VJCL-Diego

VJCL-Diego Natao ifampizarana vaovao s'y n'y zava-misy .

28/11/2023
CONSERVATION INTERNATIONAL: Miezaka mamokatra ny fitaovan entina manentana sy fandresen-dahatra NAHAVITA FILM MIKASIKY N...
28/11/2023

CONSERVATION INTERNATIONAL: Miezaka mamokatra ny fitaovan entina manentana sy fandresen-dahatra

NAHAVITA FILM MIKASIKY NY FIKOBABIAGNA HARENA ANDRANOMASINA SY NY VOKATRA ARA-PIAINAN’NY MPANJONO AO AMIN’NY HELIDRANO N’NY CM7B

Naboaka niany ilay horonan-tsary magnambara ny vokatry ny asa fikobabiagna nataon’ireo mponina mpanjona sy ny mpisehatra amin’ny ranomasina ao amin’ny Corridor Marin des 7 Baies, izay miara miasa amin’ny conservation international. Naseho amin’ity film ity ireo tombotso azo tamin’ny fikobabiagna ny harena andranomasina fa indrindra ny horita , ary eo koa ny fagnaboahagna ny fiatraikan’izany fikobabiagna izany tamin’ny fiainan’izy ireo . Ka ity film na ialy horonan-tsara ity dia entina anaovana fanentanana sy ny fandresen-dahatra isan’ny ambaratongany ato amin’ny faritra DIANA. Teo anatrehan’ireo manampahefana notarihin’ny DDR DIANA , Atoa THEOGENE , izay nisolotena ny goverinora no niatrika izany. Ka tamin’ny alalan’ny atrik’asa no nentina nizara izany. Ka naseho ny momba ny fahomiazan’ny vaha olana mifotodra amin’ny natiora manoloana ny fiovan’ny toetry ny andro, ny fandrosoana lovainjafy ary ny karaza-mananaina , miaraka amin’ny mponin’ny faritra arovana andranomasina CM7B. Ny tetik’asa SwedBio no nanatanteraka ny fanaovana ilay horonan-tsary teny ifotony, ka nisy ny fampahafantarana izany nataon’ny mpandrindra rtoa NARINDRA.

Tamin’ny fanokafana ny fifampizarana no nanambaran’ny tale misahana ny fampandrosoana ato amin’ny faritra DIANA, Atoa Théogène , fa faritra DIANA, dia anisany faritra manome lanja ny fikobabiagna ny tontolo ianana , amin’ny alalan’ny fanomezana tosika ny vondron’olona ifotony mba ho lovain-jafy tokona ny harena voajanahary misy ato amin’ny faritra. Manaporofo izany hoy izy ny fampidirana izany ao anatin’ny drafitra fampandrosoana ny faritra DIANA na ny PRD, amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny troetry ny andro. Nanindry izany ihany koa ny solontena avy amin’ny DREDD DIANA sy ny DIRPEB ary nisaotra manokana ny conservation international amin’ny fanohanana ny vondron’olona ifotony. Tafiditra ao atain'izay ny resaka fanarenana ny ala honko, izay tragno hiviloman'ireo zava-boahary hita sy mivelona andranomasina.

FILAHARAGNA TETO ANTSIRANANA : Niavaka ny viavin’e TESAKA MINDRAYFanehoana ny fitafy , magnambara ny kolotsaina misy any...
11/03/2023

FILAHARAGNA TETO ANTSIRANANA : Niavaka ny viavin’e TESAKA MINDRAY
Fanehoana ny fitafy , magnambara ny kolotsaina misy any amin’ny tapany atsimo no nataony. Asa ahazo laharagna faha firy ??? Sahiragna ny mpitsara satria maro koa fikambanana hafa maro nilahatra .

