Ny Maha gasy ahy aloha

Ny Maha gasy ahy aloha Universal Cours Bac pour tous

28/10/2021

FIHETSIKA TSY AZO ATAO REHEFA MIADY

Tsy mbola misy mpivady tsy niady izany fa tsy maintsy misy foana ny anton-javatra tsy mampitovy hevitra. Mahatafavoaka teny, na manao fihetsika tsy voahevitra anefa rehefa misendaotra loatra. Mety hanimba ny fifandraisan’ny mpivady ireny ka tokony hotandremana. Anisan’ny fahadisoana tsy tokony atao mihitsy, rehefa sendra tsy mifanaraka, ireto manaraka ireto.

-Mampiditra ny havana ao anaty resaka

Raha misy tsy mampifanaraka anareo mivady dia aza ampidirina ao anatin’izany ny ray aman-dreny na ny mpiray tam-po. Hahatonga ny olana hiitatra be izany. Raha olana kely na tsy fifankahazoana teo amin’ny hevitra fotsiny no niaingan’ny resaka dia mety hiteraka resabe any amin’ny fianakaviana izany, na dia efa voavaha aza.

- Manao an-kerisetra

Rehefa entin’ny fihetseham-po diso mitroatra dia mety te hikasi-tanana mihitsy indraindray. Ankoatra ny mahavoararan’ny lalàna izany dia tokony hotsaroana fa miteraka ratra anaty tsy azo sitranina ny fifampikasihan-tanana eo amin’ny samy mpivady.

- Manafangaro olana maro

Nisy antony iray manokana nahatonga ny disadisa teo aminareo. Rehefa izay no tsy mampifanaraka dia aza ampiana antony hafa, rehefa miady hevitra. Aza ampahatsiahivina intsony ny olana hafa niseho tany aloha, izay tokony ho efa voaravona. Aza tanisaina ny lesoka rehetra hitanao eny aminy, fa vao mainka hanavesatra ny olana izany. Tsy fomba fandravonana ny olana rahateo izany fa fitsarana azy fotsiny. Tsy izany anefa no tanjona.

- Miresaka divaorsa

Io no teny mandratra indrindra ao anatin’ny adin’ny mpivady. Raha tena tiana ny vady dia tsy tokony horesahina akory izany fisarahana izany, fa ny fitadiavana vahaolana amin’izay tsy mampitovy hevitra no atao.

- Mandà tsy hiresaka

Tsy mety koa ny tsy manaiky mifampiresaka sy mandositra fifandirana tsotra izao. Aza avela ho tsy ho voavaha maharitra ny olana. Tsy tokony hahatratra ny andro maraina ny fifandirana tamin’ny alina, fa ezaho vahana faran’izay haingana ny olana.

- Misara-pandriana

Raha toa ka tsy vita mialohan’ny hatoriana ny resaka dia fadio ny misara-pandriana. Fomba iray hahafahan’ny mpivady mifampahatsiahy ny fifandraisam-po misy eo aminy mantsy ny miray fandriana, eny fa na dia vao avy niady aza.

- Miady imason’olona

Fadio ny miady any anaty fitateram-bahoaka na eny amin’ny toeram-pisakafoanana. Andraso ho amin’ny toerana mangina, toy ny any an-trano, vao mifanazava. Tsara koa ny mampahatsiahy fa tsy mety ny mifamaly eo imason’ny zanaka.

Nanoratra Felana Nirina R.

Saino izany anio: Raha miteny Malagasy ranoray akory ianao tsy midika velively ho olona ambany, fa tsy nidramina akory i...
10/04/2021

Saino izany anio:
Raha miteny Malagasy ranoray akory ianao tsy midika velively ho olona ambany, fa tsy nidramina akory izany maha gasy izany.

Address

Itasy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Maha gasy ahy aloha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share


Other Itasy media companies

Show All