Governoran'ny Faritra Anôsy

Governoran'ny Faritra Anôsy Faritra Anôsy

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 - 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆📌 Araka ny programan’a...
20/04/2024

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 - 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

📌 Araka ny programan’asa ny fitondram-panjakana mahakasika ny 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 eto Madagasikara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fampianarana, dia 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝗼- 𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝘀𝗮 𝗘𝗣𝗣 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮- 𝗽𝗲𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 ho fanatanterahana izany ny Faritra Anôsy izay tarihin’i Ramatoa Governora Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗸𝗶𝘁𝗮𝗽𝗼𝗺- 𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗺𝗮𝗱𝗶𝗼𝗱𝗶𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮.

💢 EPP manara- penitra ahitana efitrano 4: “salles de classe 2, birao ho an’ny talen-tsekoly 1, efitrano famakiam-boky 1 ary toeram-pidiovana» no haorina eto amin’ny fokontany Ambinanibe, Kaominina Faradofay.

✅ 120 andro no faharetan’ny asa fanamboarana izay natomboka androany tamin’ny fametrahana vato fototra niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fampianarana eto an-toerana sy ireo ray aman-dreny ny mpianatra ary ireo ray aman-dreny an-tanàna ao amin’ny fokontany misitraka izao foto-drafitrasa izao, teo anatrehan’ ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eto amin’ny Kaominina Tôlagnaro ( ny DREN, ny CISCO Tolagnaro, Solotenan’ny ben’ny tanàna sy ny sefom-pokontany).

𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂3: 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗟𝗘𝗔𝗩𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗦𝗔𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗡𝗜𝗦𝗧𝗘𝗥𝗔 𝗔𝗥𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗥𝗔...
14/04/2024

𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂3: 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗟𝗘𝗔𝗩𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗦𝗔𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗡𝗜𝗦𝗧𝗘𝗥𝗔 𝗔𝗥𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗥𝗔- 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗕𝗢𝗡' 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗞𝗔 𝗔𝗥𝗔 𝗧𝗘𝗞𝗡𝗜𝗞𝗔 𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔 𝗕𝗢𝗟𝗔
- 𝑫𝒊𝒔𝒕𝒓𝒊𝒌𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒂𝒔𝒂𝒓𝒚 𝑨𝒕𝒔𝒊𝒎𝒐

💢 Kominina efatra no namaranan'ireo delegasionina izay tarihin'ny Ramatoa Governoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA ny iraka izay notanterahina nandritra ny telo andro tao amin'ny distrikan'i Amboasary atsimo Faritra Anôsy.

🫧Ireo tetik'asa rehetra notsidihana dia nisy ny fiaraha-midinika tamin'ny sampan'asa ny fitondram-panjakana sy Faritra Anôsy alohan'ny hanatanterahana azy eny ifotony. Misy ny ezaka sy ireo tohana atao ny fitondram- panjakana amin'ny alalan'ny tetikasa maro ho an'ireo mpiara- belona mba samy handray ny andraikitra tandrify azy hanatratrarana ny fahavitan- tena ara- tsakafo araka ny politikan'ny fitondram- panjakana.

𝗜𝗹𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲- 𝘁𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼.
Ary efa tsapa ny fahavononan'ireo tantsaha sy ireo mpitondra isaky ny Kaominina ny amin'izany.

𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑻𝒂𝒏𝒂𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂

♦️ 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦- 𝐩𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐫𝐚𝐨𝐭𝐲

Fokontany Mangarivotra ao anatin'ny tetik'asa MIAVOTSE tanterahin'ny WHH/AIM famatsiambolan'ny German Private Funds no ahitana ireo vehivavy marefo 20 ao amin'ny Fikambanana "Vehivavy miray" izay nahazo tohana momba ny teknikam-pambolena mifanaraka amin'ny toe- tany sy toetr' andro ao an- toerana.

♦️ Fitsidihana zaridaina isan-tokantrano ao amin'ny Fokontany Voahazo sy fifampiresahana tamin'ireo Reny mpitarika momba ny fampivoarana isan-tokantrano amin'ny alalan'ny fahasalamana (fanadiovana, sakafo ara-pahasalamana mifototra amin'ny vokatra eo antoerana).

♦️ Fihaonana tamin'Andriamatoa Ben'ny tanana sy ireo mpiara miasa aminy momba ny fomba fiasa miaraka amin'ny STEAH (Service Technique d'Eau Assainissement et Hygiène) mifantoka amin'ny fitantanana mba hampaharitra ireo fotodrafitr'asa voakasiky ny rano fidiovana sy fanadiovana.

𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝐵𝑒ℎ𝑎𝑟𝑎

♦️ Fitsidihana toeram-pambolena ara-teknika "Vala tahaka" fiarahamiombon'antoka amin'ny USAID (United States Agency International Development) amin'ny alalan'ny ACF (Action Contre la Faim) ao amin'ny Fokontany SNTP.

✅ Tokatrano 135 ao anatin'ny vondrona fikambanana 27 no mpisitraka amin'izany.

𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝑆𝑎𝑚𝑝𝑜𝑛𝑎

♦ Fitsidihana toeram-pamokarana masomboly ao amin'ny Fokontany Bealoky famatsiambolan'ny Vondrona Eropeanina amin'ny alalan'ny Programa DEFIS fiarahamiombon'antoka CTAS, GRET, AGRISUD.

Fanolorana boky mirakitra ny tahirin-kevitra hametrahana tetik'asa maharitra ho an'ny kominina izay niarahana namolavola tamin'ny CTAS, GRET, AGRISUD ho tombotsoan'ireo tantsaha ao amin'ny kominina sy ny manodidina izay vatsian'ny AICT (Action International des Collectivités Territoriales).

