Soul-Feo

Soul-Feo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Soul-Feo, TV Channel, Ivato.

29/10/2021
09/10/2021

Soul-feo
Famaranana azy..

09/10/2021

Soul-feo
Trio: Zo,Winner,Iharantsoa

09/10/2021

Soul-feo
Refrain

09/10/2021

Soul-feo
Zo

09/10/2021

Soul-feo
Winner

09/10/2021

Soul-feo
Iharantsoa

Hira 207 anaty Fihirana Jesosy Mamonjy:Akaiky anao anilanao❤🎤🎼🎹
23/06/2021

Hira 207 anaty Fihirana Jesosy Mamonjy:
Akaiky anao anilanao❤🎤🎼🎹

Hira mamiko indrindra..Hira 30 anaty Fihirana Jesosy Mamonjy.
24/03/2021

Hira mamiko indrindra..
Hira 30 anaty Fihirana Jesosy Mamonjy.

Hira mamiko indrindra..30 Ao anaty Fihirana Jesosy Mamonjy.
24/03/2021

Hira mamiko indrindra..
30 Ao anaty Fihirana Jesosy Mamonjy.

06/03/2021
Hira 480 Misaora an'AndriamanitraRefrain:Ny fitondrany no tsara indrindraMihevitra anao Izy.🚩🚩🚩🚩🚩🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰💫
05/03/2021

Hira 480 Misaora an'Andriamanitra
Refrain:Ny fitondrany no tsara indrindra
Mihevitra anao Izy.
🚩🚩🚩🚩🚩🥰🥰🥰🥰🥰🥰🥰💫

Tsy ho sasatr'ilay hira manandaza,Voninahitra Haleloya!Afaka mihira mafimafy aza,Voninahitra Haleloya!Ref:Oh ry zanaky n...
02/03/2021

Tsy ho sasatr'ilay hira manandaza,
Voninahitra Haleloya!
Afaka mihira mafimafy aza,Voninahitra Haleloya!

Ref:Oh ry zanaky ny Ray
Manan-jo hihira ianao
Eo ambony elatra ny fanahintsika izao;
Tsy ho ela dia handeha hiditra ao an-dapa ao,
Voninahitra Haleloya!

[Hira 197 ao anaty Fihirana Jesosy Mamonjy]

Za dia tena sahy mijoro sy milaza fa Jesosy Kristy no tena fiainana ho an'ny olombelona indrindra ho an'ny Tanora..🚩🚩🚩At...
02/02/2021

Za dia tena sahy mijoro sy milaza fa Jesosy Kristy no tena fiainana ho an'ny olombelona indrindra ho an'ny Tanora..🚩🚩🚩
Ato amin'i Jesosy no tena ambiance,fifaliana,fahasambarana,miadana,afaka..

Sady manomboka ety an-tany no mbola mitohy any an-danitra ho mandrakizay!
Omeo an'i Jesosy ny hatanorana fa tsy hanenina ianao🌎🌎💪🏻

12/01/2021

Voavonjy=olona mpanota taloha fa novain'i Jesosy ho olona vaovao=voavela heloka sy afaka tamin'ny fahotàna..Salamo32:1-2
Izay olona izay no atao hoe mpino na Kristiana.🥰🥰🥰🥰💞🎙🎙🎙

Mpanota ve dia te hiova ho zanak'Andriamanitra?te ho voavela heloka?te ho afaka amin'ny ota?te ho tonga olona masina?te ...
11/01/2021

Mpanota ve dia te hiova ho zanak'Andriamanitra?te ho voavela heloka?te ho afaka amin'ny ota?
te ho tonga olona masina?te hanana fahamasinana?te ho lasa mpivavaka marina?
Izay masina marina voadio ihany no mankany an-danitra..

