Dépêche Informative Taratra

  • Home
  • Dépêche Informative Taratra

Dépêche Informative Taratra Agence de presse nationale
(3)

11/04/2024

📌 Horonan-tsary fanehoana ireo asa vitan’ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tao anatin’ny « 100 andro »

📌 Un exploit artisanal dantesque à Madagascar : Sylvain Subervie dévoile une bouteille de champagne géante de 9 m de hau...
11/04/2024

📌 Un exploit artisanal dantesque à Madagascar : Sylvain Subervie dévoile une bouteille de champagne géante de 9 m de haut à Antanetibe Ilafy

▶️ Dans un geste qui allie tradition et grandeur, l'artiste Sylvain Subervie a créé une œuvre d'art exceptionnelle : une bouteille de champagne de Bourgogne de 9 mètres de haut, entièrement façonnée à la main selon les méthodes ancestrales du début du 20e siècle. Réalisée sans l'aide de machines laser, cette pièce unique pèse 250 kg et a mobilisé 15 artisans, soit 65 % de l'effectif de son atelier, pendant trois mois. Sylvain Subervie est fier de pouvoir valoriser le travail et l'artisanat malgache.

▶️ Cette prouesse artistique sera exposée à Walla Walla, Washington, en Californie, un lieu réputé pour son histoire viticole. Avant cela, Le vernissage est prévu pour le 18 avril, suivi d'une exposition publique les 19 et 20 avril dans son atelier à Antanetibe Ilafy offrant ainsi une occasion rare au public de découvrir cette œuvre d'art exceptionnelle.

▶️ Sylvain Subervie est un artiste du monde de l'art contemporain qui a un amour pour Madagascar. Il est impliqué dans un événement artistique et culturel qui partage une histoire. Il a créé diverses œuvres d'art, dont un guerrier des boucliers exposé devant le Carlton Anosy en 2020.
En 2014, il a créé un énorme poisson de 6 mètres de long pour une exposition au palais de l’hôtel de ville d’Antananarivo. Il a également travaillé sur des projets liés à la restauration et au vin, y compris la création d'une bouteille de 75 cl pour représenter les différentes régions viticoles de France. Son travail a été exposé dans des endroits prestigieux et les grands restaurants en France.

11/04/2024

📌Minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa : Tsy manaraka intsony ny fivoaran’ny teknolojia ny rafim-pampianarana tekinika amin’izao fotoana izao ka mila ovaina.

▶️30 isanjato ny mpianatra afaka BEPC no misafidy ny fampianarana tekinika.
Tany amin’ny taona 1990 no nisy fanavaozana farany io fomba fampianarana io izay nijanona hatramin’izao ka tsy manaraka intsony ny fivoaran’ny teknolojia ny rafim-pampianarana amin’izao fotoana izao.

▶️Manana tanjona ny minisitera manoloana izany dia ny hampitovy ny tahan’ny fampianarana ho 50 isanjato ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny ara-tekinika ary mba ho tena safidin’ireo tanora ny hianatra amin’ny sehatry ny teknika.

▶️Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny atrikasa fanavaozana ny rafim-pampianarana tekinika sy ny fanofanana arak’asa izay notanterahan’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arak’asa.

▶️Manazava izany ny Minisitry ny Fampianarana Tekinika sy Fanofanana arak’asa Lalatiana Rakotondrazafy nandritra ity atrikasa ity.

📌 ''Tokotany Be'': hetsika iray hampiroboroboana ny orinasa ara-kolontsaina▶️Manome sehatra ireo mpanakanto isan-karazan...
11/04/2024

📌 ''Tokotany Be'': hetsika iray hampiroboroboana ny orinasa ara-kolontsaina

▶️Manome sehatra ireo mpanakanto isan-karazany ny ''Tokotany Be'', hetsika atao ny 18,19,20 aprily izao eny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Fampirantiana sy fampahafantarana ny orinasa ara-kolontsaina sy ara-pamoronana no atao mandritra izany.
Tanjona lehibe ny hisian'ny fifampiresahana sy fihaonana eo amin'ny samy mpisehatra eo amin'ny famoronana sy ny kolontsaina. Azo atao ny maha matihanina amin'ny sehatry ny kolontsaina. Eo koa ny fampahafantarana ireo sehatra tsy dia mahazatra sy/na mahaliana ny ankamaroan'ny olona.

▶️Hizara telo lehibe ny toerana. Ny voalohany manoloana ny Bazar du Quartier dia natokana ho an'ny boky sy ny tontolony. Ankoatra izay ny ''arts visuels'' ary ny sinema sy ireo harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana toy ny kabary, ny hira sns. Misandrahaka amina trano heva 50 ireo rehetra ireo. Maimaimpoana ny fahafahan'ny mpanakanto mandray anjara amin'ny fampirantiana ary efa nisy antso natao tamin'izy ireo mikasika izany. Tsy andoavam-bola koa ny fitsidihan'ny olona izany.

