Pejin i R&S

Pejin i R&S ❤️ Coucou ❤️

29/11/2023
Courage daholo💪
14/11/2023

Courage daholo💪

  ny volako'' HAMPIARAKA ISIKA'' @6.57 maraina aho manovokovoka mafy miala any itaosy manenjika ilay pro antsika amin'ny...
12/11/2023

ny volako

'' HAMPIARAKA ISIKA'' @6.57 maraina aho manovokovoka mafy miala any itaosy manenjika ilay pro antsika amin'ny 8.50ora aty Analakely, manaikitra ahy ny embotaka, mila hahafaty ahy ny fiezahako hanao manja fa hiaona amin'ilay tiana aho hono izany, sambatra ery ry zalahy manana moto misitrisitrika dia afaka sy tonga arapotoana any amin'izay mety hahafaty azy any, mizotra ny fiara miha manantona anao aho, izay. Indrisy, nidongy iodina Fiaro tampoka ity fiara (zotra133) ka nimenomenona ny olona tao anatiny, izaho kosa nitsiky satria tsy izany ny olako fa ny manaraka hampombaina andry zalahy indray. tampoka izay. Mbola feno tsiky ny molotro satria tratrako ny fotoanantsika. Tara kely 7minitra ianao. Vitantsika ny fombafomban'ny mpifankatia izay tsy mila tantaraina eto toy ny mifampitsiky alavitra rehefa mahita anao vao tonga sy ny mifanoroka tsy matahotra olona dia mifarana amin'ny mifamihina mafy dia vita... Tsy mila tantaraina izany hoy aho. Dia lasa isika indray iny, tsy maninona, nafoiko ho anao koa dia nomeko ambongadiny e. Tsy hay izay nahazo ity andro fa nafana loatra tsy nisy toa izany, ary niakatra tanteraka ny marimpana, rariny be raha nitsiriritra glace antanan'olona ianao ka nividianako. Izaho tsy nazoto hihinana hoy aho taminao aleoko mangalampihinana ny eo imolotrao rehefa misy misolitika kely iny, tsaroiko teto ny hasambaranao mamatratra azy rehetra tsy hiditra ambava fa ajanonao eo imolotra avokoa, zarako koa aza, hoy ianao, fa malala a : izay, izay no nibahana tanatin'ny saiko, azafady tsy hoe tsy sambatra aho, fa tiako ho sambatra iaraka amiko koa ny paosiko, aza tsiny indrindra fa ihany anie oa ny volako ka matahotra aho sao tsy hahavita ampitsiky anao e. Tsy ho tiako raha ho tsikaritrao ny ahiahimpoko fa dia nizotra tsara ny fampiarahana nataontsika, sambatra aho, eny e, sambatra aho dia izay. Tsy afaka idivirana anefa ny ora fisakafoana atoandro, soa fa nanao régime ianao, dia vitavitantsika tamin'ny ny life, izaho kosa, aleo tsy tantaraiko hoe ny maraina an'iny aho efa namoky tena tany antanana ka mbola fenofeno be ihany ny kiboko (angamba) , manga indray hoy ianao ny ny fiainana nefa may indray anie malala ny e, ny coca kely manginy fotsiny fa nomeko tamin'ny foko dia tsy nototaliko hoe iny. Soa fa tsy nisakafo ianao fa raha ny toerana fisakafoako no hitondrako anao angamba hitsangana hatramin'ny mpadoabary hitazana ny hakantonao, hizaha izato endrikao kanto ary farany hitsiriritra anao dia... Aoka izany hoany e fa manja ianao dia izay. Mbola babo aho atramin'izao. Malala a, aza manahy fa omeko gouté ianao mody. Na dia c**a pigeon aza, aza manahy mbola afaka mampitsiky anao izahay (za sy ny paosiko). Diso kajy tampoka aho fa hamburger no tazan'ny masony alohan'ny hisarahanay. Eny e. Ananako izay fa aza miahiahy foana ndry, sambatra a rey olona a, sambatra fa afaka mitsiky anaty fahantrana. Tsy ampy ireo fa izay no nisy, foiko akia malala a, ataovy an_tsaindry hoe raha izany no tato ampaosiko dia taiza avy isika ? Inona koa ny hasambarana mety vitantsika ? Tsy fandrianantsika intsony ny bozaka fa efa nety nisolo kidoro ? Tsy notantaraiko teto fa nisy an'izany... Dia tonga ny amin'ny 4.53 ora hariva, tsy maintsy hisaraka isika... Malala ô, etsy oroako ianao dia fihiniko farany ilay kibo kely mahafatifaty dongiana ho esorina.... Dray sambatra indray aho. Lasa ianao, iny koa aho no dila nitady lalana manivaka ahazoana malaky an'Itaosy. Tsy salama intsony ny paosiko fa ny foko no sambatra dia aza misaina akory hoe nandeha tongotra aho fa hevero ho toy ny manidina aho avy nampifaly anao.
Mody aho, tovolahy tomady, mitsikitsiky kely manidina hoany Itaosy fa .

Izy2021 (noforonina)

Floki ❤️
09/11/2023

Floki ❤️

Tsikitsiky kely indray aloha 😁
02/11/2023

Tsikitsiky kely indray aloha 😁

Address

Saint Jean
Quatre Bornes

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pejin i R&S posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Digital creator in Quatre Bornes

Show All