Vahaolana: ny Ran'i Jesosy Kristy.1Jaona1:7..ny ràn'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

Minoa,mieké,mibebaha,manantòna,mivavaha fa:

Ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankadindravola,ny Mpitandrina eto an-toerana dia ny Rahalahy Manadaza Christien mivady,sy n...
02/01/2021

Ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankadindravola,ny Mpitandrina eto an-toerana dia ny Rahalahy Manadaza Christien mivady,sy ny Rahalahy Herilanto avy any Ambatondrazaka

"miarahaba anao sy ny ankohonanao amin'izao taona vaovao 2021 izao"

Ny teny nentina faneva nozaraina dia ny "Nomery 6:24-26 Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao,
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah,ka hamindra fo aminao.
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana"

Tena manasa antsika ho avy amin'ny Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanomezany an'i Jesosy ho Mesia:Ato amin'ny Jeso...
21/12/2020

Tena manasa antsika ho avy amin'ny Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanomezany an'i Jesosy ho Mesia:
Ato amin'ny Jesosy Mamonjy Ankadindravola "ny ZOMA 25 DESAMBRA IZAO"
-amin'ny 9ora maraina fotoam-bavaka
-amin'ny 1ora sy sasany tolakandro HIRA FIDERANA RANORAY.

Tena hidera an'i Jesosy isika..

Tongava maro an!Handray ny famangian'Andriamanitra sy ny famonjeny..

Aoka ho teraka ao anatinao Jesosy,Ny tranon'omby dia ny fonao izay takiany,koa atolory Azy izao ankehitriny izao.
19/12/2020

Aoka ho teraka ao anatinao Jesosy,
Ny tranon'omby dia ny fonao izay takiany,koa atolory Azy izao ankehitriny izao.

"Raha mpanota,mibebaha afoizo ny  fiainan-dratsy..mamonjy Jesosy""Raha misy ota,mieké misasà..manadio Jesosy""Raha voafa...
24/11/2020

"Raha mpanota,mibebaha afoizo ny fiainan-dratsy..mamonjy Jesosy"

"Raha misy ota,mieké misasà..manadio Jesosy"

"Raha voafatotra,mihainoa manantona...manafaka Jesosy"

"Raha solafaka,miarena miverena..mandray Jesosy"

"Raha anaty olana,aza kivy mitrakà..mampandresy Jesosy"

"Raha marary,mijeré minoa..Manasitrana Jesosy"

"Raha avy satana,tohero didio..Mahery Jesosy"

"Raha tafita,mitoera miorena..aza adino Jesosy"

"Raha voatahy,mangoraha ampio ny hafa..mamaly fitia Jesosy"

"Raha malahelo,tantarao miantoraha..mampifaly Jesosy"

Raha te hahery,mihirà mivavaha..Velona Jesosy"

"Raha novonjena,mitsangana mitoria..Ambarao Jesosy"

"Raha faly,mihobia miderà..manatrika eo Jesosy"

"Raha mahantra,misaora aoka ho mahatoky..manandratra Jesosy"

Raha mahomby,miondreha misaora..derao Jesosy"

"Raha te ahita fahagagana,masahia miasà..momba anao Jesosy"

"Raha ho any an-danitra,aoka ho masina mahareta..mitahiry Jesosy"

"Raha tsy maintsy handao ny tany,manaova hira matokia..Efa miandry Jesosy"

"Raha mpino,mijoroa miambena..Ho avy Jesosy"

Trakta:Kristy no zava-drehetra(nosoratan'i Andrianina Iharantsoa,ilay mpanao hatsikana fahiny fa novonjen'i Jesosy)

1-Matio5:23-24-25Tsy miditra ny lanitra aho raha tsy vita fihavanana amin'izay manana ady amiko,raha tsy vita fihavanana...
17/11/2020

1-Matio5:23-24-25
Tsy miditra ny lanitra aho raha tsy vita fihavanana amin'izay manana ady amiko,raha tsy vita fihavanana amin'izay mifampitory amiko tany amin'ny Tribonaly na notoriako tany amin'ny Tribonaly.
Raha TSY VITA FIHAVANANA AMIN'ireo aho dia VERY ANY AMIN'NY HELO AHO RAHA MATY NA TONGA JESOSY!

RAHA TSY VITAKO ALOHAN'NY FAHAFATESAKO NA NY FIHAVIAN'i JESOSY IZANY FIHAVANANA IZANY DIA TSY MIDITRA NY LANITRA AHO FA HO VERY MANDRAKIZAY!

