22/03/2024
Lehilahy tanora nitady asa tao @ orinasa iray. Rehefa avy nanao "entretien d'embauche" fifantenana, nalefan'ilay talé lefitra ho any @ Talé jeneraly hanadihadiana farany azy farany.
Nojeren'ilay Tale tsara ny CV: Tena nahay izy, nivoaka t@ sekoly lehibe, tsara stage, ...
Nanotany azy ilay Talé: Nahazo "bourse" nianatra tany ampita ve ianao ?
Namaly azy ilay lehilahy: Tsia tompoko
Talé: Dadanao no niantoka ny saram-pianaranao ?
Lehilahy: Eny tompoko
Talé: Miasa aiza ny rainao ?
Lehilahy : Mpanefy izy tompoko
Talé: Afaka jereko ve ny tananao ?
Lehilahy: Natorony azy ny tanany malama ary tsara
Talé: Mbola tsy nanampy ny rainao mihintsy ve ianao t@ asany ?
Lehilahy: Naniry ahy hianako bebe kokoa foana ny raiko, Ankoatr'izany dia afaka manao ireo asa tsara kokoa noho izaho izy.
Talé: Misy zavatra hangatahiko aminao, rehefa tonga any antrano ianao anio, Jereo tsara ary sasao ny tanan'ny rainao, rehefa vita izany dia miverina manantona ahy rahampitso maraina.
Nandeha nody haingany ilay lehilahy mba hamaly ny fangatahan'ny Talé.
Rehefa tonga tany antrano izy, dia nitady ny rainy ary nagataka mba hanasa ny tanany.
Faly erỳ ilay dadany tamin'ny fahatsiarovantenan'ny zanany lahy ary nanolotra ny tanany roa. Nasasainy ny tanany rainy ary nnokosehiny moramora.
Sambany, hitany ny mahazo ny tanan'ny rainy, maina makiana vakivaky feno kitro maro.
Ny sasany tamin'izy ireo dia mbola mivonto fery sy rano ary rehefa nalahelo izy nahita izany, dia nalahelo mafy koa ny rainy.
Ho an'ilay Tovolahy, sahala @ notondrahana rano glacé iray siny teo @ tarehiny! tsapany tsikelikely ny jaly iaretany rainy.
Satria ny tsirairay amin'ireo kitro sy holatra maharary ireo dia maneho ny vidiny handoavana ny fianarany, ny saram-pianarany ary ny hoaviny.
Rahefa vitany sasa ny tanan'ilay rainy, Nanomboka nandamina tsikelikely tao @ toeram-piasany rainy izy. Tena faly izy mianaka nandritra ny alina ary niresaka naharitra.
Ny ampitso maraina sy araka ny efa nomanina, niverina namonjy ilay Talé izy. Tonga