▶️Andiany voalohany, tafiditra ao anatin'ny tetikasa PROM'ART ity hetsika ity. Ezahina ny hanohizana ny hetsika, ho fampiroboroboana hatrany sy ho fanohanana ny manan-talenta malagasy, hoy ny tale jeneralin'ny Kolontsaina, Razafiarison Francis Alexandre.
Anisany kendrena amin'izany ny fampiroboroboana ny orinasan-kolontsaina izay ataon'ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina laharam-pahamehana.

▶️Ny talenta no akora fototra ilaina amin'ny famoronana sy ny fampiroboroboana ny indostria ara-kolontsaina sy ny famoronana ary manana ny toerana isika malagasy amin'izany. Tafiditra ao ny famokarana boky, ny sinema, ny hosodoko sy ireo maro hafa.
Ahafahana misintona mpizaha tany sy mpampiasa vola koa ny indostria ka maro araka izany no azo hifampizarana mandritra ny hetsika. Hisy fampisehoana ary atrikasa sy famelabelaran-kevitra samihafa mandritra ireo andro telo ireo.

📌 MSK -UPPM-: fiaraha-miasa miabo hatrany▶️ Anisan’ny vinan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanomezan-da...
11/04/2024

📌 MSK -UPPM-: fiaraha-miasa miabo hatrany

▶️ Anisan’ny vinan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanomezan-danja ny pika sary amin’ny fanohanana ireo mpaka sary hiroso ao anatin’ny sehatry ny matihanina hatrany. Ny UPPM (Union des Photographes Professionnels de Madagascar) dia anisan’ny miara-miasa amin’ny minisitera. Tonga nanome ny minisitra Andriamananoro Augustin an-tanana ireo sary nandritra ny fankalazana ny « Taombaovao malagasy » 2024 androany ny soloten’ny UPPM.
Ankoatra izay dia nanolotra ny fanasana ny Minisitra hanatrika ny faha-10 taonan’ny fikambanana koa izy ireo. Ao anatin’ny fampiroboroboana ireo vakoka ara-kolontsaina eto an-toerana dia haka sary ireny toerana ireny koa ny UPPM hampahafantarana azy ary hozaraina amin’ny minisitera.

▶️ Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny roa tonta ary amin’ny sabotsy 13 aprily izao dia hizara traikefa ho an’ireo mpisehatra amin’ny mpaka sary pika, na mpanao hosodoko, na mpanoratra na mpanatontosa horonantsary ny minisitera ary andraisan’ny UPPM anjara miaraka amin’ny « Cabinet Rakotomanana ».
Horesahina amin’io ny olana sedraina matetika. Eo koa ny zo sy ny lalàna miaro ny asa famoronana eto amintsika. Etsy amin’ny « Trano Sary » Ambohidahy, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro no hanaovana ity hetsika ity ary maimaimpoana ny fanatrehana azy.

11/04/2024

Horonan-tsary fanehoana ireo asa vitan’ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny tao anatin’ny « 100 andro ».

11/04/2024

Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena : fintin’ny asa vita tao anatin’ny « 100 andro »

📌 CPGU: tsy mitazam-potsiny ireo tokantrano sahirana any amin'ny tapany atsimo atsinanan'ny Nosy▶️Ny faran'ny herinandro...
09/04/2024

📌 CPGU: tsy mitazam-potsiny ireo tokantrano sahirana any amin'ny tapany atsimo atsinanan'ny Nosy

▶️Ny faran'ny herinandro lasa teo dia tonga nijery ifotony ny fahavoazan’ireo mponina nianjadian'ny rivodoza sy ny orambe nifanesy tany amin’ny tapany Atsimon’ny nosy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian. Tsikaritra nandritra izany fa mbola maro ireo mponina tsy tafarina. Maro ny vahaolana naroson'ny fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny CPGU hanamaivanana ny olana mianjady amin'izy ireo. Isan'izany ny fananganana toby fihalofana miisa 2 ao Mananjary izay efa nametrahan'ny Praiminisitra vato fototra ary ao Manakara izay hatsangana afaka fotoana vitsy araka ny fampitam-baovao.

▶️Nahitana tokatrano vitsivitsy ilay tanim-panjakana izay hanorenana ilay toby fiahalofana ao Manakara ka ho afindra monina izy ireo alohan’ny fiantombohan’ny asa fanorenana. Ny Governemanta sy ny manam-pahefana any antoerana dia manohana sy manampy ireo mponina ireo mba hanamaivanana ny fahasahiranany manoloana izany fifindra-monina izany. Arak’izany dia nizara tohana ara-tsakafo ho an’ireo tokantrano miisa 36 tao Ambokala. Ny tokatrano tsirairay dia nisitraka vary 25kg, menaka 1L, koba 2k, siramamy 1kg ary voamaina 5kg.