𝑘𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑎𝑠𝑎𝑟𝑦 𝐴𝑡𝑠𝑖𝑚𝑜

♦️ Fitsidihana magazay (Activité séchage et commercialisation tubercules) afaka mitahiry vokatra 80 taonina fiarahamiombon'antoka amin'ny tetik'asa PIC ao anatin'ny tetik'asa MIARY ho mpandraharaha madinika ao amin'ny Fokontany Tanambe Haut.

♦️ Fitsidihana toerana fiompiana kisoa tao amin'ny mpandraharaha madinika nahazo famatsiambola ao anatin'ny tetik'asa MIARY amin'ny alalan'ny tetik'asa PIC famatsiambolan'ny banky iraisam-pirenena.

📌 Feno tanteraka ny fandaharam-potoana nandritra ny telo andro namitan'ireto delegasionina notarihin-dRamatoa Governoran'ny Faritra Anôsy ireto ny iraka tao amin'ny distrikan'i Amboasary atsimo.

💢 Tsy nisy ny elanelana teo amin'ny samy mpamita iraka teny an-kianja fa 𝗺𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗹𝗼𝘇𝗮𝗻- 𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗶𝗸'𝗲𝗳𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗼𝘀𝗼𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗼 𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼𝘁𝘀𝗼𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮.

🔸 Saika miompana amin'ny andry fototra voalohany: 𝗻𝘆 𝗹𝗼𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗼𝗻- 𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮, izay nofaritan' Filoham-pirenena Andry RAJOELINA avokoa ireo tetik'asa fampandrosoana sahanin'ireo mpiaramiombon'antoka sy mpamatsy vola ato amin'ny Faritra Anôsy.

💯 Marihina fa ny Distrika Betroka dia efa nanatanterahana fidininana ifotony nijerena sy nanarahana maso ireo asam-pampandrosoana isaky ny kaominina ao aminy ka tsy ho ela dia hanantanateraka izany ihany koa ny ato anivon'ny Distrika Tôlagnaro.

< 𝐷𝑖𝑠𝑡𝑟𝑖𝑘𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑎𝑠𝑎𝑟𝑦 𝐴𝑡𝑠𝑖𝑚𝑜 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑖𝑛𝑡𝑠𝑜 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜, 𝐹𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝐴𝑛𝑜̂𝑠𝑦 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑖𝑛𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜, 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑑𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑖𝑛𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜>.

𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂2: 𝗙𝗜𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗥𝗔- 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗕𝗢𝗡'𝗔𝗡𝗧𝗢𝗞𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗠𝗔 𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛...
13/04/2024

𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂2: 𝗙𝗜𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢
𝗠𝗣𝗜𝗔𝗥𝗔- 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗕𝗢𝗡'𝗔𝗡𝗧𝗢𝗞𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗠𝗔 𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗣𝗥𝗢𝗚𝗥𝗔𝗠𝗔𝗡'𝗔𝗦𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔

- DISTRIKA AMBOASARY ATSIMO

📌 Mitohy ny fanantanterahana ireo programan'asan'ny Fitondram-panjakana iarahan'ny Faritra Anôsy izay tarihin- dRamatoa Governora Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA sy ireo Ministera isan-tsokajiny ety anivon'ny Faritra araka ny sehatra sahaniny avy ary ireo mpiaramiombon'antoka ara-teknika sy ara-bola eto anivon'ny Faritra.

𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝑇𝑠𝑖𝑣𝑜𝑟𝑦

♦️ 𝗙𝗼𝘁𝗼𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿'𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻- 𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼:

Fitsidihana ireo fotodrafitr'asa famatsiana rano fisotro madio sy natao hanondrahana fambolena, eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny rano fidiovana sy fanadiovana amin'ny alalan'ny tetik'asa MIONJO famatsiambolan'ny banky iraisam-pirenena izay tanterahin'ny UNICEF.

♦️ " 𝗧𝗶𝘁𝗿𝗲 𝘃𝗲𝗿𝘁 𝗲́𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 "

Fitsidihana ny tetik'asa Titre vert mirefy 100ha ho an'ireo tanora ao Tsilanja, narahina fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra tamin'ireo mpisitraka mba ho fanatsarana sy fitadiavam-bahaolana momba ny lahasa ataon'izireo.

✅ Ity tetik'asa ity dia eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny fambolena sy fiompiana izay tanterahina amin'ny alalan'ny Programa DEFIS mba hanatratrarana ny vinan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA momba ny fahavitan- tena ara-tsakafo sy hiadiana amin'ny kere aty atsimo.

𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑴𝒂𝒓𝒐𝒎𝒃𝒚

♦️ 𝗙𝗶𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿'𝗮𝘀𝗮

Fitokanana tetezana "radier" izay anisany miantoka ny fifanakalozana ara- barotra sy ny fifamoivoizana eo amin'ny kaominina maro manodidina ny Kaominina Maromby.

Nasiam-panamboarana sy fanavaozana izay simba vokatry ny fandalovan'ny rivodoza "batsiraî".

✅ Izany dia fiaraha miombon'antoky ny Ministeran'ny mponina sy firaisankina ary ny FID ao anaty ny fiahiana ara- tsosialy.

♦️ 𝗙𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗺- 𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮

Fitaovana sy kojakojam-pianarana no natolotra ho an'ireo mpianatra eny amin'ny EPP sy GEG ary fanolorana marim-pankasitrahana ho an'ireo mpianatra mendrika indrindra avy amin'ny fitondram- panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanabeazana.

𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑻𝒓𝒂𝒏𝒐𝒎𝒂𝒓𝒐

♦️ 𝐀𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐭𝘀𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐫𝐢𝐞𝐫𝐚 𝐌𝐢𝐜𝐚

Fanolorana fampitaovana ho an'ireo mpianatra sy mpampianatra ary ny EPP ao Amborompotsy amin'ny alalan'ny Madagascar Shines tetik'asa tanterahin'ny ONG PACT iarahana manatanteraka amin'ny ONG ALT sy ny AEPI (Association des exportateurs des pierres industrielle).

✅ Tanjona ny ho fanantanterahana ny politikan'ny Fitondram-panjakana momba ny ady atao amin'ny fampiasana ankizy amin'ny asa fanondranana mica.

𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝑇𝑟𝑎𝑛𝑜𝑚𝑎𝑟𝑜
♦️ 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗖𝗦𝗕𝗜𝗜

Fanolorana fampitaovana ho an'ireo CSB telo miampy fanafody sy kojakoja ho fampandehanan-draharaha, ka
nandritra izany no nitondran-dRamatoa Governora fanentanana momba ny politikan'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalaman-bahoaka sady nampahafantarana ireo tolotra maimaimpoana ao anatin'ny tetik'asa VOUCHER. Natokana ho an'ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny vehivavy bevohoka ary ireo Reny terabao.

♦️ 𝗙𝗼𝘁𝗼- 𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝘀𝗮 𝗙𝗮𝗺𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻- 𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼

Fitsidihana fotodrafitr'asa famatsiana rano fisotro madio sy natao hanondrahana fambolena, fiarahamiombon'antoka amin'ny tetik'asa MIONJO famatsiambolan'ny banky iraisam-pirenena tanterahina amin'ny alalan'ny UNICEF.

𝗙𝗜𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔- 𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗣𝗥𝗢𝗚𝗥𝗔𝗠𝗔𝗡'𝗔𝗦𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔, 𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗥𝗔- ...
12/04/2024

𝗙𝗜𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔- 𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗣𝗥𝗢𝗚𝗥𝗔𝗠𝗔𝗡'𝗔𝗦𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔, 𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗥𝗔- 𝗠𝗜𝗢𝗠𝗕𝗢𝗡'𝗔𝗡𝗧𝗢𝗞𝗔
- 𝑫𝒊𝒔𝒕𝒓𝒊𝒌𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒂𝒔𝒂𝒓𝒚 𝑨𝒕𝒔𝒊𝒎𝒐

📌 Mba ho fanarahamaso ny fanantanterahana ireo programan'asan'ny Fitondram-panjakana any amin'ireo kominina ato amin'ny distrikan'i Amboasary atsimo, dia midina ifotony miaraka amin'ireo tompon'andraikitra sy teknisianina avy amin'ireo minisitera ety anivon'ny Faritra, ny mpiaramiombon'antoka ara-teknika sy ara-bola mpanatanteraka ireo asa fampandrosoana eny anivon'ireo kominina ny Governoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA sy ireo teknisianina mpiaramiasa aminy.

▶️ 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲: 11 𝐀𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 2024

𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑰𝒇𝒐𝒕𝒂𝒌𝒂:

♦️ Fizarana masomboly tsaramaso ho an'ireo tantsaha 130 ao Anjamahavelo amin'ny alalan'ny tetik'asa MIONJO, famatsiambolan'ny banky iraisam-pirenena tanterahina ao anatin'ny fanantanterahana FAO ankoatr'ireo tohana marolafy ataony aty amin'ny tapany atsimo mba 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝗺- 𝗽𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝘁𝘀𝗮𝗵𝗮. Izany dia ao anatin'ny fanohanan'ny fitondran-panjakana ny tantsaha amin'ny masomboly tafiditra ao amin'ny paikady ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana.

✅ Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo vondrona tantsaha nahazo masomboly 5 kgs isan'olona izay nazahoana vokatra 4500kgs ka novidian'ny FAO 35 tapitrisa ariary amin'ireo tantsaha mpanboly. Izany dia nitondra fiovana sy fampivoarana teo amin'ny fiainan'ireto tantsaha ireto ka nanamaivana ny fahasahiranana andavan'andro.

♦️ Fitsidihana ireo Ivotoeram-pamokarana masomboly ao Agnarafaly fiarahamiombon'antoka amin'ny AFAFI SUD izay iarahana miasa amin'ny CTAS ho an'ny Faritra Anôsy ary ny GRET ho an'ny Faritra Androy mba hanatratrarana ny filàna masomboly 2000 taonina ho tapany atsimon'ny Nosy.

💯 Tanjona amin'izany 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘃𝗶𝘁𝗮𝗻- 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮- 𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 aty amin'ny tapany atsimo araka ny vinan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tafiditra ao anatin'ny andry fototra izay nofaritany.

♦️ Fitsidihana fotodrafitr'asa famatsiana rano fisotro madio sy natao hanondrahana fambolena izay programan'asa ny Ministeran'ny Rano, Fidiovana sy Fanadiovana amin'ny alalan'ny tetik'asa MIONJO fiarahamiombon'antoka amin'ny UNICEF.

𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑬𝒃𝒆𝒍𝒐

♦️ Fizarana fitaovana sy kojakojam-pianarana ho an'ireo mpianatra eo anivon'ny EPP sy GEG izay ao anatin'ny fandaharan'asa ny Ministeran'ny Fanabeazana.

𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑴𝒂𝒓𝒐𝒕𝒔𝒊𝒓𝒂𝒌𝒚

♦️ Fizarana fitaovana sy kojakojam-pianarana ho an'ireo mpianatra eo anivon'ny EPP sy GEG.

