Mada Lyrics

Mada Lyrics Mada Lyrics dia hahitanao ireo tononkira / paroles / lyrics videos malagasy 🇲🇬

16/12/2022

Ny ako - Espoir en Jésus (lyrics gasy) par Madalyrics

✔ Hira: Ny ako - Espoir en Jésus
https://youtu.be/-BXS7WGGCJU

Dispo sur Youtube:
https://youtu.be/7Q1b52er2qg

Merci de votre visite🙂

Si la vie d’ici-bas t’as déçu,
Si les joies semblent fuir très loin de toi
Si l’amour n’embellit plus tes jours
Ne désespère pas car Jésus Christ est là

Si l’angoisse et la peur te saisissent
Si tu n’as que solitude pour compagnon
Si tu es déprimé et lassé
Ne désespère pas car Jésus Christ est là

REF :
Remettez à moi tous vos fardeaux
Je vais m’en charger a dit Jésus Christ
Apportez à moi vos soucis, en retour
Je vous donnerai la paix du cœur

En retour, Je vous donnerai la paix du cœur

Si la vie d’ici-bas t’as déçu
Si les joies semblent fuir très loin de toi
Si tu es déprimé et lassé
Ne désespère pas car Jésus Christ est là

REF :
Remettez à moi tous vos fardeaux
Je vais m’en charger a dit Jésus Christ
Apportez à moi vos soucis, en retour
Je vous donnerai la paix du cœur

Hoy Jesoa hoe mankanesa aty
‘Zay vesaran’entana tsy tanty
Ireo ady mafy mampiasa loha
Fa Izaho vonona hanome fiadanam-po

Fa Izaho vonona hanome fiadanam-po

Fa Izaho vonona hanome fiadanam-po

-------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

09/12/2022

Ny Nanahary - Noelin'ny kamboty (Pazzapa 3) Lyrics vidéo par Madalyrics

✔ Hira: Ny Nanahary - Noelin'ny kamboty (Pazzapa 3)
https://youtu.be/It0MAt5eX-k

Lyrics Vidéo dispo sur Youtube:
https://youtu.be/RYlaNXVzCxE

Ny Nanahary - Noelin'ny kamboty (Pazzapa 3) Madalyrics (Lyrics gasy)

Ref :
Ny noelinay ry zareo,
Ao an-trano bongo mangingina,
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza.
Tanin’afo dia izay,
Rom-patsa miaro sakay ;
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky,
Tomany fa kamboty.

Mahatsiaro ireo andro fahiny mbola nisy an’Ikaky hitosiana,
’Zao anefa dia afaka ho aiza fa nilaozan’ny reny nitaiza
Gadon-kira atopan’ny alina no sisa mandrotsy ombieny.

Ref :
Ny noelinay ry zareo,
Ao an-trano bongo mangingina,
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza.
Tanin’afo dia izay,
Rom-patsa miaro sakay ;
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky,
Tomany fa kamboty.

Feom-baliha tinerin’ny sento no miritsoka mamelovelo,
Singanin’ny feon-dakolosy izay manaitra indray ny alahelo,
Hany hery ny fo ngolingoly manokatra ny Baiboly.

Ref :
Ny noelinay ry zareo,
Ao an-trano bongo mangingina,
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza.
Tanin’afo dia izay,
Rom-patsa miaro sakay ;
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky,
Tomany fa kamboty.

Raha mahita anay tsy miteny dia mandroaka mena masoandro,
Nefa kosa mba tsarovy ihany fa kodiarana anie izany tany.
Raha anio izahay no tomany, ampitso mbola hifaly.
Ref :
Ny noelinay ry zareo,
Ao an-trano bongo mangingina,
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza.
Tanin’afo dia izay,
Rom-patsa miaro sakay ;
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky,
Tomany fa kamboty

Tomany fa kamboty.

