Vaovao Madagasikara

Vaovao Madagasikara ��

❌❌FILAZANA MAIKA ❌❌ZARAZARAO HO HITAN'NY MPAMPIASA LALANA NAMANA INDRINDRA FA ISIKA KODIARANDROA 🛑🛑⚠️Mila mitandrina iza...
01/06/2024

❌❌FILAZANA MAIKA ❌❌
ZARAZARAO HO HITAN'NY MPAMPIASA LALANA NAMANA INDRINDRA FA ISIKA KODIARANDROA

🛑🛑⚠️Mila mitandrina izay mandalo eny CENAM 67ha indrindra fa isika moto, fa misy an'ito lavaka be io eo.
👉 Tandremo ilay amin'ny harivariva iny
👉 Tandremo rehefa avy orana fa feno rano Io

Eto ihany koa Dia manentanana antsika amin'izao andro fahavaratra izao ho Mailo hatrany eny amin'ny lalana ❤️

🙏🙏Manaitra sy miantso ny Tomponandraikitra koa hijery akaiky Dia ny mbola tsy maro ny loza miseho

Mpitondra moto mendrika 🇲🇬
Riders Scoot Community 🇲🇬
📷 beloukely be

Normal ihany raha nodorany ilay fiarany kay lery mifoka sy mihinana miafina ko!
01/03/2024

Normal ihany raha nodorany ilay fiarany kay lery mifoka sy mihinana miafina ko!

🛑Nisitraka ny "vacations" BEPC 2023 ireo tompon'andraikitra misahana izany ao amin'ny CISCO Antsirabe II,  ny 28 desambr...
12/30/2023

🛑Nisitraka ny "vacations" BEPC 2023 ireo tompon'andraikitra misahana izany ao amin'ny CISCO Antsirabe II, ny 28 desambra 2023.

Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Melaky sy Menabe👉MELAKY: Atsahatra ny fakana sarany amin’ny fampidirana petra-b...
12/30/2023

Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Melaky sy Menabe

👉MELAKY: Atsahatra ny fakana sarany amin’ny fampidirana petra-bola (dépôt) eny amin’ny cash point any Maintirano. Izany no vokatry ny fanelanelanana nataon’ny DRICC Melaky taorian’ny fitarainan’ny voaray avy amin’ny mpanjifa ny amin’ny fampandoavan’ireo cach point ireo vola rehefa manao dépôt. Nampivoriany araka izany ny Alatsinainy 18 Desambra 2023 ireo mpanao cash point ka isan'ny nantsoina tamin'izany koa ny tompon'andraikitra ao amin'ny Telma ao Maintirano nandraisana ny fanapahan-kevitra.

👉MENABE: Kaoperativa 6 no nitsangana ara-panjakana tamin´ny Sabotsy 16 Desambra 2023 tao amin´ny kaominina Tsaraotana sy Antsoha, distrikan’i Belo/Tsiribihina sy kaominina Ampanihy sy Analamitsivala, distrikan´i Mahabo ary kaominina Analaiva, distrikan´i Morondava. Misehatra amin´ny fambolena vary sy voamaina ary fiompiana trondro sy akoho gasy izy ireo. Ao anatin´ny fiaraha-miasan´ny DRICC sy ny Terikasa USAID Mikajy no nahafahana nanatanteraka izany.
Ankoatra ny fampiofanana kaoperativa mahazatra dia nisy koa ny fampiofanana amin’ny resa-barotra sy fanentanana azy ireo mba hiarahiasa amin´ireo mpisehatra ara-bola toy ny banky sy ny Tranom-piantohana araka ny efa natao tanatin´ny Tetikasa SAFER.

👉MELAKY: Nampanantsoan’ny CCI Melaky fivoriana ny Zoma 8 Desambra 2023 ny fomba hampanarahan-dalàna ireo mpandraharaha miasa eo amin'ny seha-pihariana trondro. Niatrika izany fivoriana ny filohan' ny fikambanan'ny mpanangona trondro maina. Tapaka tamin’io ny fametrahana “guichet unique” izay hatao ao amin'ny CCI Melaky, fanomezana fankatoavana ho an’ireo trano fanatobian’entana sy fanokafana toeram-pikirakirana trondro, fandraisana fepetra fanamaivanana eo amin'ny fandoavan-ketra.