✅ Marihina fa misitraka izao fampitaovana izao avokoa ireo sekoly rehetra manerana ny Faritra Anôsy. Nisy koa ny fanentanana tsy handefasana ny zazavavy hanambady aloha loatra.

🔸 Nohamafisin-dRamatoa Governora fa ao anatin'ny 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝘁𝗮n𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗽𝗼𝗹𝗶𝘁𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗻𝗸𝗮𝗽𝗼𝗯𝗲𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺- 𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗱𝗿𝘆 𝘁𝗲𝗹𝗼 nofaritan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA dia 𝑻𝑺𝒀 𝑴𝑰𝑺𝒀 𝑲𝑨𝑶𝑴𝑰𝑵𝑰𝑵𝑨 𝑯𝑶 𝑯𝑨𝑫𝑰𝑵𝑶.

𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗜𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗟𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗥𝗔𝗜𝗞'𝗘𝗙𝗔 - 𝗗𝗘𝗟𝗘𝗚𝗔𝗦𝗜𝗢𝗡𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗡𝗬 𝗕𝗨𝗥𝗨𝗡𝗗𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬  -09/10 APRILY 2024 📌 No...
11/04/2024

𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗜𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗟𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗥𝗔𝗜𝗞'𝗘𝗙𝗔 - 𝗗𝗘𝗟𝗘𝗚𝗔𝗦𝗜𝗢𝗡𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗡𝗬
𝗕𝗨𝗥𝗨𝗡𝗗𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬
-09/10 APRILY 2024

📌 Noraisin'ireo delegasiona avy eto amin'ny Faritra Anôsy izay tarihin'ny Ramatoa Governora Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA sy ny Sekretera Jeneraly avy amin'ny Ministeran'ny ati-tany gouvernementa Malagasy ireo delegasiona avy any Burundi ka Andriamatoa Théophile NDARUFATIYE (Secrétaire permanent du Ministère de l'intérieur du développement communautaire et de le sécurité publique no sady Président du comité national de pilotage eo amin'ny tetik'asa PRODECI) no lehibe mpitarika ireto delegasionina vahiny avy any Burundi.

▶️ Olomanankaja avy amin'ny sojajy samihafa no mandrafitra ity delegasionina Ity anisan'izany ireo Gouvernora 4, mpandrindra nasionalin'ny tetik'asa PRODECI, solotena avy amin'ny banky iraisam-pirenena miampy ireo teknisianina avy ao amin'ny tetik'asa MIONJO.

✅ Tanjona ao anatin'izao iraka ataon'izy ireo izao ny 𝗳𝗮𝗻𝗼𝘃𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗹𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗿𝗮𝗶𝗸'𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗽𝗮𝗶𝗸'𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗽𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗮𝗻'𝗮𝘀𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺- 𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗠𝗜𝗢𝗡𝗝𝗢 famatsiambolan'ny banky iraisam-pirenena, mba hahafahany izy ireo mandray lesona ho fampandehanana ny tetik'asa PRODECI izay famatsiambolan'ny banky iraisam-pirenena any Burundi manao tantsoroka ho fanatsarana ny fanarenana ny farim-piainan'ireo vahoaka marefo any an-toerana.

💢 Kominina 21 ao anatin'ny faritany 4 ary @ tampany avaratra antsinana'i Burundi no misitraka ity tetik'asa PRODECI ity.

Distrika 2 no nifanakalozana traikefa nandritra ny fitsidihan'ireto Delegasiona ireto tato amin'ny Faritra Anôsy:

♦️ 𝑫𝑰𝑺𝑻𝑹𝑰𝑲𝑨 𝑻𝑶𝑳𝑨𝑮𝑵𝑨𝑹𝑶

𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗥𝗮𝗻𝗼𝗽𝗶𝘀𝗼:
- Fihaonana sy fifanakalozana niaraka tamin'ny SLC ( Structure Locale de Concertation)
- Fitsidihana ny EPP izay novatsiana tables banc araka ny nampanantenain'i Ramatoa Goverinora Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA nandritra ny fandalovany tany an- toerana herinandro lasa.

𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗻𝗸𝗮𝗿𝗶𝗲𝗿𝗮:
- Fihaonana sy fifanakalozana niaraka tamin'ny SLC

♦️ 𝑫𝑰𝑺𝑻𝑹𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑩𝑶𝑨𝑺𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑻𝑺𝑰𝑴𝑶

𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗕𝗲𝗿𝗮𝗻𝗼
- Fihaonana sy dinika niaraka tamin'ireo mpisitraka
- Fitsidihana ireo foto- drafitr'asa famatsian- drano ahitana kiosques à eau 4, abreuvoirs 2 ary Kits d'irrigitation 2, izay miantoka ny rano fisotro madio ho an'ny vahoaka manodidina ny 1 000 ao anaty ny fokontany ANKARA II sy ANKARA CENTRE.

𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗜𝗳𝗼𝘁𝗮𝗸𝗮
- Fihaonana sy fifanakalozana niaraka tamin'ireo SLC
- Fifampizarana niaraka tamin'ireo mpisitraka ny tohana avy amin'ny projet Mionjo hanatsarana ny velotena ahafahana miatrika ny loza voajanahary (haintany) ka nomena fitaovam-pamokarana, masomboly, Akoho lahy sy vavy hampitomboina (géniteur). Karazana Akoho haingampitombo sy manatody lava (KUROILER)
- Fitsidahana ny saha famonarana bageda mavonofo (chaire oronge) iarahana amin'ny CIP (Centre International de Patate douce). n'y mampiavaka azy Dia karazana bageda mitondra vitamine A.