-------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

02/12/2022

Andro Malaza - Antsan'i Kristy (Madalyrics)

✔ Hira: Andro malaza - Antsan'i Kristy

👉Dispo sur Youtube:
https://youtu.be/2G7U0IBu4II

Merci de votre visite🙂

Andro Malaza - Antsan'i Kristy (Madalyrics)

Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro izay nisehoan’i Jesoa
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa
Mba hampiseho fihavanana,

REF :
Mifalia sy mihobia mafy,
F’efa tonga ny Mpanavotra
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io
Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io

Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoko Azy koa.
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:

REF :
Mifalia sy mihobia mafy,
Fa efa tonga ny Mpanavotra
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io
Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io

Andro malaza izao

-------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

25/11/2022

Bodo - Ankino lyrics vidéo par Madalyrics

✔ Hira: Ankino - Bodo
https://youtu.be/KJsC71VyPEk

🔴 Lyrics dispo sur Youtube:
https://youtu.be/evaU_LyMGoI

Merci pour votre visite🙂

Bodo - Ankino (Madalyrics)

Misy olona mitomany
Hitanao any ho any
Mahatsiaro ho resin’ny fiainana
Ka velona ny taraina
Mahatsiaro ho potraka tokoa
Nefa atao ahoana moa
Izay angamba no anjaranao
Sa ny vintana no tsy tao

Iza no hanala ny ratsy vitanao ety an-tany
Misafidy foana ianao
Ho velona sa ho faty
Mahatsiaro ho potraka tokoa
Nefa atao ahoana moa
K’aza kivy toa izao
Andriamanitra anie homba anao

REF :
Ankino tanteraka
Fa aza manaiky ho reraka
Ho tafita foana ianao
Rehefa ao ilay Tompo Andriamanitrao
Izy no manampy anao
Rehefa manatona Azy ianao
Satria ny Ray, Ray, Ray, Ray
Mahavita ny tsirairay

-------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

04/11/2022

LOLA - Manahiragna (Madalyrics)

✔ Hira: LOLA - Manahiragna
https://youtu.be/Y7KToHqy5qE

LOLA - Manahiragna

Malahelo anao marô gny mahatonga anahy mandeha
Agnilan'gny tragnonareo isan-dera a!
Malahelo anao m’angahy gny mahatonga anahy mandalo
tsy dia izany fa mialoalo ô

nefa laha fanepaka e
tsy mahasahy miresaka e
vita teo gny tetika e
rava gny eritreritra e

Malahelo anao viavy tsy aligna rô tsy atoandro
sinisinika lava isan'andro
mibipy amy telefôny ndre allô allô avao
igny da mahafaly gny havanao

nefa laha fanepaka e
tsy mahasahy miresaka e
vita teo gny tetika e
rava gny eritreritra e

Oy e! ino gn'ataoko endry e
Oy e! ino gn'ataoko aba a
Manahiragna zalahy tsy mahasahy viavy e
Fijaliana gny manafo laha mataho-biavy e

Malahelo fahizay fahizay
Izay gny tantarako ô
Toroy hevitra rô iaho namako ô
Herintaona ka hatramin'izao
Da mbola itoa avao
Iaho toa da mola aminao ô

nefa laha fanepaka e
tsy mahasahy miresaka e
vita teo gny tetika e
rava gny eritreritra e

x2
Oy e! ino gn'ataoko endry e
Oy e! ino gn'ataoko aba a
Manahiragna zalahy tsy mahasahy viavy e
Fijaliana gny manafo laha mataho-biavy e

Aza aby gn'anakavy amin-dreny
Ask'agny zalahy e

Oy e! ino gn'ataoko endry e
Oy e! ino gn'ataoko aba a
Manahiragna zalahy tsy mahasahy viavy e
Fijaliana gny manafo laha mataho-biavy e

Manahiragna zalahy

ndre ts'ampitso io ndre ts'androany
vadiko sindritry io gn'iafarany
ndre ts'ampitso io ndre ts’androany
mody an-dragnoko io tanàny agny

Manahiragna zalahy

Hitetezako labodiky
izay teny da hikipiko
ataoko lalany tsara androany
Fiadagnana tsisy akôra an'izany

-------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

28/10/2022

✔ Hira: TOVO J'HAY - Fihin-tananao
https://youtu.be/3SxVcTH9cEw

TOVO J'HAY - Fihin-tananao

lay tsikinao isa-maraina d'efa ampy ahy
Ho fifaliako, sitrako sy tiako
Fankaherazanao manala ahiahy
Tsy hohadinoiko, voasikotra am-poko
Fihin-tananao maneho fahavononana
Mba hiatrika izay adiko sy olana

