Vaovao ara-Politika/Sosialy misy eto Toliara

Vaovao ara-Politika/Sosialy misy eto Toliara Magazine

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 26 Febroary 2025 tamin’ny 10 ora maraina✔️ Nitombo hery ka lasa rivodoza ary nomen...
26/02/2025

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 26 Febroary 2025 tamin’ny 10 ora maraina

✔️ Nitombo hery ka lasa rivodoza ary nomena anarana hoe HONDE tamin’ny 03 ora maraina teo ilay andro ratsy niforona tao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Tamin’ny 09 ora maraina teo dia any amin’ny manodidina ny 545 Km andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny. 80 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 110 Km/ora manakaiky ny foibeny.

✔️ Nikisaka nianatsimo atsinanana izy ka nahafaka 10 Km/ora. Vinavianina hitombo hery hatrany izy ato 48 ora manaraka ka mety hiakatra hatramin’ny sokajy rivodoza mahery na Cyclone Tropical.

✔️ Hanambana mivantana ny tapany atsimon’ny Nosy i HONDE manomboka ny zoma maraina. Hipaka miandalana amin’ny morontsiraka atsimo andrefana ny rahona miaraka aminy rahampitso maraina.

✔️ Mba ho fiomanana manoloana izany dia iangaviana ny mponina amin’ireto faritra sy distrika manaraka ireo mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maintso 📗📗: Androy, Toliara I-II, Ampanihy, Amboasary Atsimo ary Taolagnaro.

❌❌❌ Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Tsihombe mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. ❌❌❌

🔑 Météo Madagascar



Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 25 Febroary 2025 tamin’ny 10 ora maraina.✔️ Tamin’ny 09 ora maraina teo dia any am...
25/02/2025

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 25 Febroary 2025 tamin’ny 10 ora maraina.

✔️ Tamin’ny 09 ora maraina teo dia any amin’ny manodidina ny 650 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 75 Km/ora manakaiky ny foibeny.

✔️ Mikisaka mianatsimo andrefana izy ka nahafaka 09 Km/ora. Vinavianina hitombo izy ato anatin’ny 24 ora manaraka ka ahiana hivadika ho rivodoza.

✔️ Tombanana hikisaka mianatsimo atsinanana izy manomboka anio alina ka mety hanambana mivantana ny tapany atsimon’ny Nosy amin’ny faran’ny herinandro. Efa mikorontana tanteraka ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo andrefana iny, vokatry ny oram-baratra, ny rivotra mafy ary ny alon-drano avy avaratra.

✔️ Mba ho fiomanana manoloana izany dia iangaviana ny mponina amin’ireto faritra sy distrika manaraka ireo mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maintso📗📗 : Androy, Toliara I-II, Ampanihy, Amboasary Atsimo ary Taolagnaro.

❌❌❌Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Tsihombe, sy eo anelanelan’i Cap Est sy Vatomandry mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. ❌❌❌

🔑 Météo Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO MADAGASIKARA | 24 Febroary  2025 tamin’ny 04 ora hariva📌 Firafitra ankapo...
24/02/2025

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO MADAGASIKARA | 24 Febroary 2025 tamin’ny 04 ora hariva

📌 Firafitra ankapoben’ny toetry ny andro

✔️ Mitoetra maharitra ny Zone de Convergence Intertropical (ZCIT) izay miteraka oram-baratra amin’ny faritra maro aty amin’ny ilany andrefan’ny ranomasimbe Indiana. Vokatr’izany fikorontanana midadasika izany, dia misy andro ratsy roa miforona ao andrefana sy atsinanan’i Madagasikara. Ny voalohany dia ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ka any amin’ny manodidina ny 480 Km andrefan’i Morombe ny misy ny foibeny. Ny faharoa kosa dia any amin’ny manodidina ny 200 Km atsinanan’i Toamasina.

✔️ Mbola malefaka avokoa ny herin’izy ireo ka manodidina ny 45 ka hatramin’ny 55Km/ora ny rivotra miaraka entiny, arahina tafiotra 60 ka hatramin’ny 70 Km/ora anaty oram-baratra.