𝗜𝗿𝗲𝗼 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗺- 𝗽𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺- 𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸'𝗮𝘀𝗮 𝗠𝗜𝗢𝗡𝗝𝗢 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗹𝗼𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮.

𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗝𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡- 𝗗𝗥𝗔𝗠𝗔𝗧𝗢𝗔 𝗚𝗢𝗩𝗘𝗥𝗜𝗡𝗢𝗥𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 - 𝗧𝗔𝗟𝗘 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗔𝗢𝗩𝗔𝗢 𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔𝗦𝗔 𝗤𝗠𝗠📌 T...
10/04/2024

𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗝𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡- 𝗗𝗥𝗔𝗠𝗔𝗧𝗢𝗔 𝗚𝗢𝗩𝗘𝗥𝗜𝗡𝗢𝗥𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 - 𝗧𝗔𝗟𝗘 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗔𝗢𝗩𝗔𝗢 𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔𝗦𝗔 𝗤𝗠𝗠

📌 Tonga 𝗻𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 ,tao amin'ny birao fiasan'ny Governoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, ny Tale mpanatanteraka vaovao eo anivon'ny orin'asa QMM Ramatoa Isabelle WABETE, izay misahana izany andraikitra izany nanomboka ny 15 Martsa 2024.

♦️ Ny taona 2020 dia filohan'ny Nickel Mining Compagny (NMC) ny tenany tao anatin'ny fiaraha miasan'ny POSCO sy SMSP (Société Minière du Sud Pacifique) any Nouvelle Calédonie ary injeniera amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany ary manana traik'efa 20 taona amin'io sehatra io.

✅ Nifantoka tamin'ny ho fanohizana sy fanatsarana ny fiaraha miasa eo amin'ny orin'asa sy ny Faritra Anôsy mba 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗼𝗶𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗷𝗲𝗿𝘆 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 ny fihaonana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany.

𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗥𝗔𝗡- 𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 *𝗔𝗨𝗧𝗜𝗦ME* - 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̄𝘀𝘆💢 Filaharambe namakivaky ny tanàna nandraisan'ireo...
08/04/2024

𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗥𝗔𝗡- 𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 *𝗔𝗨𝗧𝗜𝗦ME* - 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̄𝘀𝘆

💢 Filaharambe namakivaky ny tanàna nandraisan'ireo sekoly sy fikambanana sakaizan'ireo ankizy manana toe-tena hafakely anjara, no nanombohana ny andro maneran-tany ho an'ny Autiste teto Tolagnaro.

📌 Tanjona tamin'izao hetsika izao ny fampahafantarana sy fanentanana ny besinimaro momba ny 𝘇𝗼𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗼𝗲- 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗳𝗮𝗸𝗲𝗹𝘆 *na "autiste"* 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗶𝘁𝗼𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘇𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 ka anaovana antso avo amin'ny tsy tokony hanavahana azy ireo miainga ao an- tokantrano sy eny amin'ny fiarahamonina indrindra fa eny anivon'ny sekoly.

Nambaran-dRamatoa Governora Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA ampahibemaso fa: ny Faritra Anôsy sy ny tenany manokana dia efa nanohana sy manohana ary mbola hanohana hatrany ny fampanajana ny zon'ireo ankizy manana toe-tena hafakely mba hisitraka ny zony mitovy amin'ireo ankizy rehetra.

▶️ Raha ny eto Tolagnaro manokana dia 56 ireo ankizy voamarina araka ny fitiliana natao fa manana toe-tena hafakely, izay marihina fa mbola tsy manana mpitsabo manokana momba ny fandraisana an- tànana azy ireo ny eto anivon'ny Faritra Anôsy.

♦️ Ankoatr'izay dia samy naneho ny fahavononana amin'ny ho fanamorana fanafarana mpitsabo manam-pahaizana manokana avy any Antananarivo ireo tompon'andraikitra izay teo ambany fitarihan-dRamatoa Governora nanome voninahitra izao lanonana izao, ary efa nandray anjara sahady tamin'ny fandrotsahana tolo-tànana tamin'ny alalan'ny téléthon izay ho tanterahina mandritra ity volana Aprily ity.

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗧𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗧𝗥𝗔- 𝗕𝗢𝗜𝗡𝗔 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗞'𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔- 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗯𝗼𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗧𝗼̂𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆 -05 APR...
06/04/2024

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗧𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗧𝗥𝗔- 𝗕𝗢𝗜𝗡𝗔 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗞'𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔- 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗯𝗼𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗧𝗼̂𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

-05 APRILY 2024-

⛈️ Vokatry ny rotsak'orana be loatra teto Tolagnaro nanomboka ny 23 Martsa 2024 dia 𝘁𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 716 𝗻𝗼 𝘁𝗿𝗮- 𝗯𝗼𝗶𝗻𝗮 teto amin'ny kominina ambonivohitry Tolagnaro.

📌 Nandray ny andraikiny avy hatrany tamin'ny fanaovana tatitra momba ity voina ity tamin'ireo ambaratonga ambony, ireo tompon'andraikitra avy eto antoerana izay tarihin'ny Ramatoa Governoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA mba hahafahana manamaivana ao anatin'ny fotoana fohy ny fasahiranan'ireto mpiara-belona ireto.

