Quoi de neuf tamatave

Quoi de neuf tamatave Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Quoi de neuf tamatave, Toamasina.

21/06/2022

Misaona ny tontolon’ny haino aman-jery

Nodimandry ny takarivan'ny 21 jona teo amin'ny faha-53 taonany i Sophie RAVELOMANATSOA. Izy izay mpamokatra sy mpanatontosa fandaharana, mpanentana no sady mpilalao tantara tao amin'ny Radio Madagasikara. Ny taona 1994 tamin'ny alalan'ny fifaninanana no nidirany tao amin'ny RNM.

"Tantarao hoe", "Mba andramo ihany", "Ny vehivavy sy ny fampandrosoana"; "Aoka izay ny kolikoly" ireo no anisany fandaharana nahalalan'ny mpihaino azy. Ny fananany feo miavaka sy ny fahaizany manentana ireo fandaharany tao amin’ny Radio Madagasikara no nahafantarana an’i Sophie Ravelomanantsoa.

Nahazo ny mariboninahitra "Chevalier de l'Ordre National" izy nandritra ny fankalazana ny faha 90 taonan'ny RNM.

Ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny Radio Madagasikara.

Address

Toamasina
501

Telephone

+261349062003

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Quoi de neuf tamatave posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Quoi de neuf tamatave:

Share