Sary DRICC

"NY TENDROMBOHITRA ROAMBINIFOLO SY NY SAMPI-MPANJAKANA TETO IMERINA"(Source: TANTARAN'I MADAGASIKARA ISAM-PARITRA nosora...
12/30/2023

"NY TENDROMBOHITRA ROAMBINIFOLO SY NY SAMPI-MPANJAKANA TETO IMERINA"
(Source: TANTARAN'I MADAGASIKARA ISAM-PARITRA nosoratan'i Randriamamonjy Frédéric)
Ny Tendrombohitra Roambinifolo
Ny Tendrombohitra Roambinifolo na Tendromboitra Masina dia ireo toerana nisy razan'andriana na nametrahan'Andrianampoinimerina ny vadiny aman-janany hapandry tany, ary nanorenany rova sy lapa, misy kianja sy vatomasina fisaorana amin'ny omby volavita isam-pandroana. Tsy roambinifolo ihany akory izy fa mahatratra enina amby roapolo (26) satria niampy arakaraka ny nandrosoan'ny famorian'Andrianapoinimerina an'Imerina enin-toko Ireto ny anaran'ireo tendrombohitra ireo
1. Valo tao Avaradrano: Ambohimanga, Antananarivo, Ambohitrabiby, Ilafy, Namehana, Imerimandroso, Amboatany, Ikaloy
2. Fito tany amin'ny Vakinisisaony : Ampandrana, Imerimanjaka, Alasora, Iharanandriana, Andramasina, Tsiafahy, Ambatomanga
3. Telo tany amin'ny Marovatana : Ambohidratrimo, Ampananina, Ambohimirimo.
4. Dimy tao amin'Ambodirano : Androibe , Antsahadita, Fenoarivo, Vatolaivy, Ambohibeloma
5. Telo tao amin'ny Vakinakaratra : Iarivo, Imanadriana, Ambositra
Nisy koa tendrombohitra roambinifolo notondroin'Andriambahoaka II tany Imamo ary najain'Andrianampoinimerina tsara nony tafaray Imerina sy Imamo. Ireto ireo tendrombohitra ireo: Ambohiniazy, Ambohitrambo, Ambohitrondrana, Arivonimamo, Ambatomanjaka, Ambohitrantenaina, Ambohibololondrano, Ambohipolo, Ambohibeloma, Ambohitsara, Ambohijato, Ambohitrona.
Ny Sampim-panjakana teto Imerina sy ny toerana nitahirizana azy
Hatramin'ny andron'Andriamasinavalona dia nomen-toerana tsy miovaova ny sampim-panjakana : IKELIMALAZA teo Ambohimanambola, IFARORATRA teo Alasora, IFANTAKA teo Ambohitrandriananahary, RAMAHAVALY teo Andrakasina, ITSIMANAMPOLAHY sy RAHAMBANA ary RAFIRINGA teo Alasora koa. IZANAHARITSIMANDRY sy IMANJIABOLA dia nalahatr'Andrianjaka ho isan'ny sampi-mpanjakana koa. IMAROAKANY nampidirin'Andriantsimitoviaminandriana. IMANJAKATSIROA nampidirin'Andrianampoinimerina.
mbola hitohy.
(0347425945-0333711542 hatrany ho an'ireo mitady Boky Tantaran'i Madagasikara)

DRSP BOENY/ PP AMBONDROMAMYRONGONY 177 KG TRA-TEHAKA TENY AMIN'NY LEHILAHY IRAY TAO AMBONDROMAMY✅️ Lehilahy iray nikasa ...
12/30/2023

DRSP BOENY/ PP AMBONDROMAMY

RONGONY 177 KG TRA-TEHAKA TENY AMIN'NY LEHILAHY IRAY TAO AMBONDROMAMY

✅️ Lehilahy iray nikasa hivarotra sy hanaparitaka rongony no saron'ny Polisy tao amin'ny Fkt Miarinarivo, Kaominina Ambondromamy.

