Radio Soanala

Radio Soanala Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Radio Soanala, Radio Station, Rue marché fenoarivo, Farafangana.

Rehefa avy nihaona tamin’ny solontenan'ny firenena mikambana ireo kandida mivondrona miisa 11 dia nihaona tamin’ny Vondr...
15/09/2023

Rehefa avy nihaona tamin’ny solontenan'ny firenena mikambana ireo kandida mivondrona miisa 11 dia nihaona tamin’ny Vondrona Eropeana indray io tolakandro io.

Mangataka ny hanajana ny lalam-panorenana amin’izao fiomanana amin’ny fifidianana izao izy ireo.

🔶 Fivorian'ny Organe Mixte de Conception - National (OMC-NAT) teny Mahazoarivo :👉Niantso ireo mpanao politika ny Praimin...
14/09/2023

🔶 Fivorian'ny Organe Mixte de Conception - National (OMC-NAT) teny Mahazoarivo :

👉Niantso ireo mpanao politika ny Praiminisitra fa tsy fotoana fambolena korontana izao na hampisaraham-bazana ny Malagasy.

👉Fifidianana no lalana tokana hizorana hananan'i Madagasikara Filoham-pirenena amin'ny volana Janoary 2024 izay faran'ny fe-potoam-piasan'ny Filohan'ny Repoblika.

👉Nametraka ny fandaminana sy ny fepetra ho raisina mandritra izao vanim-potoan'ny fifidianana izao ny OMC NAT mba ho fifidianana milamina no hatao.

👉Nanao antso avo ho an'ny vahoaka Malagasy ny OMC-NAT, hisian'ny fitoniana ao anatin'ny vaninandro toy izao.

📷 Primatiora lapan'i Mahazoarivo

FAMATSIANA VARYEfa miomana sahady amin’ny  fiatrehana ny maitso ahitra ny tompon’andraikitra isan-tsokajinyAnkoatra ny v...
14/09/2023

FAMATSIANA VARY
Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny maitso ahitra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny

Ankoatra ny vary 15 950 taonina nentin’ny sambo Lucky Gate naidina tao Toliara ny faran’ny herinandro teo dia tonga tsikelikely koa ireo vary nafaran’ny Orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) na teo aza ny fanafoanan’ny firenena indiana ny fanondranana vary mivoaka an’i Inde.
Mitohy koa ny fiaraha-miasan’ny SPM sy ny mpanangom-bokatra amin’ny fividianana ny vokatra eto an-toerana hamaliana ny filan’ny mpanjifa sy ho fitsinjovana amin’ny vidy ivarotany ny variny. “Ho hamafisina koa ny fitsirihana ataon’ireo mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana ireo fitehirizan’entana eny amin’ny mpandraharaha hialana amin’ny mety ho fanitrihana entana sy fanararaotana”, hoy ny Talen’ny Varotra Anatiny (DCI) Andriniaina Randriamiaramahefa.

📣FANAMBARAN'NY FIRAISAMONIMPIRENENA 📣Ho entintsika aiza ity firenentsika Madagasikara ity hoy ny Firaisamonim-pirenena ?...
14/09/2023

📣FANAMBARAN'NY FIRAISAMONIMPIRENENA 📣

Ho entintsika aiza ity firenentsika Madagasikara ity hoy ny Firaisamonim-pirenena ?
Midika firaisan-tsikombakomba ny fahanginana manoloana ny tsy rariny ka tsy hangina
Tsy afaka ny hangina manoloana ny fanodikodinana sy fanitsakitsahana ny lalàna velona, indrindra ny lalampanorenana ny firaisamonimpirenena .
1️⃣ Saro-pady ny fitandrovana ny fiandrianam-pirenena sy ny tombontsoa ambonin’ny Malagasy tsy vaky volo. Ka rariny sy hitsiny raha olona mizaka ny zom-pirenena Malagasy ihany no laniana Filoham-pirenena.
Mangataka amin’Andriamatoa Andry Rajoelina mba hitsipaka an-tsitrapo ny fizakany ny zom-pirenena frantsay, indrindra raha mikasa ny ho filoham-pirenena izy.