13/12/2022

Porte ouverte Justice

13/12/2022

Faritra mamokatra fa ratsy lalana ny tapan'ny andrefan'Antsiranana II, iny izay miditra avy ao Mangaoko. manao ezaka amin'izao ny faritra amin'ny fampiasana ireo engin avy tamin'ny filoham-pirenena entina hanokafana io lalana io. Lalan-tany ihany izy ity fa tsyy tara. Fanombohana izao ka izay tratra mialohan'ny filatsahan'ny orana no atao ary ho tohizana amin'ny taona ho avy hoy ny goverinora Daodo Arona Marisiky raha nidina ifotony nijery ny fandehan'ny asa izay

31/08/2022
NOSY BENotanterahina androany faha 26 Août 2022 ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Festival des Fibres Naturelles ...
26/08/2022

NOSY BE
Notanterahina androany faha 26 Août 2022 ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Festival des Fibres Naturelles 2eme édition izay atao Nosy Be mandriy ny 4 andro . Natao izay ho fanomezana tosika s'y hisian'ny fifanakalozana amîn'ireo mpandraharaha amîn'ny sehatry n'y asa tanana ato amîn'ny faritra DIANA. Ka tonga nanome voninahitra izany miaraka amin'ny talem-paritry ny asa tanana sy ny hai-tao DIANA A/toa JAO Henri Joel, Rtoa Marie Christiane AGATHE Commissaire aux Affaires Féminines, au Développement de l'Enfant, au Bien-être Familial et à la Protection des Consommateurs de Rodrigues ,Téo ihany koa n'y solombavam-bahoaka TATIE Chris , Ary ny manan-kaja maro. Reharehan'ireo VEHIVAVY mpandraharaha amîn'ny sehatry n'y asa tanana izao hoy ireo mpandraharaha ireo, Ary mangataka n'y hisian'ny fisokafan'ny tsena ivelan'i Madagasikara.

Fanambarana ofisialy n'y fanombohan'ny "projet Pêche Côtière Durable" andiany faha roa ( PCDII)N'y fagnatsaragna velonte...
24/08/2022

Fanambarana ofisialy n'y fanombohan'ny "projet Pêche Côtière Durable" andiany faha roa ( PCDII)
N'y fagnatsaragna velontegnan'ireo vondron'olona ifotony na VOI, no Antony nametrahana ity tetik'asa andiany faha roa ity. Nanindry mafy n'y tale misahana ny fampandrosoana ato amin'ny faritra Diana ,Atoa BAKARIZAFY Jean Hervé , izay nisolon-tena n'y goverinora teto fa Mila asiana lanja ireo vondron'olona ifotony Manao asa fikobabiagna ity ala honko ity, Mila apetraka tsara koa n'y fandrindrana MBA hisian'ny fiantraikany amin'ireo VOI ireo n'y asa s'y famatsiam-bola izay atobaka amin'ity fikobabiagna n'a FIAROVAGNA ity Ala Honko ity. Vonona hifanome tanana n'y faritra hoy izy amin'ny fiaraha-miasa ,torohevitra entina hanatsarana Ary anatanterahana ity tetik'asa PCD.II ity. N'y Conservation International, WCS , FAMELOGNO no hanatanteraka ilay tetik'asa eny ifotony. Sady efa tafatsangana koa ilay komitim-paritra handrindra miaraka amin'izay. Téo Ambanja no nanaovana n'y fanambarana ofisialy. Atoa ANDRIAMAHAFEHIARIVO Martin no mpandrindram-paritra , ka eto ambanja no nametrahana ny bîrao ao amîn'ny MNP, Rtoa RAZAFINAIVO Frida no mpandrindra nasionaly. Tonga niatrika izao n'y tale jeneralin'ny MNP ,mpisolo toerana vonjy maika ,Atoa RAZAFINDRALAISA Harinaina Léon Ary ireo mpisehatra voakasika.

FARITRA AROVANA GALOKO KALOBINONO-AMBILOBE DIANA❗❗VELARANA 20 HEKITARA NORIPAHAN'NY AFOAnio maraina tamin'ny 7ora sy sas...
24/08/2022

FARITRA AROVANA GALOKO KALOBINONO-AMBILOBE DIANA

❗❗VELARANA 20 HEKITARA NORIPAHAN'NY AFO

Anio maraina tamin'ny 7ora sy sasany teo no maty ny afo tao amin'ny Faritra Arovana Kalobinono ,Distrika Ambilobe, Faritra DIANA , izay nanomboka nirehitra alina. Tombanana manodidina ny 20ha no ripaky ny afo izay ahitana ala sy karazam-biby maro. Nampanano sarotra tamin'ny famonoana ny afo ny hamafin'ny fitsokan'ny rivotra fa vokatry ny fifanomezan-tanana teo amin'ny DREDD Diana sy ny fokonolona dia voafehy ihany izany.
🙏Mbola ao an-toerana avokoa ireo teknisiana eo anivon'ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy manao ny fanadihaiana miaraka amin'ny mpitandro ny filaminana hahafantarana ny antony nahatonga ny firehetana.