🚬Rongony milanja 177 kg nafenina anaty gony miisa 4 no tratra teny aminy. Nodorana avokoa moa ireo rongony ireo.

🚨 Natolotra ny fampanoavana ny raharaha.

✝️Vehivavy iray antsoina hoe Andoniaina Adeline, avy any Tsarahasina Arosana, kaominina Soalazaina maty an-drano tany at...
12/30/2023

✝️Vehivavy iray antsoina hoe Andoniaina Adeline, avy any Tsarahasina Arosana, kaominina Soalazaina maty an-drano tany atsimon'Antetezanambo, kaominina Andranomisa distrikan'Anjozorobe.
🖤Niaraka tamin'ny fofombadiny izay vao vita fisehoana tamin'ny volana novambra lasa teo izy ary nikasa hanao fety tany Ampasika kaominina Amboasary, distrikan'Anjozorobe izy roa saingy izao tra-doza izao ilay vehivavy.

©️Aina Nirina Randria

Hifarana tokoa ny taona ! Aza adino fa hanao lahateny ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ny 31 Desa...
12/28/2023

Hifarana tokoa ny taona ! Aza adino fa hanao lahateny ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ny 31 Desambra 2023 ary harahinao ao amin'ny TVM sy RNM izany amin'ny 08 ora alina!

DRSP BONGOLAVAFITAZOMANA BASY TSY ARA-DALANA: LEHILAHY IRAY TRA-TEHAKA NIARAKA TAMIN'NY BASY SY ODY GASY TAO ANATY TAXI-...
12/19/2023

DRSP BONGOLAVA

FITAZOMANA BASY TSY ARA-DALANA: LEHILAHY IRAY TRA-TEHAKA NIARAKA TAMIN'NY BASY SY ODY GASY TAO ANATY TAXI-BROUSSE TANY VOHILAVA ANDRANOMADIO

✅️ Lehilahy iray no saron'ny Polisy noho ny fitazomana basy sy ody gasy tany Vohilava Andranomadio ny alatsinainy 18 desambra.

👮‍♂️🚌 Teo am-pisavana ireo fiaram-pitateram-bahoaka amin'ny zotra nasionaly ireo Polisy no nahatsikaritra lehilahy iray nampiahiahy ny fihetsiny.
Nosavaina ny entan'ity farany ka izao nahitana 🔫 basy sy moara ary bala maromaro izao.

🚨 Nosamborina avy hatrany izy mba hanaovana famotorana.

Prix mp izay mila aloha 🤣🤣🤣
12/19/2023

Prix mp izay mila aloha 🤣🤣🤣

12/18/2023

🌑👮 Amin'ny anaran'ny Fianakaviamben'ny Polisimpirenena no ilazana fa ny Inspecteur Général de Police RAZAKANIRINA Lucien Victor, Sekreteram-panjakana niadidy ny Filaminam-bahoaka ny taona 2003-2007, dia nodimandry ny Alahady 17 Desambra 2023.

🗓 Ny taona 1965 izy no niditra Polisy tamin'ny galonan' ny Inspecteur Auxiliaire de Sécurité, ary ny taona 2003 izy no nosalorana ny🎖 gradin'ny Inspecteur Général de Police.

✅️ Saika efa nandalovany avokoa ny sampandraharahan'ny Polisimpirenena nandritry ny 40 taona naha-polisy azy, fa ny tena nahafantarana azy dia tamin'ny fotoana naha DAF azy, na Directeur Administratif et Financier.

🤝 Olon'ny fitiavana sy ny fihavanana izy ka namporisika hatrany ny fifankatiavana sy ny firaisankina teo anivon'ny 👮‍♂️ Polisimpirenena, ary koa nandalo ny fifanomezantanana teo amin'ny samy mpisehatra eo amin'ny fitandroana ny filaminana. Masiaka be ronono , ary tia manampy ny hafa.