Tsy maintsy mifona ary tsy maintsy mamela na inona na inona nataoko sy natao tamiko na natao tamin'ny fianakaviako na natao tamin'ny Pasteur-ko..na totondry na fitsarana na fitoriana na inona..TSY MAINTSY MIFONA SY MAMELA AHO RAHA TSY IZANY TSY MANKANY AN-DANITRA.

Noho izany,mifona aho Tompoko ny amin'izay nolazaiko na nataoko..Ary tsy mamela aho na inona na inona nolazaina tamiko sy natao tamiko..

2-Nefa etsy ankilan'izay tsy ampy izany,fa na dia tia fihavanana,na tia sy manohana be an'ny Psteur anay,na dia miditra am-piangonana sy vita batisa aza aho kanefa MBOLA MISY FAHOTANA NY FIAINAKO,MBOLA TSY MANAM-PAHAMASINANA..DIA TSY MIDITRA NY LANITRA AHO!
Noho izany tsy maintsy mibebaka sy manary fahotana ary manamasintena aloha aho.Tsy maintsy midio amin'ny ran'i Jesosy aho mba ho afaka amin'ny fahotàna rehetra!

Alamiko ny mandrakizaiko...ary ny anao?

12/11/2020

Hira 86 Fantatro tia ahy Jesosy(tsotsotra tsy mahay aho)

Mpanota naditra aho fahiny fa tia ahy Jesosy ka namonjy sy nanafaka ahy tamin'ny fahotana..
Tia anao koa Jesosy dia mamonjy sy manafaka anao na inona na inona fahotana vitanao..Raha mino mibebaka ary mandray an'i Jesosy ianao.

Raha tsapanao ny fitiavany,raha misy olona tianao hahatsapa izany koa any..dia mba aparitaho ty video ty hahalalany fa tia azy koa Jesosy ary te hamonjy sy hanafaka azy na inona na inona fiainany.

Hiasa anie ny Fanahy mazina!
😊😊😊😊😊💖💖💓💞💕❣️🚩🚩

Tanora izahay fa natolotray ho an'i Jesosy ny fiainanay ..Ary ianao?Atolory an'i Jesosy koa ny fiainanao..Raha efa dia m...
12/11/2020

Tanora izahay fa natolotray ho an'i Jesosy ny fiainanay ..Ary ianao?

Atolory an'i Jesosy koa ny fiainanao..
Raha efa dia mijoroa asehoy ambarao dia aparitaho fa an'i Jesosy isika..

Eo ary andao fenoina an'i Jesosy ny rindrintsika sy tanànantsika sy ny firenentsika hatrany am-paran'ny tany..
☺☺☺☺☺🚩🚩🚩💞
☺☺☺☺☺☺👍🏻💪🏻💪🏻🚩🚩🚩🚩🚩

06/11/2020

Jesosy mamonjy Ankazobe

19/10/2020

Nandritra fitsidihana tany Ankazobe..
Hira 298 An'i Jesosy irery ve ny hazo fijaliana?
Tsia fa misy hazo fijaliana ho ahy sy ho anao..
Entiko ny hazo fijaliana fanoloran-tena
Fa misy satroboninahitra horaisiko ary.

12/10/2020

Hira nanakoako tao am-piangonana omaly: Hira 77 ao amin'ny Fihiranan'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

1 He misy Anarana iray
Izay tena tiako indrindra
Tsy misy mahalaza
Ny hasarobidiny.

2 Anarana mampatsiahy
Ny fitiavan'i Jesosy
Sy ilay rá sarobidy
Izay nanadio ahy.

3 Anarana mampifaly
Mamafa ny ranomaso
Ka mibitsika mora hoe
Oh aza matahotra!

Refrain:Eny tiako Jesosy,Eny tiako Jesosy,Eny tiako Jesosy,
Nitia ahy taloha Izy.