💢 Manoloana izany dia nandray fepetra vonjimaika avy hatrany ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Piraiminisitra NTSAY Chrstian, tamin'ny alalan'ny Birao mahaleotena misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) fiarahamiombon'antoka amin'ny Fandaharan'asa maneran-tany misahana ny sakafo (PAM) ka 𝗻𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗮𝗿𝘆 60 𝗸𝗶𝗹𝗮𝗼, 𝗺𝗲𝗻𝗮𝗸𝗮 5 𝗶
𝗹𝗶𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗲𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗿𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗺𝗮𝗶𝗻𝗮 9 𝗸𝗶𝗹𝗮𝗼 𝗶𝘀𝗮𝗻- 𝘁𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗮𝘃𝘆.

✅ Nohamafisin-dRamatoa Governora nandritra ny fandraisam-piteneny ny fisaorana ny Fitondram-panjakana izay mihaino ny antso avo ataon'ireo mpitondra sy ny vahoaka aty amin'ny Faritra Anôsy ary nitondrany fanentanana ho an'ireo mpiara-belona eny anivon'ny Fokontany mba samy handray ny andraikitra amin'ny fanadiovana ny manodidina azy avy mba hisorohana ny fivangongoan'ny ranon'orana eny amin'ny toeram-ponenana.

𝗙𝗔𝗠𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗧𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗜𝗢, 𝗛𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔- 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗮𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆💦 𝗠𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵...
05/04/2024

𝗙𝗔𝗠𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗧𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗜𝗢, 𝗛𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔- 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗮𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

💦 𝗠𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮- 𝗯𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗳𝗶𝘀𝗼𝘁𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗱𝗶𝗼 ao anatin'ny kaominina Amboasary Atsimo sy Ambovombe, dia tonga 𝗵𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘁𝗼𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗝𝗜𝗥𝗔𝗠𝗔 amin'ny alalan'ny fanamafisana traik'efa sy fijerena ifotony ny zava-misy, mba hahafantarana ny filàna amin'ny ho fanatsarana sy fanitarana ny famatsian-drano amin'ireo kaominina voalaza etsy ambony ireo delegasiona izay tarihin'ny Tale Jeneraly avy eo anivon'ny Ministeran'ny rano, fidiovana sy fanadiovana.

✅ Nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana an-dRamatoa Governoram-paritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, izay nataon'ireto delegasiona nahitana ireo solotena avy ao amin'ny WaterAid, ny JIRAMA, ary ny solotena misahana ny departemanta ny rano ao amin'ny tetikasa MIONJO, no nanaovana izao dinika izao 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏'𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒓𝒂- 𝒃𝒆𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒔𝒐𝒕𝒓𝒐 𝒎𝒂𝒅𝒊𝒐.

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗛𝗔𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔- 𝗧𝗘𝗞𝗡𝗜𝗞𝗔 𝗛𝗢 *𝗙𝗔𝗡A𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔* 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗔𝗡- 𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗛𝗢𝗧𝗦𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗡- 𝗧𝗔𝗠𝗣𝗢𝗡- 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢̄𝗟𝗔𝗚𝗡𝗔𝗥𝗢 - 04 APR...
05/04/2024

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗛𝗔𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔- 𝗧𝗘𝗞𝗡𝗜𝗞𝗔 𝗛𝗢 *𝗙𝗔𝗡A𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔* 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗔𝗡- 𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗛𝗢𝗧𝗦𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗡- 𝗧𝗔𝗠𝗣𝗢𝗡- 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢̄𝗟𝗔𝗚𝗡𝗔𝗥𝗢

- 04 APRILY 2024

💢 Araka ny fangataham-piarahamiasa nataon'ny Faritra Anôsy tamin'ny alalan'ny Governoran'ny Faritra Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA sy ny Kaominina ambonivohitry Tôlagnaro ary ny fitaleavam- paritry ny asa vaventy, dia nisy 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒔𝒊𝒓𝒊𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒇𝒐𝒕𝒐𝒏𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒗𝒐𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒏- 𝒅𝒂̀𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒊𝒉𝒐𝒕𝒔𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 teto an- tampon- tànana, niarahana tamin'ireo manam- pahaizana manokana misahana ny fanaraha- maso (Mission de contrôle) ny fanamboaran- dalana ny RN13 izay nanome tohana ara- teknika sy ny mpiara- miombon'antoka avy ao amin'ny tetikasa PIC.

📌 Tanjona nandritra izao fidinana ifotony izao dia mba hahafahan'ireo teknisianina manao ny 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒅𝒊𝒉𝒂𝒅𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂- 𝒕𝒆𝒌𝒏𝒊𝒌𝒂 ny fototry ny fahavoazana ka hitondrana vahaolana haingana ao anatin'ny fotoana fohy mba hisorohana ny loza sy izay mety ho fitaran' ny fahavoazana.

🔸 Nohamafisin-dRamatoa Governora sy ny avy ao amin'ny Kominina fa hisy ny fanentanana ireo mpiara-belona sy ny manodidina momba ny fampiasana sy fikojakojana ireny fotodrafitr'asa iombonana ireny mba hisorohana ny mety ho fahavoazana sy hampaharitra azy ireny.