🌑 Very Ray amandreny ny Polisimpirenena satria na efa tsy amperin'asa intsony azy izy dia teo foana nanome torohevitra hanatsarana hatrany ny Polisimpirenena.
Mandria am-piadanana " Minisitra Zaka."

🧡🇲🇬🇲🇬🇲🇬
12/17/2023

🧡🇲🇬🇲🇬🇲🇬

🌻🌻Tsirapôpôka🌻🌻 .🍀🍀Bonga piso no anarany any majunga, nisy olona narary mafy ts mpipi fa asina sonde , nivonto  koa ny a...
12/17/2023

🌻🌻Tsirapôpôka🌻🌻 .
🍀🍀Bonga piso no anarany any majunga, nisy olona narary mafy ts mpipi fa asina sonde , nivonto koa ny apendicite, efa saika ho didina nefa ny hoentin- manana tsisy💫💫 , nisy nanoro ry zareo hoe tenehina io.💥💥
🌻🌻Izany koa no izarako azy ity fa be no mila fanampiana nefa sahirana indrisy.
Maka raviny maro2 hotran'io dia manao tambavy dia tanehina ary sotroina ,1vera🥛🥛 maraina ,atoandro, hariva🌸.

🌸 Tsy azo ho hanina betsaka hoy le ramatoa fa fanafody mahery be 💫.Levona ilay apendice lasa afaka nipipi koa izy nefa efa cas grave🌺 , nibontsina ny kibony dia efa nihena,💥 ts avelan dokotera ampiasaina hono io fa mahery be . 💥

NB👉 Aza sotroina mihoatran'ny herinandro!!!💫 💫

💥 Tsara tehirizina fa avotr'aina izy io.

Maninona raha tonga dia mamono tena e!
12/13/2023

Maninona raha tonga dia mamono tena e!

🔴SABOTSY NAMEHANA:NENTIN'IREO MPANDEHA ILAY BUS REHEFA NANAO TAPA-DALANA SY NIDONGY TSY NETY NANDEHA NY MPAMILY SY NY MP...
12/13/2023

🔴SABOTSY NAMEHANA:
NENTIN'IREO MPANDEHA ILAY BUS REHEFA NANAO TAPA-DALANA SY NIDONGY TSY NETY NANDEHA NY MPAMILY SY NY MPANAMPINY

Hariva tamin'ny 7 ora no nitrangan'ny tantara. Niainga teo Amboditsiry ho any Sabotsy Namehana ny bus zotra H.
Noho ny tonga teo Ambohitrarahaba, nilaza ny mpampin'ny mpamily ity fiara fitateram-bahoaka ity fa eto no farany.
Raikitra ny fifamaliana noho ny tsy rariny ataon'ny mpamily sy ny mpanampiny raha ny fitantaran'ny mpandeha. Tonga hatramin'ny fifanopana mihintsy ary rehefa niakatra ny maripana tao anatin'ny bus.
Nivoaka ny mpamily sy ny mpanampiny tao aorian'izay, ary dia lasa niampita ny arabe namonjy mivarotra "Nem".

Raha nanantena ireo mpandeha hanaraka azy ireo hidina ny fiara izy roa lahy, dia tsy izay no zava-nisy. Nitady hevitra ary niaraka nikaon-doha ny iray zotra H. Tapaka fa hoetina ny fiara ary ho aterina eny amin'ny mpitandron'ny filaminana rehefa mby eny Sabotsy Namehana. Irony karazany tsy mila la clé irony raha teo ilay bus, fa fil kely atambatra dia mahavelona azy. Tsy niandry ela akory, dia nisy mpandeha iray nilaza fa mahay mamory fiarakodia, ka roso ary ny fampiarana ny dinika tapaka.
Rehefa velona ny fiara, tsy nisy taitra na ny mpamily na ny mpanampiny, mbola variana nisesika ny Nem mafana ihany. "Noentinay mafy ny BUS vao depart, nanenjika fa tsy nenonay tonga sabotsy tsena nanjanonay teo amin'ny misy ny polisy ny fiara; teo niresahanay ny olana rehetra." Hoy ny mpandeha rehefa nitantara. Nalain'ny polisy tao aorian'izay ny taratasy momban'ilay Bus H ary dia nasainy nidina tsara ny fiara. Nody am-pilaminana avokoa ireo mpandeha.