16/08/2022

Teboka 10 no hamintinana ireo hevitra nivoaka nandritra ny atrik’asa fakan-ke vitra amin’ny fandrafe

MID/REGION DIANA Andro faha roa amin'ny fanangonana hevitry niany momba ny dingana handrafetana ny "plan national pour l...
13/08/2022

MID/REGION DIANA
Andro faha roa amin'ny fanangonana hevitry niany momba ny dingana handrafetana ny "plan national pour la Décentralisation Emergenteé"
Teboka 10 no hamintinana ireo hevitra nivoaka nandritra ny atrik’asa fakan-ke vitra amin’ny fandrafetana ny drafitra nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana. Ka anisany amin’izany ny hevitra nivoaka avy ato amin’ny faritra DIANA .
Tafiditra amin’izay ny fanavaozana tanteraka ny lalana mifehy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana , ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana , ny fitantanana eny ifotony s yeo anivon’ny lafitany , fanamafisana ny fitantanan-draharaha eny amin’ny lafitany , famindrana ireo tandrifim-pahefana , famindrana ny loharanon-karena, fandaharan’asa sy famolavolana ny teti-pivoarana eny anivon’ny lafitany , fanavaozana tanteraka ny fandaminana ny teti-bola , fanamafisana ny loharanon-karena ara-bolan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana , fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony. Ireo hevitra ireo indray no nanaovana asam-baomiera mandritra ny roa andro eto Antsiranana handravonana ireo hevitra nivoaka tamin’ny fakan-kevitra isam-paritra. Ilaina amin’ny fampandrosoana isam-paritra ny hametrahana izao fitsinjaram-pahefana mihabo izany hoy ny goverinora daodo arona marisiky
Fa nanazava momba ny fahavonan’ny fanjakana hiroso amain’izany fitsinjaram-pahefana mihabo izany no nataon’ny tale jeneralin’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana Atoa PASCAL Pierrot Rabetahina
Dingana tsy azo hiala mba hisian’ny fiovam-penitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny firosoana amin’ny fitsinjaram-pahefana , hoy kosa Rtao Anjà Heuft ( Ania Heft), talen’ny procedid /Giz( projet de developpement communal inclusive et de decentralisation), ka naharesy lahatra azy ireo nanohana ara-teknika sy ara-bola ireo dingana rehetra hirosoana amin’izany. Efa saika hit any hevitra fa ny fampiharana azy no andrasan’ny maro.

NOSY FALY: Nitokanana androany ilay mosquet Nidiragna Ary natolotra hoan'ny ISLAM eto Antafiambotry ,ilay mosquet vaovao...
13/08/2022

NOSY FALY: Nitokanana androany ilay mosquet
Nidiragna Ary natolotra hoan'ny ISLAM eto Antafiambotry ,ilay mosquet vaovao namboarin'i Goverinora DAODO ARONA marisiky. Amîn'ny maha zanaky n'y Antafiambotry, nosy faly izy no nanaovany izany Ary amin'ny maha Islam izy ihany Koa. Androany no andro voatokana Ary nankasitrahan'i Allah nitokanana izy. Tsy ho fananako, izy ity hoy DAODO ARONA marisiky fa tranon-jagnahary izay atokotro hoan'ny mpino Islam rehetra.

FITOKANANA MOSQUET NOSY FALY: HATOMBOKA ETO NOSY FALY NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA.Kabary nitory fihavanana , firaisan-kina ...
13/08/2022

FITOKANANA MOSQUET NOSY FALY: HATOMBOKA ETO NOSY FALY NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA.
Kabary nitory fihavanana , firaisan-kina MBA hametrahana firaisam-pirenana no nataon'ny goverinora DAODO Arona Marisiky ,teto. Ny finohana Islam hoy izy finohana mandala fihavanana , fahasamihafana ,ka niantso firaisan-kinan'ny mpino Islam izy. Nambarany fa hatombona eto Nosy Faly n'y fihavanam-pirenena . Tsy raisana ara-pinohana izany fa fanekena n'y fahasamihafana . Porofo n'izay hoy goverinora n'y fiatrehan'ny mopera Serge ANDRIANJAVA , sady mpikambana amîn'ny fikan-kevitry n'y fampihavanana Malagasy.

