22/09/2022
VEHIVAVY IHANY MAHAZO MAMAKY ity ty 😍😘
➡ Ry vehivavy namako !!!
Raha mahaliana anao ny tokony atao mba hahatonga anao ho vehivavy mendrika ao antonkatranonao ao dia manasa anao hamaky sy hanandrana ampiantra ireto voalaza eto ambany ireto :
👉 Fadio ny mivazavaza sy mampiakatra feo amin ny vadinao na inona na inona antony fa mariky ny tsy fanajana ny fivazavazava .
👉 Fadio ny mitatara ny fahadisoana na ny adalan'ny vadinao amin'ny havanao , na Ray amandreninao , na namanao. Ianao no olona voalohany tokony hiaro azy
👉 Fadio ny manakivy , na mandatsa , na manambany ny vadinao raha avy niasa izy nefa mitondra tanampolo miditra ny trano. Ianao no tokony hampahery azy hatrany sy hanampy azy.
👉 Miezaha mba ho vady tsy be rendrerendra. Aza laniana amin ny zavatra tsy misy dikany ny hatsembohan'ny vadinao.
👉 Fadio ny mody marary rehefa kamo hanao firaisana ianao. Tokony miezaka manome fahafahampo ny vadinao ianao ary tsy antery fa ampitiavana. Raha vao mandà ny vadinao foana ianao dia ny vehivavy any ivelany no hanome azy izay ilainy vao hanenina ianao. Tsy misy lehilahy mahavita miaritra tsy mikitika ny vadiny elabe izany.
👉 Fadio ny mivazavaza na mifamaly na manameloka sns .. ny vadinao eo imason ny zanakao
👉 Mikarakarà vatana. Manaova metimety foana mijanona ao antrano fotsiny aza ianao !! Aoka mba ho vehivavy madio sy mahafatifaty ny vadinao foana no hitany sy vantaniny ao antrano.Tadidio fa misy vehivavy manao ze takatry ny sainy isarihana ny lehilahy vao mivoaka ny trano ary aza adino fa anisan ny lehilahy manana maso hijery ny vadinao. Aza atao ambaninjavatra izany fa aza atao ala olana ny zaza sy ny raharaha ao antrano.
👉 Na ny Ray amandreninao na ny havanao na iza na iza dia tsy tokony hitsabaka na hiditra amin ny fiainantokatranonao.
👉 Fadio ny mifanerasera amin ny vehivavy na dia namanao aza nefa ratsy fitondran tena.
Nizara maimaimpoana aho de mba mizarâ maimaimpoana koa ianao.
Fantatrao izy izay de ampafataro ny mpiara-belona a
🎯Zarao