REF:
Raha sendra mitomany, ka tojo ilay ankaso
Ny tananao no inoako, mahafafa ranomaso
Tsy anjely nefa ianao, mifono mistery amiko
Fa be fitiavana, andrianiko ho tiaviko

Indro aho fa niova nanam-pahendrena
Niova ny fiainako, niova ny fisainako
Tsisy afa-tsy ianao no voajeriko
Mamiko tiako, tokana fidiako
Tokinao, tsikinao, ampy ho andriko
Efa fantatrao fa ianao anie no kiadiko

REF:
Raha sendra mitomany, ka tojo ilay ankaso
Ny tananao no inoako, mahafafa ranomaso
Tsy anjely nefa ianao, mifono mistery amiko
Fa be fitiavana, andrianiko ho tiaviko

Tsy taitra randram-bao, fa mionona aminao
Anaty tsy mba rehy, tsy sanatria voafehy

REF:
Raha sendra mitomany, ka tojo ilay ankaso
Ny tananao no inoako, mahafafa ranomaso
Tsy anjely nefa ianao, mifono mistery amiko
Fa be fitiavana, andrianiko ho tiaviko

-------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

27/10/2022

Bon Voyage - Mahaleo (Madalyrics)

✔ Hira: Bon Voyage - Mahaleo
https://youtu.be/0KByjmQzWi4

Bon Voyage - Mahaleo (Madalyrics)

Bon Voyage
Raha mba niainga e!!
Raha mba niainga tany aminay izahay e!!
Dia voatso-drano e!
Voatsodranon'ny Ray aman-dReny izahay a!
Ah ka mahaleova a!
Maleova sy malasana ianareo a!
Ah ka mahaleova a!
Maleova sy malasana ianareo a!

Ah ka jereo tsara e!
Jereo tsara ny làlana alehanareo e!
Ah ka jereo tsara e!
Jereo tsara ny làlana alehanareo e!
Fa misy ireo namana a!
Misy ireo namana ody ho namanareo e!
Ah ka misy ireo namana a!
Misy ireo namana mody ho namanareo e!

Ah ka tsitsio tsara e!
Tsitsio tsara ny vatsy izay hoentinareo e!
Ah ka tsitsio tsara e!
Tsitsio tsara ny vatsy izay hoentinareo e!

Ah fa misy ireo fitaka
Misy ireo fitaka efa miandry anareo
ka misy ireo fitaka
Misy ireo fitaka efa miandry anareo

ka Bon voyage e!
Bon Voyage sy bon courage ianareo e !
ka Bon voyage e!
Bon Voyage sy bon courage ianareo e !
Ah ka iaoh !!
Ah ka iaoh !!

-------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

30/09/2022

Lion Hill - Donia (Madalyrics)

✔ Hira: Lion Hill - Donia
https://youtu.be/zwNqz_PJi5o

✦ Dispo sur Youtube:
https://youtu.be/7nAse88jhoI

Lion Hill - Donia (Madalyrics)

Tsy niany nahafantarako anao
Feno fahatsoragna
Mpinamagna tsy nifankafoy
Nifankatia
Fo ny ataonao mahafanigna ny loha
Mampahia anahy
Mitondra fakam-pagnahy loatra
Hany ka babo zaho mamamia

Ah Donia Donia
Aza atao an’io koa fo foko efa torotoro
Miangavy ano koa zaho
Donia Donia
Mahita ano mitsiky aby aigninahy jiaby mihorohoro

Tsy tiako ho rava maha namako anao
Na ny fiarahagna
Nilamigna tsisy Wa wa wa
Sady nifagnampy antsika roe
Fo niany ano miresaka love amnah oh
Sanganehagna
Sanganehagna zaho tsy haiko ino havaly ano
Zaho koa tia

Ah Donia Donia
Aza atao an’io koa fo foko efa torotoro
Miangavy ano koa zaho
Donia Donia
Mahita ano mitsiky aby aigninahy jiaby mihorohoro