5 Ny mponina any an-danitra
Voavidin'ny ran'i Jesosy
Mbola hihira mandrakizay
Ilay Anarana.

Tiako foana ny mamerimberina mitantara mihira mitory mijoro vavolombelona fa za dia mpanota rain-dahiny,mpifoka sigara,m...
05/10/2020

Tiako foana ny mamerimberina mitantara mihira mitory mijoro vavolombelona fa za dia mpanota rain-dahiny,mpifoka sigara,mpisotro toaka,mpiteny ratsy,mpaniratsira,andevon'ny fijangajangana,mpanala baraka ny anaran'i Jesosy satria mba tanora mivavaka ihany anefa ny fiainako jiolahim-boto.. Hatsikana sy spectacl sy laza ary vola no zavatra nahaliana ahy fa izany fivavahana izany haingony ivelany fotsiny tamiko..

Olo-meloka ary nidina tany amin'ny helo ny làlako..Raha maty aho otrizay efa very.

Nahagaga ahy anefa Jesosy,vao volana vitsy lasa izay..tsy haiko hoe fa nahoana dia tamin'ny fomba ahoana fa nantsoiny tamin'izany fiainako izany aho..Andao ianao mibebaka hoy Izy,dia nasainy nanantona Azy teo am-pandoalihana aho..Tsy mahay mibebaka izany aho fa nisy herin'ny Fanahy masina nanorotoro ny foko hiaiky fa mpanota..Dia nanomboka nifona sy nitomany hoazy teo aho..

Dia novainy ny foko,dia tsy haiko hoe nataony ahoana fa lasa tsy tiako intsony ny toaka sigara sy ny fahotana hafa rehetra izay nahafinaritra ahy taloha.

Tena mahagaga ahy fa niova ny fiainako,lasa tia mivavaka aho,lasa tiako izany fahamasinana izany..lasa tiako Jesosy,lasa te hitory teny aho!
Fa tena misy ny ran'i Jesosy io,fony ah nibebaka dia reko mihitsy hoe izany ilay Rà fa miasa..enoko mihitsy hoe izany fa dioviny sy esoriny daholo lé fahotako rehetra!Tsapako mihitsy hoe izany fa dioviny ny masoko,sasàny ny saiko,misy zavatra hongotany sy tapatapahany tena tsapako mihitsy!Mahery ny ran'i Jesosy!
Mahagaga ny fitiavan'Andriamanitra.

Nandritra ny herinandro no fotoana nibebahako..Ankehitriny aho reko ao anatiko ao hoe voavela ny heloko,olon'afaka aho,voavonjy aho!Tena tsapako ny famonjena!Hoany an-danitra aho..

Tsy misy safidiko na kely aza ny nahavoavonjy ahy fa safidin'i Jesosy Kristy madiodio!

Ry namako,Jesosy Kristy maty teo amin'ny hazo fijaliana,nitsangana tamin'ny maty,velona mandrakizay..
Jesosy Kristy namonjy ahy,Jesosy Kristy Mamonjy anao ihany koa.

22/09/2020

Soul-Feo mihira fiderana/
516 Tariho aho Tompo o
Hazony ny tanako,
aza afenina ahy ny tavanao;
Mandra-pahavitako ny asa nomenao ahy
Ary mandra-pandresiko ety.

22/09/2020

Soul-Feo mihira fiderana
Hiresaka amiko ny Tompoko
ny amin'ireo zava-miafina;
Izay mba niaretako tety
Rehefa tonga any an-danitra aho.

Fialofana ny hazoFijalian'i Jesosy;Ny fahasoavany lehibeDia ampy hozaraina mba hoahy sy ho anao.Misy anjara ho anaoNy ha...
14/09/2020

Fialofana ny hazo
Fijalian'i Jesosy;
Ny fahasoavany lehibe
Dia ampy hozaraina mba ho
ahy sy ho anao.

Misy anjara ho anao
Ny hazofijaliana
Na an-tapitrisa aza no avy;
Eny mbola misy ho anao.

13/09/2020

Mirava ato am-piangonana dia mihira aloha..