✍️L'interview

Sao misy liana !!
12/04/2023

Sao misy liana !!

Iza lisany miompy saka ato !!
12/04/2023

Iza lisany miompy saka ato !!

12/04/2023

Kely sisa dia ho 16 décembre ✌️✌️✌️

Miraradraraka izany firariantsoa izany
12/04/2023

Miraradraraka izany firariantsoa izany

Arabaina prezida a!!Tohizo ny asa fa hainao io !Isika tsy maitsy tafita sy mandroso!!
12/02/2023

Arabaina prezida a!!
Tohizo ny asa fa hainao io !
Isika tsy maitsy tafita sy mandroso!!

Ombay mitady ity olona ity aloha
12/02/2023

Ombay mitady ity olona ity aloha

Vu aloha izay mahita 🤣🤣🤣🤣🍌🍌🍌
11/28/2023

Vu aloha izay mahita 🤣🤣🤣🤣🍌🍌🍌

DRSP ATSINANANA/ FIP TOAMASINA: JIOLAHY MPAMAKY TRANO MIRONGO ANTSY IRAY LAVON'NY POLISY ARY  TELO HAFA AZO SAMBO-BELONA...
11/28/2023

DRSP ATSINANANA/ FIP TOAMASINA:
JIOLAHY MPAMAKY TRANO MIRONGO ANTSY IRAY LAVON'NY POLISY ARY TELO HAFA AZO SAMBO-BELONA.

🚔 ☎️ Ny talata 28 novambra tokony tamin'ny 01 ora maraina dia naharay antso ny Polisy fa misy jiolahy miisa 8 mamaky tranombarotra iray ao Tanambao Verrerie.

✅️ Lasan'izy ireo tamin'izany ny vola 100.000 ar sy entana maro. 🏃Teo am-pandosirana ireo jiolahy no nifanehatra tamin'ny Polisy ka nampitandrina azy ireo mba hijanona saingy namaly sy nampiasa ireo fitaovam-piadiana teny aminy ireo jiolahy ary nandratra "Inspecteur de Police" iray.

🔫👮‍♂️Voatery nitifitra araka izany ny Polisy ka maty ny iray tamin'ireo jiolahy ary voasambotra ny telo hafa raha 🏃tafaporitsaka ny efatra ambiny.

✅️ Efa tafaverina amin'ny tompony avokoa ireo entana nangalarina.

🚨 Mbola karohina ireo namany hafa ary misokatra ny fanadihadiana.

Hoy i  Soa RovaTany misy olo Be Tsy miady zaza..ao anatiny Fahanginana JÉHOVAH no miasa.🙏...n'y azoko ambara n'y Fahasal...
11/28/2023

Hoy i Soa Rova
Tany misy olo Be Tsy miady zaza..ao anatiny Fahanginana JÉHOVAH no miasa.🙏...n'y azoko ambara n'y Fahasalamany Dat'Kotry aloha efa mihatsara izy..🙏..Efa mahatsiaro Tena izy miala omeny Zareo chambres Androany ho Tohiny ny Fitsaboana...i Maman ny Reniny Niteraka azy moa efa ao izay première responsable manomboka izao Fa Tsy izaho intsony mba Tsy anomezana Tsiny ahy... fa eo ihany za raha misy ilavana any Mama Soa Rova..🙏..Zay mahasoa ataony JÉHOVAH ANDRIAMANITRA..🙏..Bon Rétablissement mon frère...JESOSY hanome fanasitranana Tanteraka..🙏

