27/08/2024
✳️✳️Ho fanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny mpianatra any an-tsekoly dia misy izao fandaminana izao ho an’ny taom-pianarana 2024-2025:
🔳Ampatsiahivina isika ray aman-dreny fa maimaimpoana ny fisoratana anarana eny anivon’ny sekolim-panjakana.
🔳Raha tapaka nandritra ny fivoriam-ben’ny ray aman-dreny fa hisy ny fandraisan’anjaran’izy ireo dia karaman’ny mpampianatra FRAM « non subventionnés », izay nifanarahana amin’ny ray aman-dreny ihany no azo hampandraisana anjara azy ireo.
🔳Ho an’ireo fianakaviana izay tena marefo sy sahirana, dia azo atao ny misoratra anarana eny amin’ny fokontany ho an'ireo izay mbola tsy tafiditra an-tsekoly.
🔳Anjaran’ny sefo fokontany no manamarina izany, ary manatitra ny lisitra eny amin’ny sekolim-panjakana akaiky indrindra; ka voakasik'izany avokoa na EPP, na CEG, na Lisea.
🔳Tsy maintsy raisin’ny sekolim-panjakana izy ireo araky ny fahafahana mandray ny sekoly, ka anjaran’ny lehiben'ny CISCO no mandamina ny isa mety mihoatra na ambany.
🔳Tsy tokony mandoa fandraisan’anjara ireo ray aman-dreny izay tafiditra anaty lisitra manana ankizy marefo sy sahirana.