2️⃣ Fanimbazimbana ny safidim-bahoaka ary tsy ara-dalàna ny fanomezana andraikitra ny Governemanta itambarana izany hoe olom-boatendry tsy nomen’ny olompirenena fahefana tamin’ny fifidianana raha toa ka mbola misy olona afaka mandray andraikitra eo anivon’ny Antenimieran-doholona.

3️⃣ Tokony mametra-pialàna avy hatrany ny filohan’ny antenimierandoholona rehefa nandà ny handray ny fahefana ho Filoham-panjakana mpisolo toerana.

4️⃣ Raha tiana hilamina ny fifidianana ary tsy hisy fanoherana ny voka-pifidianana ka hitondra am-pahalemana izay Filoha lany eo dia tandrovana io foto-kevitra fototra io ary averina any amin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona ny fahefana ho Filoham-panjakana mpisolo toerana.

5️⃣ Aza asiana sakatsakana ny fahalalahana haneho hevitra sy hamory olona amin’ny toerana sahaza izany na an-kalamanjana na amin’ny toerana voatokana satria mila sehatra ahazoana mifampihaino ny Malagasy mba ahafahany manao safidy voalanjalanja araka ireo programan’asa atolotry ny kandida na mpilatsaka ho fidiana rehetra.

Manao antso avo noho izany ny Firaisamonimpirenena mba handray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra ho fiarovana ny tombontsoa ambony sy ny fiandrianam-pirenena, ho fampanajana ny tany tan-dalàna ary mba isorohana ny loza mitatao dia ny krizi

Holafitry ny mpanao gazety.FANAMBARANANisy ny tafa ho an'ny mpanao gazety, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny ...
14/09/2023

Holafitry ny mpanao gazety.

FANAMBARANA
Nisy ny tafa ho an'ny mpanao gazety, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny alakamisy 14 septambra 2023. Nisy mpanao gazety nanaitra ny Ordre des Journalistes de Madagascar, ny amin'ny nisiana fanavakavahana mpanao gazety navela niditra nanatrika ny tafa.
Manao izao fanambarana izao araka izany ny Ordre des journalistes de Madagascar:
Iantohan'ny andininy faha-11 amin'ny lalàm-panorenana malagasy sy ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery eo amin'ny andininy faha-7 sy faha-60 ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'ny mpanao gazety halalaka hitrandraka vaovao, ka MANAMELOKA ny endrika fanavakavahana sy fanakantsakanana mpanao gazety amin'ny fahafahany mikaroka vaovao ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara.
Melohina ho fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny toy izany.
Manantitra hatrany ary misarika ny sain'ny rehetra ny amin'ny asa masina iandraiketan'ny mpanao gazety, dia ny hampisitraka ny zo fototry ny olompirenena hahazo vaovao marina sy voamarina ary azo hamarinina, na inona na inona ny orinasan-gazety sy ny fironana politikan'ny orinasan-gazety iasany.
Manantitra ihany nefa mampahatsiahy ny mpanao gazety ihany koa, hanaja ny tandro hasina sy ny malin'asan'ny asa fanaovan-gazety izay voafaritry ny andininy faha-58 amin'ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery, tsy hamilivily ny vaovao ho amina tombontsoa manokana, ankoatry ny tombontsoam-bahoaka, indrindra amin'izao vanim-potoana mampafana ny raharaham-pirenena izao.
"Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin'ny fampandrosoana".
Natao teto Antananarivo, ny 14 septambra 2023. Hoy ny
filohan'ny OJM
RASOLOARISON Monica.

FILOHAN'NY HCC - FLORENT RAKOTOARISOA : "Aza lotoina ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenena. Tsy anjaranay ny manadi...
14/09/2023

FILOHAN'NY HCC - FLORENT RAKOTOARISOA :
"Aza lotoina ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenena. Tsy anjaranay ny manadihady ny fahamarinan'ny "certificat de nationalité" an'i Andry Rajoelina. Rehefa feno fotsiny ny taratasy voarainay dia ekena ny firotsahan-kofidiana. Ara-dalàna tanteraka ihany koa ny nanomezana ny fitantanana ny firenena ho an'ny governemanta rehefa nandà ny filohan'ny Antenimieran-doholona. Tsy misy "coup d'état institutionnel" izany eto."

