AFHAM Vakinankaratra

AFHAM Vakinankaratra l'AFHAM a pour mission principale de contribuer à promouvoir l'autonomisation des femmes handicapées et leur épanouissement dans tous les domaines

21/09/2022

Tsy izay vehivavy sembana rehetra akory dia mpikambana AFHAM daholo. Manaja ny soatoavinay izahay dia:
- ny firaisankina
- ny fifanajana
- ny fifanabeazana
- ny fifampitokisana
- Ary ny fahamendrehana
Koa izay olona milaza ho AFHAM kanefa tsy mahazo alalana avy amin'ny Filoha Lolona Mamisoa sy Filoha Lefitra Lydia dia MPISANDOKA. Saro-piaro ny maha AFHAM Vakinankaratra anay izahay ☹️☹️.

29/08/2022

Malgré son handicap il refuse de s'asseoir et mendier. Il préfère travailler dur dans la maçonnerie et gagner sa vie à la sueur de son front ! 💪🏾❤️

15/08/2022

Maro amintsika ny efa mahalala, tsy vitsy koa ireo mbola tsy mahafantatra fa holaizainay tsotsotra eto ny momba ny tetik'asa OBSMADA izay miompana amin’ny fanamafisan'orina ny fandraisan’ny tanora andraikitra amin’ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana maharitra, ka mba ho lasa mpitondra fiovana mahomby eto amin’ny firenena izy ireo.

Amporisihina araka izany ny fandraisany andraikitra eo amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena sy ny fitondrana ny feon’ny fiarahamonina.

👉 Misy paik’ady mipetraka ho fanairana mialoha mba hisorohana ny disadisa eny amin’ny fiarahamonina na "système d’alerte précoce pour la prévention des conflits "ao anatin’ny tetik'asa OBS Mada.

👉Misy ireo Tanora maro notolorana fiofanana toy ny "leadership " sy ny "montage de projet "

👉Misy ireo Tanora nanangana "projet " ka mahazo famatsiana efa miasa eny anivon'ny fiaraha-monina misy antsika eny

Samy misitraka ity tetik'asa ity daholo ny faritra 23 manerana an'i Madagasikara no

- Fonds pour la Consolidation de la Paix







Vakinankaratra.

01/08/2022
01/08/2022

Les membres de la cellule de veille de la Région Vakinankaratra.

10/03/2022
Iainanay ny miralenta amin'ny fotoana izay tsy ahatsiarovanay intsony hoe Sembana izahay!..
10/03/2022

Iainanay ny miralenta amin'ny fotoana izay tsy ahatsiarovanay intsony hoe Sembana izahay!..

10/03/2022
24/02/2022
12/10/2021
Feno dia feno ny fandraisan’anjaran’ny AFHAM nandritry ny « Vitrine du Vakinankaratra » andiany faha-23, izay notontosai...
09/10/2021

Feno dia feno ny fandraisan’anjaran’ny AFHAM nandritry ny « Vitrine du Vakinankaratra » andiany faha-23, izay notontosaina ny 30 Septambra, 1 sy 2 Oktobra lasa teo. Nifanotrona tamin’izany ny AFHAM Vakinankaratra sy AFHAM Antananarivo : tao ny dihy mirindra nandritry ny lanonam-panokafana, nitohy tamin’ny conférence izay niompana tamin’ny loha-hevitra hoe ny vehivavy manana fahasembanana : mpisehatra mavitrika amin’ny fampandrosoana ; nandray anjara ihany koa tamin’ny diaben’ny firaisan-kina sy ny fampirantiana ny asa tanan’ireo vehivavy mpikambana narahina fanentanana samihafa. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mikorana ny fotoana.
Ankasitrahana ianareo mianadahy vahiny nasaina tamin’ny conférence: Kiady Rajaonera , mpanao gazetin’ny TVM ; sy Naomy Orea, mpianatra nahavita ny fianarana momba ny communication. Nanamarika anay tokoa ny nisafidiananareo ny AFHAM mba hanaovana fanadihadiana nandritry ny fianarana nataonareo. Mirary soa anareo ho tonga amin’ny ambony hatrany.
Isaorana etoana ny ekipan’ny FIOVA Vakinankaratra sy ny Telma izay nanohana anay. Mankasitraka feno ireo rehetra tonga nanotrona sy niara-dalana taminay ka nahatontosana izany rehetra izany. Kopa-tanana manokana ho an’ny fianakavian’ny AFHAM ooo!