▶️Ankoatra izay dia notohizan'ny ekipan'ny CPGU ny fizarana fanampiana mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo traboina. Tokantrano miisa 300 tao amin’ny kaomina renivohitry Vohipeno izay nafindra vonjy maika tany amin’ny toby fihalofana 06 natokana handraisana azy ireo nohon’ny tondradrano izay nianjady tamin’ny trano fonenan’izy ireo no nisitraka izany. Teo koa ny Kaominina ambanivohirtr’i Mahabo, ireo tokantrano miisa 208 izay mbola mialoka tao amin’ny CEG Mahabo, EPP Vohilava, EPP Vohipasy, EPP Maka ary EPP Sahora Nord .

▶️Farany, notanterahana tao amin’ny Fokontany Taniady , Kaomina Vohitsindry distrikan’i Vohipeno ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo traboina. Tokantrano miisa 222 no nisitraka izany tao amin'ny kaominina Vohilany ary 395 kosa tao amin’ny kaominina Onjatsy. Savony sy fanafody fanadiovana rano ho an’ny tokantrano miisa 429 ihany koa no nozarain’ny Point Focal des Urgences du Grand Sud Est ho an’ireo kaominina ireo.

▶️Mbola nitohy anio ny fizarana tohana ara-tsakafo izay ataon’ny CPGU ka tokantrano 429 ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’i Manakara no nisitraka izany. Marihana fa ny famatsiam-bola azo avy amin’ny Fiantohana ARC ( African Risk Capacity) no nafahana nanantateraka izany.

📌 Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina : mitohy any amin’ny Faritra Atsinanana ny asa 100 andro▶️Tanterahina any To...
09/04/2024

📌 Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina : mitohy any amin’ny Faritra Atsinanana ny asa 100 andro

▶️Tanterahina any Toamasina ny fampiofanana haharitra telo andro ho an’ireo tanora. Anisan’ny kendrena amin’izany ireo misehatra amin’ny kanto isan-tsokajiny. Ankoatra ny fiofanana dia misy ihany koa ny atrikasa sy ny fifanakalozana traikefa. Ny mpandrindra ny "Centres d'Incubation/Tosik'Art"no mitarika ity hetsika ity any an-toerana.
▶️Any amin’ny faritra Atsinanana ihany koa ny ekipan’ny ANAC. anisan’ny foto-dia ny fametrahana ity akademia natokana hampiofana amin’ny lafin’ny kanto ity any an-toerana.

▶️Efa taty Atsinanana koa ny ekipan'ny LOVAKO, ny herinandro lasa teo izay miasalahy amin’ny tetik'asa fametrahana ny Mozea ao anatin'ny Manda Fort Mahavelona-Foulpointe. Nandalo teto Toamasina koa ny ekipan'ny Direction du Patrimoine, talohan'ny niaingan'izy ireo tany Fenoarivo Atsinanana sy Nosy Boraha izay mikarakara ny fanasokajiana ny Missiona Katolika ho Vakoka iraisam-pirenena.
▶️Ireto asa ireto dia tafiditra amin’ny tohin’ny tanjona 100 andro eo anivon’ny minisitera ary tsy latsa-danja amin’izany ny faritra Atsinanana.

09/04/2024

📌 Ny 16 aprily ny fampahafantarana ny lisitra ofisilian’ireo kandidà handray anjara amin’ny fifidianana Solombavambahoaka.

Mitondra fanazavana fanampiny ny Mpampiaka-tenin’ny CENI, Soava Andriamarotafika

📌 Mpitsara 81 hanampy isa ny fianakaviam-ben’ny Fitsarana ▶️Noraisina manoloana ny fitsarana tampony ny fihanihanan'ireo...
09/04/2024

📌 Mpitsara 81 hanampy isa ny fianakaviam-ben’ny Fitsarana

▶️Noraisina manoloana ny fitsarana tampony ny fihanihanan'ireo mpianatra ho mpitsara miisa 81 androany ho fanatanterahana ny sata mifehy ny mpitsara. Hitsara araka ny lalàna, ny rariny sy ny hitsiny, ary tsy hizaha tavan'olona, tsy hamboraka ny tsiambaratelon'ny fitsarana ary hitandro ny fahamarinana sy ny fahamendrehana mifandraika amin'ny maha mpitsara azy izy ireo araka ny fihanihanana nataony. Aorian'izao dia hiparitaka handray ny andraikitra nanendren'ny Filan-kevitra ambonin'ny mpitsara azy ireto andiany ireto.

