16/07/2022
VALIN-KAFATRA HO ANAO AVY TANY MANDOTO TANY
➡29 hono ny hôpital manarapenitra eo andalam-pahavitana manerana ny Nosy!!!!?
➡Tsy nisy nahavita hôpital sy CSB betsaka noho izy hono ireo mpitondra teo aloha.
➡Ny adinonao kely fotsiny angamba Prezida dia mbola ireo hôpital vitan'ireo teo alohanao ireo no mbola manavotra sy mitsabo olona maro aloha noho ireo manarapenitra vitanao.
➡Misy @ ireo manarapenitra aza no mikatona fotsiny tsy hita izay ilaina azy.
➡Misy hoe manarapenitra fa na dokotera tsy misy, na scanner, IRM, sy ireo fitaovana maro tena ilaina @ fitsaboana moderne tsy misy akory nefa hoe manarapenitra !!!????
➡Mba lanjalanjao ihany Prezida le werawera fa lasa« ridicule »loatra ndray ianao an ! Izy io anie tsy vitan'ny hoe manangana trano vato sy bétons fotsiny dia vita eee...
➡Raha tena hanao ianao Prezida dia ny fampitaovana sy fanatsarana ireo hôpital efa misy sy mitsangana distrika maro no tokony atao fa tsy atosikin'ny werawera sy hambompo fotsiny de tsy maintsy hanorina vaovao.
➡Misy @ ireo hôpital aty @ distrika no mbola azo hatsaraina ary vatsiana fitaovana fotsiny toy izay handany vola anamboatra vaovao nefa tsy ampy fitaovana, tsy misy na tsy ampy dokotera miasa.
➡Mba jereo ifotony lay olana fa aza maika ny hiwerawera fotsiny eee,,,, manahirana anie Prezida hoe olona tokony hanao scanner ohatra aty Ambovombe de tsy maintsy hiakatra à Tana satria na Toliara sy Fort dauphin akaiky eo aza tsy misy nefa ny tena efa marary. Misy @ ireo hôpitaux na radiographie aza tsy misy.
➡Zay fa bon courage ary bonne continuation ianao werawera anao io Mr le Prezida mamimbahoaka sangany aty Afrika !!!
Manandafy Rkt