Mety hanimba raha ano koa love oh
Mety hanimba raha ano koa tia ah
Mety hanimba raha ano koa love oh
Mety hanimba raha ano koa tia ah

Tsy niany nahafantarako anao
Feno fahatsoragna
Mpinamagna tsy nifankafoy
Nifankatia
Fo ny ataonao mahafanigna ny loha
Mampahia anahy
Mitondra fakam-pagnahy loatra
Hany ka babo zaho mamamia

Ah Donia Donia
Aza atao an’io koa fo foko efa torotoro
Miangavy ano koa zaho
Donia Donia
Mahita ano mitsiky aby aigninahy jiaby mihorohoro

Ah Donia Donia
Aza atao an’io koa fo foko efa torotoro
Miangavy ano koa zaho
Donia Donia
Mahita ano mitsiky aby aigninahy jiaby mihorohoro

---------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

23/09/2022

Saholimala & Nali - Misaotra anao zahay (Madalyrics)

✔ Hira: Saholimala & Nali - Misaotra anao zahay
https://youtu.be/O-UYFswJnOk

✦ Dispo sur Youtube:
https://youtu.be/b4GQXIdzU6I

Saholimala & Nali - Misaotra anao zahay (Madalyrics)

Misaotra anao 'zahay
Ry Tompo tianay
Fa mbola nomenao tombon'andro iray
Hahay midera anao
Ny zavatra ataonay
Ankinina aminao
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao
Ny mpanomponao.

Hery lehibe tokoa ho anay
Ny mivavaka aminao
Koa ampio ny olonao
'Zay mangataka aminao
Ny fahasoavanao.

Misaotra anao 'zahay
Ry Tompo tianay
Fa mbola nomenao tombon'andro iray
Hahay midera anao.
Ny zavatra ataonay
Ankinina aminao
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao
Ny mpanomponao.
Hery lehibe tokoa ho anay
Ny mivavaka aminao
Koa ampio ny olonao
'Zay mangataka aminao
Ny fahasoavanao.
Hery lehibe tokoa ho anay
Ny mivavaka aminao
Koa ampio ny olonao
'Zay mangataka aminao
Ny fahasoavanao.

---------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

16/09/2022

STEPHANIE - OMBIA (Madalyrics)

✔ Hira: STEPHANIE - OMBIA
https://youtu.be/1Ta1LNqLgXU

✧Dispo sur Youtube:
https://youtu.be/smSBZariqAA

STEPHANIE - OMBIA (Madalyrics):

Mazava lasa maiky
Lavitse rehe teako
Mamy lasa mafaitse
Nengao raike raho

Mandiniky azo raho tehitagny
Fe lavitse rehe
Teako vatae rehe

Jangobo eh !
Manegn’azy gea raho
Molia eh !
Mila ho lasa gegy raho
Tsy mahatrea azo

Jangobo eh !
Manegn’azy gea raho
Ty rehaky téléphone tsy ampy eh

Ombia rehe moly
Fa sosotry tsy foko eh
Tsy mahita azo
Kambotim-pitiavagne raho
Satria lavitry azo

Ombia rehe moly
Fa sosotry tsy foko eh
Tsy mahita azo
Kambotim-pitiavagne raho
Satria lavitry azo

Lignasako avao na ombia ombia eh
Satria foko tea
Raho ato karah omby malia
Isaky haly raho tsy azon-droro
Efa zatra anao anaty lakoro

Marary eh, àba niny eh

Jangobo eh !
Manegn’azy gea raho
Molia eh !
Mila ho lasa gegy raho
Tsy mahatrea azo

Jangobo eh !
Manegn’azy gea raho
Ty rehaky téléphone tsy ampy eh

Ombia rehe moly
Fa sosotry tsy foko eh
Tsy mahita azo
Kambotim-pitiavagne raho
Satria lavitry azo

Ombia rehe moly
Fa sosotry tsy foko eh
Tsy mahita azo
Kambotim-pitiavagne raho
Satria lavitry azo

Ombia rehe moly
Fa sosotry tsy foko eh
Tsy mahita azo
Kambotim-pitiavagne raho
Satria lavitry azo

