Bemahatazana Befandriana-Avaratra

Bemahatazana Befandriana-Avaratra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Bemahatazana Befandriana-Avaratra, Media, Résidence, Befandriana Nord.

BEFANDRIANA-AVARATRA:  Tontosa ny maraina teo ny ankitsapaka ho an'ireo kandida nirotsaka ho solombavambahoaka eto Befan...
17/04/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: Tontosa ny maraina teo ny ankitsapaka ho an'ireo kandida nirotsaka ho solombavambahoaka eto Befandriana-Avaratra, tao amin'ny biraon'ny CED eto an-toerana no nanantanterahana izany.

Nanaraka ny laharana nandrotsahan'izy ireo antotan-taratsy filatsahan-kofidina ihany no laharana izay voarain'izy ireo nandritra fanatanterahana izany.

1) Jonah Parfait PREZARALY

2) RABEHARISON Bernardin

BEFANDRIANA -AVARATRA : FIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA.Araka ny toromarika avy eny amin’ny CENI Foibe dia tsy manitsy ma...
09/04/2024

BEFANDRIANA -AVARATRA : FIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA.

Araka ny toromarika avy eny amin’ny CENI Foibe dia tsy manitsy mamoaka ny fanapahan-keviny ny OVEC rehetra androany 09 Avril 2024.

Kandida roa amin’ireo telo nametraka taratasy filatsahan-kofidiana no nankatoavin’ny OVEC Befandriana-Avaratra.
1- JONAH Parfait Prezaraly
IRMA
2- RABEHARISON Bernardin
INDEPENDENT

Nolaviny OVEC Befandriana -Avaratra ny filatsahan-kofidianan’i
RAMAMONJISON Michel Mondain izay natolotron’ny LEADER FANILO, nohon’ny fahabangany quittance ny caution izay anisany fepetra ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana.

Mbola manana zò hanatitra izany eny anivon’ny CENI foibe ny kandida nolavina raha efa azony izany mandritran’ny 48 ora taorinan’ny fanapahana noraisiny OVEC.

BEFANDRIANA-AVARATRA: FAHASALAMANATontosa omaly tany amin'ny Fokontany Zafilambaina kaominina Morafeno , ny andro manera...
08/04/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: FAHASALAMANA

Tontosa omaly tany amin'ny Fokontany Zafilambaina kaominina Morafeno , ny andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana, tao amin'ny EPP no nanantanterahana izany.

Olona manodidinan'ny 136 no nisitraka fitsaboana maimaim-poana nandritra ny fanantanterahana ny hetsika ara-pahasalamana.

83 kosa no natao fitiliana tsimok'aretina VIH , 8 tamin' ireo natao fitiliana no voamarina fa mitondra ny tsilokaretina VIH.
Ankehitriny ; Tafakatraka 500 mahery eo ny isan'ny olona mitondra izany anatin'ny district Befandriana-Avaratra.

BEFANDRIANA-AVARATRA: NIDINA IFOTNY TANY AMIN'NY KAOMININA MORAFENO NY LEHIBEN'NY DISTRICT ETO AN-TOERANA  MBA HISIAN'NY...
07/04/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: NIDINA IFOTNY TANY AMIN'NY KAOMININA MORAFENO NY LEHIBEN'NY DISTRICT ETO AN-TOERANA MBA HISIAN'NY VAHOLANA MAHARITRA

Taorian'ny savorivory nisy teto Befandriana-Avaratra tamin'ny Zoma 5 Avril 2024 lasa teo, nanapakevitra ny OMC izay notarihin'ny lehiben'ny district eto an-toerana sy ny ben'ny tanàn'ny kaominina Morafeno , nidina ifotny tany amin'ny kaominina Morafeno nifampiresaka tamin'ny vahoaka nijery ny vaholana maharitra mba hisian'ny filaminana eny an-toerana.

Tapaka fa izay mandika lalana manao zavatra tsy mety dia tsy maintsy iharany lalana.
Nambaran'ny lehiben'ny district PRUVOT Victorien Odilon fa tsy azo atao ary voararan'ny lalana ny fanaovana fitsarambahoaka.

