29/01/2025
Hafatr’i JESOA KRISTY TOMPO tamin'i Luz de Maria
16 Janoary 2025
Ry zanakin'ny foko malala, tiako ianareo, mitahy anareo aho.
Voantso ianareo rehetra mba hivavaka, hiaina am-piadanana ary hitia ny namanao.
“Izaho no foto-baloboka. Fantaro fa raha tsy misy ahy ianao dia tsy afaka manao na inona na inona, raha tsy misy ahy dia tsy mamokatra fiainana mandrakizay ianao (cf. Jaona 15, 1-17).
Apetraho ao an-tsainao izany ry Zanako!
Olombelona, atodiho ny masonao ka mijereva Ahy. Mandeha lalana hafa ianao amin'ny hantsana sy fandrika lehibe ka hianjera, voafitaka noho ny tsy fahalalana Ahy.
Ry zanako malala, famindram-po tsy misy fetra aho, famindrampo ary Izaho no hany Mpitsara Marina.
Diso sy very lalana ity taranaka ity :
Ny fitiavako no atolotro ho anao nefa dia nolavinao.
Atolotro anao ny vatako sy ny Rako ho Sorona masina nefa dia nolavinao.
Fifankatiavana no hiantsoako anao ary miaina anaty ady sy fankahalana ianao.
Omeko anao ny Teniko dia ataonao tsinontsinona.
Nolavina ny didiko.
Ny Raniko Masina Maria no ataonareo fihomehezana sady ompainareo.
Efa jamban'ny fitaka sy laingan'ny demony ity taranaka ity.
Ao anatin'ny loton'ny fahotana ity taranaka ity ary tsy mahatsapa izany. Mitady izay tsy mahasoa azy ity taranaka ity ary milentika amin’ny zavatra tsy misy dikany sy tsy misy fotony ary zava-poana ; miaina amin'ny fitiavan-tena sy ny fiheveran-tena amin'ny mahaizy azy ny olona ary feno avonavona sy fiheveran-tena ho zavatra.
Manetry tena kosa ny zanako ary tiako sy ankahasitrahako amin'ny Fitiavana manokana.
Ny Fitsarako be Famindrampo dia manome fanampiana ireo oryampahoriana izay mangataka ny Famindrampoko amin'ny Reniko Masina Maria amin'ny Vavaka ataony ho fanelanelanana amin'Andriamanitra ataon'i Masina Maria Reny.
Any amin'ny toerana hivavahan'ny olona amiko sy hiderany ary hitsaohany Ahy no ipetrahako ary miaraka aminao ny Reniko amin'izany.
Izay iantsoanao ny afon'ny ratsy sy ny faharatsiana, dia ao no ivoahan'ny afon'ny ratsy izay mampijaly ny Zanako.
Ry Zanako, manaova soa amin'ny rahalahy sy anabavy rehetra, indrindra amin'ny rahalahy sy anabavy ao amin'ny Finoana. Alefaho ny fonareo ary aza mitahiry alahelo, fa ny alahelo dia manamafy fo sy mitondra filan-dratsy ary ny filan-dratsy dia mamaharatsy ny fanahy. Ny olona miaina amin'ny fo mafy dia tsy miteny fitiavana, fa manao fihantsiana, maneso izay mivavaka amiko sy tia Ahy.
Ry zanako malala, izaho miantso anareo hoe:
Ny FAHAMARINAKO dia tsy iadiana hevitra,
Nefa ianareo dia MNOHY NY LALANAREO tsy mandini-tena akory.
Noho izany dia ho azeran'ny rivotra ny avonavon’ny Zanako sasany eny amin’ny lalany ary misy afo hiseho eny amin’ny toerana sasany eto an-tany, mamela fahapotehana sy faharavana izany milaza faminaniana sahady ny afo hilatsaka avy any an-danitra. Ny rivotra, ny afo ary ny rano dia manana anjara goavana amin'ny zava-miseho sy zava-mitranga rehetra. Ny tanan-dehibe dia ho ravàn'ny rivotra, afo ary ny rano ary ny horohorotany mahery vaika izay hitarika azy ireo any amin’ny faharinganana.
Mitsangana ny Dragona ary mandrava, miady tsy misy tahotra ny firenena Miresaka momba ny Fandriampahalemana isika fa ny vela-pandrika dia mivelatra, mahatonga ny firenena ho levona tsy hisy.