▶️ « Hisandrahaka manerana an'i Madagasikara mba hampisy ny fitovian-danja amin'ny Fitsarana rehetra ireo 81 mianadahy ireo » araka ny nambaran'ny minisitry ny Fitsarana, Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa. « Omena fahafaham-po ireo faritra tsapa fa misy fahabangana izay hita fa mampikatso ny raharaham-pitsarana. Tanjona ao anatin'izao ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana izay mifandraika amin'ny vina napetraky ny Filoham-pirenena, dia ny fanatsarana ny fitantanana eo anivon'ny fandraharahana ny tontolon'ny asam-panjakana ».

▶️Tsiahivina fa ny 8 aprily 2024 no notolorana ny mari-pahaizana teny Ivato ireo mpianatra ho mpitsara miisa 81 ireo izay anatin'ny andiany "ILO". Mizara 3 izy ireo, izay nisafidy lalam-piofanana samihafa : ny 41 "section judiciaire", ny 20 "section administrative" ary ny 20 "section financière". Apetraka amin'ny fomba manetriketrika ny mpitsara mialoha ny handraisany ny asa nanendrena azy tsirairay avy.

📌 Soutenir et promouvoir les artistes locaux tant au niveau international que national, telle est la vision de Nan'S Pro...
09/04/2024

📌 Soutenir et promouvoir les artistes locaux tant au niveau international que national, telle est la vision de Nan'S Prod, une nouvelle maison de production à Madagascar.

▶️Nan'S prod s'engage à apporter un nouvel air dans le monde de musique. Cette nouvelle maison de production promet de partager sa passion pour l'industrie musicale à Madagascar, selon son Directeur général, Natacha Ratsimbason.

▶️Une signature de convention avec 5 artistes malagasy a été effectuée ce mardi après la conférence de presse tenue à Anosy. Il s'agit de Mashpanjaka, Oloblaky, Riny, Jack'Dad et de Tsiok'Ampita. Ces artistes, tant variés de ses genres (rock, pop, musique urbaine...) ont été sélectionnés grâce à une relation de confiance, a expliqué le directeur de communication de Nan'S Prod, Li Andrianasolo. Il a quand même souligné que la maison ouvre ses portes à tous les artistes.

▶️Nan'S Prod est une maison de disques et de production, ce qui explique qu'elle opte aussi pour l'accompagnement des artistes, surtout les débutants, malagasy.

📌 Boriboritany faha-4: Volamena  milanja 450 grama manana taham-pahadiovana 98%  no saron’ny polisy▶️Volamena  milanja 4...
09/04/2024

📌 Boriboritany faha-4: Volamena milanja 450 grama manana taham-pahadiovana 98% no saron’ny polisy

▶️Volamena milanja 450 grama mahery fantatra fa manana taha-pahadiovana mihoatra ny 98% taorian'ny fitiliana teo anivon’ny laboratoara no tratran'ny polisin'ny Harena An-kibon' ny tany sy ny kaomisaria 5e , boriboritany faha 4 ny faran'ny herinandro teo. Tsy nanana taratasy mazava ana fitazomana, fitondrana ary fivarotana volamena ny olona nahatratrarana ireto harena an-kibon'ny tany ireto.

▶️Tafiditra anatin'ny ady ataon'ny ministera amin'ny tsy fanarahan-dalàna mikasika ny harena an-kibon'ny tany, ary tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny hetsika famongorana ny tsy ara-dalàna toy izao hoy ny tale vaovao miandraikitra ny "Direction de la Police des Mines", ny Kaomisera Rakotoarimanana Mamy Tiana.

▶️ Eo am-piandrasana ny valin'ny fanadihadiana dia apetraka eny amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara ireo volamena tratra, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny eo anivon'ny ministeran'ny Harena an-kibon'ny tany manoloana ny tranga fahatrarana sy fanagiazana vato sarobidy sy volamena toy izao, sy araka ny voafaritra ao anatin'ny lalàna.
Ny vokatry ny fanadihadiana no hahafahana mamantatra izay lalana hizoran’ireto volamena tsy ara-dalàna sy izay mety ho tambajotra ambadik’izany.

▶️Manoloana izao fahatratrana volamena tsy ara-dalàna izao miantso ny olom-pirenena ny tomponandraikitra hizara vaovao sy hitory raha sendra misy tranga mampiahiahy momba ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany mba ahafahana mijery izany ara-potoana sy handraisana andraikitra manoloana izany.
Nifanindry an-dalana tamin'izany dia miantso ny mpisehatra amin'ny harena An-kibon'ny tany hiroso sy hiditra ao anatin'ny sehatry ny ara-dalàna izay hany lalana maha-marin-toerana ny asa tanterahan’ny minisitera.