Efa milamina araka izany ny raharaha aty Befandriana Avaratra , ary samy manaraka ny torimarika nomen'ny lehiben'ny distrika avokoa ny mponina aty an-toerana.

Voapetraka anio 07 avril 2024 atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana ho solombavam-bahoaka eto Befandriana-Avarat...
07/04/2024

Voapetraka anio 07 avril 2024 atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana ho solombavam-bahoaka eto Befandriana-Avaratra an’i Andriamatoa JONAH Parafait Prezaraly, izay kandida natolotrany ISIKA REHETRA MIARAKA AMIN’NY ANDRY RAJOELINA.

Izy no kandida voalohan’ny nahatafapetraka ny dossier filatsahan-kofidina teny anivon’ny OVEC eto Befandriana-Avaratra.

POLISIM-PIRENENA BEFANDRIANA/AVARATRA: ADY AMIN’NY ZAVA-MAHADOLELINANahita vokatra ny  hetsika SARIKA nataon’ny Polisim-...
30/03/2024

POLISIM-PIRENENA BEFANDRIANA/AVARATRA: ADY AMIN’NY ZAVA-MAHADOLELINA

Nahita vokatra ny hetsika SARIKA nataon’ny Polisim-pirenena eto Befandriana-Avaratra, izay notarihin’ny chef Commissariat Officier de Police RANDRIATSILAOSANA Damien Zouzou Percy ny ady amin’ny zava-mahadomelina ,izay somary mirongatra tatoato ny fifohany tanora izany eto antampotanan'ny Befandriana-Avaratra, izay indrindra no antony nanaovana hetsika.

Nanao fitsirihana angom-baovao ry zareo avy ao @ Polisim-pirenana ka fantatra nandritra izany fa misy tokan-trano maromaro ao Antanambasoa fokontany Antanambe C/R Morafeno district Befandriana-Avaratra. Ka rehefa nahazo fazahoan-dalana hisava ireo tokan-trano avy tamin'ny Tonia mpampanao lalana izy ireo dia tratra tao tokoa ireo zava-mahadomelina na rongony tokony ho enina(06) kilo eo. Nosamborina avy hatrany ireo mpivarotra ka hatolotra ny fampanoavana any Mandritsara ny talata faha 02 aprily hoavy izao.

Ny Polisim-pirenana eto Befandriana-Avaratra dia nanao antso avo hatrany ny amin'ny fiara-miasa amintsika vahoaka satria asa vadi-drano ny fatandroana ny fahalemana ka tsy vita raha tsy hifanakonana.

POLISIM-PIRENENA ETO BEFANDRIANA-AVARATRAMitohiny ny fanantanteraha ny vina napetraky Ministère ny Filaminam-bahoaka  , ...
30/03/2024

POLISIM-PIRENENA ETO BEFANDRIANA-AVARATRA

Mitohiny ny fanantanteraha ny vina napetraky Ministère ny Filaminam-bahoaka , izay ataon’ny POLISIM-PIRENENA eto Befandriana-Avaratra amin'ny fanatanterahana ny atao hoe "Opération SARIKA" izay ambany fitarihany Chef Commissariat Officier de Police RANDRIANTSILAOSANA Damien Zouzou Percy.

Akatoko ny Fetin’ny p***a izao dia niroso tamin’ny fanentanana ny mpampiasa lalana mba hanaja ny lalàna mifehy izany, ny fanaovana casque ho an’ireo mitondra motos, ny tsy fanaovana taingimbe hoan'ireo chauffeur BAJAJ, fanentanana amin' ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy mahavavy na lay antsoina hoe sensibilisation sur la lutte contre Violence Basée sur le Genre.

Takiana ny hanajan’ny mpampiasa lalana rehetra ny lalàna momba fifamovoizana ary polisy maro no haetsika mandritra fetin’ny p***a eto Befandriana-Avaratra.

Tanjona mba ho zéro loza mandrintran’ny fankalazana ny fetin’ny P***a .

