Jeunesse En Mission Palais de Louange - YWAM Palace of Worship

  • Home
  • Jeunesse En Mission Palais de Louange - YWAM Palace of Worship

Jeunesse En Mission Palais de Louange - YWAM Palace of Worship Hetsika iraisam-piangonana sy iraisam-pirenena ny Jeunesse En Mission/Youth With A Mission.

🎄 🎄 " Ary hoy ny anjely taminy, Aza matahotra fa, indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho. Dia Fifaliana lehibe izay...
25/12/2024

🎄 🎄 " Ary hoy ny anjely taminy, Aza matahotra fa, indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho. Dia Fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio, ao antananan’i Davida dia Kristy Tompo.´ Lio 2: 10-11 🎁🎁🎊🎊
Ny Jeunesse en Mission Palais de Louange dia mirary anao hiaina ilay fifaliana lehibe izay entin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy. 🎄 🎄

2nd Promotion on Moringa Training at the Base. Vita soamantsara ny 10,11,12 Desambra lasa teo ny Fiofanan'ireo andiany f...
17/12/2024

2nd Promotion on Moringa Training at the Base. Vita soamantsara ny 10,11,12 Desambra lasa teo ny Fiofanan'ireo andiany faharoa nianatra momba ny fambolena sy ny fampiasana ny ananambo na 'Moringa". Niarahana niasa tamin'ny Sekoly Tombontsoa Antsirabe hatrany, ao anatin'ilay Projet Moringa iarahan'izy ireo amin'ny Misiona Norveziana. Mitohy ny fiaraha-miasa.

🎄 🎄 🎄 Kismasin’ny Jeunesse En Mission Palais de Louange ny Asabotsy 14 Desambra lasa teo, niarahana tamin’ireo ankizy mp...
17/12/2024

🎄 🎄 🎄 Kismasin’ny Jeunesse En Mission Palais de Louange ny Asabotsy 14 Desambra lasa teo, niarahana tamin’ireo ankizy mpamonjy Fiderana sy vavaka isaky ny Alarobia tolakandro. Fa fotoana nifankahafantarana tamin’ny raiamandrenin’izy ireo sy ny mpiara-monina ary ny fokontany teny an-toerana ihany koa. 🎄 🎄 🎄 Our Xmas with the kids around the base, their parents, neighbours, and local authority🙏🎁🎄

🌿🌿 📖📖 FIOFANANA MAMBOLY SY MAMPIASA ANANAMBO (MORINGA).  🌿🌿✍🏼✍🏼Tetik’asa Norveziana iarahana amin’ny Sekoly Tombontsoa A...
30/11/2024

🌿🌿 📖📖 FIOFANANA MAMBOLY SY MAMPIASA ANANAMBO (MORINGA). 🌿🌿✍🏼✍🏼
Tetik’asa Norveziana iarahana amin’ny Sekoly Tombontsoa Antsirabe, Andiany faharoa hatao ao amin'ny Jeunesse En Mission Palais de Louange. 🏢 2e Promotion

Taorian'ny fiofanana andiany voalohany dia voaporofo fa zava-maniry mahagaga tokoa ny ANANAMBO rehefa jerena ireo soa maro entiny ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Tena miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Andeha ary hotohizantsika ny fiofanana araka ireto fotoana maha-afaka ny mpanofana ireto; mbola arahana fampiharana avy hatrany ihany.

🗓️📆 Rahoviana? 10;11;12 Desambra 2024.

🏢🏢 Toerana: Jeunesse En Mission Palais de Louange (akaikin’ny Croc Farm Ivato).

Misokatra ny Fisoratana anarana sy ny fakana ny andinindininy amin’ireto laharana ireto :
📞📞0340131069/0340413478 ☎️☎️

Vita soamantsara ny fiofanana mamboly sy mampiasa ananambo (Moringa) , andiany voalohany, izay natao tao amin’ny Tobin’n...
21/11/2024

Vita soamantsara ny fiofanana mamboly sy mampiasa ananambo (Moringa) , andiany voalohany, izay natao tao amin’ny Tobin’ny Jeunesse En Mission Palais de Louange ny Alatsinainy hatramin’ny Alarobia lasa teo. Manazava izany ny Talen’ny Sekoly Fambolena sy Fiompiana izay an’ny Fiangonana Loterana Malagasy (Sekoly Tombontsoa Antsirabe), Docteur RASOLOSON Lala Hajanirina , mpitarika ny tetik’asa Moringa sady anisan’ny mpanofana.

🍀🍀 FIOFANANA MAMBOLY SY MAMPIASA ANANAMBO (MORINGA).                          🍀🍀Sokajiana ho ZAVAMANIRY VOLAMENA  NY MOR...
11/11/2024

🍀🍀 FIOFANANA MAMBOLY SY MAMPIASA ANANAMBO (MORINGA). 🍀🍀

Sokajiana ho ZAVAMANIRY VOLAMENA NY MORINGA amin’izao fotoana izao satria ankoatra ny soa hafa azo avy aminy dia miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

📖 📕 ✍🏼 Andao ary hianatra ny fomba fambolena sy ny fikarakarana azy arahana fampiharana avy hatrany. Tetik’asa Norveziana iarahana amin’ny Sekoly Tombontsoa Antsirabe.

👉🏽👉🏽 Rahoviana? 18,19,20 Novambra 2024.

👉🏽👉🏽 🏢 Toerana: Jeunesse En Mission Palais de Louange (akaikin’ny Croc Farm Ivato).

