Radio SOAFY 103fm

Radio SOAFY 103fm Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Radio SOAFY 103fm, Radio Station, Rn6, Antsohihy.

📑 ANTSOHIHY: SPRINTER IRAY NITRONGISIN'NY CAMION EO AMIN'NY FIDINANA CROISEMENT BEFANDRIAGNA MARAINA TEO😱   ✨ Tapaka his...
05/04/2024

📑 ANTSOHIHY: SPRINTER IRAY NITRONGISIN'NY CAMION EO AMIN'NY FIDINANA CROISEMENT BEFANDRIAGNA MARAINA TEO😱

✨ Tapaka hisatra eo amin'ny fidinana Croisement BEFANDRIANA ity Camion ity, ilay Sprinter mijanona eo amin'ny Zandary manao fisavana no nitrongisina😳

Tsy misy aloha AINA nafoy fa potika vodin'ilay Sprinter

Radio Soafy SOFIA

📝  LALANA MAMPITOHY ANTSOHIHY - BEALANANA  ✨ Amin'izao asara izao efa 4x4 ihiany na Camion matanjaka no hafaka mandeha a...
25/01/2024

📝 LALANA MAMPITOHY ANTSOHIHY - BEALANANA

✨ Amin'izao asara izao efa 4x4 ihiany na Camion matanjaka no hafaka mandeha amin'ny lalana mampitohy Antsohihy sy Bealanana 😳

Radio Soafy SOFIA

06/10/2023

✅ ANTSOHIHY
Mitady Tragno 3 Chambres, misy jiro s'y Rano ary do**he & WC
- (032 35 992 21) na M.P

📑 𝗝𝗢𝗨𝗥𝗡𝗘𝗘 𝗗𝗘𝗦 𝗠𝗘𝗗𝗔𝗜𝗟𝗟𝗘𝗦: NITOLORANA IZANY IREO ATLETA NANANDATRA LAZAN'NY MADAGASCAR.      ✨Nomen'ny Filoham-pirenena An...
07/05/2023

📑 𝗝𝗢𝗨𝗥𝗡𝗘𝗘 𝗗𝗘𝗦 𝗠𝗘𝗗𝗔𝗜𝗟𝗟𝗘𝗦: NITOLORANA IZANY IREO ATLETA NANANDATRA LAZAN'NY MADAGASCAR.

✨Nomen'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sehatra manokana ny fanatanjahan-tena androany 7 may 2023 tamin'ny alalan'ny "journée des médaillés" tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Notolorana mari-boninahitra sy mari-pankasitrahana ireo atleta namiratra, nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninana teo amin'ny kaontinanta Afrikanina sy iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2019. Anisan’izany ny taranja tsipy kanetibe, ny karate, ny tennis, ny rugby vehivavy, ny athlétisme, ny taekwondo, ny lutte sy ny judo.

✨Ny fandresena izay azonareo hoy ny Filoha dia fandresena ho an'i Madagasikara ary mamelona sy mampiredareda ny afon'ny hambompom-pirenena ao anatin’ny Malagasy tsirairay. Mitohy hatrany hoy izy ny fanohanana ny fanatanjahan-tena Malagasy ary mariky izany ny nananganana ireo kianja miisa 30 manerana ny Nosy sy ireo gymnase miisa 18 izay efa vita sy an-dalam-pahavitana ankehitriny.

✨Mikasika ny lalaon'ny Nosy andiany faha 11 dia nambaran’ny Filoham-pirenena androany ihany koa fa ny foto-kevitra hijoroana amin'izany dia ny hoe "Fandresena ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana" (la victoire dans l'unité et la diversité). "Asehontsika manerana ny oseana indiana ny firaisan-kina, ny firaisampo, ny firaisan-tsaina. Raha vao ny fanevam-pirenena, raha vao ny voninahi-pirenena no resahana dia tokony fo mitempo iray ny malagasy rehetra." hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Radio Soafy SOFIA

📑 ANTSOHIHY: MIRONGATRA NY VAKY TRAGNO SY FANGARONAM-PAOSY ENY BAZARY.    ✨ Ankaiky ny fetin'ny pasika , tranga mateti-m...
05/04/2023

📑 ANTSOHIHY: MIRONGATRA NY VAKY TRAGNO SY FANGARONAM-PAOSY ENY BAZARY.

✨ Ankaiky ny fetin'ny pasika , tranga mateti-miverina rehefa toy izao ny hala-boty sy fandravana eny amin'ny toerana voria vahoaka.
Omaly alina dia nisy namaky ny toeram-piasan' i Rico , izay fantatry ny maro amin'ny fanamboarana Téléphone sy Ordinateurs; eo ambanin'ny Pompe Rafia.
Tamin' ity herinandro ity no fantatra fa olona tsy latsaky ny 03 no lasibatry ny karo-paosy teny Bazary, ka lasa vola sy finday.

