Vetsoko ho anao

Vetsoko ho anao �Raha mbola misy ainga,miboika anatiko ao,Dia ny vetsoko no hanainga,hiantefa eny aminao�

10/06/2020
03/07/2019

💓💓AZA MIKIRY💓💓

Aza mikiry hahalala
Zay alaelo anatiko ao
Fa ndrao ianao ho lasa mpankahala
Ka handatsa ahy lava izao

Aza mikiry hahalala
Ireo antom pifaliako
Fa sao ianao hisalasala
Raha mahafantatra ny faniriako

Aza mikiry hahalala
Ny lanjan ny fisiako
Sao sanatria tsy mahatsara
Ny fanarahanao ny diako

Aza mikiry manontany
Zay antom pahanginako
Fa matoa misy izany
Dia vokatry ny fandinihako

Aza misisika ny hilaza
Zay ao am ponao akory
Raha efa tsapanao fa tsy sahaza
Mba tsy hisian ny lonilony

Aza misisika ho be fitserana
Na koa hiseho ho be fitia
Raha tsy mbola tsapanao ny hasim pandeferana
Ndrao ho feno fitaka sy fiatsarambelatsihy.

💞 RAVAKA💞

29/05/2019

** TSINGERINTAONA**

Mitsingerina anio tokoa ry tiana
ilay andro nahaterahanao
koa amin ny fo fena hafaliana
no entiko hiarabana anao

tsy mba fanomezana lafo vidy
no atolotro ho anao
fa teny mamy sarobidy
mipololotra avy am poko ao

teny kely ihany fa mafonja
no alefako hiampita aminao
dia ilay vetsoko mitondra
fanantenana vaovao

firariantsoa lafatra no atolotro
ho lava andro iainana ianao
ary etsy hanoroka anao ny molotro
dia hiara paly isika hanafana izato fetinao

mirary anao ho tojo amin ny tanjona iriana
ho feno fahombiazana hatrany
ho tontolo ampok hafaliana
ny andronao rehetra androany

ho faranako sao lava loatra n teniko
manaova fety sambatra aky malala
fanomezana kely no indro ateriko
kely tokoa tsy manan tsahala

ny fo manolotra aky no mameno azy
am pitiavana be mamy tokoa
ary ho entiko am bavaka mangina ny fiainana ho avy
ho feno fitahian jesoa.

RAVAKA

23/05/2019

AZA TSINY

Milaza ianao fa hoe tsy tia
nefa hay tena mankafia
tsy mahafoy azy fa minia
miery lava atsy sy ary
koa aza tsiny raha misampana ny dia
Milaza ianao fa tsy sarotiny
nefa hay tena mbola sarangotiny
manara maso lava ny fijeriny
sy miezaka mamantatra ireo misteriny
koa aza tsiny raha atamberiny
Milaza ianao fa hoe tsy mila
ny ao am po anefa mbola tena taralila
mody afenina amin ireo filafila
sy ireo hanihany mivilavila
koa aza tsiny raha toa ka dila
Milaza ianao f efa nofafana
reo lasa feno filibana
nefa hay mbola tamana
minia miery ambadiky ny fankahalana
koa aza tsiny raha tsy voatana
Milaza ianao fa efa nanenina
tamin ireo zava bita sy nafenina
nefa hay mbola miverimberina
fa fotsiny tsy azo tenitenenina
koa aza tsiny raha toa nanelingelina
Milaza ianao fa mbola tsy afaka
malaelo nefa toa tsy mahasaraka
hay mbola mifikitra manaraka
koa aza tsiny raha nilofika niraraka
Aza tsiny raha toa namoraka ny tady
intsony aza misahirana manao azafady
fa hatreo lay mandramaty ny azy
na dia hoe sahady

RAVAKA

23/05/2019

** TSY MISY TOA ANAO**
Tsy misy mahasolo anao na oviana
na toetra na fanahy dia mendrika ho tiana
babonao ny foko sy fitiavako
ka ho anao irery izany rahavako
tena tiako sy lalaiko hatramin ny fara fofonaiko

Na lavitra na akaiky ianao
ny fitiavako hipetraka foana ho anao
raha mahatsiaro aho rotsaka tomany
fa manirery ka mametsovetso anao hatrany
saingy vonona ny hisedra satria
efa tia anao ho doria

Eny na ho mamy na mangidy
dia ianao no efa safidy
ary n'iza n'iza hiseho handrava izany
ny fitiavako tsy miova fa ho anao hatrany
ka reo alaelo sy adin tsaina
ho rahona mandalo ihany sombinaina

Koa indro hamafisiko eto anio
fa ny fitiavako anao dia tena madio
raha iny aho sendra fahatsiarovana
ny lavitra anao anie ka maha torovana
fa n'aiza n'aiza no anembonako
dia ny anilanao no hany fiononako.

RAVAKA

Address

Mantasoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vetsoko ho anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category