28/11/2024
Fintina an-tsoratra toriteny vavaka fiambenana 28.11.24
Pejy Andramo Ka izahao akiradio.
Lioka 19: 1-10
Ny amin'i Zakaiosy.
Zakaiosy = marina, tsy manan- tsiny.
Olona nahita fianarana i Zakaiosy, nanana toerana ambony tao amin'ny famoriana hetra. Ny olany dia sady mpamory hetra izy, no mpanararaotra, nahazo ny toetran'ny olona manodidina azy. Tsy mbola fantany fa tsy mety izany, dia nataony. Ny anarany dia efa mamaritra sahady ny ho aviny. Nanankarena izy. Nampitomboiny ny hetra tokony alohan'ny olona, ka nalainy ho azy izay tombony. Izao anefa: tsy nahafa- po azy ny fiainany satria tsy tian'ny olona izy, nangidy hoditra ka na dia nanankarena aza, tsy niadana. Matetika isika rehefa tsy manambola dia mieritreritra fa rehefa manambola be dia miadana, ka na hanao zavatta tsy marina aza dia atao. Tsia! Mbola misy ny ambonin'ny vola dia Jesosy. Niyady an' i Jesosy i Zakaiosy. Azo antoka fa efa ela izy no naniry hahita Azy, fa tsy fantatra fotsiny hoe nanomboka oviana. Jesosy nitety tanàna maro, i Zakaiosy koa nanao izany noho ny asany. Jesosy efa nanao fahagagana marobe, efa nalaza Izy. Azo antoka fa efa nahalala momba Azy i Zakaiosy. Itan' Andriamanitra ny hetahetan' i Zakaiosy, ka lasa Jesosy namaky an' i Jeriko, niditra tao anatiny mihitsy. Io Jeriko io dia fitadiavan' Andriamanitra olona iray foana matetika. Teo koa i Rahaba janga no navahana sy nofidiana. Fa teto koa dia i Zakaiosy no nandehanany teo. Olona vonona handray Azy, nangetaheta sy naniry Azy mafy.
Jeriko= Jehovah mpamindra fo
Nifanety ny olona, saingy tsy ny olona mifanety no te handray an' i Jesosy. Betsaka ny mihaino toriteny, saingy tsy ny rehetra no mandray Azy.
I Zakaiosy dia fohy, takon'ny olona, niezaka nanao izay ahitana an' i Jesosy fa tsy nahita mihitsy. Nisy ny sakana. Dia toa antsika rehefa manao dingana, mangetaheta manomboka mitady an'i Jesosy, feno sakantsakana isan- karazany. Mety manana ny zavatra rehetra ara- nofo ianao, fa misy banga nefa ny fiainanao. Andao hianatra an'i Zakaiosy isika. Lasa izy nihazakazaka, nananika aviavy. Mpanankarena, nefa nihanika aviavy. Tsy nisy tamin'ny andro taloha izany. Ny mpanampy sy olona ambany no mihanika aviavy. Fa nietry izy. Io fietrena io no ilaina aminao androany. Rehefa nanoloana ny olona rehetra i Zakaiosy dia nahatsapa hoe nanankarena, fa rehefa teo amin' i Jesosy, nahatsapa izy fa nahantra.
Betsaka ny te hitady an'i Jesosy, fa vao tenenin'ny vady na zanaka na havana kely fotsiny dia mihemotra, tsy sahy mandroso. Ny an'i Zakaiosy, nahintsany ny aminy manontolo, lasa izy nihanika aviavy. Ny aviavy dia tandindon'ny fahendrena sy fahalalana ary ny fitarihan'ny Fanahy. Nanankarena izy fa tsy nanana fahendrena, fahalalana, ary tsy notarihin'ny Fanahy. Nila niakatra teo amin'ireo zavatra ireo izy. Nantsoin'i Jesosy izy. Izy irery no nantsoiny hoe midina faingana, izany hoe aza mijanona ela eo fa tsy maintsy mitoetra any an- tranonao Aho anio. Tsy azo ialana ny fidiran'i Jesosy ao an- tranonao raha manetry tena ianao. Raha olona maro no nihanika teo dia voaantso daholo, saingy Zakaiosy irery no nihanika teo. Sady nahita an'i Jesosy izy, izay faniriany, no itan'i Jesosy koa izy. Na dia izay tsy nangatahany aza dia nomena azy. Nimonomonona ny olona ka nanome tsiny an'i Jesosy hoe niantrano any an- tranon'ny mpanota, fa tsy fantatry ny olona ny dikan'ny aranan'i Zakaiosy. Fohy izy, fa niezaka nanakatra. Tsy nahoany akory izay feon'ny olona. Lasa izy nanarona ny fahotany tamin'ny fanati- panonerana, ka nolazainy fa ny antsasaky ny fananany dia homeny ny malahelo, ary honerany avo efatra heny izay nalainy tamin'ny fanambakàna. Voasoratra ho olom- bonjena i Zakaiosy, nolazain' i Jesosy hoe mba zanak'i Abrahama koa izy. Voavela heloka. Niova ny fiainany, azony izay niriany, eny mihoatra lavitra aza satria ny famonjena mihitsy no nomena azy. Anjaranao koa izao. Manaraha ny diany dia hahazo famonjena feno koa ianao.
TIA ANAO JESOSY. AMEN.
AKIRADIO
akiradio.radio12345.com
Andramo Ka Izahao AKI.Radio
AkiRadio Andramokaizahao
Rado Akiradio
Andramo ka izahao.page.
Mampionona Akiradio
Fandaharana Akiradio