Befandriana-Avaratra: Hetsika fahatsiarovana ny tolompanafahana 29 Mars 1947.“”Ny fitiavan-tanindrazana no fototry ny fa...
29/03/2024

Befandriana-Avaratra: Hetsika fahatsiarovana ny tolompanafahana 29 Mars 1947.

“”Ny fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana“”

28/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: TSY FANDRIAMPAHALEMANA

Rongony milanja 1,800kg, ahitana fonosana 170 no tratra tamin'ny lehilahy iray , tany amin'ny kaominina Tsiamalao, distrikan'i Befandriana -Avaratra.

Fiaraha miasa teo amin'ny komity Loharano sy ny mpitandro filaminana avy amin'ny Gendarmerie, no nafahana nahazo izao vokatra izao.

Nanentana ireo lehiben'ny boriborintany kosa ny lehiben'ny distrikan’ny Befandriana-Avaratra PRUVOT Victorien Odilon, mba hampandeha tsara ny asan'ireo komity Loharano eny ifotony.

BEFANDRIANA-AVARATRA: FITONDRANA AMBAVAKA HO AN'I TOLOM-PANAHY 29 MARS 1947Notohizana tao amin'ny fiangonana ECAR Cathol...
24/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: FITONDRANA AMBAVAKA HO AN'I TOLOM-PANAHY 29 MARS 1947

Notohizana tao amin'ny fiangonana ECAR Catholique ny vavaka ho an'ny tolom-panafahana 29 Marsa 1947 androany tolok'andro teo.
Mbola mitohy araka izany ny tolona nataon'ireo Ray aman-dreny teo aloha. Tokony iraisana ny rehetra amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

Eny amin'ny tsangambato ny mahery fo kosa no hanolorana ny fehezam-bonikazo ho fahatsiarovana ireo lavo nohon'ny fitiavan-tanindrazana amin'ny zoma 29 Mars 2024 ho avy izao.

Ny " Fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana".

BEFANDRIANA-AVARATRA: FIOMANANA NY FAHATSIAROVANA NY TOLOM-PANAFAHANA 29 MARS 1947Tao amin'ny fiangonana Adventiste Foko...
23/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: FIOMANANA NY FAHATSIAROVANA NY TOLOM-PANAFAHANA 29 MARS 1947

Tao amin'ny fiangonana Adventiste Fokontany Tsaramandroso no nanatanterahana ny vavaka ho an'ny tanindrazana ho fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 Marsa 1947 tamin'ny maraina teo.
Mbola hitohy rahampitso amin'ny telo ora tolakandro kosa ny vavaka firaisam-pinoana any amin'ny fiangonana ECAR Catholique no hanaovana izany , hiarahana amin'ny FFKM.

Ny " Fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana".

BEFANDRIANA-AVARATRA: Akon'ny lanona 8 Mars 2024 an-tsary."Vehivavy Miarina sy Miray Hina, Firenena Mandroso"
08/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: Akon'ny lanona 8 Mars 2024 an-tsary.

"Vehivavy Miarina sy Miray Hina, Firenena Mandroso"

BEFANDRIANA-AVARATRA :  FAMBOLEN-KAZO VEHIVAVY 8 MARS Zana-kazo miisa 1000 fototra no novolena tao Antsirabe fokontany T...
05/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA : FAMBOLEN-KAZO VEHIVAVY 8 MARS

Zana-kazo miisa 1000 fototra no novolena tao Antsirabe fokontany Tsararivotra-II, izay nahitana karazana zana-kazo Kaya, Mantalio, Mandrirofo Ary Hitsina.

Tafiditra ao anatin'ny vina ny fitondram-panjakana ankehitriny , izay hamerenana an'i Madagasikara ho Nosy Maintso no tanjona nanatanterahan'ireo fikambanam-behivavy teto Befandriana-Avaratra izany.

BEFANDRIANA-AVARATRA: NAHAZO FIOFANANA IREO KAOMININA ENINA MIVODRONA AO ANATIN'NY KOMITY LOHARANONomena fiofanana ireo ...
04/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: NAHAZO FIOFANANA IREO KAOMININA ENINA MIVODRONA AO ANATIN'NY KOMITY LOHARANO

Nomena fiofanana ireo komity Loharano, anatin'ny kaominina enina ato amin'ny district ny Befandriana-Avaratra dia ny kaominina Morafeno,Ambararata,Tsiamalao ,Ambodimotso-Sud, Ambodimotso-Haut ary Kaominina renivohitra Befandriana-Avaratra.