📌 La Chine à la rescousse du secteur agricole Malagasy▶️ La Chine a répondu favorablement et d’urgence à l’appel de Mada...
09/04/2024

📌 La Chine à la rescousse du secteur agricole Malagasy

▶️ La Chine a répondu favorablement et d’urgence à l’appel de Madagascar aux aides des partenaires suite à la récente déclaration d'État de « sinistre national » que l’Etat a tranché la semaine dernière. La réponse est déclinée en projet de don financier qui servira à l’approvisionnement d’engrais de 2.000 tonnes, étalé sur un an. L’urgence est de prioriser l’aide aux agriculteurs dont les rizières et terrain agricole ont été endommagés par le cyclone Gamane, survenu le 27 mars dernier. Des échantillons d’engrais NPK (12-24-12) ont été exposés durant la cérémonie de remise et réception du dit don à Iavoloha avec la présence du président de la République Andry Rajoelina.

▶️ Dès cette semaine, la BNGRC activera l’acheminement des engrais aux Régions les plus dévastées par Gamane. La sécurité alimentaire des personnes concernées est un impératif dans cette mesure. Les engrais remis en faveur des sinistrés de Gamane seront gratuits, rassure le président malagasy, Andry Rajoelina. En parallèle à la distribution à d’engrais, l’Etat remettra également des variétés d’aliments afin de subvenir aux besoins alimentaires quotidiens en attendant que ces derniers puissent remettre sur pied des cultures de substituts à leurs cultures rizicoles, notamment des variétés de cultures hors saisons.

▶️ La tâche aux relèvements de la riziculture incombe au ministère de l’Agriculture et de l’Élevage. Ce dernier a communiqué un bilan provisoire de perte en secteur agricole touchant une superficie de près de 60.000 ha dans les régions SAVA, Diana, Analanjirofo et Atsinanana. Les séquelles laissées par Gamane concernent à la fois le secteur agricole, mais également le secteur élevage, dont plusieurs milliers de cheptel bovin et autres ont péri durant son passage. Le bilan final ne sera connu qu’après le retrait total des eaux emmenées par le cyclone.

▶️ D’ores et déjà, un plan de répartition et de priorisation en fonction des proportions des dégâts de chaque région et districts et communes touchés est en cours d’élaboration selon le ministre de l'Agriculture et de l’élevage, Ratohiarijaona Suzelin. Autre la mesure d’urgence auquelle l’aide chinoise s’attache, le ministère envisage également de servir cette opportunité afin de soutenir la grande campagne agricole que le département a déjà planifiée.

▶️Nanolotra harato trondro miisa 10 sy fitaovana fanamboarana izany ho an’ny tanora mpanonjo mivondrona anaty fikambanan...
09/04/2024

▶️Nanolotra harato trondro miisa 10 sy fitaovana fanamboarana izany ho an’ny tanora mpanonjo mivondrona anaty fikambanana ao Morondava ny Consul honoraire-n’i Portugal, Rabesahala Fréderic, ny faran’ny herinandro teo, ho fanampiana azy ireo amin’ny velon-tenany.
Nampahafantariny fa santatra ambavarano ihany izao satria ny fidinana eny ifotony toy izao hoy izy no ahitana ny olana sedrain'ny mponina.

▶️Zava-dehibe ho an’ireo mpanjono izao fihetsiky ny consul honoraire izao hoy ny goverinoran’ny faritra Menabe, Randriantsoa Serge Lucky, ka nanamafisany ny fangatahana fitaovana toy ny gilets sy lakana (vedette).

09/04/2024

▶️24 miliara dolara isan-taona no vola very vokatry ny jono tsy ara-dalàna maneran-tany. 16 tapitrisa dolara izany raha ho an’i Madagasikara manokana. Tsy maintsy atao ny fanamafisana ny paikady iadiana amin’izany hoy ny minisitry ny jono Mahatante Paubert.

09/04/2024
📌 Accord de coopération pour le projet BIO'TSIKA à Madagascar▶️Dans un effort  visant à renforcer les liens de coopérati...
09/04/2024

📌 Accord de coopération pour le projet BIO'TSIKA à Madagascar

▶️Dans un effort visant à renforcer les liens de coopération entre la France et Madagascar, un accord a été signé aujourd'hui à Anosy. Heriniaina RAMBOATIANA, Président National du SYMABIO, et Arnaud Guillois, Ambassadeur de la Nation Française à Madagascar, ont scellé cette alliance en présence de Yves GUICQUERO, Directeur de l'AFD.

▶️L'accord, portant sur le projet BIO'TSIKA, s'inscrit dans le cadre des efforts visant à améliorer le niveau de vie des agriculteurs malagasy, une priorité nationale. Ce partenariat vise également à mettre en œuvre la Politique Générale du Gouvernement (PGE) en favorisant l'agriculture biologique et la préservation de l'environnement. Près de 20 000 agriculteurs sont attendus à bénéficier de ce projet sur une période de trois ans, centrée sur les cultures de fraises, de maïs, de clous de girofle, de vanille, de riz et de légumes.