📌 Fironana ato anatin’ny dimy andro manaraka

✔️ Tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo hivoaran’ireo faritra andro ratsy ireo ka vinavinaina hitombo hery ho lasa rivodoza izy ireo ato anatin’ny 48 ora manaraka. Mety ho haingana kokoa aza izany nohon’ny hamandoana mahazo vahana sy ny tsy fahamarinan-toeran’ny habaka. Tombanana hanalavitra miandalana ny morontsiraka ilay andro ratsy ao atsinanan’ny faritra Atsinanana ka hanambana ny Nosy rahavavy (La Reunion sy Maorisy).

✔️ Mety hanambana mivantana ny faritra atsimon’ny Nosy kosa ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika any amin’ny faran’ny herinandro.

⚠️ Tsy mbola misy ny filazana loza mikasika ireo andro ratsy miforona ireo. Misy kosa ny fampitandremana mikasika ny fahabetsahan’ny rotsakorana sy ho an’ny mpampiasa ranomasina.

❌Entanina manokana ny mponina amin’ny faritra Atsimo andrefana, Androy ary Anosy mba hanaraka ny vaovaon’ny toetry ny andro. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Besalampy sy Tsihombe mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. Araho mandrakariva ny toro-marika omeny manam-pahefana isan-tokony.

🔑 Météo Madagascar
MTMM

RDC: MIHAMPATRAMPATRA NY FATY🚨Tafakatra 2900 ny maty any  GOMA⭕Nanomboka fanafihana vaovao  tany amin'ny faritra atsinan...
06/02/2025

RDC: MIHAMPATRAMPATRA NY FATY
🚨Tafakatra 2900 ny maty any GOMA

⭕Nanomboka fanafihana vaovao tany amin'ny faritra atsinanan'i RDC ny M23 sy ny ekipany. Tafakatra 2900 farafahakeliny ny maty, saika any amin'ny tanànan'i Goma izay eo am-pelantanan'ny M23, araka ny tatitra vaovao nataon'ny Firenena Mikambana (UN).

⭕Manodidina ny 2.000 razana no voaangona teny an-dalamben'i Goma tato anatin'ny andro vitsivitsy ary misy razana 900 any amin'ny tranom-paty, hoy ny lefitry ny iraka UN ao RDC, Vivian van de Perre, nanamafy fa mety mbola hiakatra io tarehimarika io.


📷TV5 Monde, AFP

22-01-25 🛑NOFOANAN’NY TRIBUNAL ADMINISTRATIF NY TOLIARA KA HAVERINA INDRAY MANDEHA NY FIFIDIANANA IZAY NATAO TAO AMIN'NY...
22/01/2025

22-01-25
🛑NOFOANAN’NY TRIBUNAL ADMINISTRATIF NY TOLIARA KA HAVERINA INDRAY MANDEHA NY FIFIDIANANA IZAY NATAO TAO AMIN'NY COMMUNE RURALE MITSINJO BETANIMENA TOLIARA2, ARAKA NY DIDY NIVOAKA IO HARIVA IO......

15/01/2025

🛑 15-01-2025 à 13h00 min
👉 245km environ, Au Nord Ouest de Toliara

👇👇👇👇👇

14/01/2025

FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 14 Janoary 2025

✔️ Tamin’ny 03 ora tolak’andro teo dia tany amin’ny 543 Km Avaratra somary Avaratra Andrefan’i Morombe no nisy ny foiben’i DIKELEDI. 100 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 140 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo izy ka nahafaka 23 Km/ora.

✔️ Hanohy ny diany hianatsimo somary Atsimo Atsinanana izy manomboka izao ka tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 200 Km miala ny morontsiraka Atsimo-Andrefana rahampitso tolak’andro sy alina, amin’ny tanjaka Rivodoza mahery vaika (185 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy). Noho izany dia mety hiitatra amin’ny morontsiraka Atsimo Andrefana ny tafio-drivotra ho entiny.

💧 Tombanana hitondra rotsak’orana betsaka ihany koa izy (mihoatra ny 80 mm/24 Ora) mandritra ny fandalovany, ka mety hiteraka fiakaran’ny renirano, tondra-drano amin’ireo toerana marefo, rano trambo sy fihotsahan’ny tany

📗📗 Mba ho fiomanana manoloana izany dia iangaviana ny mponina amin’ireto faritra sy Distrika ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika ny fanairana miloko maintso : Androy, Morombe, Toliara I-II, Sakaraha, Betioky Atsimo ary Ampanihy.

