22/09/2022
🟥 CRYPTOMONAIES ~ Inona izany?
Ny Cryptomonaies dia vola, vola numérique ihany, tsy azo tsapain-tanana fa hita eo amin'ny écran fotsiny.
🌻 Iza ny cryptomonaies voalohany?
Ny Bitcoin no cryptomonaies voalohany izay noforonin'i Satoshi Nakamoto tamin'ny 2009.
🎭 Misy firy ny cryptomonaies ?
Efa maherin'ny 20000 ny isan'ny cryptomonaies (coin et token) ankehitriny:
Bitcoin, Ethereum, Tether, USD Coin, Binance Coin, Ripple, Binance USD, Cardano, Solana, Dogecoin, Shiba Inu, Tron, Litecoin, Bitcoin Cash, Dash, ...
🤔 Mitovy daholo ve ireo?
TSIA samihafa tanteraka ireo, samy manana ny antony namoronan'i tompony azy. Hojeretsika tsirairay izay ilaitsika fa tsy hovitatsika dinika daholo ireo 20000 isa ireo mazava hoazy.
💎 Mandeha amin'inona ny Cryptomonaies ?
Ny cryptomonaies rehetra dia mandeha amin'ny logiciel, amin'ny maha informatique azy dia logiciel antsoina hoe Blockchain no misy azy.
😾 Tsy maintsy manana ordinateur sy io logiciel Blockchain io zany vao afaka mikirakira Cryptomonaies ?
TSIA, izay handray anjara amin'ny fitrandrahana azy no tsy maintsy mananana ireo fa ho anao izay hampiasa kosa dia portefeuille électronique (fitahirizam-bola) ihany no ilainao hikirakiranao ilay cryptomonaies. Téléphone dia efa ampy.
➡️ Inona ndray no hojeretsika amin'ny manaraka?
Amin'ny publication manaraka isika hijery manokana ny Bitcoin sy Blockchain !