FANOMPOAGNA MANINTSY  NATAON’NY MPANJAKA BEMAZAVA TSIARASO IVHetsika ara-pomban-drazagna fatao isaky ny 5 taona izy ity ...
13/08/2022

FANOMPOAGNA MANINTSY NATAON’NY MPANJAKA BEMAZAVA TSIARASO IV
Hetsika ara-pomban-drazagna fatao isaky ny 5 taona izy ity , ataon’ny Ampanjakan’ny BEMAZAVA, izay mamehy ny faritra sy Distrikan’Ambanja. Efatra andro no faharetany , ka any MAHABO , Nosy Faly no anaovana izany , toerana manana ny tantaran’ny amin’ny razam-ben’ny Ampanjaka. Ny loha hevitra tamin’ity taona ity di any hoe: VOLAMBITA MAZAVA. Tamin’ny alarobia teo no nitsenana ny ampanjaka amin’ny fomba ara-drazagna , dihy , hiran-drazana.Ny tolak’andro n’io dia mirebika ny Ampanjaka ho mariky ny hafaliany tonga soa aman-tsara amin’ny toerana anaovany ny asa. Ny alakamisy dia nitsahatra ny fanaovana izany fanompoana izany , fa andra fady , tsy hiasana amin’ny asan’ny mpanjakan’ny Bemazava ny andro alakamisy. Nitohizana izany ny zoma dia ny fampisegna ny Mpanjaka , fomba fanadiovana ny mpanjaka amin’ireo loto , sy sakana ratsy amin’ny endriny rehetra niseho tamin’ny fiainany tao anatin’ny 5 taona. Ka ino no anaovana ilay TAKITAKY isaky ny 5 taona io. Nisy ihany ko any vavaka fangatam-pitahiana nataon’ireo mpino Islam na Fatiha. Miakatra ny mitatao vovonana ny andron’ny zoma dia manao hataka anoloan’ny vala mena ny Mpanjaka ary ny tolak’andro dia miverina mirebika ny mpanjaka ho mariky ny fahaviatan’ny asa. Maro ireo mpandala ny fomban-drazana ity tonga niatrika sy nanompo tamin’izany , teo ko any olona izay te ahafanatra sady mba mijery ny fanaovana izany fomba TAKITAKY ataon’ny taranaka BEMAZAVA izany. Hamaranana io hetsika fanompoana io di any famangiana fasan’ireo razam-be ataon’ny Ampanjaka , io no mamarana ny hetsika ny asabotsy.

10/08/2022
FANDROSOANA DIANA Natao fitaratra tamin'ny fanatanterahana ny tetik'asam-panjakana ,izay novatsian'ny banky iraisam-pire...
02/08/2022

FANDROSOANA DIANA
Natao fitaratra tamin'ny fanatanterahana ny tetik'asam-panjakana ,izay novatsian'ny banky iraisam-pirenena vola , izay tantanin'ny tetik'asa PIC ny faritra DIANA. Nisy ny fitsidihana nataon'ireo goverinoran'ny faritra sasany izay ahazo tetik'asa PIC III taty amin'ny faritra DIANA. Nijerena ireo sampahany tamin'ireo tetik'asa vita. Anisany ny fametrahana ny bonne gouvernance eo anivon'ny commune, ny fanamboarana lalana ,ny fanohanana ny filière cacao, ny tourisme. Ny gouverinora DAODO Arona Marisiky no nitondra fanazavana tamin'ireo namany , ny fampizarana rehetra . Naharitratelo andro izany .

02/08/2022

RESADRAHA NOSY BE

TOMBOLA SOMAROHO : 4*4 BT50
02/08/2022

TOMBOLA SOMAROHO : 4*4 BT50

02/08/2022
02/08/2022

Address

Diego

Telephone

+261321106547

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when VJCL-Diego posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share



You may also like