𝐅𝐢𝐯𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂-𝐍𝐀𝐓𝐋𝐚𝐩𝐚𝐧'𝐢 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝐧𝐲 𝟏𝟒 𝐬𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟑  - Natao tao amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany  ...
14/09/2023

𝐅𝐢𝐯𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂-𝐍𝐀𝐓

𝐋𝐚𝐩𝐚𝐧'𝐢 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝐧𝐲 𝟏𝟒 𝐬𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟑 - Natao tao amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany ny fivoriana voalohan'ny Organe Mixte de Conception - National (OMC-NAT).
Nodinihina tamin'izany ny fandaminana sy ny fepetra ho raisina mandritra izao vanim-potoan'ny fifidianana izao.
Fifidianana milamina no hatao hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian izay nitarika ny fivoriana.
Nojerena ihany koa ny hanamafisana filaminana sy fandriampahalemana eny anivon'ny fiarahamonina, hisorohana ny ambana sy izay mety ho endrika fanararaotana rehetra.
Nanao antso avo ho an'ny vahoaka Malagasy ny OMC-NAT, hisian'ny fitoniana ao anatin'ny vaninandro toy izao.
Ho an'ireo mpanao politika dia niantso azy ireo ny Praiminisitra fa tsy fotoana fambolena korontana izao na hampisaraham-bazana ny Malagasy.
Fifidianana no lalana tokana hizorana hananan'i Madagasikara Filoham-pirenena amin'ny volana Janoary 2024 izay faran'ny fe-potoam-piasan'ny Filohan'ny Repoblika.
Efa mazava ny tetiandro napetraka, izay niarahan'ny fitondram-panjakana sy ireo rantsamangaika miandraikitra ny zotram-pifidianana ka adidin'ny olom-pirenena sy ny tompon'andraikitra rehetra no manaraka an'izany araka ny maha-tany tan-dalàna ny firenentsika.

🔔🔔🔔FANAMBARAN’NY  KANDIDA FILOHAM-PIRENENA MIISA 10: 📢📢📢 • Tsy afaka ny hiantoka ny tsy fitanilana amin'ny famoahana ny ...
13/09/2023

🔔🔔🔔FANAMBARAN’NY KANDIDA FILOHAM-PIRENENA MIISA 10: 📢📢📢

• Tsy afaka ny hiantoka ny tsy fitanilana amin'ny famoahana ny valim-pifidianana ny HCC.

• Tsy ara-dalàna ny naneken'ny HCC ny antota- taratasin'ny filoha teo aloha Andry RAJOELINA ho ao anatin'ny lisitr'ireo Kandida ofisialy amin'ny fifidianana ho avy Io.

• Fanonganam-panjakana ihany koa ny nataon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenena.

• Tsy ara-dalàna ihany koa ny fitondran'ny governemanta ny firenena ankehitriny taorian'ny nandavan'ny filohan'ny antenimierandoholona tsy ho filoham-pirenena mpisolo toerana.

Miantso ny vahoaka mpiray tanindrazana, sehatra iraisam-pirenena, ny FFKM handray andraikitra ny fivondronan'ireo Kandida miisa 10.

𝗙𝗜𝗟𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗩𝗜𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗡𝗜𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔 Alarobia 13 septambra 2023Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany mar...
13/09/2023

𝗙𝗜𝗟𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗩𝗜𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗡𝗜𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔 Alarobia 13 septambra 2023

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany maraina ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany nataon’ny Governemanta Ifandrimbonana (gouvernement collégial) izay misahana ny asan’ny Filoham-panjakana vonjy maika, tarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.

📻📻📻Isakin'ny amin'ny 18h, ny Alatsinainy hatramin'ny Sabotsy ny fotoanan'ny Fampalalam-baovao eto amin'ny Radio Soanala....
12/09/2023

📻📻📻Isakin'ny amin'ny 18h, ny Alatsinainy hatramin'ny Sabotsy ny fotoanan'ny Fampalalam-baovao eto amin'ny Radio Soanala.
Manome fotoana anao ary amin'ny mari-drefy 104.8Mhz.📻📻📻

🔥🔥🔥Tontosa ny fisarihana nataon'ny CENI mahakasika ny filaharan'ireo candidat amin'ny fifidianana filoham-pirena amin'ny...
11/09/2023