09/10/2021
29/09/2021

AFHAM 10 taona. Arahinao ao amin'ny TVM anio amin'ny 9 ora alina.

Ireo mpitarika ny AFHAM amin'ny faritra 19 manerana an'i Madagasikara otronin'ny Filoha nasionaly Razafinjato Fela sy ny...
11/09/2021

Ireo mpitarika ny AFHAM amin'ny faritra 19 manerana an'i Madagasikara otronin'ny Filoha nasionaly Razafinjato Fela sy ny Filoha am-boninahitra Fanja Razakaboana

15/07/2021

Aogositra 2011- Aogositra 2021: feno 10 taona ny AFHAM Association des Femmes Handicapées de Madagascar. Hetsika maro no enti-mankalaza izany: fifaninanana dihy, tononkalo, tantara an-tsehatra ary tsipy kanetibe. Hisy solon-tena avokoa n'y Faritra 18 misy ny AFHAM eto Madagasikara. Isan'izany ny AFHAM Vakinankaratra. Fotoana iray ihany koa anehoana ny firaisan-kinantsika io. Koa alao hery àry ry rahavavy isany fa androntsika io. Hery lehibe ho anay koa ny fanohananareo sy ny fankaherezanareo mpiara-miombon'antoka rehetra. Mankasitraka indrindra.

Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy teto Antsirabe. 8 mars 2021.
03/04/2021

Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy teto Antsirabe. 8 mars 2021.

28/03/2021
15/12/2020

KOLOKANTO ANTSIRABE 12 décembre 2020

Tontosa ny 3desambra lasa teo ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny manana fahasembanana, ny lanonana dia ni...
06/12/2020

Tontosa ny 3desambra lasa teo ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny manana fahasembanana, ny lanonana dia niarahana tamin'ny GRAPHAV s'y ny mpiara miombon'antoka ary notronin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.

Izahay fikambanana vehivavy manana fahasembanana AFHAM Vakinankaratra tarihin'ny Filoha Lolona Mamisoa Ralivaosoanirina,...
31/08/2020

Izahay fikambanana vehivavy manana fahasembanana AFHAM Vakinankaratra tarihin'ny Filoha Lolona Mamisoa Ralivaosoanirina, sy ny RFHV tarihin'ny Filoha Fanjanjana Daniel dia mankasitraka indrindra ny Filoham-pirenena hajaina sy ireo mpiara-miasa am iny, tamin'ny fanomezana tolo-tanana ireo mpikambana rehetra. Isaorana ihany koa ireo ekipa mavitrika eo anivon'ny Faritra Vakinankaratra, fa dia nanao ny ainy tsy ho zavatra tokoa tamin'ny fanatontosana izany. Mankasitraka indrindra anareo rehetra. Niaina Ratovoarinjaka, Nirina Razaka , Alain Pierre Rakotondrafara, Tis'sarou Jah,... 🙏🙏🙏 Isaorana manokana ny ekipa notarihin'i Lydia Ah Sam Vasen sen💝💝💖🙏🙏🙏.

Mankasitraka indrindra Tompoko!Avec Marie Angeline Lolona Mamisoa Ralivaosoanirina
30/07/2020

Mankasitraka indrindra Tompoko!

Avec Marie Angeline Lolona Mamisoa Ralivaosoanirina

Akon'ny fankalazana ny andro maneran- tany ho an'ny vehivavy teto Antsirabe (13 mars 2020). Isaorana ny naka sary sy nam...
24/04/2020

Akon'ny fankalazana ny andro maneran- tany ho an'ny vehivavy teto Antsirabe (13 mars 2020). Isaorana ny naka sary sy nampita ny vaovao.

07/04/2020
29/02/2020

Fankalazana ny andron'ny vehivavy 2020: hotanterahina ny 13 mars izao eto Antsirabe. loha-hevitra : izaho sy ianao, isika rehetra miombon'andraikitra mba hisitrahan'ny vehivavy ny zony. Handray anjara mavitrika ny AFHAM Vakinankaratra. Manentana antsika rehetra mba hifanotrona fa androntsika io e!