🔺 Efa manao asany ny mpitandro filaminana , izay manao patrouille mitety Tanàna ka mangataka ny hanatombona ny isan'izy ireo ny vahoaka.

✨Ankaiky tokoa ny fety ee
Samia mitandrina ny tsirairay fa mizaha izay harapany ireo mpanao ratsy.

Radio Soafy SOFIA

📑  MANOHANA HATRANY NY FANJAKANA HANAVOTANA NY FAHANTRANA NY MINISITERAN'NY MPONINA , TENY NAMBARA TAMIN'NY FANKALAZANA ...
30/03/2023

📑 MANOHANA HATRANY NY FANJAKANA HANAVOTANA NY FAHANTRANA NY MINISITERAN'NY MPONINA , TENY NAMBARA TAMIN'NY FANKALAZANA 29 MARS.

🔃Tolom-panafahana, firaisan-kina ho an'ny fitiavan-Tanindrazana.

✨Mijoro ary mandray ny ilo miampita ny mpitondra ankehitriny ka miasa miaraka hanatrarana ny veliranon'ny Filoham-pirenena. Ny Ministeran'ny Mponina izay tarihan-dRamatoa Soafilira Princia sy ny Tale Kebinetra Andriamatoa Yan Wilfried Ramananirina dia milofo sy miasa mafy ho amin'izany ary mijoro ara-politika manohana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny heriny rehetra entina manafaka ny Malagasy anatin'ny fahantrana.

Radio Soafy SOFIA

📑 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢𝗠𝗕𝗔𝗞𝗢𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗗𝗔𝗥𝗜𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗢𝗥𝗔𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔    ✨Nandritra ny fanamarihana ny tolom-panafahana ...
29/03/2023

📑 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗗𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢𝗠𝗕𝗔𝗞𝗢𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗗𝗔𝗥𝗜𝗠𝗔𝗥𝗜𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗢𝗥𝗔𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔

✨Nandritra ny fanamarihana ny tolom-panafahana tamin'ny 29 martsa 1947 tao Moramanga dia nitsidika ny tranombakoky ny Zandarimariam-pirenena ao an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

✨Niorina tamin'ny taona 1963 ary notokanana ny 3 martsa 1967 ity tranombakoka ity ary mirakitra ireo vakoka sy ireo pejin'ny tantaran'ny firenena Malagasy sy ny Tafika amin'ny ankapobeny hatramin’ny vanim-potoanan’ny faha mpanjaka.
Naorina teo amin’ity toerana ity moa ity tranombakoka ity noho i Moramanga anisan'ny ivon'ny tolom-panafahana tamin'ny 1947 ary tao Moramanga ihany koa no nisy ny sekoly fampiofanana zandary voalohany teto Madagasikara.

Radio Soafy SOFIA

📑 ANTSOHIHY: IRAY TSY MIVAKY NY MPANAKANTO , VITA TAMIN'NY ASABOTSY TEO FIFAMPIARAHABANA TRATRIN'NY TAONA VAOVAO (( F.M....
20/03/2023

📑 ANTSOHIHY: IRAY TSY MIVAKY NY MPANAKANTO , VITA TAMIN'NY ASABOTSY TEO FIFAMPIARAHABANA TRATRIN'NY TAONA VAOVAO (( F.M.M.S ))

✨ Mampiray ny zava-kanto , omby iray mideka no nalavon'ireo Fikambanana Mpanakanto Miray ato Sofia ( F.M.M.S) eto Antsohihy, nofonkena mitam-pihavanana tamin'ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao.

"" Tanjona ny hampiray mpiantsehatra amin'ny zava-kanto rehetra, ary miantso ny mpanakanto mbola tsy mikambana mba hiditra fikambanana "" hoy ny Filoha Mpanakanto RALEDEY.

"" Hiezahina hatao isan-taona ny fety toy izao , ary hiezaka hifanampy na eo amin'ny tsara na amin'ny ratsy ny mpanakato hoy lefitry ny filohan'ny fikambanana Mpanakanto Viavy Ydah Ydah Rose .

✨Tonga teto nanome voninahitry ny fety D.D.R faritra Sofia , nifarimbonan' ireo mpitendry sy mpihira ary mpanakanto sy ny vadiaman-janak' izy ireo, tao amin'ny Bar Nancy Ambalakida.

🔈Samy faly ny rehetra ka hira nifandimbiasana sy dihy no namaranana ny lanonana.