❌❌❌ Iangaviana ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Taolagnaro mba tsy hiandriaka intsony mandrapahalasan’ny loza. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.❌❌❌

🔑 Météo Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

VAOVAO TSELATRA MOMBA NY RIVODOZA DIKELEDI | 12 Janoary 2025 tamin'ny 06 ora maraina▶️TOERANA MISY NY FOIBENY: 140 km An...
12/01/2025

VAOVAO TSELATRA MOMBA NY RIVODOZA DIKELEDI | 12 Janoary 2025 tamin'ny 06 ora maraina

▶️TOERANA MISY NY FOIBENY: 140 km Andrefan’i Nosy-Be
▶️HERINY : Tempête tropicale modérée
▶️RIVOTRA ENTINY: 80 Km/ora
▶️TAFIOTRA MIARAKA AMINY: 120 Km/ora manakaiky ny foibeny
▶️FIKISAHANY: Miakandrefana somary Atsimo-Andrefana
▶️HAFAINGANAM-PANDEHANY: 25 Km/ora
▶️VINAVINAN’NY HIDIRANY AN-TANETY: Nil
▶️TOERANA HIDIRANY AN-TANETY: Nil
▶️FANAMARIHANA: Manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany i DIKELEDI

🔑 Météo Madagascar

03/01/2025

📌Niakatra fitsarana nomaly 12 Desambra ireo olona 6 voarohirohy tamin'ny famonoana an'iJohary dit Zozo tao Besakoa ny vo...
14/12/2024

📌Niakatra fitsarana nomaly 12 Desambra ireo olona 6 voarohirohy tamin'ny famonoana an'iJohary dit Zozo tao Besakoa ny volana oktobra 2023.

📌15 taona an-trano maizina miampy asa anterivozona sy lamandy mitetina 100 tapitrisa ariary no sazy azoniz'ireo 4 mirahalahy, raha toa kavototra ampisalasalana kosa ny 2 mianadahy amin'izy ireo .

Fifidianana Ben'ny tanàna sy Mpanolotsaina 2024Fironam-bokatra Commune Urbaine Toliara 1
13/12/2024

Fifidianana Ben'ny tanàna sy Mpanolotsaina 2024
Fironam-bokatra Commune Urbaine Toliara 1

🔴MPIVAROTRA MASON’OLOMBELONA TRATRA 🔴Faritra  ATSIMO ANDREFANA: Lehilahy roa,nitetika hivarotra mason'olombelona no trat...
04/12/2024

🔴MPIVAROTRA MASON’OLOMBELONA TRATRA

🔴Faritra ATSIMO ANDREFANA: Lehilahy roa,nitetika hivarotra mason'olombelona no tratry ny velapandrikin'ny zandary BPR teo Andranovory.

Avy any amin'ny kaominina Iaborano,distrikan’i Sakaraha izy roalahy ireto sy ireo mason'olombelona noentin'izy ireo, izay saika hamidy aty Sakaraha sy Toliara no izao tra-tehaka izao.

TV PLUS INFOS

🥲MIRONGATRA NY FANOLÀNANA RAZANA ANY ROYAUME-UNI🥲 Mia-henjana amin'ny fanaraha-maso ireo mpikirakira razana any amin'ny ...
01/12/2024

🥲MIRONGATRA NY FANOLÀNANA RAZANA ANY ROYAUME-UNI🥲

Mia-henjana amin'ny fanaraha-maso ireo mpikirakira razana any amin'ny hopitaly sy any amin'ireny "services funéraires" ireny ny mpitantana any Royaume-Uni any.
Ny antony dia ny fahatsapana fa mia-mitombo ny tranga fanolanana razana any an-toerana; toy ny trangan'i David Fuller, 70 taona, izay voaheloka higadra mandra-pahafaty rehefa fantatra fa nanolana razana 101 tao amin'ny hôpitaly niasany (9 taona ny zandriny indrindra, ary 100 taona ny zokiny indrindra)

30/11/2024 , nahatratra 10 ireo namoy ny ainy tamin'ny lozam- pifamoivoizana TRANS MAHEFA tany Betroka,02 no nandalo fit...
01/12/2024

