fisaonana sy ny endriny

🇲🇬 Raha toa ka tsy afaka nanatrika ilay SoaSoa Tafa/Zara mahakasika ny fisaonana sy ny endriny ianao dia mizara ny traikefany manoloana ny fahalasanan'ny olon-tiany, ny fisaonana nolalovany sy izay nanampy azy ny vahininay Sthela Holly Hanitrinirina eto.

🇺🇸 If you missed our last SoaSoa Tafa/Zara regarding grief work, this is your opportunity to listen and hear our guest Sthela Holly Hanitrinirina's personal experience grieving the loss of a significant other and what helps her celebrate and live.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Banga" by Tija (2014) based on Raozigasy's poem (France).

🇲🇬  Inona no n.ataonao rehefa misaona satria lasa nandao ity tany fandalovana ity ny olona tianao na ny olona akaiky ana...
24/07/2023

🇲🇬 Inona no n.ataonao rehefa misaona satria lasa nandao ity tany fandalovana ity ny olona tianao na ny olona akaiky anao? Hiresadresaka mombamomba izany ny vahintsika, Sthela, amin'ny 31 Jolay ho avy izao.

🇺🇸 How do you live your grief? Our guest, Sthela, is sharing her experience in our next episode (available on our platforms on July 31).

17/07/2023

Episode 19: Mitia tsy miraiki-po

Mizara ny traikefany manokana, manodidina ny fianarana mitia ny tena, miampy ny fahalalana izay norantovony i Sandie Ramasy amin'ity zara faha-19 ity.

In this episode 19, our guest Sandie Ramasy shares her own personal experience on self-love quest coupled with her study background.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Banga" by Tija (2014) based on Raozigasy's poem (France).

13/07/2023

Iza amintsika ato no manao podcast? Amin'ny teny malagasy na tenimpirenena hafa?

Miresaka momba ny fifindramonina, ny fifandraisana, ny fiarahamonina sy ny vehivavy izahay sy i Tija SoaSoa ary ireo vahininay ao amin'ny Afaka.

Anjara andraikitro ny mikirakira ny fanambarana ny feo sy hira hoy toy ilay henonareo ao amin'ny pejinay ireny. Tsy matihanina aho fa mampiana-tena.

Narary be ny lohako tamin'ny voalohany fa ohatra ny tsy mitovy fiteny izany izahay sy ny fitaovana nampisaina.
"Ahoana no hamakiana itony graphs itony?" "Ahoana no fampiasa azy?" "Mety ho haiko ve?" "Graphs izany ve tsy ohatra ny chiffres? Izaho matahotra chiffres".
Hoy ny filazantsika azy izay hoe "ohatra ny teny sinoa".

Ny mahafinaritra ahy anefa izao dia afaka mamantatra ny endriky ny feo mitovitovy aho. Na ny mahita ny toy ny sary etsy ambany ito aza dia fifaliana ho ahy. Ohatra ny zavakanto tsara voatra izany!

Mbola mitohy ny fampianarako ny tenako ity fanaovana "edit" ny podcast-ntsika ity. Aza hadino ny mitsidika ny pejinay fa misy fizarana vaovao isaky ny tapa-bolana ao.

🇲🇬 Ambentin-dresakay eto isan'andro, indrindra ao amin'ny SoaSoa, izay mbola vaovao amin'ny ankamaroan'ny olona ny ho re...
10/07/2023

🇲🇬 Ambentin-dresakay eto isan'andro, indrindra ao amin'ny SoaSoa, izay mbola vaovao amin'ny ankamaroan'ny olona ny ho resahanay amin'ny vahininay Sandie Ramasy amin'ny faha-17n'ny volana Jolay. Inona ary izany raha fantatrao?

🇺🇸 Our next guest for the episode 19 out on July 17th, Sandie Ramasy, is going to share her own experience around a practice that we advocate a lot at SoaSoa yet still new to many. Guess what it is?

03/07/2023

🇲🇬 Miresadresaka amin'ny ambangovangony ireo mety ho vokatry ny henatra diso tafahoatra i Haingo sy i Tija amin'ity fizarana faha-18 ity.

🇺🇸 In this episode, Haingo and Tija are sharing possible consequences of deep shame and how it might affect aspects of our daily lives.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

Tratry ny 26 Jona e!🇲🇬 Milazà hoe vato misakana ho amin'ny fivoaran'ny maha-ianao anao... Iray amin'ireo no horesahantsi...
26/06/2023

Tratry ny 26 Jona e!

🇲🇬 Milazà hoe vato misakana ho amin'ny fivoaran'ny maha-ianao anao... Iray amin'ireo no horesahantsika amin'ny 03 Jolay ho avy izao.

🇺🇸 Name one obstacle that hinders your personal development... We will be discussing one of those in our Episode 18, available on our platforms starting July 03.

19/06/2023

Mizara ny traikefany amin'ny maha-reny tokan-tena azy miampy fampaefana ireo izay miaina izany ny vahinintsika Fenitratiana amin'ity zara faha-17n'ny Afaka Podcast ity.