Ny lehiben’ny Distrika PRUVOT Victorien Odilon no nampiofana izy reo, niompana tamin’ny fampandrosoana miainga avy aty ifotony araka ny ny tanjona napetraka ny fanjakana ny fiofanana natao.

Tsy hijanona amin'ny kaominina enina ireo ihany moa izany fa hipaka hatrany amin'ireo fokontany rehetra mandrafitra ny distrika ny Befndriana-Avaratra.

BEFANDRIANA-AVARATRA: FIANARANA MAHANDRO ( VEHIVAVY 8 MARS )Notohizana tamin'ny fampianarana mahandro Godrogodro sy fana...
04/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: FIANARANA MAHANDRO ( VEHIVAVY 8 MARS )

Notohizana tamin'ny fampianarana mahandro Godrogodro sy fanamboarana m**o mamy na gâteau ny andro faha efatra amin'ny fankalazana ny andro vehivavy teto amin'ny kominina renivohitra ny tolak'andro teo.

Ho fanampina ny vehivavy amin'ny fahaiza manao ao anatiny tokatrano indrindra mba afahana manao asa fivelomana an-davan'andro.

Amin'ny Alakamisy ho avy izao no hanaovana fanadinana isaka ny groupes izay tonga nianatra izany.

Mbola mitohy kosa ny hetsika fankalazana ny 8 Mars , amin'ny alalan'ny fambolen-kazo no hanohizana izany rahampitso amin'ny 06 ora maraina any Antsirabe fokontany Tsararivotra-II.

FAHASALAMANA BEFANDRIANA-AVARATRAMbola Ambany ny taha fanaovan’ny vehivavy Fandrindram-piterahana eto Befandriana-Avarat...
04/03/2024

FAHASALAMANA BEFANDRIANA-AVARATRA

Mbola Ambany ny taha fanaovan’ny vehivavy Fandrindram-piterahana eto Befandriana-Avaratra raha ny tanjona napetraka fanjakana.

18,89% no vehivavy nanantona tobim-pahasalamana ny volana Janoary sy Feboary 2024 , ny tanjona napetraka ny fanjakana anefa 60% ny vehivavy no tokony hisitraka ny fandrindram-piterahana avokoa.

Mbola lavitra ny ezaka ka nanentana ireo vehivavy tonga nanatanteraka fanadiovana hopitaly ny 04mars 2024 ny tompon’andraikitra ny fahasalamana reny sy ny zaza ary ny aretina azo avy amin’ny firaisana aranofo Dr RAZANABELON Zafimody Eliane ,ny tokony hamparisika vehivavy hanao fandrindram-piterahana , satria anisan’ny ahafanahana manatratra ny tanjona amin’ny lohahevitra ny fankalazana ny 8 mars dia hoe VEHIVAVY MIARINA SY MIRAY HINA, FIRENENA MANDROSO ny fiterahana zaza Irina.
R J P

BEFANDRIANA -AVARATRA: Andro faha efatra amin’ny fankalazana 8 mars.Betsaka ireo vehivavy tonga nanatanteraka ny fanadio...
04/03/2024

BEFANDRIANA -AVARATRA: Andro faha efatra amin’ny fankalazana 8 mars.

Betsaka ireo vehivavy tonga nanatanteraka ny fanadiovana ny tokotany manodidina ny hopitaly eto Befandriana-Avaratra , izany moa dia tafiditra amin’ny hetsika hankalazana ny 8 Mars amin’izao andro faha efatra ny fankalazana .

Nanatevina ny fanatanterahana izany androany ny mpiasa fahasalamana izay notarihin’ny Lehiben’ny faripiadidiam-pahasalamana eto Befandriana-Avaratra .

Tohizana amin’ny Fianarana mahandro anio tolak’andro ny fotoana ka hanasana vehivavy rehetra .