▶️BIO'TSIKA, fruit de la collaboration entre Symabio, le Ministère de l'Agriculture et de l'Elevage, ainsi que des partenaires nationaux et internationaux, s'engage à créer des installations de production biologique et à fournir une formation aux agriculteurs des régions d'Alaotra Mangoro et d'Atsinanana.

09/04/2024

📌 100 andron’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga :

▶️ Telo lehibe no fototra napetraky ny minisitera dia ny fametrahana ny « zone d’émergence piscicole », ny fizarana fitaovana ho an’ireo mpanjono sy mpiompy trondro ary ny fampiofanana an’ireo mpisehatra amin’ny jono.

▶️ Io no nambaran’ny minisiteran’ny Jono, Mahatante Paubert nandritra ny fivahinianany tao amin’ny TVM omaly.

📌 3 en 1: trois livres pour une plongée dans l'histoire de Madagascar. ▶️Bruno Abric emporte les adeptes de la lecture à...
08/04/2024

📌 3 en 1: trois livres pour une plongée dans l'histoire de Madagascar.

▶️Bruno Abric emporte les adeptes de la lecture à la découverte de la Grande Île en sortant trois romans dont ''Vents d'épices'', ''Anisa la Sakalava'', et ''Ino Vaovao Moramanga 1947".
Le premier, ''Vent d'épices'' parle raconte l'histoire d'amour de Henri Lambert, capitaine en mission à Madagascar en 1901, pour Anisa. Cet amour, étant interdit, créa une tension. Ainsi, l'histoire continue dans ''Anisa la Sakalava'' qui relève les défis de la vie quotidienne, les rencontres inattendues ainsi que les traditions malgaches après des voyages et des parcours ensemble.

▶️Vient ensuite ''Ino Vaovao Moramanga 1947" qui raconte l'histoire durant les événements de 1947 à Moramanga.
Bruno Abric est un auteur et explorateur né à Bordeaux en 1961. Amoureux de voyage, il a découvert la Grande Île en 1997 et nommé chargé de mission pour le ministre du tourisme à cette époque. Ses œuvres sont toujours une déclaration d'amour pour Madagascar. Son prochain roman intitulé ''La légende de Masianaka'' est aussi en cours.

▶️  Nifarana androany ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho solombavambahoaka. Na dia efa hariva a...
08/04/2024

▶️ Nifarana androany ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho solombavambahoaka. Na dia efa hariva ary ny andro dia mbola tomefy olona ny tetsy amin’ny OVEC boriboritany voalohany izay nahitana kandidà maromaro toy an’i Andriamananoro Augustin (IRD), Ralambomahay Toavina (KOLEKTIFA) ary Rakotoarisoa Maromisa (AREMA).

📌 Pôle Stage Madagascar : former la jeunesse malgache pour un meilleur avenir professionnel▶️Le programme Pôle Stage Mad...
08/04/2024

📌 Pôle Stage Madagascar : former la jeunesse malgache pour un meilleur avenir professionnel

▶️Le programme Pôle Stage Madagascar (PSM) continue de faire des percées significatives dans la formation et l'insertion professionnelle des jeunes Malgaches. La 6e série de formations professionnelles a été lancée en partenariat avec le Ministère de l'Industrie et du Commerce (MIC), le Syndicat des Industries de Madagascar (SIM) et le Ministère du Travail et de l'Emploi (FOP) ce 8 avril.

▶️Ce programme offre aux étudiants de l'Université l'opportunité d'acquérir une expérience pratique avant de rejoindre le marché du travail. Actuellement, 200 jeunes seront formés avant de pouvoir effectuer un stage en entreprise. En partenariat avec les trois entités mentionnées précédemment, le programme Pôle Stage Madagascar (PSM) est actuellement suivi par 10 lycées publics et privés. Dans le but d'accroître son impact, le PSM souhaite élargir son audience et offrir cette formation à un plus grand nombre de jeunes.

▶️Plus de 500 étudiants ont déjà bénéficié de ce programme, et des efforts sont en cours pour l'étendre à d'autres domaines, répondant ainsi aux besoins croissants des jeunes en matière d'expérience professionnelle.

📌 Poety Rebely: manana ny toerany ny ''Slam poésie'' ▶️''Tsy hoe mimenomenona fotsiny ny mpanao Slam fa mampita hafatra....
08/04/2024

📌 Poety Rebely: manana ny toerany ny ''Slam poésie''

▶️''Tsy hoe mimenomenona fotsiny ny mpanao Slam fa mampita hafatra. Efa manomboka mipetraka ny toeran'ny Slam poésie satria atokisan'ny olona ary tsy voatery ny olona rehetra no hanome lanja azy sy hahazo azy''.