Miady saina mafy amin'ny mosary sy hanoanana ireo tsy manana vatsy. Mamindrafo Aho, ary mamahana ny noana, raha tsy manana hanina izy: Izaho no Ray, "Izaho no naha izao ahy" (Eks 3:11-14).
Izao no tonga ny fotoana olona nampahafantarin'ny olona maro.
Izao no fotoana mahatonga ny Zanako, feno heloka, mampihorohoro sy mampatahotra na aiza na aiza halehany, ny Zanako izay manadino fa Izaho no tompon'ny lanitra sy ny tany, ary hirahiko ho any amin'ny Olmbelona tsy mahita fiadanana, "ilay famantarana lehibe" hilaza aminy fa tonga ny fotoana izay niandrasana ary tsy norarahin'ny maro.
Mivavaha ry zanako, mivavaha, fantaro fa tsy irery ianareo, tsy mivadika amin'ny Oloko Ahy Aho ary tazomiko eo am-pelatanako ankavanana izy ireo.
Mivavaha ry zanako, mivavaha, tian'ny Reniko feno hasoavana ianareo; "ilay vehivavy mitafy masoandro ary ny volana eo ambanin'ny tongony" no mitarika ny zanako ao amin'ny Tafik'i Masina Maria lehibe.
Mivavaha ry zanako, mivavaha amin'ilay Anjelin'ny Fiadanana malalako (1) izay mijery anareo sy mitalaho ho anareo tsirairay avy sy ho an'ny maro hafa izay tsy manaiky hiova, tsy manam-pitiavana. Ny Anjelin'ny Fiadanana dia Fanetrentena, mitomany ho an'izay tsy mandray ny Teniko ary mandà ny Fifankatiavana sy firahalahiana sy ny tombontsoa iombonana.
Mivavaha ry zanako, mivavaha, ny mpahay siansa dia hahita valim-pikarohana goavana be.
Mivavaha ry zanako, mivavaha, ho avy ny olana sy fikatsoana lehibe; Ny Zanako izay mijanona eo amin'ny lalan'ny fibebahana sy fiovana, ny Zanako izay mibebaka, dia hahita ny fahazavana ao anatin'ny haizim-pito.
Ry malalako isany:
Nianjera tsy naharitra itsony ny tanan'ny Raiko
Ity taranaka ity dia tsy ho afaka tsy hahafantatra ny fanadiovana ny ratsy amin'ny Tsara.
Hitady Ahy hangataka ny Famindrampoko ianao.
Ho aminao anie ny Fitahiako.
Ny Jesoanao.
ARAHABA RY MARIA, MADIO INDRINDRA, TSY VOAKASI-PAHOTANA
ARAHABA RY MARIA, MADIO INDRINDRA, TSY VOAKASI-PAHOTANA
ARAHABA RY MARIA, MADIO INDRINDRA, TSY VOAKASI-PAHOTANA
MESSAGE DE NOTRE SEIGNEUR JÉSUS-CHRIST
À LUZ DE MARIA
16 JANVIER 2025
Enfants bien-aimés de Mon Cœur, Je vous aime, Je vous bénis.
Vous êtes tous appelés à la prière, à vivre dans la paix et à aimer votre prochain.
« JE SUIS LA VIGNE ». SACHEZ QUE SANS MOI VOUS NE POUVEZ RIEN FAIRE, SANS MOI VOUS NE DONNEZ AUCUN FRUIT DE VIE ÉTERNELLE (cf. Jn 15, 1-17).
GARDEZ CELA À L'ESPRIT, MES ENFANTS !
Humanité, tourne les yeux et regarde-Moi. Vous parcourez d'autres routes accidentées avec des falaises et de grands pièges dans lesquels vous tombez, trompés par le fait de ne pas Me connaître.
Enfants bien-aimés, Je suis Miséricorde infinie, Miséricorde et Je suis le Juste Juge.
CETTE GÉNÉRATION EST ÉGARÉE :
Je vous offre Mon Amour et vous le méprisez...
Je vous offre Mon Corps et Mon Sang et vous le méprisez…
Je vous appelle à la fraternité et vous vivez en guerre...
Je vous donne Ma Parole et vous la méprisez...
Mes commandements sont niés...
Vous vous moquez de Ma Mère et L'offensez...
