Radio Feon'i Faratsiho _94.2Mhz

Radio Feon'i Faratsiho _94.2Mhz Fanabeazana Fampandrosoana Fampahalalam_baovao

19/04/2024

Arahaba tompoko !

033 63 119 83
038 40 309 75
manomboka anio ireo no laharantarobia ifandraisaintsika raha handefa tolotra eto Radio Feon'i Faratsiho _94.2Mhz ianareo tompoko

Mankafiza mihaino Finaritra!


Anisan’ny toko telo mahamasaka ny nahandro izahay!Mbola maro ny team  Aza adino tompoko!19H30  ’iPapasolo #94.2FM
19/04/2024

Anisan’ny toko telo mahamasaka ny nahandro izahay!
Mbola maro ny team
Aza adino tompoko!
19H30
’iPapasolo
#94.2FM

13/04/2024
Mangataka rojombavaka i Zanaky PAPASOLO : Toaray PAPASOLO!Hainao ihany!
13/04/2024

Mangataka rojombavaka i Zanaky PAPASOLO : Toaray PAPASOLO!

Hainao ihany!

28/03/2024

Un grand merci à mes nouveaux followers ! ʚîɞ Isekely ʚîɞ, Fetrason Manou, Jayah Mayrah, Tovo Ahina, Fanambinantsoa Dyan, Nasandratra Fanantenana, Antsa Ny Aiko, Zivah Raheliarisoa, Flavie Maline Claudia, Sarambabebahoaka Tsy Vaky Volo, Niaina Faniry, Etienne Raseta

Fotoana izao. ADRIAMAROAHINA RAVONINJATOVO Mampionona Mikasa ho isan'ireo mpiazakazaka ho depioten'i Faratsiho.
23/03/2024

Fotoana izao. ADRIAMAROAHINA RAVONINJATOVO Mampionona Mikasa ho isan'ireo mpiazakazaka ho depioten'i Faratsiho.

22/03/2024

RASOLONJATOVO Toaray zanak'i Papasolo. Vonona ny hamelomaso.

Ambohimpihaonan'ireo mpianatra sy mpampianatra anatin'ny Zap Vinaninony Nord Cisco Faratsiho indray ny kianja Ampasanomb...
22/03/2024

Ambohimpihaonan'ireo mpianatra sy mpampianatra anatin'ny Zap Vinaninony Nord Cisco Faratsiho indray ny kianja Ampasanomby Faravohitra. Tanterahina eto nanomboka ny Alakamisy 21 Mars ny fanatanjahan_tena an_tsekoly anivon'ito Zap ito. Nanome voninahitra ny fotoana Atoa lehiben'ny faripiadidim_pampianarana Faratsiho. Ny foot à 7 no ifaninanana.

Tsy misy farany otran ny zoma voalohany ny fanafihan dahalo ao boriborintany Tsimahabeomby, fkt Ambohimasoa I aty @ kaom...
29/02/2024

Tsy misy farany otran ny zoma voalohany ny fanafihan dahalo ao boriborintany Tsimahabeomby, fkt Ambohimasoa I aty @ kaomina Vinaninony atsimo. Renim-pianakavina iray indray no maratra mafy, omby 6 norobaina ary notraingoana rehefa velona ny "ohalava" tao @ tanana Antobimafana amin io boriborintany io ny alin ny talata 27 febroary. Io alin io ihany dia nentina nahazo ny CSB II Vinaninony ity maratra mafy ity ary tsy maintsy nalefa Antsirabe avy hatrany. Tamin ny 10 ora maraina ny alarobia 28 febroary izay nandalovanay tao amin ity dia mbola ao anatin ny tsy fahatsiarovan - tena tanteraka ity renim - pianakaviana 54 taona ity. Ho arahinao @ fampahalam baovao ny radio feon i Faratsiho ny alakamisy 01 mars @ 18h 30mn ny fitantaran ny zanany vavy nanatrika ny famonoana ny reniny. Mirarisoa ho an ity renim pianakaviana ity mba ho salama soa aman tsara ary miantso ny tompon'andraikitra hijery akaiky ity resaka tsy fandriampalemana ity fa mitaintaina toy ny saobakaka ambodiriana ny vahoaka

Dodo Randriamiandrisoa

Andro maneran_tany ho an'ny radio:"Radio :nanamarika ny lasa,mampitoetra ny ankehitriny,fanoitry ny ho avy".
13/02/2024

Andro maneran_tany ho an'ny radio:"Radio :nanamarika ny lasa,mampitoetra ny ankehitriny,fanoitry ny ho avy".