▶️Rasoanivo Faralalaina Elia Olsénie, na Poety Rebely no anaran-tsehatra entiny amin'ny maha mpanao poezia azy, dia vehivavy efa ela niseharana tamin'ny tontolon'ny ''slam poésie''. Nanomboka tamin'ny 2010 izy no nanao slam ary efa nahazo amboara maro tamina karazana fifaninanana natao teto Madagasikara.
Ny ''slam poésie'' no nosafidiany hamoahana ny aingam-panahiny amin'ny maha mpanoratra azy noho ny fahitany fa malalaka kokoa ity sehatra ity.

📌 📌 Miala amin'ny mahazatra

▶️Ankoatra ny hira sy/na ny ''slam'' tsotra, na eo amin'ny famoronana na eo amin'ny tonony dia nisafidy hanafangaro ny hira sy ny ''slam'' i Poety Rebely tamin'ny famoahana ny sanganasany vaovao izay mitondra ny lohateny hoe ''Kônfesiko''. Miresaka tantarana tovovavy mpianatra teny amina oniversite, voasedran'ny fakampanahy maro rehefa solafaka ka nitarika azy handray fanapahan-kevitra ity hira farany navoakany ity.

▶️''Spoken word'' no iantsoana ny ''slam poésie'' rehefa misy feo lafika. Io indrindra no nosafidiany hitondrana ny slam eny ampototsofin'ny daholobe, mba hisarihana ny tsirairay hihaino sy handray ny hafatra fa hahafantatra zavatra hafa koa, raha ny fanazavany.

▶️Ezahana haparitaka manerana an'i Madagasikara ny fisian'ny fotodrafitrasa mamokatra lohamenaka, raha ny nambaran'ny mi...
08/04/2024

▶️Ezahana haparitaka manerana an'i Madagasikara ny fisian'ny fotodrafitrasa mamokatra lohamenaka, raha ny nambaran'ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine.
''Modely mahomby amin'ny fiarovana ny ala sy ny fanatsarana ny fari-piainan'ny mponina eny ifotony izany'', hoy izy, nandritra ny fandalovany tany amin'ny faritra Atsimon'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo.

▶️Ao amin'ny kaominina Androy, distrikan'i Lalangina no misy ny toeram-pamokarana lohamenaka iray, izay ivondronan'ny fikambanana miisa 7 ka ahafahan'ny tokantrano 100 misitraka tombontsoa mivantana. Efa nofanina avokoa izy ireo na amin'ny fanodinana lohamenaka na amin'ny fikojakojana ny fitaovana ampiasaina amin'izany.
Vokatr'izany, 4,5l isanandro ny lohamenaka vokarin'ity orinasa ity. Kininim-potsy, dingadingana, oliva, géranium, ravintsara, romarin, tagète no ahodina amin'izany. 1,5m3 na fototra hazo manana savaivo 10cm miisa 60 isanandro no ilaina amin'izany raha tenehana amin'ny kitay.

▶️Manampy amin'ny famokarana araka izany ny fambolena hazo ka antony nanomezana ny fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy fitaovana ho an'ireo faritra notsidihany nanomboka ny 4 ka hatramin'ny 8 aprily, dia ny faritra Vakinankaratra, Amoron'i Mania ary Matsiatra Ambony.

▶️Ezahana haparitaka manerana an'i Madagasikara ny fisian'ny fotodrafitrasa mamokatra lohamenaka, raha ny nambaran'ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine.
''Modely mahomby amin'ny fiarovana ny ala sy ny fanatsarana ny fari-piainan'ny mponina eny ifotony izany'', hoy izy, nandritra ny fandalovany tany amin'ny faritra Atsimon'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo.

▶️Ao amin'ny kaominina Androy, distrikan'i Lalangina no misy ny toeram-pamokarana lohamenaka iray, izay ivondronan'ny fikambanana miisa 7 ka ahafahan'ny tokantrano 100 misitraka tombontsoa mivantana. Efa nofanina avokoa izy ireo na amin'ny fanodinana lohamenaka na amin'ny fikojakojana ny fitaovana ampiasaina amin'izany.
Vokatr'izany, 4,5l isanandro ny lohamenaka vokarin'ity orinasa ity. Kininim-potsy, dingadingana, oliva, géranium, ravintsara, romarin, tagète no ahodina amin'izany. 1,5m3 na fototra hazo manana savaivo 10cm miisa 60 isanandro no ilaina amin'izany raha tenehana amin'ny kitay.

▶️Manampy amin'ny famokarana araka izany ny fambolena hazo ka antony nanomezana ny fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy fitaovana ho an'ireo faritra notsidihany nanomboka ny 4 ka hatramin'ny 8 aprily, dia ny faritra Vakinankaratra, Amoron'i Mania ary Matsiatra Ambony.