30/11/2024 , nahatratra 10 ireo namoy ny ainy tamin'ny lozam- pifamoivoizana TRANS MAHEFA tany Betroka,02 no nandalo fitsaboana. Vinavinaina hiala androany tolakandro no miala any Betroka ny razana aorian'ny fifampidinihana ka ho entina any Amboasary sy Ambovombe. Nisy ny famangiana ,sy faodranomaso nataon'ny tompon'andraikitra mikasika ny vonjy voina any Betroka.Misaotra antsika rehetra nanohana ireo traboina, sy mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana namoy ny havany
MPS

📢NIVOAKA NY DIDY ARY TSY MANAN-TSINY I BALTHAZARNamoaka didy momba ny raharaha Balthazar Engonga ny Fitsarana Tampony an...
22/11/2024

📢NIVOAKA NY DIDY ARY TSY MANAN-TSINY I BALTHAZAR

Namoaka didy momba ny raharaha Balthazar Engonga ny Fitsarana Tampony any Guinée Équatoriale ary nanambara fa tsy manan-tsiny izy taorian'ny fiparitahan'ireo horonantsarina firaisana ara-nofo maherin'ny 400 tamin'ny Internet.

🤭Resy lahatra ny fitsarana fa ireo vehivavy rehetra nanao firaisana tamin'i Balthazar dia olon-dehibe nandray ny fanapahan-keviny manokana ; raha ny valin'ny fitiliana natao kosa tsy voan'ny aretina azo avy amin'ny firaisana i Balthazar na iray aza.

😌Nanazava ny Fitsarana fa maro ireo lehilahy vadin'ireo vehivavy ireo no nisaotra an'i Balthazar satria nanampy azy ireo hahita ny tena fitondran-tenan'ny vadiny ary maro ireo nanapa-kevitra ny hisaraka amin'ny fomba ofisialy.

🥴Nilaza i Balthazar fa handray fepetra ara-dalàna amin'ireo rehetra namoaka ireny horonantsarina firaisana ara-nofo ireny, milaza fa nanitsakitsaka ny zony izy ireo ary nanalabaraka azy tamin'ny vadiny, ny fianakaviany ary ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny.

☠️💀👻 FAMPITANDREMANA 💀👻☠️INTOXICATION PAR LA CONSOMMATION DES ANIMAUX MARINS ♦️Vanim-potoana mafana atsika izao, ka mila...
21/11/2024

☠️💀👻 FAMPITANDREMANA 💀👻☠️

INTOXICATION PAR LA CONSOMMATION DES ANIMAUX MARINS
♦️Vanim-potoana mafana atsika izao, ka mila mitandrina amin'ny fihinanana hazandrano manampoizina.

🔴 AÉROPORT  AO IVATO: 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐃𝐈𝐌𝐘 𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐎𝐑𝐎 𝐓𝐀𝐍𝐄𝐓𝐘  Nisehoana doro tanety teny amin’ny seranam-piara...
20/11/2024

🔴 AÉROPORT AO IVATO:
𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐃𝐈𝐌𝐘 𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐎𝐑𝐎 𝐓𝐀𝐍𝐄𝐓𝐘

Nisehoana doro tanety teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato "côté piste"

Vokany, fiaramanidina miisa dimy no nirehitra.

Fantatra ihany fa nisy angidimby iray may tanteraka.

Manodidina ny 35Ha ny tanety may
S: Le Jité
📸 : Sary indrana

Taorian'ny fikarohana rehetra an'ity polisy mpiana-draharaha Raveloson Loiola Ferdinand ity dia, voasambotra taty Antana...
17/11/2024

Taorian'ny fikarohana rehetra an'ity polisy mpiana-draharaha Raveloson Loiola Ferdinand ity dia, voasambotra taty Antananarivo, ny zoma hariva teo izy.

Atao andrimaso ao amin'ny Brigade criminelle (BC) Anosy.

Izy ilay polisy namono ny sakaizany tamin'ny antsy, rehefa nifamaly izy roa, ny talata 15 oktobra teo, tany Toliara.

Niara-niasa ny polisy, nafahana nisambotra azy.

Ankoatra ny heloka bevava anaovana famotorana azy dia, mandray fepetra ny amin'ny maha polisy azy ny Polisim-pirenena.

Skispass Atm

Address

Toliara
Toliary
00601

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao ara-Politika/Sosialy misy eto Toliara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category