Radio Soafy SOFIA.

📑 ANTSOHIHY: TAGNAMARO 2023 , FANDOKOANA BIRAO FOKONTANY AMBALAKIDA.    ✨Ny fanadiovana ny manodidina sy ny fanavaozana ...
18/03/2023

📑 ANTSOHIHY: TAGNAMARO 2023 , FANDOKOANA BIRAO FOKONTANY AMBALAKIDA.

✨Ny fanadiovana ny manodidina sy ny fanavaozana ny biraon ny Fokontany Ambalakida tamin alalan ny fandokoana azy no nentin ireo Sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin ny fanjakana teto Antsohihy nanatanterahana ny TAGNAMARO izay notarihin ny Fitaleavam paritry ny Serasera Sofia

👏Velom pisaorana manoloana izao hetsika fanavaozana ny biraon ny fokontany izao ny lehiben ny Fokontany Ambalakida Atoa RAZAFIMANTSOA Nally.

Src: Antsohihy New
Radio Soafy SOFIA

📑 ANTSOHIHY: NOFARANANA OMALY 17 MARS NY TAOM-PITSARANA 2022 ARY NOSOKAFANA KOSA NY TAOM-PITSARANA 2023.     ✨Lanonam-pi...
18/03/2023

📑 ANTSOHIHY: NOFARANANA OMALY 17 MARS NY TAOM-PITSARANA 2022 ARY NOSOKAFANA KOSA NY TAOM-PITSARANA 2023.

✨Lanonam-pitsarana manetriketrika no notanterahina omaly Zoma 17 Mars 2023 tao amin'ny Tribunal du Première Instance T.P.I eto Antsohihy izay namaranana ny taom-pitsarana 2022 sy nanokafana ny taom-pitsarana 2023.
Nandritra io fotoana io no nanaovana tatitra ireo asa vita nandritran'ny taona 2022 sy namaritana ampahibe-maso ny ezaka ho tratrarina amin'ity taom-pitsarana 2023 ity.

✨Fantatra omaly fa mitana voalohany ny T.P.I Antsohihy amin'ny fahatratrarana ny tanjona napetraky ny ministeran'ny Fitsarana, raha 70% n'ireo voafonja no tokony ho voatsara dia nahavita 74% mihoatra ny tanjona ny teto amin'ny T.P.I Antsohihy.

👏Voalohany arak'izany ny eto Antsohihy raha mitaha amin'ny faritra Betsiboka sy Sofia ato amin'ny fari-piadidiam-pitsarana faritan'ny Mahajanga.

✨ Tanjona amin'ity taom-pitsarana 2023 ity ny fanatsarana ny tontolon'ny fitsarana eto amin'ny T.P.I Antsohihy:
1- Fanafoanana ireo mpijirika milaza ho mahavita raharaha ao amin'ny fitsarana ( Rabatteur ).
2- Numérisations n'ny tontolon'ny Fitsarana , fametrahana Wiffi sy Caméra de surveillance.
3- Fanaovana varavarana misokatra na Porte ouverte ho fampahafantarana ny asa sy olan'ny fitsarana ho fantam-bahoaka.

Radio Soafy SOFIA.

📑 ANTSOHIHY: TRICYCLE MIISA 36 NANAO BE MIDINA NANADIO FASIKA NIVOAKA AVY AMIN'NY TATATRA.   ✨Matotra ny fiaraha-miasa e...
17/03/2023

📑 ANTSOHIHY: TRICYCLE MIISA 36 NANAO BE MIDINA NANADIO FASIKA NIVOAKA AVY AMIN'NY TATATRA.

✨Matotra ny fiaraha-miasa eo amin'ny Commune Urbaine Antsohihy sy Syndicat Tricycle Antsohihy. Androany no nanadio ireo fasika izay navoaka tao amin'ny tatatra mety ahasakana Rano hivalana ireo Tricycle miisa 36 eto Antsohihy izay ao amin'ny Syndicat taritin'Andriamatoa JAO.

✨Nilaza ny filohan'ny Syndicat fa tsy mijanona eo ny fanasoavana ny Tanàna fa misy hetsika hafa atoato. Ary nisaotra ireo Mpamily tonga rehetra koa ny tenany.

🙏 Nankasitraka izao ezaka mety alain-tahaka izao ny Ben'ny Tanànan' Antsohihy Andriamatoa NASIRY Ali , maromaroa ny toy izao hoy Izy. 🙏

Radio Soafy SOFIA.