📌 Kabeson'ny mpanjaka Toera : tsy maintsy hapetraka amin'ny Zomba mendrika azy▶️Feno ny fepetra ahafahana mamerina ny Ka...
08/04/2024

📌 Kabeson'ny mpanjaka Toera : tsy maintsy hapetraka amin'ny Zomba mendrika azy

▶️Feno ny fepetra ahafahana mamerina ny Kabeson'ny mpanjaka Toera, araka ny lalàna frantsay napetraka tamin'ny desambra 2023 izay milaza fa tsy maintsy tafiditra anatin'ny ''collection publique'' ny vakoka iray vao azo averina amin'ny taniny. Ity kabeso ity izay any amin'ny ''Musée de l'Homme'' any Parisy ankehitriny.
Amin'ny maha mpanjaka azy, dia tsy maintsy hapetraka amin'ny Zomba izay mendrika azy ny Kabeso. Heverina ho vita amin'ity taona ity izany, raha ny nambaran'ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriamananoro Augustin.

▶️Mahamaika ny minisitera ny fameloma-maso ireo mozea efa misy ary tsy mijanona ho an'ny eto an-kibon'Imerina fotsiny izany fa ahitana ny mampiavaka ny foko 18 eto Madagasikara.
Hisy horonan-tsary lehibe hatao mikasika izany mba hahafantaran'ny be sy ny maro ny tantaran'izany mpanjaka Toera izany.

▶️Manana ny hasiny manokana, indrindra ho an'ny Sakalava ny famerenana ny kabeson'ny mpanjaka Toera ka rariny indrindra raha hatao ny fomba rehetra hamerenana izany, ary tsy miantsy jerena akaiky ny paikady hatao hanatrarana ny tanjona. Efa nisy koa ny savaranonando natao tamin'ireo fianakaviana ireo. Efa nisy ny jotso ary efa nahazo tsodrano ny fanjakana malagasy fa ho tafody ity Kabeso ity.

▶️9 mianadahy no mandrafitra ny komity malagasy misahana ny famerenana ny Kabeson'ny mpanjaka Toera.

Voalohany amin'izany ny solotenan'ny taranaky ny mpanjaka Toera, ny avy eo amin'ny minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny avy eo amin'ny minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny avy eo amin'ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Mbola hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy izany, hoy ny minisitra. Manomana ny tondrozotra rehetra iarahana amin'ny fanjakana frantsay izy ireo, ary efa nisy ny fivoriana voalohany notarihin'ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina androany tetsy Anosy.

📌 Reforme dans le secteur extractif à Madagascar : vers une application concrète du code minier révisé▶️La réforme en co...
08/04/2024

📌 Reforme dans le secteur extractif à Madagascar : vers une application concrète du code minier révisé

▶️La réforme en cours dans le secteur extractif malgache prend une nouvelle dimension avec la promulgation de la loi modifiant le code minier. Cependant, son application concrète requiert la fixation de nombreuses dispositions par voie réglementaire. L'Initiative pour la Transparence des Industries Extractives (ITIE) Madagascar annonce ainsi une consultation des parties prenantes sur le décret d'application du code minier ce 12 avril.

▶️Selon les dispositions du code minier révisé, plusieurs aspects nécessitent des décrets d'application, notamment les principes de perception des Droits et taxes spéciaux sur les produits miniers. De même, l'affectation des recettes de la ristourne minière pour les provinces. La détermination du montant de base des Frais d'Administration Minière (FAM) devront être précisées une fois ces dispositions effectives.

Kandida roa no efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina solombavambahoaka tao amin’ny OVEC Mahabo. Henris ...
08/04/2024

Kandida roa no efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina solombavambahoaka tao amin’ny OVEC Mahabo. Henris Théodore na Baba James avy amin'ny sehatra tsy miankina (Indépendant), ary Andrianirina Narcis avy amin’ny antoko IRD. Ity farany dia nampahafantatra sy nampatsiahy ny vahoaka ny asan’ny solombavambahoaka taorian’ny nahazoany ny taratasy fanamarinana avy tamin'ny OVEC Mahabo ny fahafahany mirotsaka hofidina.

Nanotrona azy nandritra izany ny Loholon'i Madagasikara voafidy tao amin'ny faritany Toliara Mahonjo Hugue Laurent sy ireo solontenan'ny vahoaka maro avy amin'ny kaominina mandrafitra ny district ny 07 avrily 2024.

Address


Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dépêche Informative Taratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Dépêche Informative Taratra:

Videos

Shortcuts

  • Address
  • Telephone
  • Alerts
  • Contact The Business
  • Videos
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share