Cette génération a été aveuglée par les ruses du Diable.
Cette génération se trouve en état de péché et ne le reconnaît pas. Elle vit dans la poursuite de ce qui ne lui correspond pas et s'enfonce dans la vanité ; elle se nourrit du moi humain qu'elle a gonflé et saturé d'orgueil.
Mes enfants sont humbles, Je les aime avec une prédilection particulière.
Ma Justice Miséricordieuse tend la main à l’affligé qui implore Ma Miséricorde et à Ma Mère, Son Intercession Maternelle.
Là où Je suis adoré et loué, là Je demeure et Ma Mère vous accompagne.
Là où vous appelez le feu du mal, là vient le feu du mal et Mes enfants souffrent.
Enfants, faites le bien à tous vos frères et sœurs, en particulier à vos frères et sœurs dans la foi. Adoucissez vos cœurs et ne gardez pas de ressentiment, car le ressentiment endurcit le cœur le remplissant d'envie, et l'envie endurcit l'esprit. Celui qui vit avec son cœur endurci ne parle pas d'amour, mais de provocation, se moquant de celui qui prie et M'aime.
Enfants bien-aimés, Je vous appelle :
MA VÉRITÉ EST ABSOLUE,
MAIS VOUS CONTINUEZ VOTRE VIE SANS VOUS AMENDER.
C'est pourquoi les vents renverseront sur leur passage l'arrogance de certains de Mes enfants et en même temps le feu apparaîtra à un endroit ou à un autre de la Terre, laissant la désolation et préfigurant le feu qui tombera du Ciel. Le vent, le feu et l'eau occupent une place prépondérante dans le déroulement des événements. De grandes villes seront réduites par les éléments et par les forts tremblements de terre qui les conduiront sur la voie de la disparition.
Le Dragon surgit et provoque la destruction, les nations s'affrontent sans dénoter de peur. On parle de paix et au lieu de cela, une embuscade est tendue, laissant les nations consumées dans leur néant.
La famine tourmente ceux qui n'ont pas fait de provisions. Je suis Miséricordieux et Je nourris l'affamé, s'il n'a pas de quoi manger : Je suis Père, « JE SUIS CELUI QUI SUIS » (Ex 3, 11-14).
C'EST LE MOMENT QUE TANT DE GENS ONT ANNONCÉ.
C'est le moment où Mes enfants, imprégnés d'impiété, provoquent l'horreur et l’épouvante partout où ils passent, oubliant que Je suis le Maître du Ciel et de la Terre et que J'enverrai à l'homme qui manque de paix, « le grand signal » qui lui dira qu’est arrivé le moment tant attendu et ignoré par la majorité.
Priez Mes enfants, priez, sachez que vous n'êtes pas seuls, Je suis fidèle aux Miens et Je les garde dans la paume de Ma Main droite.
Priez Mes enfants, priez, Ma Mère Bénie vous aime ; « la Femme vêtue de Soleil avec la lune sous Ses Pieds » dirige Mes enfants de la grande Armée Mariale.
Priez Mes enfants, priez, Mon Bien-Aimé Ange de la Paix (1) vous regarde, plaidant pour chacun de vous et pour tant de personnes qui, vides d'amour, se refusent au changement. Mon Ange de la Paix est l'humilité même, pleurant pour ceux qui n’accueillent pas Ma Parole et se refusent à la fraternité et au bien commun.
Priez Mes enfants, priez, l'homme de science fera une grande découverte.
Priez Mes enfants, priez, la grande panne arrive ; Mes enfants qui demeurent sur le chemin de la conversion, Mes enfants qui se repentent, verront la lumière au milieu des ténèbres.
Mes bien-aimés :
LA MAIN DE MON PÈRE EST DESCENDUE...
CETTE GÉNÉRATION NE PASSERA PAS SANS CONNAÏTRE
LA PURIFICATION.
VOUS VIENDREZ À MOI EN QUÊTE DE MA MISÉRICORDE.
Je vous bénis.
Votre Jésus
JE VOUS SALUE MARIE, TRÈS PURE, CONÇUE SANS PÉCHÉ
JE VOUS SALUE MARIE, TRÈS PURE, CONÇUE SANS PÉCHÉ
JE VOUS SALUE MARIE, TRÈS PURE, CONÇUE SANS PÉCHÉ