" vehivavy maromaro samihafa fihaviana, no indreo fa tafaharo ao anaty fifaliana. Zahay AFHAM ireo: fikambanam-behivavy ...
01/09/2019

" vehivavy maromaro samihafa fihaviana,
no indreo fa tafaharo ao anaty fifaliana.
Zahay AFHAM ireo: fikambanam-behivavy
sembana tsy mitoreo, fa mibanjina ny ho avy!"

Antsirabe: Renivohitr'i Vakinankaratra no nandray ny fihaonamben'ny vehivavy sembana manerana ny Faritra 15 misy ny AFHAM eto Madagasikara. Tontosa tao anaty fifaliana tanteraka ny lanonana rehetra. Teo ny fiofanana sy ny fifidianana izay natao ka nahalany an-dRamatoa Razafinjato Fela ho Filoha Nasionaly mandritry ny 4 taona manaraka indray. Teo koa ny carnaval sy ny fihaonana ara-panatanjahan-tena ary ny fifaninanana dihy izay natao ka nahazo ny voalohany sy mendrika tamin'izany ny AFHAM Antsohihy. Isaorana etoana ianareo rehetra nanampy sy nanohana anay tamin'ny fanatontosana ny hetsika rehetra: ny tompon'andraiki-panjakana isan'ambaratongany eto anivon'ny Faritra Vakinankaratra manontolo, ireo rehetra izay nanampy hatramin'ny fanombohana ka hatramin'ny famaranana. Ankasitrahana eram-po eran-tsaina ianareo ary Andriamanitra anie hamaly fitia anareo tsirairay avy.

24/08/2019

Ny Filoha Nasionaly, NY mpitarika isam paritra ary NY mpikambana AFHAM manerana NY Faritra 15 dia misaotra eram- po ireo nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ka nahatontosa ny fihaonam- be teto Antsirabe. Tretrika izahay ary afa-po tamin'izay rehetra natao. Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy. Mankasitraka e!

13/08/2019

FIHAONAM-BEN'NY VEHIVAVY AFHAM:
Atao eto Antsirabe-Vakinankaratra ny fihaonam-ben'ny Vehivavy sembana ny 19 hatramin'ny 24 Aogositra izao. Ho tonga eto ny mpikambana manerana ny Faritra 15 misy ny AFHAM eto Madagasikara. Hisy araka izany ny fiofanana sy fivoriana izay arahina fifidianana birao vaovao.
Ny alakamisy dia anasana antsika rehetra hanotrona ny dihy mirindra atao manoloana ny Lapan'ny tanàna izay mitohy amin'ny carnaval mankeny amin'ny Faritra Vakinankaratra. Hisy lalao basket-ball ambony seza misy kodiarana ary fifaninana dihy ny tolakandro.

08/08/2019

FIHAONAM-BEN’NY VEHIVAVY AFHAM ETO ANTSIRABE
Andraisan’ireo vehivavy sembana manerana ny Faritra 15 anjara

Alakamisy 22 aogositra 2019:

8ora 30min : Dihy mirindra manoloana ny Lapan’ny Tanàna

9ora : Carnaval lehibe miainga eo amin’ny Commune

10ora : Lalao Basket-ball ambony seza misy kodiarana eo
amin’ny Kianjan’ny Faritra Vakinankaratra

2ora tolakandro: Fifaninanana dihy isam-paritra ao amin’ny
Tranoben’ny Kolontsaina

“VEHIVAVY SEMBANA MANDRAY ANDRAIKITRA,
ANTOKY NY FAMPANDROSOANA NY HO AVINY!”

Tongava maro fa hery lehibe ho anay ny fanotronanareo.

OHATR’ANAO IHANY!

28/06/2019

Manasa antsika hanaraka NY TVM ny 29 jona 2019 am 4 ora sasany, ohatr'anao ihany faha 4, fandaharana vokarin'ny AFHAM.

Address

Antsirabe
110

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AFHAM Vakinankaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to AFHAM Vakinankaratra:

Videos

Share


Other Gaming Video Creators in Antsirabe

Show All