🔥🔥🔥Tontosa ny fisarihana nataon'ny CENI mahakasika ny filaharan'ireo candidat amin'ny fifidianana filoham-pirena amin'ny 09 novambra 2023.
👉👉👉Toy izao ny filaharan'ireo kandida filoham-pirenena anaty bileta tokana sy eny amin'ny haino aman-jerim-pirenena:
✒️1- Razafinjoelina Tahina
✒️2- Andrianainarivelo Hajo Herivelona
✒️3- Rajoelina Andry Nirina
✒️4- Ratsiraka Iarovana Roland
✒️5- Ravalomanana Marc
✒️6- Paraina Auguste Richard
✒️7- Raobelina Andriamalala Andry Tsiverizo
✒️8- Razafintsiandraofa Jean Brunelle
✒️9- Ratsirahonana Lalaina Harilanto
✒️10- Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial
✒️11- Raderanirina Sendrison Daniela
✒️12- Ratsietison Jean-Jacques Jedidia
✒️13- Randrianasoloniaiko Siteny Thierry

🎤🎤🎤Anio Alatsinainy faha 11 Septambra 2023 maraina ny fisarihana ny laharan'ny kandidà ho Filohan'ny Repoblika ao amin'n...
11/09/2023

🎤🎤🎤Anio Alatsinainy faha 11 Septambra 2023 maraina ny fisarihana ny laharan'ny kandidà ho Filohan'ny Repoblika ao amin'ny biletà tokana izay tontosain'ny CENI.

"TANDALANA TOKOA VE I MADAGASIKARA ?" io no lohahevitra Ny Alatsinainy 11 septambra 2023, ao anatin'ny zana-pandaharana ...
10/09/2023

"TANDALANA TOKOA VE I MADAGASIKARA ?" io no lohahevitra Ny Alatsinainy 11 septambra 2023, ao anatin'ny zana-pandaharana Sehatra ho an'ny Mpihaino, anatin'ny fandaharana TAFA SY DINIKA.
Samia maneho ny heviny
Fandaharana TAFA SY DINIKA.
Renesinao ny Alatsinainy hatramin'ny Sabotsy eto amin'ny Radio Soanala, manomboka amin'ny 09ora hatramin'ny 11ora;
Afahanao mihaino Horoscope, torohevitra ara nahandro, diary, feon-gazety. Afahanao miantso mivantana ihany koa mizara ny vaovao sy ny zava-misy.
Fandaharfana TAFA SY DINIKA eto amin'ny 104.8Mhz.
Radio Soanala, Ilay tsara indrindra.

Trano miisa 17 tafo no may tao Manambotra, fokontany Mahafasa,  Commue Rurale Mahafasa Centre. Tsy mbola fantatra no ten...
10/09/2023

Trano miisa 17 tafo no may tao Manambotra, fokontany Mahafasa, Commue Rurale Mahafasa Centre. Tsy mbola fantatra no tena niandohan'ny afo. Tamin'ny telo ora latsaka fahefany teo ho eo no nanomboka ny afo. Nalaky vory ihany anefa ny fokonolona ka voafehy nalaky ny afo tamin'ny telo ora sy sasany, araka ny fampitam-baovao azo avy amin'ny Ben'ny tanana any an-toerana, Maro ny entan'ireo olona no may, izay voavonjy kosa maro no simba. Amin'ireo trano 17 may ireo dia nahitana traboina 85. Marihina fa tsy nisy ny aina nafohy na naratra. Miantso ireo izay malalatanana ny ben'ny tanana any amin'ny Commune Mahafasa Centre mba hijery ireo tsy manan-kihalofana.
Srce> Maire de la Commune Rurale Mahafasa Centre.

Reggae ranoray no arahinao eto amin'ny Radio Soanala, isakin'ny Alahady amin'ny 03ora tolakandro ao anatin'ny Fandaharan...
10/09/2023

Reggae ranoray no arahinao eto amin'ny Radio Soanala, isakin'ny Alahady amin'ny 03ora tolakandro ao anatin'ny Fandaharana SOANALA REGGAE;
Andrenesanao ireo hira reggae fahenonao hatrizay, eo ihany koa ireo mozika vaovao, iresadresahana ny tantaran'izany gadona izany ihany koa,tsy adino ireo mpanakanto sy raki-tsary, ny kolotsaina Rastafari sy ireo tantara maro hafa.
Fandaharana SOANALA REGGAE, adiny iray tsy ankihato eto amin'ny Radio Soanala isakin'ny Alahady amin'ny 03ora tolakandro.
NY ALAHADY 10 SEPTAMBRA 2023 DIA HIRESAKA MAHAKASIKA AN'I itsika.
Radio Soanala, .