11/09/2020

"Soul-feo Brothers" manolotra hira fiderana *Way maker*
Ireo mpidera:ny Rahalahy Idealy,Winner,Heliantsoa

40 Manana Latabatra1 Manana latabatra voahomana JesosyHamahanany ireo olo-masina;Ny voafidy no antsoiny hiaraka mihinana...
11/09/2020

40 Manana Latabatra
1 Manana latabatra voahomana Jesosy
Hamahanany ireo olo-masina;
Ny voafidy no antsoiny hiaraka mihinana,
Ny fanahy izay reraka dia afa-po.

Ref:Oh avia ka mihinana fa miandry anao Jesosy,
Ny latabatry ny Tompo azonao hihinanana;
Ilay namoky marobe nanova ny rano ho divay
Miantso ny noana hiara-komana Aminy.

2 Ho avy faingana handray ny fofom-badiny Jesosy,
Ho eo anilany mandrakizay doria;
Ireo maro any an-danitra ho avy hanatrika
Ny fampakarambadin'i Kristy Jesosy.

3 Fivorian-dehibe sy feno voninahitra,
Ho fotsy manjopiaka ireo masina.
Hiara-paly sy hihoby sy hiaraka manjaka
Amin'i Kristy Tompo mandrakizay.

31/08/2020

Ny mpihirantsika anio dia i Soeur Fameno,zazakely Sekoly Alahady eto amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankadindravola Ivato.

Tonon-kira:Mitenena Tompo ô,vonona hihaino Anao ny mpanomponao.
Aoka ny Fanahinao tsy hoesorina amiko 'ndrao very aho Ray ô!

Hira 527 Jesosy no vato velona2 Jesosy Làlana sy Fahamarinana ary koa,Fiainana mandrakizay ho an'izay mino;Ireo 'zay nan...
22/08/2020

Hira 527 Jesosy no vato velona

2 Jesosy Làlana sy Fahamarinana ary koa,
Fiainana mandrakizay ho an'izay mino;
Ireo 'zay nanapa-kevitra ka
nandray Azy ho Tompony,
Dia nahatsapa fifaliana lehibe tao am-pony.

4 Jesosy no Zanak'Andriamanitra nitafy nofo,
Tonga mba hitady sy hamonjy ny olom-bery;
Kintana mamirapiratra,mahatoky sady marina,
Dia Kristy fahendrena sy herin'Andriamanitra.

Ref: Koa atolotray anao anio,
'Lay noraisinay dia Jesosy;
Izay maty ho an'izao tontolo izao
Ary koa fanamarinan'izay manaiky Azy amin'ny vavany
Ary mino Azy amin'ny fony.

Anisan'ny fiantomboan'ny fiakarako an-tsehatra:Noely tamin'ny taona 2000 tao amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Fianarant...
15/08/2020

Anisan'ny fiantomboan'ny fiakarako an-tsehatra:
Noely tamin'ny taona 2000 tao amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Fianarantsoa..

4taona aho tamin'izany,rehefa nialehibe dia nivily tany amin'ny tontolon'ny hatsikana tany..Misaotra an'i Jesosy fa nesoriny tany aho dia naveriny ho ato Aminy indray..
Tsy manao hatsikana intsony fa mitory an'i Jesosy izao.

Hira 348:Hatrizay nonenan'i Jesosy izay1 Raha mihaino ahy ianao,       Dia hotantaraiko izao;   Ny amin'i Jesosy       M...
09/08/2020

Hira 348:Hatrizay nonenan'i Jesosy izay
1 Raha mihaino ahy ianao,
Dia hotantaraiko izao;
Ny amin'i Jesosy
Monin'ato anatiko
Fiovana lehibe,
Fifaliana feno,
Hatrizay nonenan'i
Jesosy amiko izay.

Ref:Hotahiana anie,
'Lay androm-pifaliana
'Zay nahatongavan'i Jesosy,
Hitoetra izay;
Na dia toy ny jaky aza
Ireo otako;
Dia nesoriny tamin'
Ny hery lehibe.

01/08/2020

Repetition
Soul-feo (Rahalahy Zo Guitar/ Iharantsoa,ny mpanentana Rahalahy Jude)
Hira : Hain'ny Tompo
+asiana Kit

Address

Ivato

Telephone

+261322471063

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Soul-Feo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Ivato media companies

Show All