RJP

BEFANDRIANA-AVARATRA: HETSIKA VEHIVAVY 8 MARS 2024 ( FIRAISAM-PINOANA)Notohizana tamin'ny vavaka iraisam-pinoana ny fank...
03/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: HETSIKA VEHIVAVY 8 MARS 2024 ( FIRAISAM-PINOANA)

Notohizana tamin'ny vavaka iraisam-pinoana ny fankalazana ny andron'ny vehivavy 8 Mars , tao amin'ny fiangonana FJKM FILADELIFIA no nanatanterahana izany ny tolak'andro teo, izay notarihin'ny FFKM eto Befandriana-Avaratra.

Ho fitondrana ambavaka ny vehivavy rehetra maneran-tany no antony izao firaisam-pinoana izao.

Tonga nanatrika izany moa ny Ben'ny tanàna eto amin'ny kaominina renivohitra sy ny Relijiosy.

Ho tohizana amin'ny fanadiovana eny amin'ny hôpital be eto Befandriana-Avaratra ny hetsika vehivavy 8 Mars rahapitso amin'ny 5 ora sy sasany maraina.

BEFANDRIANA-AVARATRA: HETSIKA VEHIVAVY 8 MARS 2024Hazakazaka rondombe no nanokafana  ny fanamarihana ny andron'ny vehiva...
02/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: HETSIKA VEHIVAVY 8 MARS 2024

Hazakazaka rondombe no nanokafana ny fanamarihana ny andron'ny vehivavy 8 Mars omaly maraina.
Taorian'izay moa dia nitohy tamin'ny asa fanadiovana ny bazar be eto an-toerana sy teo anoloanan'ny lapan'ny tanàna eto Befandriana-Avaratra.

"Vehivavy miarina sy miray hina , Firenena mandroso" io no lohahevitra ho entina hanamarihana izany amin'ity taona ity.

BEFANDRIANA-AVARATRA: ANDRON'NY SEKOLYManana anjara toerana lehibe eo @ fanabeazam-pirenena ny androny sekoly. Isany nan...
02/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: ANDRON'NY SEKOLY

Manana anjara toerana lehibe eo @ fanabeazam-pirenena ny androny sekoly. Isany nanamarika izany ny tety amin'ny district Befandriana-Avaratra, farana omaly moa izany.

Hetsika maro no nentina nankalaza izany izay nahitana kolotsaina mampiavaka ny faritra tsimihety.

BEFANDRIANA-AVARATRA: FIOMANANA 8 MARS 2024 (CROIX ROUGE MALAGASY) Ho fiatrehana sy fiomanana ny andron'ny vehivavy 8 Ma...
01/03/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: FIOMANANA 8 MARS 2024 (CROIX ROUGE MALAGASY)

Ho fiatrehana sy fiomanana ny andron'ny vehivavy 8 Mars , dia nanatanteraka asa fanadiovana sy fambolena folera teo amin'ny jardin vaovao ao amin'ny fokontany Fiadanana akaiky ny stade munispal ireo mpiantsehatra ao amin'ny Croix Rouge Malagasy eto Befandriana-Avaratra.

Ho fanomezana endrika ny tanàna sy mifotra tanteraka amin'ny fahadiovana no antony nahatonga azy ireo nanao izao hetsika izao.

BEFANDRIANA-AVARATRA : FAMARANANA VONJIMAIKA NY LISITRY NY MPIFIDY Nahitana fiakarana 2587 ny isan'ny mpifidy tafiditra ...
29/02/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA : FAMARANANA VONJIMAIKA NY LISITRY NY MPIFIDY

Nahitana fiakarana 2587 ny isan'ny mpifidy tafiditra ao anatiny lisim-pidianana ,raha 124510 izany ny 20 jolay 2023 dia mïsa 126571 ny lisitra ny mpifidy nofaranana vonjimaika ny 28 feboary 2024 . Nambarany ny filoha CED eto an-toerana RAZAFINARIVO Jeanne Patricia fa ilaina ny fiaraha mientana ny rehetra mba tsy hisy ny tsy ho tafiditra ao anatiny lisitra ny olompirenena rehetra.