"Mihazakazaka ny toedraharaha eto amin'ny firenena. Fanapahana navoakan'ny HCC: Taorian'ny fametraham-pialan'ny Filoha a...
09/09/2023

"Mihazakazaka ny toedraharaha eto amin'ny firenena. Fanapahana navoakan'ny HCC:
Taorian'ny fametraham-pialan'ny Filoha amperin'asa Andry Rajoelina dia hiara-hitantana ny Firenena ny governemanta tarihan'ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Nandà tsy handray io andraikitra io ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, Herimanana Razafimahefa, izay tokony ho Filoham-panjakana mpisolo toerana.

🔔🔔🔔 Noraisina ny zoma 8 septambra 2023 ny 🗞️didim-panjakana🗞️ nanendrena an'Andriamatoa 👮Richard Ravalomanana 👮ho loholo...
09/09/2023

🔔🔔🔔 Noraisina ny zoma 8 septambra 2023 ny 🗞️didim-panjakana🗞️ nanendrena an'Andriamatoa 👮Richard Ravalomanana 👮ho loholon'i Madagasikara. ❗❗❗
👉👉👉Mpanolotsaina manokan'ny Filoham-pirenena mialoha izao fanendrena azy izao ny Jeneraly Richard Ravalomanana.
👉👉👉Nisolo ny toeran’ny loholona iray lasa Minisitry ny fitsarana, ramatoa Landy Mbolatiana ka Andriamatoa jeneraly Richard Ravalomanana.

Namoaka ny lisitry ny kandida ho Filoham-pirenena ny HCC - 13 no isany, ary anisany Andriamatoa Andry Rajoelina. Voalaza...
09/09/2023

Namoaka ny lisitry ny kandida ho Filoham-pirenena ny HCC - 13 no isany, ary anisany Andriamatoa Andry Rajoelina. Voalazan'ny HCC ao anatin'izany fa tsy misy very zom-pirenena na iray aza ireo kandida rehetranametraka antontan-taratasy.
Laharana faha-13 hatrany ny kandida Andry Rajoelina.

Loharano : HCC

Nahazo Talen'ny Kabinetra vaovao ny Fihadidin'ny Repoblika ao Ihavoloha.Tsiahivina fa taorinan'ny fisamborana tany Londr...
09/09/2023

Nahazo Talen'ny Kabinetra vaovao ny Fihadidin'ny Repoblika ao Ihavoloha.
Tsiahivina fa taorinan'ny fisamborana tany Londres Angleterre ny Talen'ny Kabinetra teo aloha, Rtoa Romy Voos, nohon'ny raharaha kolikoly avo lenta, dia nahato avy hatrany ity farany tamin'ny asany.
Manamboninahitra , Général de Brigade Rasolondraibe Jean Yves, no voatendry hisolo azy nadritrin'ny Filankevitrin'ny Minisitra ny zoma 8 septambra 2023. Io filankevitra io no filankevitrin'ny minisitra farany amin'izao fe-potoana hitondran'ny filoha Andry Rajoelina izao.

Fandaharana TAFA SY DINIKA.Renesinao ny Alatsinainy hatramin'ny Sabotsy eto amin'ny Radio Soanala, manomboka amin'ny 09o...
06/05/2023

Fandaharana TAFA SY DINIKA.
Renesinao ny Alatsinainy hatramin'ny Sabotsy eto amin'ny Radio Soanala, manomboka amin'ny 09ora hatramin'ny 11ora;
Afahanao mihaino Horoscope, torohevitra ara nahandro, diary, feon-gazety. Afahanao miantso mivantana ihany koa mizara ny vaovao sy ny zava-misy.
Fandaharfana TAFA SY DINIKA eto amin'ny 104.8Mhz.
Radio Soanala, Ilay tsara indrindra.