Mpampiofana 40 nahavita fihofanana momba ny fikapohana vato "pavé" ato amin'ny Distrikan'i Faratsiho no notoloran'ny Min...
03/02/2024

Mpampiofana 40 nahavita fihofanana momba ny fikapohana vato "pavé" ato amin'ny Distrikan'i Faratsiho no notoloran'ny Minisitry n'y fampianarana tekinika sy fanofanana arak'asa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY "certificat" .Izy ireo indray avy eo no hanofana olona 20 avy izany hoe olona 800 isa no ho matihanina amin'ny resaka vato.Ho fampiharana ny fihofanana Dia izy ireo no hanao rarivato ny lalana eo Andrefatsena Faratsiho.Hisy ihany koa n'y fifanarahana amin'ny MTP ka rehefa misy tsenambaro_panjakana fanaovana pavé Dia ireto nahavita fihofanana ireto nl hanao ny asa.Hitatra any amin'ny kaomina rehetra izy ity.Manoloana izany Dia velo_pisaorana an_dRamatoa Minisitra ireo hisitraka ny fihofanana.Velom_panantenana koa ny mponina ary maniry n'y hahavitan'ireo sakelidalana rehetra eto Faratsiho.

Ny ekipa rehetra dia mirary fiadanana sy fahombiazana ho antsika mpankafy.Ho ambinina amin'izay atao Dia Samy ho tratran...
02/01/2024

Ny ekipa rehetra dia mirary fiadanana sy fahombiazana ho antsika mpankafy.Ho ambinina amin'izay atao Dia Samy ho tratran'ny taona ho avy.

26/12/2023

Nisehoana alatr'omby tany Belavenona, fkt Antanetitelo, cr Manohisoa dist Betafo ny alin ny alatsinainy 25 desambra. Tokony ho t@ 10 ora alina no nitrangan izay fangalaran omby izay satria ora iray mialohan io mbola tao ity omby vositra iray maventy ity. T@ 11 ora alina anefa rehefa namerina nijery ny omby tao am-bala ry zareo dia efa tsy tao intsony ity omby vositra maventy ity. Raikitra avy hatrany ny fanarahan - dia na dia t@ ny andro alina aza ary fantatra fa nizotra nianavaratra nakaty @ kaomina Vinaninony atsimo ny diany. Tsy niato izay fanarahan dia izay fa nande araka ny tokony ho izy ary t@ 10 ora maraina teo ho eo no tratra teny Marososona efa mifatotra anaty ala ilay vosidahy maventy. Tsy tratra kosa ireo mpangalatra fa ny fantatra kosa dia telo ireo niraoka ny omby ary diam - vehivavy ny iray. T@ 12 ora sy sasany no nandalo teto @ renivohitry ny kaomina Vinaninony atsimo ny omby hita narahin ireo fokonolona ao anatin ny fkt Antanetitelo hitodi-doha heverina an-tananan. Mifamadika tanteraka ny rasa satria satria raha misy ny fahaverezan 'omby teo aloha dia mankao vavato ny diany fa ankehitriny ny avy ao vavato indray no makaty cr Vinaninony atsimo sy cr Faratsiho. De tsaroana etoana lay hira ny tarika Rebika hoe "... Jerijereo @ jeografia, fa tss tany tss fitia" de adika hoe Jerijereo @ jeografia fa tss tany tss mpangalatr'omby.
(Dieu Donné Randriamiandrisoa)

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Krismasy 2023.Fiadanana ho antsika rehetra.
25/12/2023

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Krismasy 2023.Fiadanana ho antsika rehetra.

Mbola hisolo tena an'i Faratsiho koa Ramaroson taorian'i Ralivason ny Alahady lasa teo. Mirarisoa azy ireo
23/11/2023

Mbola hisolo tena an'i Faratsiho koa Ramaroson taorian'i Ralivason ny Alahady lasa teo. Mirarisoa azy ireo

Nankafizintsika ve ny ady Hiragasy tamin'ny Alahady teo? Ity indray ary ny manaraka, amin'ny 26 Novambra ho avy izao manomboka amin'ny 10ora maraina: RAFARAHASIMANGA GEORGINE Ambohimandroso no hifanandrina amin-dRAMAROSON AMPAHIMANGA
Tsy misy ny vidim-pidirana fa rakitra hatrany no hotantazana.
Ao AMIN'NY KIANJAN'NY HIRAGASY Ampefiloha hatrany no toerana.

Misaotra Barea
20/11/2023

Misaotra Barea

Farstiho Salle num 3sy 1
16/11/2023

Farstiho Salle num 3sy 1

Fkt Andranomiady Faratsiho
16/11/2023

Fkt Andranomiady Faratsiho

Address

Faratsiho

Telephone

+261384030975

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Feon'i Faratsiho _94.2Mhz posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio Feon'i Faratsiho _94.2Mhz:

Videos

Share

Category


Other Faratsiho media companies

Show All