11/28/2023

L’aéroport de Nosy-Be a accueilli, pour la première fois, un vol, comptant 175 passagers, opéré par la compagnie aérienne Flight Bulgaria samedi dernier. « L’arrivée de ce premier vol charter est le résultat d’un long travail de presque deux ans de prospection de nouveaux marchés à fort potentiel », a précisé le ministre du Tourisme.
-
🔗 Article intégral : https://midi-madagasikara.mg/madagascar-bulgarie-un-premier-vol/

11/28/2023
Mirary fiononana feno ary mankahery ny fianakaviana sy izay akaiky an'i Cheffe Mariette Andrianjaka izahay eto amin'ny V...
11/28/2023

Mirary fiononana feno ary mankahery ny fianakaviana sy izay akaiky an'i Cheffe Mariette Andrianjaka izahay eto amin'ny Vaovao Madagasika ra rehetra.
Mahereza ary miombona alahelo aminareo tompoko.

𝗡𝗮𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗻'𝗶 𝗕𝗜𝗚 𝗠𝗝 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝘀𝗶𝗻𝗴𝗲𝗿𝗶𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗮𝗻𝘆 𝗶 𝗧𝗲𝗻𝗰𝗲 𝗠𝗲𝗻𝗮 𝘀𝗮𝗶𝗻𝗴𝘆 𝗻𝗮𝗻𝗱à 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗿𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗼 𝗮...
11/27/2023

𝗡𝗮𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗻'𝗶 𝗕𝗜𝗚 𝗠𝗝 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝘀𝗶𝗻𝗴𝗲𝗿𝗶𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗮𝗻𝘆 𝗶 𝗧𝗲𝗻𝗰𝗲 𝗠𝗲𝗻𝗮 𝘀𝗮𝗶𝗻𝗴𝘆 𝗻𝗮𝗻𝗱à 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗿𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗶 𝗕𝗜𝗚 𝗠𝗝.
😳😳😳

REMÈDE NATUREL POUR L'HYPERTENSIONMême si l'hypertension a déjà paralysé l'une des parties du corps du malade, ce remède...
11/27/2023

REMÈDE NATUREL POUR L'HYPERTENSION

Même si l'hypertension a déjà paralysé l'une des parties du corps du malade, ce remède chassera sa maladie.

NOM DE LA PLANTE EN FRANÇAIS : Jujubier(mokonazy) (magariya en haoussa)

PARTIE A UTILISER : feuilles

MODE D'EMPLOI : décoction d'une botte de feuilles de la dite plante sur 1 litre d'eau

Bouillir 1 poignée de feuilles vertes dans 1 litre d'eau de 5 à 10 mns

DOSAGE: 1 verre à thé de cette décoction 3 fois par jour

DURÉE DU TRAITEMENT: jusqu'à guérison

‼️ FANTARO NY GRIPA SY IREO FIHETSIKA HANDRESENTSIKA IZANYVokatry ny "virus" izy io ary mifindra amin'ny alalan'ny piti-...
11/27/2023

‼️ FANTARO NY GRIPA SY IREO FIHETSIKA HANDRESENTSIKA IZANY

Vokatry ny "virus" izy io ary mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora sy ny evona.

⭕️ Ny mety ho fisehony :

- Mararirary izay ny tenda rehefa mitelin-drora. - Tsetsitsetsina ny orona, maimaina ary misy manitikitika ny lalan-drivotra.
- Mikoha-maina avy eo na mety misy rehoka kely, miakatra ny hafanana, marary an-doha.
- Mangorangorana ny vatana ary mitady ho K.O mihitsy aza.

⭕️ Indro ary torohevitra vitsivitsy ahafahantsika mandresy miaraka izany :

✅️ Ampitomboina ny herim-batana amin'ny fihinanana voankazo na sakafo betsaka Vitamina C sy vitamina A.

✅️ Maka aina tsara, matory sy misakafo ara-dalana, misotro ranomafana matetika.
Ny olona reraka matetika dia mora andairan'ny gripa.