In this 17th episode, our guest Fenitratiana shares her own experience as a single mom and empowers people from such experience.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Drafi-piainanay" by Tija (2014) based on Raozigasy's poem (France).

17/06/2023

Inona avy no teny tsaroanao raha vao maheno ny teny hoe "Afaka"?

12/06/2023

Hanam-bahiny indray ny Afaka Podcast amin'ny 19 Jona ho avy izao. I Fenitratiana no hizara amintsika ny traikefany amin'ny maha-reny tokan-tena azy miampy fampaefana ireo izay miaina izany.

Our next guest Fenitratiana at Afaka Podcast will share her own experience as a single mom and will empower women from such experience.

05/06/2023

Mikarakara tena

🇲🇬 Mizara sy miresadresaka momban'ny fikarakarana tena, vatana, saina ary fanahy izay mahasoa ny fifandraisana amin'ny ankapobeny i Tija sy Haingo amin'ity fizarana faha-16 ity.

🇺🇸 Your hosts Haingo and Tija are sharing and discussing self-care that promotes connection in general in this 16th episode.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and Listennotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

🇲🇬 Ohatra ny ahoana izany mikarakara ny tena izany satria mahay mitia ny tenanao? Harahinao amin'ny Fizarana faha-16, hi...
29/05/2023

🇲🇬 Ohatra ny ahoana izany mikarakara ny tena izany satria mahay mitia ny tenanao? Harahinao amin'ny Fizarana faha-16, hivoaka ny 05 Jona izao.

🇺🇸 Self-care is self-love. We will talk more about this topic in our Episode 16, available on our platforms starting June 05th.

22/05/2023

Mentoring

🇲🇬 Amin'ity zara faha-15 izay amin'ny teny anglisy ranoray ity dia miresaka momban'ny "Programme de Mentorat en Leadership" ho an'ny zatovovavy malagasy ny vahininay Florence Assomany avy ao amin'ny Young & Leaders, Be The Change.

🇺🇸 In this 15th episode entirely in English, our guest Florence Assomany from Young & Leaders, Be The Change is sharing about their yearly leadership and mentoring program for the emerging Malagasy young adult women.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on YouTube and ListenNotes.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

Hanam-bahiny indray ny podcast Afaka amin'ny fizarana faha-15 manaraka izay hivoaka amin'ny faha-22 ny volana Mey ity.  ...
15/05/2023

Hanam-bahiny indray ny podcast Afaka amin'ny fizarana faha-15 manaraka izay hivoaka amin'ny faha-22 ny volana Mey ity. Tsy iza izany fa i Florence Assomany avy ao amin'ny Young and Leaders izay hiresaka momban'ny "Programme de Mentorat en Leadership" ho an'ny zatovovavy malagasy. Tsara marihana etoana fa ity no fizarana voalohany amin'ny teny anglisy ranoray izay ataonay eto amin'ny Afaka.

Our next episode 15, out this May 22, will be entirely in English with our guest Florence Assomany from Young and Leaders about their yearly leadership and mentoring program for the emerging Malagasy young adult women.

08/05/2023

Afaka Miresaka 2

🇲🇬 Amin'ity zara faha-14 ity dia manohy ny resaka fampiharana fahafahana miresaka indray ny vahinintsika Vola Rakotoarijaona ho tohin'ilay lohahevitra farany.

🇺🇸 To continue our conversation of last time, our guest Vola Rakotoarijaona is sharing a few methologies of applications on how to communicate effectively.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on Podbean, Google Podcasts, Amazon Music, Audible, Listen Notes, and YouTube.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

06/05/2023

“Samy manana ny hazo fijaliana ho lanjainy avy isika eo amin’ny fiainana ary samy manana ny tantarany tokony ho tantaraina avy koa. Samy manantena kosa anefa fa hisy olona hahafoy ny fotoanany hihaino azy ireny.”
Greg McVicker.
Inona no tantaranao tianao ho fantatry ny hafa?

01/05/2023

Mbola mitohy ny resatsika momba ny "Afaka miresaka". Hohenointsika eto indray manomboka ny 08 Mai ho avy izao. Indro sombitsombiny.

24/04/2023

Afaka Miresaka

🇲🇬 Amin'ity zara faha-13 ity dia mampahafantatra amin'ny ambangovangony ny momban'ny fifandraisan'ny fo amin'ny fihetsehampo sy ny fahatsapan'ilay olona ny maha-izy azy amin'ny fomba ifampiresahany amin'ny hafa ny vahininay, Vola Rakotoarijaona.

🇺🇸 In this 13th episode, our guest, Vola Rakotoarijaona, is sharing how emotions, sense of identity, and state of mind affect our abilities to communicate effectively.

Afaka henoina koa ao amin'ny / Also available on Podbean, Google Podcasts, Amazon Music, Audible, and YouTube.

Music: "Mahaliana" by Andriamananjara, performed by Volahasiniaina Linda & Rakotoarisoa Odon.

Address


Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Afaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Shortcuts

  • Address
  • Alerts
  • Videos
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share