📑 BEFOTAKA AVARATRA (ANALALAVA): SAMBANY TAMIN'NY TANTARAN'NY BEFOTAKA NO NISY FETIN'NY 08 MARS NARESAKA SY VORY VEHIVAV...
09/03/2023

📑 BEFOTAKA AVARATRA (ANALALAVA): SAMBANY TAMIN'NY TANTARAN'NY BEFOTAKA NO NISY FETIN'NY 08 MARS NARESAKA SY VORY VEHIVAVY TOY NY OMALY.

✨Nahitana saika fikambanana rehetra mijoro ao amin'ny Kaominina no tonga teo amin'ny renivohitra Mevarano ao Befotaka avaratra omaly Alarobia 08 Mars 2023 nanamarika ny andro eran-tany hoan'ny Vehivavy. Omby 02 no nalavo natao ho nofon-kena mitam-pihavanana.

👏 Samy niaiky ny rehetra fa sambany amin'ny tantaran'ny fetin'ny 08 Mars no nahitana vehivavy vory maro toy izao. Nahitana saika sokajim-pikambanana rehetra na tsotra na ara-pinoana.

✨ "" Manentana atsika rehetra hiara-hitaiza ireo ankizy vavy izay iharan'ny heri-setra satria efa mitovy Zo ka samy manana adidy tokony hitaiza na lahy na ny vavy mba hahatonga ny fampandrosoana lovain-jafy. Tsy vitan'ny mpampianatra samirery ny fitaizana ny ankizy vavy fa miainga avy ao an-tokatrano ka ny vehivavy no manana adidy voalohany amin'izany. Raha misy fampandrosoana tiana hatao dia aza misalasala manatona ny Ben'ny Tanàna , indrindra isika vehivavy satria ny ben'ny tanànanareo dia vehivavy ary zavatra tsara no hifaninanantsika amin'ny lehilahy toy ny andraikitra....sns. "" Navoitran'ny Ramatoa MADAMO Françoise, izay Ben'ny Tanànan'ny Kaominina ambanivohitra Befotaka avaratra ireo nandritran'ny fandraisany fitenenana raha nanazava ny lohahevitra fankalazana 08 Mars tamin'ity taona ity.

✨ Teto no nanehoana fomba malagasy dia fanarognagna Ramatoa Ben'ny Tanàna ary novaliany izany ka nosarognany avokoa ireo filohan'ny fikambanana rehetra tonga nandray anjara tamin'ny filaharana, ka nanokanany Salovana miisa 60.
Nisy ihiany koa ny fametrahana fehezam-boninkiazo teo amin'ny Tsangambaton'ny 08 Mars.

👏 Lelavola 200 000 ariary no fanampiana nomen'ny Sénateur Odilon, Vola 600 000 ariary avy tamin'ny Andriamatoa Velontsara Paulbert izay Député voafidy tao Port Bergé, Station Jovena nanome vola 100 000 ariary, ny mpandraharaha rehetra nanomeo Vola 100 000 ariary ka nondesina nanomanana fety omaly , ary nisaoran'ny Ben'ny Tanàna manokana azy ireo.

🚫 Marihina fa na teo aza ny Sakantsakana ny hampivakivaky vahoakan'ny kaominina Befotaka izay nataon'ny solombavambahoaka voafidy tao Analalava dia tsy nandaitry izany. Satria nomeny omby ny fokontany sasany mba tsy hiakatra hanao fety amin'ny renivohitra Kaominina, toy izany koa ny Service sasany toy ireo mpanabe amin'ny E.P.P dia vory lanona ihiany ireo vehivavy izay mahatsapa firaisankina fa hempaka sakana fandrosoana.

✨ Nofaranana tamin'ny kilalao sy Vakodrazana samihafa ary fiaraha-misakafo hoan'ireo nasaina ny lanonana omaly.

Radio Soafy SOFIA

📑 MADAGASCAR: VEHIVAVY AVY AMIN'NY FIKAMBANANA MIISA 600 MAHERY AVY AMIN'NY LAFY VALON'NY NOSY NO NANDRAY ANJARA TAMIN'N...
08/03/2023

📑 MADAGASCAR: VEHIVAVY AVY AMIN'NY FIKAMBANANA MIISA 600 MAHERY AVY AMIN'NY LAFY VALON'NY NOSY NO NANDRAY ANJARA TAMIN'NY HETSIKY NY 08 MARS OMALY.

💫 Andro natao hanomezan-danja ny zo sy ny toerana misy ny vehivavy ny omaly. Ka isaorana ny Filohampirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa Mialy Rajoelina izay nanome voninahitra sy niahy ny lanonana ary notronin’ireo Lehiben’ny andrim-panjakana sy ireo Minisitra vehivavy mpikambana ao amin’ny governemanta.