𝙁𝘼𝙈𝙋𝙄𝙏𝘼𝙉𝘿𝙍𝙀𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝘼𝙇𝙊𝙉𝘿𝙍𝘼𝙉𝙊 | 02 Aprily 2024❌❌❌ Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina manombo...
02/04/2024

𝙁𝘼𝙈𝙋𝙄𝙏𝘼𝙉𝘿𝙍𝙀𝙈𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝘼𝙇𝙊𝙉𝘿𝙍𝘼𝙉𝙊 | 02 Aprily 2024
❌❌❌ Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina manomboka eo Toliara hatrany amin’ny tanjona Angotsy vokatry ny alondrano ateraky ny varatraza.
▶️LOZA AHIANA : Hanonja be na hahery ny ranomasina. Mety hahatratra 3 hatramin’ny 3,5m ny haavon’ny onja.
▶️FE-POTOANA : anio Talata 02 Aprily hatramin’ny Alarobia 03 Aprily 2024
▶️FIANTRAIKANY : Fahasarotan'ny fifamoivoizana na faharendrehana an-dranomasina.
▶️FARITRA VOAKASIKA :
📕📕 Fampitandremana miloko mena : eo anelanelan’i Toliara sy tanjona Angotsy.
❌❌❌Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana isan-tokony. ❌❌❌
🔑 Météo Madagascar
🖋️ Foibe Famantarana ny Toetry ny andro

29 𝗠𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 1947 - 29 𝗠𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 2024- Faritra Anôsy" 𝗙𝗶𝘁𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻- 𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 ".📆 77 taona aty aor...
30/03/2024

29 𝗠𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 1947 - 29 𝗠𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 2024
- Faritra Anôsy

" 𝗙𝗶𝘁𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻- 𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 ".

📆 77 taona aty aoriana, mipetraka ho lovantsika ny fitiavan- tanindrazana sy ny firaisan- kina.

💢 Nanamarika ny fahatsiarovana ny tolom- panafahana, nataon'ireo mahery fo ny teto amin'ny Faritra Anôsy.

💐 Vavaka iraisam- pinoana izay notarihin'ny FFKM sy fanaterana fehezam-bonikazo manoloana ny toerana voatokana ho an'izany eo amin'ny lapan'ny tanana no nanamarihana izany andro tsy ho hay hadinoina izany teto amin'ny renivohitry ny Faritra Anôsy, izay nahitana ireo manam- pahefana sy manam- boninahitra isakan- tsokajiny teto an- toerana.

🇲🇬 Mamelona ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon'ny Malagasy. Nisy ny fanehoana sarimihetsika mandrakotra ny tantara izay natao teo anoloan'ny lapan'ny tanana ny takariva niarahana tamin'ny fitaleavam-paritry ny Kolontsaina sy ny Serasera.

𝗞𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗡𝗬, 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡- 𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗢𝗧𝗥𝗔, 𝗠𝗢𝗥𝗔, 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 💢 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐦- 𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦- 𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚...
29/03/2024

𝗞𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗡𝗬, 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡- 𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗢𝗧𝗥𝗔, 𝗠𝗢𝗥𝗔, 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔

💢 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐦- 𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦- 𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚- 𝐩𝐢𝐡𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐳𝐨 𝐟𝐞𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐚- 𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚.

💯 Ny Faritra Anôsy dia anisany manana tombony manokana amin'izany satria dia karatany 732 no nozaraina ho an'ny kaominina Tsivory ato anaty ny Distrika Amboasary Atsimo, ho an'ny velaran- tany 1 190 ha.

Tohin'ny fizarana tao amin'ny Kaominina Amboasary Atsimo ny 23 Martsa 2024 lasa teo.

🔸Izao hetsika fizarana karatany faobe izao dia notanterahina teo ambany fitarihan- dRamatoa Goverinoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny sampan- draharaha ny fananan- tany, natrehin'ireo manam- pahefana sy manam- boninahitra isan- tsokajiny ary ireo Ray aman- dreny an- tanàna sy vahoaka maro taty an- toerana, ny mpiara- miombon'antoka ao amin'ny PNUD izay niara- nisalahy amin'ny fitondram- panjakana.

✅ " 𝗭𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻𝘆 manaraka ny lalàna misy eto Madagasikara, hoy Ramatoa Goverinora, mba hahafahan'ny isan- tokantrano mivelona sy manao ny asa amin'ny seha- pihariana rehetra mifanandrify amin'izany.
Indrindra ho an'ireo tantsaha izay mampiasa sy mivelona amin'ny asa fambolena sy fiompiana".

💢 Ezaka ataon'ny fitondram- panjakana ho fanatanterahana ny andry fototra voalohany momba ny fiahiana ara- tsosialy, izay miantoka ny fampandrosoana ety ifotony amin'ny alalan'ny fiaraha- miombon'antoky ny programan'asan'ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana PNUD: tetikasa PF3 izay iarahana misalahy amin'ny Faritra Anôsy.
Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany
PNUD Madagascar

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔-  FARITRA ANÔSY.-- 26 MARTSA 2024🖨️ Notoloran'ny Fitondra...
29/03/2024

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔- FARITRA ANÔSY.-
- 26 MARTSA 2024

🖨️ Notoloran'ny Fitondram-panjakana fampitaovana kojakoja informatika (ordinateur complet, imprimante, desktops) sy fitaovam-pifandraisana (téléphones, tablettes, box internet) tamin'ny alalan'ny tetik'asa MIONJO, famatsiam- bolan'ny banky iraisam-pirenena ho an' ireo Sampandraharaham-panjakana miahy mivantana ny tolotra ho an'ny vahoaka eny ifotony.

Ireo nisitraka izany:
♦️ Ny Governoram-paritra Anôsy
♦️ Ny Fileovan'i Tolagnaro
♦️ Ireo kominina 29 ato anatin'ny distrika Tolagnaro.

✅ Izao no tanteraka dia 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗹𝗶𝘁𝗮𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗺- 𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 izay atolotra ny vahoaka amin'ny alalan'ny famadihana ara-haitao sy ara-kajy mirindra ireo taratasim-panjakana ilain'ny vahoaka araka ny andry fototra fahatelo ho fampandrosoana an'i Madagasikara momba ny Fahaiza-mitantana.