📲 📞 Misokatra ny Fisoratana anarana sy ny fakana ny andinindininy amin’ireto laharana ireto: 0340131069, 0340413478

🌏« Mandehana any amin’izay  mbola tsy misy antsika »  hoy ny Jeunesse En Mission maneran-tany.  Izany angamba no nametra...
24/09/2024

🌏« Mandehana any amin’izay mbola tsy misy antsika » hoy ny Jeunesse En Mission maneran-tany. Izany angamba no nametrahan’Andriamanitra an’i Diego tao am-ponay ka nanomboka izany ny iray tamin’ny ekipan’ny DTS na Sekoly Fanomanana Mpianatra (SFM) tamin’ny heritaona, nandritra ny tafika masina fampiharana nataon’izy ireo. Asa fanohizana an’izany ity tafika masina ataon’ny staff 3 ao amin’ny JEM palais de Louange ity miaraka amin’ny namana iray manana fo ho an’i Diego ihany koa. Hisy Tobin’ny JEM anie any Diego amin’ny fotoanan’ny Tompo. Misaotra anao miombona amin’izany vavaka izany. 🙏🙏🙏 Niainga teto Antananarivo androany maraina izy ireo ary efa any an-toerana. ✈️✈️
🌏YWAM international challenges us to go to where we are not . May be that’s why God put Diego in our heart and one of our DTS teams started to go there last year for outreach. This is a follow up team made up with 3 of our staff and 1 friend who have heart for Diego as well. May a YWAM Base be established in Diego in His time! Thank you for praying with us in that direction 🙏🙏🙏. The team left this morning and arrived safely in Diego.✈️✈️✈️ Glory be to God! 🙌🙌

🌹”Hospitality/ Accueil/ Fandraisam-bahiny"🍽.   Mandray vahiny ny  "Jeunesse En Mission Palais de Louange".  Anisan'ny pa...
15/09/2024

🌹”Hospitality/ Accueil/ Fandraisam-bahiny"🍽. Mandray vahiny ny "Jeunesse En Mission Palais de Louange". Anisan'ny paik'ady entin'ny JEM Palais de Louange manatanteraka ny antson"Andriamanitra aminy ny Fandraisam-bahiny. Taorian'ny fifindran'ny ivon-toerana ny volana Oktobra 2023 dia mandray vahiny izahay eny Soavinarivo Anjomakely Ivato izahay nanomboka ny taona 2024, izay toerana misy ny Toby amin'izao fotoana izao . Anisan'ny vahiny voalohany nampiantranoanay nandritra ny 3 herinandro teo ho oe ny mpanorina ny DieuTV mipetraka any Suisse sy teknisiana mpampiofana iray miasa any Tchad izay niaraka taminy. Taorian'izay dia ny ekipan’ny "Hope Alive Initiatives" 3 mianadahy avy atsy Kenya no nivahiny nandritra ny andro vitsivitsy. Nandray fivoriana momba ny fanomanana ny bokon’ny faha-30 taonan’ny JEM Madagasikara ihany koa izahay, niarahana tamin’i Hery Ramanantsialonina, iray amin’ny mpanorina ny JEM Mada. Nitohy tamin'ny fandalovan'i Herisoa, mbola iray amin'ny mpanorina ny JEM Madagascar ihany, sy ireo olona nasainy. Avy eo dia nandray fianakaviana avy any Toamasina sy ny Tarika manao tafika masina avy amin'ny "Titus Project -YWAM Muizenberg" izahay, teo koa ny English Worship Service (EWS) izay nanaraka ny Fiofanana nampanaovin' ireo tarika avy ao Afrika atsimo ireo. Ankoatr'ireo dia efa maro no nifamezivezy tao amin'ny Toby, nandray ny "Retraite JEM Mada" ihany koa izahay ny 15 Aogositra lasa teo. Ary vao roa herinandro lasa izay dia nanomboka mampiantrano Antoko Mpihira, ka ny Antoko Mpihira Akon'ny Serafima FJKM Manarintsoa Namehana Rasalama Maritiora no nisantatra izany. Ny Sampana Tanora Kristiana (STK) Ivato Seranana kosa no vahininay anio sy rahampitso. 🍽️ 🛌

"🌹 Hospitality/ Reception/ Hospitality"🍽. The Palace of Worship YWAM welcomes guests. One of the strategy of Palace of Worship YWAM in order to fulfill God's call for them is practicing hospitality. After the center moved in October 2023, we have been welcoming guests in Soavinarivo Anjomakely Ivato where the center is currently located. Among the first guests we had hosted for about 3 weeks was the founder of DieuTV from Switzerland and a Cameroonian working in the Republic of Chad. Next, 3 people from the team of "Hope Alive Initiatives" from Kenya visited us for a few days. We also welcomed a meeting about the preparation of the book for the 30th anniversary of YWAM Madagascar, together with Hery Ramanantsialonina, one of the founders of YWAM Madagascar.It was followed by Herisoa’s visit and those she invited to come over. She is also one of the founders of the YWAM Madagascar. Then, we welcomed a family from Toamasina along with an outreach team from the "Titus Project -YWAM Muizenberg". In addition, there was the English Worship Service (EWS) who followed the training running by these groups from South Africa. Moreover, many people have been in and out of the center. Last August 15th, we also hosted the "Retreat of YWAM Madagascar ". Then, two weeks ago, we started hosting a choir and the Akon’ny Serafima from FJKM Manarintsoa Namehana Rasalama Maritiora church was the first comers. The youth group from Ivato Seranana has been our guest since yesterday for 2 days 🛌 🍽️.

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jeunesse En Mission Palais de Louange - YWAM Palace of Worship posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Jeunesse En Mission Palais de Louange - YWAM Palace of Worship:

Videos

Shortcuts

  • Address
  • Alerts
  • Contact The Business
  • Videos
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share