✅️ Manao mafana tsara, tazomy ny hafanan'ny vatana.

✅️ Manasa tanana matetika amin'ny rano sy savony ary fadio ny mikitikitika ny orona, ny vava, ary ny maso.

✅Manaova arova-orona ary ️tapeno amin'ny lanton-tsandry ny vava sy orona ho fiarovana anao sy ny hafa rehefa mievona.

🏥 | Manatona hatrany Tobimpahasalamana ahazoana ny fitsaboana sahaza, arahana ireo toromarika omen' ny mpitsabo.

⚠️ Tohizana tsara ny fanafody sy ny fepetra manokana ho an'ireo olona marefo sy manana aretina mitaiza.

☎️ Antsoy ny laharana 910 ahazoana ireo torohevitra ara-pahasalamana

✅️ Fantaro fa misy ihany koa ny vaksiny ho fiarovana amin'ny gripa ho an'izay misafidy izany.
-----------
✅️ Fanampin'izay, afaka ataontsika ny mihevoka amin'ny entona mafana..., manao gararaka hanamaivana ny tenda izay marary.

Soàva tsarà tompoko ô ! 🙏

-mientana ho an'ny Fahasalamana
------------
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Direction de la Promotion de la Santé
Be M’RAY Ofisialy


(C): Comdps-Nov 2k23

11/27/2023

Tokony lany 1er tour hono i Siteny fa nangalarina ny vatony? O ry donto a 59% ny an'olona ny anao 10% mba misaina na lasa hozatra avokoa aza ny atidoha 🤣

🛑 IRETO NY K10 NAHAZO ZERO VIRGULE % , RERAKA NANAO DIABE NILANJA CHOU-FLEUR :6. PARAINA Auguste : 29 764/ 0, 61 %7. RAO...
11/27/2023

🛑 IRETO NY K10 NAHAZO ZERO VIRGULE % , RERAKA NANAO DIABE NILANJA CHOU-FLEUR :

6. PARAINA Auguste : 29 764/ 0, 61 %
7. RAOBELINA Andry : 30 137/ 0, 62 %
9. LALAINA Ratsirahonana : 32 580 / 0, 67%
12. JEAN-JACQUES Ratsietison: 14 630/ 0, 30%

👉 NAHAZO UN VIRGULE % IZAY TENA ANISAN'IREO KANDIDA BE VAVA TENY AN-KIANJA :
1. TAHINA Razafinjoelina : 76 608/ 1,58%
2. HAJO Andrianainarivelo : 91 155/ 1, 88%
4. RATSIRAKA Rolland : 76 532/ 1, 58%
8. BRUNELLE R. : 63 336/ 1, 31 %

11/26/2023

Misaotra tompoko

Tu veux maigrir ?Alors viens tester cette astuceCherche assez de feuille de manioc , en faire une tisane , prendre la ti...
11/26/2023

Tu veux maigrir ?

Alors viens tester cette astuce
Cherche assez de feuille de manioc , en faire une tisane , prendre la tisane tiede pour te rincer le corps les soirs au coucher
Le faire jusqu'a a obtenir le resultat voulu

Veuillez essayer et revenez

Avant cela prenez votre poids au début puis a la fin

LES ASTUCES

11/25/2023

Haindry zareo fa resy zareo dia aleony tsy nipoitra🤣🤣

❌• Rehefa matahotra ny marina tokoa dia na zavatra mazava be aza dia ezahina aodinkodina.❌• Rehefa nandeha ny vaovao fa ...
11/23/2023

