09/03/2024
Be no milaza fa ity no sarin'ilay "Biby", izay manana endrika toy ny alika, ary ranga sofina be, misy milaza fa "manipulation génétique" avy amin'ny fampifangaroana "gênes" an'ny alika sy olona no nampisy azy io. Ny vaovao vazaha moa milaza fa "chupacabra" no anarany, ary avy any Pérou any Amerika Latine no fihaviany, ary tsy fantatra izay nampiditra azy teto Madagasikara. Voalaza ho nahita azy vahoaka maro sy ireo mitonona ho voatafiny, na voaratrany, na nohanihiny trano, ary samy nitantara na ny mpitsongo dia (araka ny vidéos teto amin'ny Facebook), na ny avy any Brickaville , na Mahitsy sy Sabnam ary Itaosy, na Antsirabe (ilay tany moa dia malaza ao fa voasambotra teny Ampatana, teny amin'ny Abattoir).
Mazava ho azy fa ireo tsy mino moa dia milaza fa manipulation de masse ity tranga ity, mifanandrify indrindra tamin'ny nahamafy ny hetsi -panoherana ny fitondrana sy ny resa -pifidianana eto Madagasikara.
Sary tsy marina hoy ny sasany, na ny sarina "dragon" izay nindramina tamina sarimihetsika, na sary hafa miparitaka etsy sy eroa.
Resaka fandriampahalemana amin'ny ankapobeny izy ity, ary sasanangy samy hafa amin'ny vaovao hafa malaza eto Madagasikara, toy ny asan -dahalo, ny fanolanana, sns.
Lahy tokana ny Aina. Samia miaro ny azy, ary Homba antsika rehetra ny Tompo.