🙏 "" Mankasitraka manokana Filoha Rajoelina isika fa izy no tena nanana fahasahiana sy fahatokisana indrindra nametraka Vehivavy maro eo amin'ny toerana ambony eto amin'ny Firenena.
Misaotra an'ny Ramatoa Mialy Rajoelina vadin'ny Filoha koa isika nankahery sy nankasitraka ny Vehivavy rehetra amin'ny fikirizana sy ny risipo.
Hita fa manome lanja sy hasina ny Vehivavy ny Filoha Mivady raha tsy hilaza afa tsy ireo tetik'asa fihariana maro omena ny vehivavy. Maro koa ny asa efa vitantsika mba hirosoana amin'ny fizakantenan'ny Vehivavy, eo koa ny ady amin'ny herisetra, ny fanampiana ireo marefo...sns.
Hita tokoa omaly fa tsy mbola nisy toy izao ny fahafahan'ny Vehivavy hatrizay nankalazana ny 8 mars araka ny voalazan'ny vadin'ny Filoha. Ka mankasitraka manokana ireo vehivavy rehetra manerana ny Nosy tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao"" Hoy Ramatoa Soafilira Princia Minisitry ny mponina eto Madagascar.

🙏 "" Tsy tokony ho fanaka malemy, na ravaky ny tokontrano ihany ny Vehivavy fa manana Andraikitra sy toerana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny Firenena "" Hoy Andriamatoa ANDRY Nirina Rajoelina filohan'ny Repoblika tamin'ny lahateniny omaly.

✔ Nisaotra ny Association Fitia sy ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanohanana rehetra ho fahatanterahana ny hetsika rehetra ny Minisitry ny Mponina. 🙏

Radio Soafy SOFIA

💽 💡JIRO FAMILLY SUNSHINE      AO AMIN'NY STATION TOTAL ✅  💡Lampe azo chargena Téléphone.  💡Azo chargena @ Panneaux Solai...
07/03/2023

💽 💡JIRO FAMILLY SUNSHINE
AO AMIN'NY STATION TOTAL ✅

💡Lampe azo chargena Téléphone.
💡Azo chargena @ Panneaux Solaire sy Courant.
💡Mitana Charge 12h au moin.
💡Misy Garantie 1ans
✔Prix 125 000 ariary

💡Projecteur kely
💡Chargable
✔Prix 25 000 ariary

💥Toerana ahitana Azy Station TOTAL Ambendrana Antsohihy.
Info: 034 45 707 71.

📑 ANTSOHIHY: TONTOSA OMALY ASABOTSY NY FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA SADY FANKALAZANA FAHA-25 TAONAN'NY FIKAMBANANA S...
05/03/2023

📑 ANTSOHIHY: TONTOSA OMALY ASABOTSY NY FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA SADY FANKALAZANA FAHA-25 TAONAN'NY FIKAMBANANA S.A.V.A.M.A (ZANAKA SAVA).

✨ Tao amin'ny Maison Blanche eo amin'ny Croisement Génie rurale no nihaonan'ny Zanaka Sambava Antalaha Vohemara ary Andapa monina eto Antsohihy (S.A.V.A.M.A) omaly Asabotsy 04 Mars 2023 , niara nifaly nohon'ny nahatratrarana taona vaovao.
Omby iray izay natolotry ny filohan'ny fikambanana sy ny vadiny (volany madiodio) no natao ho nofonkena mitam-pihavanana.

✨Tamin'ny taona 1998 no niorina teto Antsohihy ny fikambanana Zanaka SAVA, izay feno 25 taona amin'ity taona ity.

🎶"" Tanjona amin'ny ankapobeny mba hanalana fahasahiranana aty atanin'olona satria mifanampy amin'ny tsara sy ratsy ny mpikambana. Hatao tsy ho ela ny Trano iray ary hividy tokotany atao burao satria tsy ho lany ny mpila ravinahitra avy any SAVA. Raha misy zanaka faritra ka tra-pahasahiranana eto Antsohihy dia miditra antsehatra manampy ihiany koa ny fikambanana "" hoy Andriamatoa Fidison Tiazara izay filohan'ny fikambanana.

✨Nisy teto ny fanomezana mari-pankasitrahana hoan'ireo tena miavaka sy mavitrika ao amin'ny mpikambana sy hoan'ireo Zaza afaka fanadinana C.E.P.E sy B.E.P.C ary BACCALAURÉAT, zanaka faritra SAVA rahateo no nandrombaka lauréat CEPE sy BACCALAURÉATS teto Antsohihy.

Radio Soafy SOFIA.