Reggae ranoray no arahinao eto amin'ny Radio Soanala, isakin'ny Alahady amin'ny 03ora tolakandro ao anatin'ny Fandaharan...
06/05/2023

Reggae ranoray no arahinao eto amin'ny Radio Soanala, isakin'ny Alahady amin'ny 03ora tolakandro ao anatin'ny Fandaharana SOANALA REGGAE;
Andrenesanao ireo hira reggae fahenonao hatrizay, eo ihany koa ireo mozika vaovao, iresadresahana ny tantaran'izany gadona izany ihany koa,tsy adino ireo mpanakanto sy raki-tsary, ny kolotsaina Rastafari sy ireo tantara maro hafa.
Fandaharana SOANALA REGGAE, adiny iray tsy ankihato eto amin'ny Radio Soanala isakin'ny Alahady amin'ny 03ora tolakandro.
Radio Soanala, Ilay tsara indrindra.

100pour100 Love.Fandaharana iray eto amin'ny Radio Soanala, miompana amin'ny tontolon'ny fitiavana.Ora iray be izao anar...
06/05/2023

100pour100 Love.
Fandaharana iray eto amin'ny Radio Soanala, miompana amin'ny tontolon'ny fitiavana.
Ora iray be izao anarahanao torohehitra mahakasika ny fitiavana.
Manome fotoana anao eto amin'ny 104.8Mhz, isakin'ny Sabotsy amin'ny 08ora maraina.
100pour100 LOVE.
Radio Soanala Ilay tsara indrindra.

FANDAHARANA HH KOLOTORA.Fandaharana manokana eto amin'ny Radio Soanala hiresahana ny tontolon'ny Kolotsaina Hip-Hop(Rap,...
06/05/2023

FANDAHARANA HH KOLOTORA.
Fandaharana manokana eto amin'ny Radio Soanala hiresahana ny tontolon'ny Kolotsaina Hip-Hop(Rap, RNB, Graffiti, break dance...).
Isakin'ny Alakamisy amin'ny 03ora tolakandro.
Atsasakadiny anatin'ny mozika hip hop, andrenesana tantaran'izany kolotsaina nanomboka tany Etats Unis izany; ary koa iresahana mahakasika ireo mpanakanto miana ao anatin'izany.
Asaina ary ianao anjohy ny 104.8MHZ, na ianao mpankafy na koa te ahalala bebe kokoa mahakasika ny HIP HOP.
HH-KOLOTORA eto amin'ny Radio Soanala isakin'ny alakamisy amin'ny 03ora.
Radio Soanala, Ilay Tsara indrindra.

03/05/2023

Fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovangazety.

03/05/2023

Fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.

02/05/2023

Tsy ho diso anjara amin'ny fankalazana ny Andro manerantany ho an'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety na ny Andron'ny 03 may ny Faritra Atimo Atsinana, ho an'ity taona 2023 ity.
Ny lohahevitra noraisina dia : Façonner un avenir de droits: "La liberté d'expression clé de voute des droits humains"; nadika tsotsotra hoe "Manangana ny ho avy tan-dalàna: fahalalahana miteny vato ifaharan'ny zon'olombelona".
Araka izany hisy ny fandaharana manokana eto amin'ny Radio Soanala FM 104.8Mhz hiarahana amin’ireo mpanao gazety mpikambana eo anivon’ny OJM(Ordre des Journaliste de Madagascar) ; izay afaka arahina amin'ireo radio rahavavy misy eto Farafangana, ary azonao arahina mivantana eto amin'ny Pejy Facebook Radio Soanala izany. Manomboka amin'ny 11ora atoandro tsy diso.

Mandroso ny asa, kely sisa hoy ny mpandrafitra
15/10/2021

Mandroso ny asa, kely sisa hoy ny mpandrafitra

Maro ny sedra mandalo,
30/08/2020

Maro ny sedra mandalo,

Address

Rue Marché Fenoarivo
Farafangana
309

Opening Hours

Monday 07:30 - 12:30
14:30 - 20:00
Tuesday 07:30 - 12:30
14:30 - 20:00
Wednesday 07:30 - 12:30
14:30 - 20:00
Thursday 07:30 - 12:30
14:30 - 20:00
Friday 07:30 - 12:30
14:30 - 20:00
Saturday 07:30 - 12:30
14:30 - 20:00
Sunday 10:00 - 13:00

Telephone

+261323205271

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Soanala posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio Soanala:

Share

Category