Tonga nanatrika izany solontenan'ny mpanao politique , ny sefo fokontany ary ireo fiarahamonim-pirenena.

Ho averina eny amin'ny fokontany ireo lisitry ny mpifidy vonjimaika , mba afahan'ny rehetra manamarina ny anarany , eny amin'ny fokontany izay misy azy avy. Aharitra 20 andro ny fotoana hanatanterahana izany

BEFANDRIANA-AVARATRA:  FAHASALAMANANanatanteraka ny fanadiovana faobe tao amin'ny hôpital be ireo mpiasan'ny fahasalaman...
21/02/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: FAHASALAMANA

Nanatanteraka ny fanadiovana faobe tao amin'ny hôpital be ireo mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny SDSP Befandriana-Avaratra, izay notarihin'ny lehiben'ny faripiadidiam-pahasalamana eto antoerana Dokotera RAJAOHARIVELO Alfred.

Miaramientana ho an'ny fahadiovana , ho fisorohana ny fiparitahan'ny aretina azo avy loto no isan'ny tanjona tamin'izany.

BEFANDRIANA-AVARATRA: VITA VONJIMAIKA NY LALANA EO AKAIKIN'NY TOMBINTSOLIKA SHELL Isany lalàna tena mampanahirana ny vah...
21/02/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: VITA VONJIMAIKA NY LALANA EO AKAIKIN'NY TOMBINTSOLIKA SHELL

Isany lalàna tena mampanahirana ny vahoaka amin'ny fivezivezena rehefa foatoam-pahavaratra tahaka izao , ny lalàna eo akaikin'ny tombintsolika Shell izay vakivakin'ny lalampirenena faha 32 , mampitohy ny distrika ny Antsohihy amin'ny Mandritsara izay mandalo eto amin'ny kaominina renivohitra.

Camion iray no nisendra olana teo amin'ity toerana ity , omaly hariva.

Nisy ny fandraisana andraikitra nataon'ny mpitondra fanjakana aty an-toerana amin'ny alalan'ny fanarenana vonjimaika teo amin'ny buse izay simba ity.

Nanolotra Engin iray ny Goverinoran'ny Faritra Sofia , izay nafahana nanatanteraka ny asa. Teo ihany koa ny fandraisana anjara izay nataony ireo koperativa sy ny avy ao anivon'ny fiadidian'ny kaominina eto Ambonivohitra Befandriana-Avaratra.

BEFANDRIANA-AVARATRA: FAMBOLEN-KAZOZanakazo Miisa 6000 fototra no novolena tamin’ny velaran-tany 3 Ha nandritra fotoana ...
09/02/2024

BEFANDRIANA-AVARATRA: FAMBOLEN-KAZO

Zanakazo Miisa 6000 fototra no novolena tamin’ny velaran-tany 3 Ha nandritra fotoana fambolen-kazo taty am district Befandriana-Avaratra tao amin'ny Tanana Antsirabe Fokonrany Tsararivotra.

Karazana zanakazo Akasia, Kaya, Mandrirofo, Hintsina, ary Mantalio no novolena nandritran’izany. Nosafidiana manokana moa ireo zana-kazo ireo noho izy efa ahiana ho lany taminga.

Hamafisina kosa ny fanarahamaso ny zana-kazo izay vao avy novolena ity , izay ataony ireo komity ny ala eny ifotony.

Manarina tontolo iainana, mamelona aina, mamela lova ho an'ny taranaka. nifandraika tamin'ny izay tokoa no hita omaly nandritra ny fotoana nambolena zana-kazo taty an-toerana.

Efa voarain'ny ray aman-dreniny ilay zaza ka mankasitraka antsika jiaby tamin'ny fiaraha miasa.
06/02/2024

Efa voarain'ny ray aman-dreniny ilay zaza ka mankasitraka antsika jiaby tamin'ny fiaraha miasa.

Address

Résidence
Befandriana Nord

Telephone

+261348780770

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Bemahatazana Befandriana-Avaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Bemahatazana Befandriana-Avaratra:

Videos

Share

Category


Other Befandriana Nord media companies

Show All