📑 ANTSOHIHY: ISANY MAMPAHAZO VAHANA NY RAHARAHAN'NY COMMUNE SY TAXI VILLE NY FANDEFASANA VAOVAO TSY MARINA ALEFAN'NY HAI...
04/03/2023

📑 ANTSOHIHY: ISANY MAMPAHAZO VAHANA NY RAHARAHAN'NY COMMUNE SY TAXI VILLE NY FANDEFASANA VAOVAO TSY MARINA ALEFAN'NY HAINO AMAN-JERY MANOHITRA FANJAKANA.

✨Raha ny zava-misy tsy vao zao no nahenoina ny Syndicats tarihin'Andriamatoa CLAUDE fa teo ihiany fa tsy de nihetsika. Andro vitsy izay samy nahenoana antso mba hivory ny Syndicat roa misy eto Antsohihy, na izay taritin'ny Z**I na izay taritin'ny CLAUDE.
Nahoraka ny raharaha ary samy mitazana ny mpanara-baovao sy mponina eto Antsohihy.

💤 Akory anefa ny vaovao mivoaka?? Samy mandoka izay tahiny aloha raha ny fahitana azy. Fa ny mahagaga, efa mafy loatra ny falaignana Fanjakana angaba dia mamafy vaovao tsy mari-pototra ity farany, niteny ny lahatsoratry ny pejin'ny haino aman-jery tsy miankina iray sady mpanohitra fanjakana hoe: "" IRAKA KAOMININA NY SYNDICAT IRAY TARITIN' I CLAUDE "", niezaka mba nanadihady ka niantso ny tao amin'ny Kaominina ny Mpanao gazetin'ny Radio Soafy ary namaly izy ireo efa nisy efa hela Syndicat hentin' i Claude ary tsy irakanay velively.

✨Voakarama hanaparitaka vaovao tsy marina ve sa efa maika hanindrona Fanjakana sa tsy manao fanadihadiana zay vao mamoaka lahatsoratra ilay pejin'ny haino aman-jery???

Radio Soafy SOFIA

📑 Toy izao ny Programme hoan'ny fankalazana 08 Mars eto amin'ny Distrikan'Antsohihy.Radio Soafy SOFIA
04/03/2023

📑 Toy izao ny Programme hoan'ny fankalazana 08 Mars eto amin'ny Distrikan'Antsohihy.

Radio Soafy SOFIA

📑 ANTSOHIHY:  ✨Accident zao antoandro izao eo amin'ny Bazar Ambodimangidy Tsaramandroso.Camion sy Sprinter.......Ho hita...
01/03/2023

📑 ANTSOHIHY:

✨Accident zao antoandro izao eo amin'ny Bazar Ambodimangidy Tsaramandroso.
Camion sy Sprinter.......

Ho hita eto ny tohiny__________

Radio Soafy SOFIA

📑 MOTO YAMAHA ZARAIN'NY FANJAKANA HOAN'IREO BEN'NY TANÀNA TSY ANKANAVAKA.     ✨Hamitana ny asa any amin'ny tany lavitra ...
27/02/2023

📑 MOTO YAMAHA ZARAIN'NY FANJAKANA HOAN'IREO BEN'NY TANÀNA TSY ANKANAVAKA.

✨Hamitana ny asa any amin'ny tany lavitra andriana sy mba tsy ho sahirana intsony ny Maire hamita ny asa sy adidy mifanandrify aminy.
Vokatra azo tsapaintanana no ilaintsika ary mila mandroso isika!

✨Na Maire mpomba fitondrana na Maire mpanohitra rehefa hainy Filoha Andry Rajoelina fa hampandroso vahoka sy vonona hiasa dia notolorany izany Moto izany avokoa satria filoha tsy mpanavakavaka ny Filoham-pirenena fa filohany vahoaka 26 Tapitrisa tsy ankanavaka.

Radio Soafy SOFIA

📑 FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY VEHIVAVY (08 MARTSA 2023) ETO MADAGASCAR.    🎈"Fanabeazana ny ankizivav...
27/02/2023

📑 FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY VEHIVAVY (08 MARTSA 2023) ETO MADAGASCAR.

🎈"Fanabeazana ny ankizivavy, fizakan-tenan'ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy".

✨Natomboka tamin'ny FITSABOANA MITETY VOHITRA " SAROBIDY NY AIKO ".
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Mponina Ramatoa SOAFILIRA Princia sy Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ary Minisitry ny Filaminam-bahoaka.