🔸 Ny Governoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA no solotenam-panjakana nitarika izao lanonam-panolorana ireto fitaovana ireto izao, ary ny mpandrindram-paritra eo anivon'ny tetik'asa MIONJO no nisolotena ny tetik'asa.

💢 Marihina fa efa nisitraka izao fampitaovana izao ihany koa ny 𝗸𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 22 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗕𝗲𝘁𝗿𝗼𝗸𝗮 ny 16 Martsa 2024 sy ireo 𝗸𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 18 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗮𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 ny 25 Martsa 2024 teo.

🙏 Fankasitrahana sy fisaorana feno no natolotry ny Governoran'ny Faritra Anôsy ho an'ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Piraiminisitra NTSAY Chrstian amin'ny fanomezana tombon-dahiny hatrany ny Faritra Anôsy momba ireo filàna aty ifotony.

▶️ Nanentana ireo mpisitraka mba hikolokolo ireto fitaovana ireto ihany koa ny tenany ary nanamafy fa tafiditra ao anatin'ny fanantanterahana ny vinan'ny Filoham-pirenena momba ny firosoana amin'ny Fitsinjaram-pahefana mipàka eny ifotony izao fampitaovana izao.

FITSINJARAM-PAHEFANA: FANO𝗛𝗔𝗡𝗔NA 𝗔𝗥𝗔- 𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗧𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬...
27/03/2024

FITSINJARAM-PAHEFANA: FANO𝗛𝗔𝗡𝗔NA 𝗔𝗥𝗔- 𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠- 𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗧𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

💢 Kominina 56 ao anatin'ny distrika telo mandrafitra ny Faritra Anôsy nahazo tohana ara-bola andiany faharoa izay nomarihina tamin'ny alalan'ny taratasim-bola (chèques). Fampiharana ny fitsinjaram-pahefana mipaka eny ifotony araka ny politikan'ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tanterahana
avy amin'ny programan'asa ny Fitondram-panjakana izay tarihin'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany amin'ny alalan'ny programan'asa ny tetik'asa MIONJO famatsiambolan'ny banky iraisam-pirenena.

▶️ Ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany Naina ANDRIATSITOHAINA notronin'ireo tale jeneraly eo anivon'ity Ministera ity, anisany ny tale jeneraly ny FDL, no nitarika tamin'ny fomba ofisialy izao lanonana izao, ary ny Governoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA no lehiben'ireo delegasionina avy eto antoerana, ny Mpandrindra nasionalin'ny tetik'asa MIONJO kosa no nisolotena ny tetik'asa nandritra izany.

✅ Izao famatsiambola izao dia 𝗻𝗮𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿'𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘇𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗹𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗹𝗼𝘇𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 izay tanterahina ao anatin'ny Tahirimbola ho fampandrosoana eny ifotony (FDL).

💯 Marihina fa efa nisy tamin'ireo kominina ato anatin'ny Faritra Anôsy no efa nisitraka izao famatsiambola izao andiany voalohany izay efa nahavita fanorenana fotodrafitr'asa mifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka eny ifotony.

🔸 Manampy betsaka ireo Ben'ny tanana ary 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗵𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗮𝗺etrahana fotodrafitrasa lovain-jafy izao famatsiambola izao hoy Ramatoa Governora, namporisika ireo Ben'ny tanana hikatsaka hatrany ny tombotsoa iraisana no sady naneho ny fahavononana amin'ny fiarahamiasa amin'ireto olomboafidy ireto ny tenany.
Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

𝗠𝗜𝗧𝗦𝗔𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡- 𝗗𝗢𝗛𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬- 22 𝗠𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 2024💢 Tafatsangana am...
27/03/2024

𝗠𝗜𝗧𝗦𝗔𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗢𝗙𝗜𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡- 𝗗𝗢𝗛𝗔
𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬
- 22 𝗠𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 2024

💢 Tafatsangana amin'ny fomba ofisialy ny " 𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧- 𝐝𝐨𝐡𝐚" eto anivon'ny Faritra Anôsy izay niarahana tamin'Andriamatoa Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany Naina ANDRIATSITOHAINA teo anatrehan'ny Ramatoa Governoran'ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, ireo olomboafidy sy tompon'andraikitra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, ary ireo mpiaramiombon'antoka ara-teknika sy ara-bola eto anivon'ny Faritra Anôsy.

▶️ Izany dia nialohavan'ny famelabelarana natan'Andriamatoa Minisitra momba ireo andininy sy lalàna izay mitaky ny fananganana ny Rafitra fikaonandoha eny anivon'ny Faritra sy ho fanatratrarana ny toromarika nomen'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

✅ Ny Governoran'ny Faritra Anôsy no filoha mpitarika izany rafitra izany izay ivondronan'ireo ankolafinkery rehetra ; olomboatendry, olomboafidy, tompon'andraikitra eny anivon'ny Sampandrahara miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, ny fiarahamonim- pirenena, antokom-pinoana ary ireo fikambanana samihafa antsirapo.

Ity Rafitra ity dia 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗲𝘀𝗮𝗵𝗮𝗯𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝘃𝗼𝗻𝘇𝗮𝗻- 𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻'𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆.

💢 Marihina fa efa mitsangana sy amperin'asa ny rafitra fikaonandoha eny anivon'ny kominina SLC (Structure Locale de Concertation) eny anivon'ny kominina 69 manerana ny distrika telo mandrafitra ny Faritra Anôsy.

Address

Bazary Be Fort Dauphin
Fort-Dauphin
614

Telephone

+261388050048

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Governoran'ny Faritra Anôsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Governoran'ny Faritra Anôsy:

Videos

Share



You may also like