Ombia rehe moly
Fa sosotry tsy foko eh
Tsy mahita azo
Kambotim-pitiavagne raho
Satria lavitry azo

---------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

09/09/2022

Rija Ramanantoanina & Mbolatiana - Fitiavana Mamiratra (Madalyrics)

✔ Hira: Rija Ramanantoanina & Mbolatiana - Fitiavana Mamiratra
https://youtu.be/9zTRRdnT9r4

✧ Dispo sur Youtube:
https://youtu.be/olyMriHkMts

Niahotra any aho ny hanoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Nony akaiky anao
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra no sisa tazako

Nanantona ianao, nanoroka ianao
Dia tsy tsaroako intsony ny amiko rehetra rehetra
Toa nanidina aho
Nanjavona teo izay nojereko
Ny masonao mamiratra no nobanjiniko
Fotoana fohy, minitra fohy
Fa toa nijanona avokoa ny fiainan’ny tontolo
Nanaja antsika roa
Ilay nofiko teo nahoana moa
Raha toa isika roa irery ny olombelona eto an-tany
Nofinofy atoandro
Dia tapaka teo ilay fotoana fohy
Ny masonao mamiratra no indro tazako
Nofy hoy ianao Nefa hoy aho
Kisarisary matotra ato an-tsaiko tsy afaka intsony
Ireo nofinao

Nangovitra ianao nihovitra ianao
Fa gadona efa vitako hirahira ny hovitrovitrao
Mitovy ny ahy sy ny anao
Tsy tapitra hatreo ilay fotoana fohy
Fitiavana mandrakizay no niatomboka

Niahotra any aho ny hanoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Nony akaiky anao
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra no nobanjiniko

---------------------------------------------------------------------

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

Nael - Fa nagnino ( Lyrics gasy 2021) Créer par Madalyrics en collaboration avec Nael⭐︎ Disponible sur youtube : https:/...
19/10/2021

Nael - Fa nagnino ( Lyrics gasy 2021)
Créer par Madalyrics en collaboration avec Nael

⭐︎ Disponible sur youtube : https://youtu.be/t186gKK2oNE

20/09/2021

Mr SAYDA - Isika Roa (Lyrics / tononkira / parole gasy 2021)

⭐︎Disponible sur youtube:
https://youtu.be/_Az-wxBG_og

Mr SAYDA - Isika Roa (Lyrics gasy 2021)

Jereo amin'ny masoko aho miresaka aminao tsisy lainga
Aza hadino izay nolazaiko fony isika roa niara niainga
Mety ho maro ny mpanaratsy sy ny mpanatsafa moa saingy hoe
Ianao efa nekeko ary tena reveko ka tsy amelako

Tsy avelako halahelo ianao iny na misy mampanahy
Tsy avelako hiady irery ianao iny satria efa anahy
Raha mbola vazo ny fiainantsika dia fenoiko aingampanahy
Ho hiraiko sy tantaraiko fa matokisa ianao ahy

REF :
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpanaratsy hitabataba harary andoha
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpankahala mba hihoalahoala harary fo

Tantarampiainako ianao ry Hantakely,Tianay sy Soamihanta

Tsy quoi fa artiste dia zakaiko
Mozika milay ihany no zaraiko
Zay vavan'olombelona ve ilaiko
Tsika efa-mianaka ihany no hiraiko

Zay mikasika anao fantaro fa marary anahy
Antenaiko fa ianao iny koa tsy hanary anahy
Aleo handeha any tafiotra mafy fa mbola tsy haharava
Maizin-kitroka ny andro ety fa rahampitso io hazava

Diso tia anao loatra aho ka tsy voalazako am-bava
Feno fanantenana aho matoa mbola miangavy

REF :
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpanaratsy hitabataba harary andoha
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpankahala mba hihoalahoala harary fo

Satria diso tia anao loatra aho
Ary ianareo telo mianaka no hery manosika ahy
Ianareo mpankafia no mbola hery manosika ahy hanohy ny mozikako
Alao ny fitiavana foana no hiraina
Dia ho ela velona ny fitiavana