Radio Soafy SOFIA

🔮Vonona hiaraka sy hifanampy amintsika mianakavy eto Madagascar ny Minisitry ny Mponina sy Fiahiana Ara-tsosialy ary fam...
26/02/2023

🔮Vonona hiaraka sy hifanampy amintsika mianakavy eto Madagascar ny Minisitry ny Mponina sy Fiahiana Ara-tsosialy ary fampivoarana ny Vehivavy Ramatoa SOAFILIRA Princia 🙏

Radio Soafy SOFIA.

📑 SOFIA: NANATONTOSA FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA NY FIANAKAVIAM-BEN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA, OMALY ASABOTSY. ...
26/02/2023

📑 SOFIA: NANATONTOSA FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA NY FIANAKAVIAM-BEN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA, OMALY ASABOTSY.

✨Sambany amin'ny tantaran'ny Serasera ato amin'ny faritra Sofia no nisy fety niavaka , nahafatesana Omby iray mitam-piavanana toy izao, ny eo anivon'ny Serasera. Saika nahitana Solontena avy ny Distrika 07 ato amin'ny faritra niampy haino aman-jery tsy miankina eto Antsohihy , teo amin'ny tokotany malalaky ny RNM/TVM Antsohihy.

✨ " Tanjona rehefa tonga teto Aho ny hampiray haino vaky jery na miankina na tsia , tsisy ambony na avahana fa samy tiako ireo satria avy tany amin'ny haino aman-jery tsy miankina no niasako teo aloha ka tsisy ataoko zanaka kiala hafa. '" hoy Andriamatoa RASOLOFOSON Emile , talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ato Sofia.

✨Samy mankasitraka asa vitan'ny Tale amin'izao ny rehetra ary midera fa mahay nitondra ireo mpiasan'ny serasera izy nandritran'izay 04 taona izay ka nanome fisaorana ny ekipa rehetra tamin'alalany teny nohentin'ny Andriamatoa NDRAIMITIANA izay Filohan''ny fikambanana mpiasan'ny haino aman-jery eto Antsohihy.

✨Natao teto ny fomba malagasy dia fanarognagna Talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina sy Ramatoa Vadiny.
Omby iray no nalavo ho nofonkena mitam-pihavanana.

🙏 Ho ela velona ny ekipan'ny haino aman-jery rehetra 🙏

Radio Soafy SOFIA

🙏 FISAORANA ,, CONCOUR COVER 2eme EDITION 🙏  🙏Ny ekipan'ny Radio Soafy SOFIA dia manolotra Fisaorana hoan'ireo nandray a...
25/02/2023

🙏 FISAORANA ,, CONCOUR COVER 2eme EDITION 🙏

🙏Ny ekipan'ny Radio Soafy SOFIA dia manolotra Fisaorana hoan'ireo nandray anjara rehetra , Mpanohana , Mpitsara , ekipa mpanao Tantara ( Groupe KINTANA sy Groupe VONGIAKA ),, ekipan'ny Radio Soafy rehetra 🙏

📷 Journal d'Antsohihy 📷

📑 BEFOTAKA AVARATRA (ANALALAVA): HO FANATANTERAHANA VELIRANO FAHA-10, ZANA-KAZO MIISA 2 500 FOTOTRA NOVOLENA ANDROANY.  ...
23/02/2023

📑 BEFOTAKA AVARATRA (ANALALAVA): HO FANATANTERAHANA VELIRANO FAHA-10, ZANA-KAZO MIISA 2 500 FOTOTRA NOVOLENA ANDROANY.

✨Niara-nirohitra ny vahoakan'ny Befotaka avaratra androany nanamaitso ny Tontolo androany. Zana-kazo miisa 2 500 fototra novelana tamin'ny velarantany 02 hektara androany Alakamisy, nahitana Pamba, Hintsigny, Mandrorofo ary Bonara mamy.

✨"" Tanjona ny hanamaitso an'ny Madagascar sy fanatanterahana velirano faha-10 napetraky ny filoham-pirenena. Efa samy vonona amin'ny fiarovana hazo voavoly rehetra ny ao an-toerana.
Indro kely anefa tsy tonga nanatontosa izao fambolen-kazo izao ny mpianatra fanjakana toy E.P.P sy C.E.G nefa andro faharoa hoan'ny Journée des École izao , izay noraran'ny Chef Zap tsy ho tonga "" hoy Ramatoa MADAMO Françoise izay Ben'ny Tanànan'ny Befotaka Avaratra.

✨"" Tokony samy hikolokolo izay voavoly ny rehetra satria isany iankinan'ny fampandrosoana ity fambolen-kazo ity ary nisaotra ireo tonga nandray anjara rehetra "" hoy lehiben'ny Distrikan' Analalava Andriamatoa Naina Xavier .