❌• Rehefa matahotra ny marina tokoa dia na zavatra mazava be aza dia ezahina aodinkodina.
❌• Rehefa nandeha ny vaovao fa nisy fifandomana teo amin’ny jiolahy sy mpitandro filaminana dia mailaka be ireo mpanohitra nilaza fa jiolahy nirahina hanafika an’i PAN ireo ka ity farany no niantso gendarmes hiaro azy.
❌• Niaraka tamin’izany ny tsaho hoe hosamborina ny PAN sy Ranjeva.
❌• Nivoaka anefa fa ilay Roberto Mampihogo dia efa zanaka an-trano mihitsy raha ny fifandrainsany amin’i PAN, ankoatra an’ny maha mpiasam-panjakana azy :
- namana akaikin’i Etienah vinanton’i PAN izy
- tanan-kavanan’i PAN izy sady mpanolotsainany efa hatramin’izay
Avy dia nivadika ny version hoe saika hitondra dossier maloto tany amin’i PAN izy ireo no novonoina satria manelingelina ny fanjakana.
❌• Maro tokoa mantsy ny tsy mahalala hoe iza marina izany Roberto izany :
- chargé de mission tao amin’ny SGP tao amin’ny Présidence izy fa nalana noho ny raharaha kolikoly avo lenta izay nahavoasaringotra azy ao am BIANCO ary nazahoany IST
- tale tao amin’ny INSTAT ihany koa izy fa angamba efa niandry ny fanalana azy fotsiny sisa, nilaza izy mantsy fa marary foana moa izy ary tsy niakatra intsony (nisy note de service interne mihitsy aza tao am INSTAT nametraka ny fanoloana azy ny 22 mars 2023)
- ilay 4x4 efa tamin’ny 19 juin 2023 no nasaina naveriny noho ny fandaminana anatiny fa tsy naveriny mihitsy izany.
❌• Miresaka an’ilay fiara ihany isika, dia hoe nahitana dossier BIANCO maro niaraka tamin’ny FITOMBOKA OSOKA tao anaty fiara. Normal ihany raha nahitana an’izany tao anaty fiarany noho ny « activités » ataony satria voatonona tao anatina raharaha maloto miisa 2 io fiara io talohan’ity fahatelo ity :
1- 31 octobre 2023 teny Anjanamasina Anosiala, mpiasan’ny DGE no voatafika. Nisandoka ho mpiasan’ny BIANCO ireo olon-dratsy tamin’izay dia hoe hiditra hanao perquisition.
2- 19 novembre 2023 dia ramatoa metisy sinoa indray no voatafika amin’ny andro amin’ny 08 ora maraina.
❌ « Action » fahatelo ity teny Andohan’i Mandroseza ity ary tranona manam-boninahitra no saika lasibatra saingy nandamoka ny teti-dratsy.
❌Renseignements efa azon’ireo gendarmes iny ary efa narahina ireo olon-dratsy ireo. Tsy mahagaga izany ary tsy vao voalohany ny tetika voasakana noho ny fazahoan’ny mpitandro filaminana renseignements mialoha.
❌ Fifandrifian-javatra satria akaiky teny ny tranon’i PAN fa io moa efa talentan’ny mpanohitra no manodina ny resaka amin’izay tiany io.
❌I Benarimanana Normand naman’i Roberto dia mpanao bizina fiara eny Analakely ary efa nisy raharaha fangalarana Sprinter nahavoasaringotra azy.
•❌Nisy post an’i Rija Tram izay nilaza hoe : « Niresaka tamiko ny fianakaviany fa telo andro alohan'ny nahafaty azy omaly dia nankalaza ny tsingeritaonan'ny mariage izy Telo mianaka. Ka tamizany no nilazany Benarimanana Normand fa mety hahazo volabe izy, fa misy zavatra ataony amin'ity herin'andro Ity. Ka na ho faty Aho izy na ho velona, fa nampiomana mialoha ny vadiny »
❌Ny tiana atongavana dia tsy misy anjely ny olona fa izy ireto dia efa azo lazaina fa « association de malfaiteurs ».
❤️Mahavelom-bolo ny mahita ny mpitandro filaminana mandray ny andraikiny tahaka izao ary isaorana azy ireo izany satria efa tsy mifidy lera sy toerana intsony mihitsy ireto olon-dratsy ireto ary hinoana fa nisy mpiaro foana izy ireo hatreto.

11/23/2023
11/23/2023

Address

13 Rue
Paris, TX

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share