Tsy avelako halahelo ianao iny na misy mampanahy
Tsy avelako hiady irery ianao iny satria efa anah
Raha mbola vazo ny fiainantsika dia fenoiko aingampanahy
Ho hiraiko sy ho tantaraiko fa matokisa ianao ahy

REF :
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpanaratsy hitabataba harary andoha
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpankahala mba hihoalahoala harary fo

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

17/09/2021

Aton'ich - Mahatoky (Lyrics / Tononkira / parole vidéo gasy 2021)

⭐︎Disponible sur Youtube:
https://youtu.be/UqadHZpVTXQ

Aton'ich - Mahatoky (Lyrics gasy 2021)

Ry foko oh
'Zaho manaiky anao
Ny hanaradia satria efa matoky anao
Fitiavana oh
Inty ilay nantsoinao
Natoky aho ka mbola hatoky anao

Malalako,
ilay finidin'ny foko
Ilay teo foana niharitra hadalana
Oh tiako!
Manomboka eto izao
Hiombom-pitia isika fa sahala

Ka satria tiako ianao
Dia vonona aho rahavako
Satria koa ianao tia ahy
Dia ho hamafisiko ny fitiavako

REF :

Mahatoky, fa efa ahy ianao malala
Mahatoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f'ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay

Mahatoky, fa efa ahy ianao malala
Mahatoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f'ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay

Malalako oh!
Hekena fa tsy mora eh
Ny hanakarana izato kintana
Tsapako oh!
Lavitra ahy ny harena eh
Fitiavana no hany hananako

Efa ahy ianao, anio sy rahatrizay
Ahy irery ianao malala
Oh tiako oh! Manomboka eto izao
Hiombom-pitia isika fa sahala

Ka satria tiako ianao
Dia vonona aho rahavako
Satria koa ianao tia ahy
Dia ho hamafisiko ny fitiavako

REF :

Mahatoky, fa efa ahy ianao malala
Mahatoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f'ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay

Mahatoky, fa efa ahy ianao malala
Mahatoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f'ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay

Mahatoky, fa efa ahy ianao malala
Mahatoky, fa fitiavana tsy hizarazara
Manantena aho f'ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay

Mahatoky, fa efa ahy ianao malala
Manantena aho f'ilay tananao mamihina ahy
Ho tsara fatotra mandrakizay

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

15/09/2021

FARAO THT - VADY ANJARA (Lyrics/tononkira/parole gasy 2021)

⭐︎Disponible sur Youtube:
https://youtu.be/aA22Fh9iTDE

Matokisa agnao fa ny anjara hoy aho tsy mivilana e a.
Izay hinoanao, dia ho hitanao izy fa ho avy e a.
Ny adintsaigninao koa izany hoy aho tsy misy idirany e a.
Aza manahy ianao o, ianao tsy voatery hitady e.

Ny aminao efa milamigne,
vady anjara fa tsy indramigne,
vady tsara tsy ampoizinao,
efa any e a
Ho avy ny andro hiaonanao aminy e
Zay vao tsapanao ny mariny e
Haka ty anaranao, o ya e a

REF :
Vady anjara tsy tadiavina e a e
Koa fa anjara tsy azo lavinao, zany e a
Vady anjara tsy tadiavina e a e
Koa fa anjara izy tsy maintsy azonao, ihany e

Ny tianao koa mba tian ´ olo,
Tsy anao araiky mahay manambitamby e a
Anao nge tsy tompon-tsafidy ingahy
Fa zay anjara ihany hoy aho no vady e.

Ka dia izay tia mahandry e,
Izay maimaika eo ihany no tratra antitra o an,
Maikamaiky ny hanambady e a,
Na tsy anjara aza dia miharitra o.

Ny aminao efa milamigne,
vady anjara fa tsy indramigne,
vady tsara tsy ampoizinao,
efa any e a
Ho avy ny andro hiaonanao aminy e
Zay vao tsapanao ny mariny e
Haka ty anaranao, o ya e a

REF :
Vady anjara tsy tadiavina e a e
Koa fa anjara tsy azo lavinao, zany e a
Vady anjara tsy tadiavina e a e
Koa fa anjara izy tsy maintsy azonao, ihany e

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mada Lyrics posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mada Lyrics:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share