👏Tonga nanatontosa adidy androany ny Lehiben'ny Distrikan'Analalava, Talem-paritry ny Mponina sy fiahina ara-tsosialy ary fampivoarana ny Vehivavy ato Sofia, ireo Sivily sy miaramila, fikambanam-behivavy mijoro ao an-toerana, mpianatra maro...sns.

Radio Soafy SOFIA

📑 08 Martsa 2023_ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY ZON'NY VEHIVAVY.    ✨Eo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy R. RAJOELINA va...
23/02/2023

📑 08 Martsa 2023_ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY ZON'NY VEHIVAVY.

✨Eo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy R. RAJOELINA vadin'ny Filoham-pirenena,
Eo ambany fiahian-dRamatoa Ministry ny Mponina Ramatoa SOAFILIRA Princia

"Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy".

Radio Soafy SOFIA

22/02/2023

📑 🔴ANTSOHIHY: RAHARAHAN'NY TAXI VILLE SY COMMUNE URBAINE.

✨Nampiantso Mpanao Gazety ny eo anivon'ny Commune Urbaine Antsohihy androany manoloana ny vaovao mivoaka hoe manao kolikoly Commune. Eo amin'ny lafiny fakana Licence Taxi ville no nivoahan'ny Vaovao tamin'ny Pejin'ny Haino aman-jery iray eto Antsohihy.

❌🚫 Notsindrian' Andriamatoa Olizara Lydio'o , izay Sekretera jeneralin'ny Kaominina , fa tsy manao kolikoly ny eo anivon'ny Commune Urbaine Antsohihy fa mampihatra ny Lalana velona.🚫❌

🎬 Toy izao ny fanazavany 🎬

Radio Soafy SOFIA.

📑 ANTSOHIHY: 21 FEBROARY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN'NY TENY RENY.    ☑ " Teny reny ifanabeazana, fanoitr...
21/02/2023

📑 ANTSOHIHY: 21 FEBROARY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN'NY TENY RENY.

☑ " Teny reny ifanabeazana, fanoitra hoan'ny fampandrosoana " io no lohahevitra nankalazana izany tamin'ity taona ity.

✨Tsy latsa-danja tamin'ny fanamarihana izany ny teto Antsohihy ka tao amin'ny EPP Haute Ville no nanokafana sady notsidihin'ireo delegasionina avy amin'ny fitaleovam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ato Sofia izay tarihin' Andriamatoa RASOLOFOSON Emile talemparitry ny serasera sy ny Kolontsaina ato Sofia.
Vaky boky ary fanazavana ny anjara toerana misy ny teny Reny eo amin'ny fampandrosoana sy hoan'isambatan'olona no natao tao amin'ny Kilasa T4.

✨Samy liana tamin'izany ireo mpianatra ary nanisy teny fisaorana tamin'lalan'ny talentsekoly androany maraina .

Radio Soafy SOFIA

🔺 ALERTE : MINISITRY NY MPONINA SY FIAHINA ARA-TSOSIALY ARY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY ETO MADAGASCAR DIA MBOLA MANAMAFY I...
21/02/2023

🔺 ALERTE : MINISITRY NY MPONINA SY FIAHINA ARA-TSOSIALY ARY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY ETO MADAGASCAR DIA MBOLA MANAMAFY IZAO ANTSO AVO IZAO.

❗Mandraisa andraikitra , hamafiso ny fitandremana fa izay tsara fiomanana tsy ho tampohin'ny Loza ❗
Fa efa tsy lavitra atsika i FREDDY 🙏

Radio Soafy SOFIA

📑 MITOHY NY ASA FANASOAVANA SY FANAMPIANA VAHOAKA MALAGASY 🙏🙏  ✨Manohy ny andraikitra amin'ny maha Minisitry ny Mponina ...
21/02/2023

📑 MITOHY NY ASA FANASOAVANA SY FANAMPIANA VAHOAKA MALAGASY 🙏🙏

✨Manohy ny andraikitra amin'ny maha Minisitry ny Mponina sy fiahina ara-tsosialy ary fampivoarana ny Vehivavy Ramatoa Soafilira Princia . Nanamafy Izy fa mitohy ny fanohizana ireo asa efa natomboka toy ny fanampiana ireo sahirana sy marefo eto amin'ny Firenena ary nisaotra ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy Praiminisitra Ntsay Christian Izy nohon'ny fahatokisana Azy amin'ity andraikitra ity. 🙏

Radio Soafy SOFIA

Address

Rn6
Antsohihy
407

Telephone

+261349734953

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio SOAFY 103fm posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category


Other Radio Stations in Antsohihy

Show All